Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Rahona sy Elefanta

Firy taonina ny lanjan’ny rahona? Mety hahatratra 550 taonina ny lanjan’ny rano amin’ireny vondron-drahona fahitantsika ireny, araka ny tatitra nataon’ny ABC News. “Na raha tianao hazava kokoa ny tian’izany holazaina, dia ... eritrereto ny elefanta”, hoy i Peggy LeMone, mpamantatra ny toetrandro. Raha toa ka milanja enina taonina eo ho eo ny elefanta iray, dia mitovitovy amin’ny lanjan’ny elefanta 100 ny rano amin’ny karazana vondron-drahona iray monja. Mihantona eny amin’ny habakabaka izany rano rehetra izany. Miendrika piti-drano faran’izay madinika izany ary hazonin’ny rivotra mafana avy amin’ny tany. Tsy mitovy amin’io vondron-drahona mahazatra io kosa anefa ny rahona entin’ny tafio-drivotra, izay mety hisy rano mitovy lanja amin’ny elefanta 200 000. Ahoana indray ny amin’ny rivo-doza? Mihevitra i LeMone fa azo kajina toy izao ny lanjan’ny rano amin’ny rahona entin’ny rivo-doza: ny lanjan’ny rano iray metatra toratelo ampitomboina ny haben’ilay rivo-doza. Firy ny valiny? Mitovitovy amin’ny lanjan’ny elefanta 40 tapitrisa izany. Hoy koa ilay tatitra: “Midika izany fa ny rano amin’ny rivo-doza iray dia mavesatra noho ny elefanta rehetra eto an-tany, angamba aza mavesatra noho ny elefanta rehetra nisy hatramin’izay.”

Rahoviana no Tokony Hoborosina ny Nify?

Mety ho simba ny bakolinifinao raha borosina avy hatrany, rehefa avy mihinana na misotro zavatra marikivy ianao, hoy ny Milenio, gazety any Mexico. Nampitandrina ilay gazety fa, araka ny fandinihana nataon’ny Oniversiten’i Göttingen, any Alemaina, dia mety “hampahalemy vetivety ny bakolinify” ny sakafo marikivy. Noho izany, dia mety ho simba ny nifinao raha borosina avy hatrany aorian’ny sakafo. Koa tsara àry “raha miandry minitra vitsivitsy aloha ianao, amin’izay matanjaka kokoa ny nifinao.”

Karazam-borona Vaovao Hita

Eo amin’ny Reniranon’i Caronì, any Venezoelà no misy ny nosy Carrizal. Araka ny tatitra nataon’ny Daily Journal, any Caracas, dia nahitana karazam-borona vaovao tao amin’io nosy io, rehefa nokapaina avokoa ireo hazo teo aminy, mba hanamboarana tohodrano. Karazam-borona maromaro no azo tany, talohan’ny nikapana an’ireo hazo. Anisan’izany ilay karazana fody kely misy pentimpentina mangamanga. Tany anaty alana volotsangana izy io no nipetraka. Natevina be ireny ala ireny, ka tsy nisy olona tafiditra tany. Manantena ny hahita vorona hafa amin’io karazana vaovao io any amin’ny faritra hafa manodidina eo, ireo mpandinika ny zavaboary. Nilaza toy izao i Robin Restall, mpikaroka: “Faly erỳ ireo mpikaroka nahita io karazam-borona io. ... Nalahelo koa anefa izy ireo satria simba izao ilay toerana niafenan’ilay vorona hatramin’izay.”

Ataovy Madio Foana ny Akalana Fitetehana Sakafo!

Iza no azo antoka kokoa, akalana fitetehana sakafo vita amin’ny hazo sa vita amin’ny plastika? “Samy mety tsara daholo izy roa ireo, raha ataonao madio foana”, hoy ny UC Berkeley Wellness Letter. “Na hazo na plastika ilay akalana, dia diovy tsara amin’ny rano mafana sy savony, rehefa avy mitetika hena manta sy akoho amam-borona ianao.” Ilana fikarakarana fanampiny ilay akalana mba hadio tanteraka, raha toa ka misy dian’antsy lalina na menaka. “Azonao atao koa ny mampiasa eau de Javel notampohina (afangaroy amin’ny rano ampahefatry ny litatra ny eau de Javel eran’ny sotrokely)”, hoy ny Wellness Letter. Tokony hosasana sy hohamainina tsara koa ny tanana sy ny antsy.

Akanin-jaza sy Ordinatera

Milaza ny mpikaroka sasany fa tsy mahasoa ny ankizy any amin’ny akanin-jaza “ny fampiasana ordinatera maharitra, ho solon’ny kilalao mahazatra. Mety hitarika azy ireny hitokantokana, tsy hahay hifantoka, tsy hahay hamoron-kevitra, ary ho ketraka sy hitebiteby mihitsy aza izany”, araka ny tatitra nataon’ny gazety Vancouver Sun. Manova be ny fiainan’ny ankizy ny ordinatera. “Lasa tsy iainan’izy ireo intsony ilay kilalao, fa jereny eo amin’ny ordinatera fotsiny”, araka an’i Sharna Olfman, psikology. Antitranterin’ireo mpikaroka fa zava-dehibe “ny hilalaovan’ny ray aman-dreny miaraka amin’ny zanany, anisan’izany ny kilalao ahafahana mamoron-javatra.” Izany dia hanampy ny ankizy hianatra “voambolana, loko, endri-javatra, tarehimarika, fahalalam-pomba, ary ireo zava-miseho andavanandro.” Milaza ilay psikology atao hoe Jane Healy fa ny kilalao mahazatra, dia tena ilain’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny fito taona. Mampianatra ny ankizy hifantoka ny kilalao toy izany. Mifanohitra amin’izany kosa ny mety ho vokatry ny fampiasana ordinatera.

“Zava-mahadomelina Mahery” ny Televiziona

“Tsy dia mahay firy ny ankizy mijery tele adiny roa isan’andro, rehefa any am-pianarana”, araka ny tatitra nataon’ny gazety espaniola La Vanguardia. Na dia mihevitra aza i Francisco Muñoz, dokoteran-jaza, fa mety ho fitaovana tena mahomby eo amin’ny fanabeazana ny tele, dia resahiny koa ny voka-dratsin’ny fampiasana azy io. Mihevitra i Muñoz fa ‘ela vao matotra ara-tsaina ary tsy mahatakatra hevi-dalina firy ireo mpijery tele tafahoatra, ka lasa tsy dia mahomby loatra izy ireo eo amin’ny zavatra ataony.’ Hoy koa izy: “Hita mazava fa matetika ny zatovo mpijery ny sasany amin’ireo fandaharana sy dokam-barotra ary clip, no mpisotro toaka sy mpifoka sigara ary mpampiasa zava-mahadomelina koa.” Miaiky i Paulino Castells, mpitsabo ny aretin-tsain’ny ankizy, fa tsy ny zatovo rehetra akory no hanaraka ny fitondran-tena ratsy hitany ao amin’ny tele. Antsoiny hoe “zava-mahadomelina mahery” anefa izy io, satria “manimba ny sain’ny ankamaroan’ny zatovo.”

Tabataba ao An-dakilasy

Tsy mahare tsara ny mpianatra rehefa misy tabataba foana ao an-dakilasy, araka ny tatitra nataon’ny gazetiboky alemà Der Spiegel. “Vao mainka tsy tadidin’ny ankizy izay ampianarina azy, raha tsy azony tsara”, hoy ilay psikology atao hoe Maria Klatte. Rehefa norefesin’ny mpikaroka ny hamafin’ny feo tany amin’ny sekoly sasany any Alemaina, dia teo anelanelan’ny 70 sy 90 desibela (dB). Hoy i Gerhart Tiesler, mpanao fikarohana momba ny feo: ‘Tsy tokony hihoatra ny 55 dB ny hamafin’ny tabataba, any amin’ny toerana anaovana asa mitaky fifantohan-tsaina. Tokony hampiasa fitaovana fiarovana ny sofina ny orinasa, izay andrenesana tabataba mihoatra ny 85 dB.’ Ankoatra izany, dia vao mainka sarotra ny mifantoka raha manako ela be ao amin’ny efitra ny feon’olona miresaka, na ny feon’ny seza akisaka, na olona mikohaka. Misy karazana valindrihana mampihena ny hamafin’ny tabataba sy ny fanakon’ny feo. Raha manana azy io ny sekoly, dia ho re tsara ny feon’ny mpampianatra sy ny mpianatra, ka tsy ho sorena izy ireo. Sekoly maro anefa no tsy manam-bola hanaovana izany.

Mamono ny Fivarotana Mahazatra ny Fivarotana Lehibe

Hoy ny gazety alemà momba ny siansa wissenschaft-online: “Maniry ohatra ny anana ny fivarotana lehibe any amin’ny faritra atsinanana sy atsimon’i Afrika, ka mety hamono ireo tsena madinika. Vokatr’izany, dia tandindomin-doza ny fiveloman’ireo tantsaha.” Maherin’ny ampahatelon’ny varotra sakafo an-tsinjarany any Kenya izao no efa sahanin’ny fivarotana lehibe 200 sy hypermarchés 10. Mitovy amin’ny zavatra amidin’ny fivarotana kely 90 000 izany. Nilaza i Kostas Stamoulis, avy ao amin’ny FAO, fa noho ny fampivoarana ny tanàn-dehibe sy ny fiezahan’ireo orinasa hiditra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia “hiova be tampoka ny fomba famatsiana sakafo any Afrika. Tsy toy izany anefa ny tany amin’ny firenena mandroso, fa niova tsikelikely.” Ho fisorohana ny fahasahiranana ara-toe-karena, dia manantena ny manam-pahaizana fa hisy kaoperativa hatsangana. Amin’izay dia hisy tsena ho an’ny vokatra eo an-toerana, sy fampiofanana ny tantsaha, ka hahatonga azy ireo haharaka ny fiovana.