Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hatraiza ny hoe “Lasa Lavitra Loatra”?

Hatraiza ny hoe “Lasa Lavitra Loatra”?

Manontany ny Tanora Hoe...

Hatraiza ny hoe “Lasa Lavitra Loatra”?

“Azonareo atao ve ny mampitandrina ny olona fa hahita loza izy raha lasa lavitra loatra ny ataony? ... Tokony horesahina ny zavatra rehetra mitranga alohan’izay, satria izany no mitarika ho amin’ny fanaovana firaisana. Izao àry no tiako ho fantatra: Hatraiza ny fetra?”

Izany no zavatra nangatahin’ny ankizivavy iray tamin’ny gazety ho an’ny zatovo. Efa mba nanontany tena toy izany koa angamba ianao.

Raha Kristianina ianao, dia zava-dehibe aminao ireto teny ao amin’ny 1 Tesalonianina 4:3-6 ireto: “Izao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo ka hifadianareo ny fijangajangana, ... ka tsy hisy aminareo ho tonga hatramin’ny fanimbana ny rahalahiny, ka hanitsakitsaka ny zony amin’izany lafiny izany, satria i Jehovah no mitaky sazy noho izany rehetra izany.”

Mety ho takatrao àry fa tsy tokony hanao firaisana ny Kristianina tsy mpivady. Mbola mety hanontany tena ihany anefa ianao hoe ahoana no fihevitr’Andriamanitra ny fanorohana sy famihinana, na fanafosafoana.

Satria efa mihalehibe ve?

Tsara aloha ny mitadidy fa tsy manameloka ny fanehoam-pitiavana ny Baiboly, raha madio sy ara-dalàna ilay izy ary tsy natao hanaitaitra ny filan’ny nofo. Tena nifaneho fitiavana ny Kristianina fahiny. Matetika izy ireo no ‘nifampiarahaba tamin’ny oroka masina.’ (Romanina 16:16; 1 Korintianina 16:20) Nifanoroka sy nifamihina ireo Kristianina, na dia samy lehilahy sy samy vehivavy aza.—Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:37.

Mbola heverina foana ho fomba tsara hanehoana fitiavana amin’olona ny fanorohana sy famihinana, any amin’ny tany maro. Tanora maro anefa ankehitriny no mifaneho fitiavana tafahoatra. Nisy fanadihadiana natao tamin’ny zatovo amerikanina. Mihoatra ny androatokon’izy ireo no efa nanafosafo ny faritra miafina amin’ny vatan’olon-kafa. Vao 14 taona aza ny maro taminy, dia efa nanomboka nanao izany. Hita tamin’ny fanadihadiana hafa, fa nahatsapa ny fahafinaretana fara tampony toy ny rehefa manao firaisana, ny antsasak’izy ireo.

Misy mihevitra fa ara-dalàna ny fanaovan-javatra toy izany, satria efa mihalehibe ilay zatovo. Araka Ny Boky Momba ny Zatovo Natao ho An’ny Fianakaviana (anglisy), “dia saika ny zatovo rehetra no manandranandrana zavatra mifandray amin’ny firaisana sy mihevitra izany ho kilalao.” Mampirisika ny tanora hifanoroka sy hifanafosafo mihitsy aza ny olona sasany. Hoy ilay boky hoe Mitomboa Amin’ny Fitiavana (anglisy), nosoratan’i Kathryn Burkhart: “Koa satria tsy tonga hatramin’ny fanaovana firaisana ilay fanafosafoana, dia tsy mitebiteby ilay zatovo rehefa manao izany, nefa toy ny hoe manao firaisana ihany izy.”

Ahoana anefa ny fihevitr’Andriamanitra an’izany?

Misy heriny ve ny oroka?

Tena mahery ny faniriana hanao firaisana rehefa ao anatin’ny “fivelaran’ny fahatanorana” ianao. (1 Korintianina 7:36) Ara-dalàna àry raha te hahalala ny zatovo hoe manao ahoana izany manoroka na manafosafo izany. Hoy anefa Ny Boky Momba ny Zatovo Natao ho An’ny Fianakaviana: “Matetika no efa afaka manao firaisana ny olona, na dia taona maro alohan’ny hahatongavany ho matotra ara-pihetseham-po aza.” Tanora maro àry no tsy tena mahatakatra hoe manan-kery hanaitra ny faniriana mafy hanao firaisana, ny oroka sy safosafo.

Manaova zavatra amim-pahendrena àry, ka hevero ny vokatry ny fihetsika manaitaitra ny filan’ny nofo. Ahoana raha mbola kely loatra ianao ka tsy tokony hanambady? Raha izany no izy, nahoana no manoroka na manao zavatra mety hanaitaitra ny filan’ny nofo? Tsy ho afaka hampitombo ilay fahataitairana ho tonga hatramin’ny fanaovana firaisana mantsy ianao, satria Kristianina. Azo antoka fa hahakivy anao izany. Lazain’ny Baiboly mazava fa natao ho an’ny mpivady ihany ny firaisana.—1 Korintianina 6:18.

Hevero koa ny amin’ilay olona mety haniry hanao firaisana noho ny zavatra ataonao. Tsy ho mpamitaka sy lozabe ve ianao, raha manoroka na manafosafo olona izay tsy azonao hovadina, na tsy eritreretinao hovadina mihitsy? (Ampitahao amin’ny Ohabolana 26:18, 19.) Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Ny lozabe dia todin’ny halozany.”—Ohabolana 11:17.

Fantatry ny mpianatra ny Baiboly tsara fa mety hanaitra faniriana mafy hanao firaisana ny safosafo na oroka. Miresaka toy izao ny amin’ny tovolahy iray nofitahin’ny mpivaro-tena ny Baiboly: “Nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy.” (Ohabolana 7:13) Mety hanaitra faniriana mafy hanao firaisana ny fanorohana na fikasikasihana toy izany. Mihamitombo io faniriana io ao amin’ny ankizilahy sy ankizivavy, arakaraka ny ifampikasihan’izy ireo akaiky. Raha ny marina, dia manao izay hahavonona ny vatana ho amin’ny fanaovana firaisana izany.

Afaka manome fahafaham-po ny firehetan’ny fitiavany ny olon-droa mpivady. Mendri-kaja izany sady ahitany fahafinaretana. Azo antoka kosa fa hisy zava-manahirana hipoitra, raha tsy mpivady no manao izay hirehetan’ny filan’ny nofony. Nisy fanadihadiana nataon’i Nancy Van Pelt mpanoratra. Hitany tamin’izany fa tanora maro izay nifanafosafo no niaiky fa tsy voafehiny intsony ilay faniriana. Nisy ankizivavy tratran’izany, ka voasarika hanao zavatra tafahoatra. Tsy nanao firaisana izy, saingy namela ilay ankizilahy hikasika ireo faritra miafina amin’ny vatany. Hoy izy: “Mankaloiloy ahy ny mieritreritra izany ankehitriny.” Tena ratsy ve io zavatra navelany hataon’ilay ankizilahy io?

Inona no atao hoe “lasa lavitra loatra”?

Misy tanora mihevitra fa raha mbola tsy manao firaisana izy dia tsy lasa lavitra loatra, ary tsy tena ratsy ny ataony. Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly. Hoy ny apostoly Paoly ao amin’ny Galatianina 5:19-21: “Miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena mahamenatra ... Tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo.”

Inona no atao hoe fijangajangana? Por·neiʹa ny teny grika tany am-boalohany nadika hoe fijangajangana. Manondro zavatra ataon’ny olon-droa tsy mpivady izy io, ka ampiasan’izy ireo ny filahiana sy fivaviana. Ilay ankizivavy voaresak’ilay boky hoe Fito Ambin’ny Folo Taona (anglisy) dia namela ilay ankizilahy niarahany, hitarika azy hanao firaisana amin’ny vava. Hoy io ankizivavy io: “Mahatsiaro tena ho vendrana aho, satria milaza ny namako rehetra fa manao izany amin’ny ankizilahy iarahany izy ireo, ka raha tsy manaiky aho dia hisarahan’ilay ankizilahy.” Maro be ny tanora manao an’io karazana fahalotoam-pitondran-tena io, araka ny fikarohana natao. Anisan’ny por·neiʹa anefa izy io, ka tsy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra.

Nampifandraisin’ny apostoly Paoly koa ny fijangajangana sy ny “fahalotoana.” Mahafaoka ny karazana fahalotoana rehetra, na fiteny na zavatra atao, ny teny grika tany am-boalohany hoe a·ka·thar·siʹa. Tena haloto ny olona iray raha mampivezivezy ny tanany ao anaty akanjon’olon-kafa, sy manaisotra ny akanjon’io olona io, ary manafosafo ny faritra miafina amin’ny vatany, anisan’izany ny nonony. Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fahafinaretana voatokana ho an’ny mpivady mantsy ny fanafosafoana ny nono.—Ohabolana 5:18, 19; ampitahao amin’ny Hosea 2:4.

Sahy manohitra ireny fitsipik’Andriamanitra ireny anefa ny tanora sasany. Minia manao zavatra lasa lavitra loatra izy ireo, na tsy mety afa-po mihitsy ka mitady olona samihafa hanaovana io karazana fahalotoana io. Meloka noho ny “fitondran-tena mahamenatra” àry izy ireo, araka ny ilazan’ny apostoly Paoly azy.

Boky maromaro no mampiseho fa ilay teny grika tany am-boalohany nadika hoe “fitondran-tena mahamenatra” (a·selʹgei·a), dia midika hoe ‘zavatra manafintohina, fanaranam-po, tsy fanajana, filan-dratsin’ny nofo tsy voafehy, ary fitondran-tena manafintohina.’ Mitovy amin’ireo mpanompo sampy noresahin’i Paoly, ny tanora manana fitondran-tena mahamenatra. “Noho ny hamafin’ny fony”, dia lasa ‘tsy nahalala menatra intsony [ireny mpanompo sampy ireny], ka nanaram-po tamin’ny fitondran-tena mahamenatra hanao izao karazam-pahalotoana rehetra izao, sady tsy nety afa-po fa mbola te hanao foana.’ (Efesianina 4:17-19) Azo antoka fa tsy te hahazo fanamelohana toy izany ianao!

Fantaro àry fa tsy voatery ho tonga hatramin’ny fanaovana firaisana ny olona vao hoe “lasa lavitra loatra”, araka ny fomba fihevitr’i Jehovah. Halaviro ny fanafosafoana sy fanorohana izay mety hitarika ho amin’ny fanaovana firaisana, raha mbola kely loatra ianao ka tsy tokony hanambady. Tsy maintsy mitandrina koa ireo olona mikasa hivady mba tsy hanjary haloto ny fifanehoan’izy ireo fitiavana. Marina fa tsy mora ny manaraka ny fitsipik’Andriamanitra. Hoy anefa izy ao amin’ny Isaia 48:17: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.”—Jereo koa ny Galatianina 5:16.

[Sary, pejy 24]

Mety hahatonga fahakiviana, na zavatra ratsy kokoa aza, ny fihetsika manaitaitra ny filan’ny nofo, raha tsy mpivady ianareo