Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Haverina any Amin’ny Toerana Niandohany ny Lalao Olympika

Haverina any Amin’ny Toerana Niandohany ny Lalao Olympika

Haverina any Amin’ny Toerana Niandohany ny Lalao Olympika

NOHO ny fikarohana ambanin’ny tany nataon’ireo arkeology no namelomana indray ny Lalao Olympika, ankehitriny. Ny zavatra hitan’izy ireo tany Olympie fahiny, any Gresy, no nahatonga ilay frantsay antsoina hoe Pierre de Coubertin, hampirisika ny hanaovana azy io indray. Vokatr’izany, dia natao tany Atena tamin’ny 1896, ny Lalao Olympika voalohany amin’ny andro ankehitriny.

Kasaina hatao eo amin’ny toerana nanaovana azy voalohany ny Lalao Olympika. Taona vitsivitsy talohan’ny 2004 àry, dia efa nampiasaina ny bilidaozera sy fitaovam-panorenana hafa, mba hanorenana ireo toerana handraisana azy io. Nohavaozina ny renivohitr’i Gresy mba handraisana ny Lalao Olympika, ka toy ny toeram-panorenana no fijery azy.

Ny 13 ka hatramin’ny 29 Aogositra 2004 no hatao any Atena ny andiany faha-28 amin’ny Lalao Olympika. Ity no betsaka firenena mandray anjara indrindra hatramin’izay, satria atleta 10 000 mahery avy any amin’ny tany 201 no hifaninana. Taranja ara-panatanjahan-tena 28 no handraisan’izy ireo anjara, ary any amin’ny toerana 38 no hanaovana izany. Hofaranana amin’ny fanolorana meday ny lalao tsirairay, ary meday 300 no hozaraina amin’izany. Hiasa mafy ireo mpanao gazety 21 500 mahery sy mpitandro ny filaminana 55 000.

Niady mafy i Atena mba handraisana ilay lalao

Efa ela i Atena no naniry hampiantrano an’ilay lalao indray. Feno 100 taona tamin’ny 1996 ny Lalao Olympika ankehitriny, ka noheverina fa nety indrindra raha tany amin’ilay toerana niandohany no nanaovana izany tamin’io taona io.

Tsy nekena anefa ny fangatahan’i Atena handray an’ilay lalao, tamin’ny 1996. Nolazaina fa tsy manana ireo zavatra ilaina (toy ny trano, fitaterana, ary fitaovam-pifandraisana) mba handraisana azy io ao anatin’ny tapa-bolana ilay tanàna.

Nanosika an’i Gresy sy ny renivohiny hanao zavatra haingana io fandavana io. Nampanantena ny hanitsy ilay toe-javatra i Atena. Nanana fikasana tsara sy drafitra maty paika izy, ka nanao fangatahana indray tamin’ny 1997, mba handray ny Lalao Olympika 2004. Nekena ny fangatahany tamin’izay.

Nivonona hanao ilay fiovana goavana i Atena. Nanosika azy hiasa mafy mbola tsy nisy toy izany ny faniriana handray ilay lalao. Nampiasaina hatraiza hatraiza ireo fitaovam-panorenana mba hanatsarana sy hanamboarana trano, lalana, toerana hanaovana ny lalao, ary ny toy izany. Na dia amin’ny faran’ny herinandro, mandritra ny vanim-potoana mafana aza, dia misy olona miasa mafy foana ka mampiasa ireo fitaovana fandavahana sy grue eny rehetra eny.

Tamin’ny Martsa 2001, no nisy fiaramanidina voalohany teo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena vaovao, any Atena. Io seranam-piaramanidina io no mitana ny laharana voalohany eran-tany, ao amin’ny sokajy misy azy. Lalana vaovao mirefy 120 kilaometatra no nokasaina hamboarina, ary 90 kilaometatra kosa no hohavaozina. Misy lalam-be mifanao ambony sy ambany 40 koa amboarina miaraka amin’ilay lalana vaovao, mba hanamora ny fifamoivoizana. Nasiana zotra vaovao ho an’ny fiarandalamby koa tany ambanin’ny tany, ho fanampin’ny zotran’ny tramway izay mirefy 24 kilaometatra. Nasiana lalamby mirefy 32 kilaometatra sy garan-dalamby maoderina, teny amin’ny manodidina ny tanàna, mba hanamora ny fifamoivoizana sy hampihenana ny fandotoana ny rivotra.

Raha tsorina, dia nezahina novana ho tanàna vaovao misy zava-maitso sy tontolo madio kokoa ary fitaovam-pitaterana vaovao i Atena, tao anatin’ny taona vitsivitsy. Hoy i Jacques Rogge, prezidàn’ny Komity Olympika Iraisam-pirenena (CIO): “Izay nahalala an’i Atena talohan’ilay lalao dia mety tsy hahafantatra azy io intsony, rehefa hahita azy aorian’ilay lalao.”

Sarotra sady maharitra ela ny fanomanana

Nohafainganina ny asa, arakaraka ny hanatonan’ny daty hanaovana ny lanonana fanokafana. Nampitovin’i Rogge prezidàn’ny CIO tamin’ny sirtaki, dihy nentin-drazana grika, ny fandrosoan’ny asa. Somary nivazivazy izy nilaza hoe: “Azo ampitahaina amin’ny feon-kira sirtaki iray ilay izy. Miadana be izy io rehefa manomboka, mihafaingana tsikelikely, ary lasa haingana be amin’ny farany, ka tsy arakao intsony.”

Ny toerana handraisana ireo mpifaninana sy manam-pahefana àry, no “tena ifantohan’ny ezaka rehetra atao ho fanomanana ilay lalao.” Any amin’ny tanàna iray any amin’ny sisiny avaratr’i Atena no hisy azy io. Izy io no lehibe indrindra amin’ireo tetikasa momba ny fandraisana olona izay natao tany Gresy hatramin’izay, satria atleta sy mpikarakara ekipa 16 000 eo ho eo no hiantrano ao. Hatao trano fonenana io toerana io rehefa vita ilay lalao, ary olona 10 000 eo ho eo no hipetraka ao.

Tsy hadinon’ireo mpandrindra ny lalao ny nampifanaraka ireo lalao ankehitriny amin’ny tantaran’ny Lalao Olympika. Hatao any amin’ny toerana nisy an’i Olympie fahiny ny sasany amin’ireo lanonana. Hasiana fiheverana manokana koa ny toerana maromaro fanaovana fikarohana ambanin’ny tany, mandritra io Lalao Olympika io. Nanorenana toerana fivoizana lakana teo akaikin’i Marathon, izay malaza ho toerana nandresen’ny Grika ny Persanina. Ary afaka milaza ireo mpifaninana fa ilay hazakazaka marathon tamin’ny voalohany mihitsy no ataon’izy ireo. Ilay lalana nihazakazahan’ny miaramila atenianina tamin’ny 490 Talohan’i Kristy mihitsy no nofidin’ireo mpandrindra ny lalao mba hanaovana izany. Nihazakazaka teo amin’ny lalana mirefy 42 kilaometatra avy ao Marathon nankany Atena izy tamin’izay, mba hanambarana ny faharesen’ny Persanina.

Ny loka volamena dia ho an’i...

Azo antoka fa hifantoka any amin’ilay kianja Olympika, izay mahazaka olona 75 000, ny sain’ny olona, rehefa halefa ny afomanga, mandritra ny lanonam-panokafana. Tena miavaka amin’ireo toerana hanaovana ny Lalao Olympika any Atena io kianja nohavaozina io. Ny tena mampiavaka an’ilay kianja dia ny tafony, izay novolavolain’ilay mpanao mari-trano malaza avy any Espaina, antsoina hoe Santiago Calatrava.

Mahavariana ilay tafo, satria fitaratra maromaro milanja 16 000 taonina no nanamboarana azy, ary faritra mirefy 10 000 metatra toradroa no rakofany. Andry roa lehibe mitovy bika amin’ny avana no manohana io tafo io. Mifanelanelana 304 metatra izy ireo, ary mahatratra 80 metatra ny haavony. Efa ho ny roa ampahatelon’ny haben’ny Tetezan’ny Seranan’i Sydney any Aostralia izany! Milaza ny manam-pahaizana iray momba ny fanorenana, fa milanja 9 000 ka hatramin’ny 10 000 taonina ireo fantsom-by nanamboarana azy io. “Lehibe aoka izany ireo fantsom-by, ka afaka mandeha ao anatiny ny bisy.” Ampoizina fa hahatratra avo roa henin’ny lanjan’ny Tour Eiffel any Paris, ilay tafo manontolo.

Nahoana no ilaina ny tafo goavam-be toy izany? Eritrereto ny hafanam-be any Atena mandritra ny volana Aogositra! Voasakan’ireo fitaratra manokana ireo ny ampahatelony mahery amin’ny tara-masoandro. Mbola misy antony hafa koa anefa. Nampitovina tamin’ny famantarana an’ilay lalao ny fomba nanamboarana ilay tafo. Hoy i Evangelos Venizelos, Minisitry ny kolon-tsaina grika teo aloha: “Famantarana lehibe mampiavaka ny Lalao Olympika eto Atena ny tafon’io kianja io.”

Hampahatsiahy ny asa mafy natao mba handraisana iny fisehoan-javatra lehibe iny, ireny famantarana ireny, aorian’ny lanonana famaranana. Manantena ireo Atenianina fa hanatsara ny fiainan’izy ireo, ny zavatra rehetra nomanina mba handraisana ny Lalao Olympika. Hiatrika ny zava-manahirana azy, toy ny nataony hatramin’izay izy ireo, ary tsy ho kivy amin’izany.

[Efajoro, pejy 15]

Tsy Arahina Ireo Filamatra

Tian’ireo mpandrindra ny Lalao Olympika ny manasongadina ireo filamatry ny lalao, dia ny “fifaninanana mendrika, fanatanjahan-tena, fiadanana, kolon-tsaina, ary fanabeazana.” Ireto kosa anefa no lafy ratsin’ilay lalao: ny fanaovana politika, ny fanindrahindram-pirenena, ny varotra, ary ny tsolotra.

Toy ny fahita amin’ireo Lalao Olympika, dia lasa be mpijery ny televiziona, ary ahazoam-bola be ny dokam-barotra. Nahatonga ny fanohanana azy io ho fandraharahana lehibe izany. Hoy ny mpanao fikarohana aostralianina antsoina hoe Murray Phillips: “Ahazoam-bola be ny Lalao Olympika, ary fanapahan-kevitra maro no raisina noho ny antony ara-barotra.”

Maro no tsy mankasitraka ny fanindrahindram-pirenena, izay mibaribary mandritra ireo lalao. Misy ezaka atao koa mba hampitsaharana ny fifandrafiana sy ny ady mandritra io fotoana io. Tsy hisy heviny anefa izany, raha tsy ireo antony mampiady mihitsy no hofoanana. Hoy i Brian Martin, mpampianatra momba ny siansa sy teknolojia ary fiaraha-monina: “Sehatra anjakan’ny politika ny Lalao Olympika.” Hoy koa izy: “Mivadika ho fifaninanana eo amin’ireo firenena ny fifaninanan’ny atleta. Tsy afaka mandray anjara izy ireo, raha tsy navela handray anjara ny fireneny. Heverina ho fandresen’ny firenena, ny fandresen’ny olona na ekipa iray, ka aseho amin’ny alalan’ny fananganan-tsaina sy ny hiram-pirenena izany ... Sehatra hafa fotsiny ahafahan’ireo mpifaninana maneho indray ny fifankahalany [ny Lalao Olympika]. Eo koa no ahafahan’ireo firenena miady fahefana sy voninahitra. ... Tsy manan-kery hanatanterahana ny tena tanjony, izany hoe ny hampisy fiadanana, ny hetsika olympika.”

[Sary, pejy 15]

Toerana fanaovana fifaninanana olympika any Atena

Meday ho an’ny taona 2004

[Sary nahazoan-dalana]

Sary nalaina avy eny ambony: AP Photo/ Thanassis Stavrakis; meday: © ATHOC

[Sary, pejy 16]

Fiarandalamby ambanin’ny tany, Atena

Seranam-piaramanidina, Atena

[Sary nahazoan-dalana]

© ATHOC

[Sary, pejy 17]

Fandraisam-bahiny eo an-dalam-panorenana

Seranan’i Agios Kosmas

[Sary nahazoan-dalana]

© ATHOC/Photo: K. Vergas

[Sary, pejy 16, 17]

Tafon’ilay Kianja Olympika eo an-dalam-panorenana

[Sary, pejy 17]

Modely mampiseho ilay tafo rehefa vita

[Sary nahazoan-dalana]

© ATHOC

[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]

© ATHOC