Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Manampy Ahy Hiaritra Fitsapana Izy Io’

‘Manampy Ahy Hiaritra Fitsapana Izy Io’

‘Manampy Ahy Hiaritra Fitsapana Izy Io

Izany no nolazain’ny mpamaky iray avy any Connecticut, Etazonia, rehefa niresaka momba ilay boky Manatòna An’i Jehovah izy. Izao no nambarany: “Mianatra tapany kely amin’izy io aho isan’andro. Lasa sempotsempotra aho, noho ny fahaketrahana mahazo ahy. Manampy ahy hiaritra an’io fitsapana io ny fianarana fohy.”

Hoy koa izy: “Nanohina ny foko ny sarin’ilay mpiandry ondry be fitiavana, eo amin’ny pejy faha-69. Tiako koa ilay hevitra ao amin’ny pejy faha-28, fehintsoratra faha-8. Miresaka momba ny zavatra hitan’i Mosesy izy io, rehefa nirehitra ilay roimemy ary ‘nanjary masina mihitsy ny tany nanodidina teo, satria niresaka tamin’i Jehovah izy!’ Mety mba hisy fanantenana kely ny amiko, raha azon’i Jehovah hamasinina, na dia ny tany aza. Tena nanampy ahy ny fieritreretana izany, noho izaho ketraka matetika.”

Mino izahay fa hahasoa anao ny famakiana ilay boky misy fonony malefaka hoe Manatòna An’i Jehovah, izay misy 320 pejy. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.