Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Lasa Aretina ny Fiahiana ny Bika Aman’endrika

Rehefa Lasa Aretina ny Fiahiana ny Bika Aman’endrika

Rehefa Lasa Aretina ny Fiahiana ny Bika Aman’endrika

REHEFA mijery fitaratra ny ankamaroantsika, dia mahita zavatra eo amin’ny vatantsika izay heverintsika fa azo hatsaraina. Amboarintsika indray àry ny akanjo na ny volontsika, na manisy zavatra fanatsaran-tarehy isika, izay vao manao asa hafa. Ara-dalàna raha miahy ny bika aman’endritsika toy izany isika. Lasa tafahoatra kosa io fiahiana io eo amin’ny olona sasany, ka nahatonga ny dokotera hihevitra izany ho aretina.

Nanazava ny amin’io aretina io toy izao Ny Bokin’i Merck Momba ny Famantarana Aretina sy Fitsaboana (anglisy): “Izy io dia fiahiana tafahoatra momba izay tsy mety eo amin’ny bika aman’endrika. Mahatonga hakiviana izy io, na misy akony eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, eo amin’ny asa, ary eo amin’ny zava-dehibe hafa.” * Antsoina koa hoe haratsiam-bika aman’endrika foronin’ny saina izy io, satria an’eritreritra fotsiny no ahitan’ilay marary tsininy amin’ny vatany na anitarany izay tsy metimety.

Niresaka momba io aretina io koa ny Profesora Kevin Thompson, ao amin’ny Oniversiten’i Floride Atsimo. Nolazainy fa tena vitsy no voan’izy io, “angamba eo amin’ny iray na roa isan-jaton’ny olona amin’ny ankapobeny, ary 10 ka hatramin’ny 15 isan-jaton’ny olona marary saina.” Hoy koa anefa izy: “Misy mpikaroka mino fa mitombo io isa io, satria mihatsara ny fomba ampiasaina mba hamantarana ilay aretina, ary lasa miahy tafahoatra ny bika aman’endriny koa ny olona.” Samy mety ho voan’io aretina io daholo na antitra na tanora, kanefa ny zatovo no tena matetika voany. Raha ny amin’ny olon-dehibe, dia samy mety ho voa na lahy na vavy. Tsy toy izany kosa ny amin’ny tsy fihinanana ara-dalàna efa lasa aretina, satria ny vehivavy no voan’izy io matetika kokoa.

Lasa mijery fitaratra foana, ary mety hitokantokana mihitsy aza indraindray, ny olona miahy tafahoatra ny bika aman’endriny. Ny mbola ratsy kokoa aza, araka ny Bokin’i Merck, dia ny hoe “mety hahatonga azy hiditra hopitaly matetika ary hitady hamono tena ny fahorian-tsaina sy ny korontana anaty aterak’ilay aretina.” Tsy mahagaga raha te hanaovana fandidiana fanatsaran-tarehy ny marary sasany. Hoy ny Dr. Katharine Phillips, izay nanoratra boky momba io aretina io: “Tsy mampirisika ny hanaovana an’io fandidiana io aho, satria matetika no tsy mahafa-po ny ankamaroan’ny marary akory ilay izy.” *

Mipoitra aloha be ilay aretina, indraindray. Nisy gazety amerikanina niresaka momba ny ankizilahy iray enin-taona, “izay nino fa mavomavo ny nifiny, ‘natavy’ ny kibony, ary tsy nety ny volony. Tsy nisy voamariky ny olona anefa ireo zavatra ‘tsy nety’ ireo, na iray aza. Efa ho adiny iray izy no nibango volo, isa-maraina. Raha mbola tsy vitany ‘tsara’ ilay izy, dia atsobony ao anaty rano ny lohany, ary mibango volo toy ny teo indray izy, ka lasa tara matetika.” Rehefa tonga tany amin’ny dokotera izy, indray andro, dia nandohalika mihitsy mba hijery ny sariny teo amin’ny tahon-tseza vy mangirana.

Aza avela hibaiko ny toe-tsainao izao tontolo izao

Totofan’ireo gazety sy gazetiboky lafo vidy ary dokam-barotry ny televiziona amin’ny sary mampiseho ny atao hoe vatana filamatra ny olona. Tsotra ny fanjohian-kevitry ny mpanao dokam-barotra: Mamoaka sary iray mba hataon’ny olona ho filamatra, dia handany ny vola nisasarany mafy izy ireo, mba hitoviana amin’io sary io. Eo koa ny faneren’ny namana sy ny fanamarihana tsy voahevitra ataon’ny havana aman-tsakaiza. Tsy mahagaga intsony amin’izay raha lasa tsy mahay mandanjalanja ny amin’ny bika aman’endriny ny olona sasany. * Mazava ho azy fa mety tsy hitovy mihitsy amin’ny aretin-tsaina ny tsy fahaiza-mandanjalanja.

Tsy ara-dalàna sady tsy marina ny ieritreretana hoe raha tsara tarehy ihany ianao vao hasian’ny olona fiheverana. Matetika no tsy arakaraka ny bika aman’endrika no ifidianan’ny olona izay ho namany. Marina fa ny bika aman’endrika no mety hanintona amin’ny voalohany. Ny toetra sy ny fitsipi-pitondran-tena ambony arahina anefa no tena manamafy ny fisakaizana. Toy ny boky isika tsirairay, amin’ny lafiny sasany. Mety hanintona ny fonony, nefa raha tsy mahaliana ny ao anatiny, dia tsy hamaky azy ny olona. Raha mahaliana kosa ilay izy, na tsara na ratsy ny fonony, dia halain’ny olona ka hovakiny. Koa tsy aleonao àry ve miezaka hanatsara ny toetranao? Izany no hampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra mba hataonao.—Ohabolana 11:22; Kolosianina 3:8; 1 Petera 3:3, 4.

Ny zava-misy anefa dia hoe miova ny bika aman’endritsika rehefa mihantitra isika. Koa raha miankina amin’ny hatsaram-bika aman’endrika ny fiainana sy ny fahazoana namana ary ny fahasambarana, dia tena manjombona ny hoavintsika. Tsy izany anefa no izy. Fa nahoana?

Hatsaran-tarehy izay maharitra

Hoy ny Ohabolana 16:31: “Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” Eo imason’i Jehovah Andriamanitra sy izay rehetra mitovy fihevitra aminy, dia tsy mihena ny hatsaran-tarehin’ny olona mihantitra ao amin’ny fanompoana azy. Toy ny satroboninahitry ny hatsaran-tarehy ny volo fotsin’izy ireo, raha ny marina, satria azony noho ny zotom-pony sy ny fahafoizan-tenany ho an’Andriamanitra. Mendrika ny hotiavintsika sy hohajaintsika ny olona sarobidy toy ireny.—Levitikosy 19:32.

Hofoanan’i Jehovah koa ny vokatry ny ota mitambesatra amin’ireo mpanompony mahatoky, na antitra izy na tanora. Izany no hitranga ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenainy. Isaky ny andro tsirairay handalo, dia ho hitan’izy ireo sy ho tsapany fa hihatsara ny vatany, ka hanjary ho lavorary izany amin’ny farany. (Joba 33:25; Apokalypsy 21:3, 4) Tena mahafaly izany fanantenana izany! Tianao ve ny ho anisan’izy ireo? Raha eny, dia miezaha mafy hifantoka amin’ilay hatsaran-tarehy tena misy vidiny. Aza avela hibaiko ny toe-tsainao izao tontolo izao tsy miantra sy tsy mijery lavitra. Olona hahafinaritra sy hanintona kokoa ianao amin’izay.—Ohabolana 31:30

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Hoy Ny Gazety Aostralianina Momba ny Fitsaboana (anglisy): “Famantarana aretin-tsaina maromaro ny fiahiana tafahoatra ny bika aman’endrika.” Anisan’izany aretina izany ny fahaketrahana, ny fikorontanan-tsaina vokatry ny fanahiana tafahoatra, ary ny fihinanana tsy ara-dalàna, toy ny tsy fahazotoan-komana zary aretina. Noho izany, dia mety ho sarotra ny mamantatra ny fiahiana tafahoatra ny bika aman’endrika izay lasa aretina.

^ feh. 5 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Les jeunes s’interrogent ... La chirurgie esthétique est-elle pour moi?” ao amin’ny Réveillez-vous! 22 Aogositra 2002. Mazava ho azy, fa mety hila ny fanampian’ny manam-pahaizana momba ny aretin-tsaina ny olona tena marary saina.

^ feh. 8 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay toko hoe “Zava-dehibe ve ny Endrika Ivelany?” ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.