Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana Raha Tsy Salama Saina ny Havan-tianao?

Ahoana Raha Tsy Salama Saina ny Havan-tianao?

Ahoana Raha Tsy Salama Saina ny Havan-tianao?

NANOMBOKA toy ny isan’andro ihany ny fiainan-dry Rasamy mianakavy, tamin’izay maraina izay. * Nifoha izy efa-mianaka, ary avy eo niakanjo mba hamonjy ny asa aman-draharahany. Nampahatsiahy an’i Liva, zanany lahy 14 taona, i Lalao hoe tara bisy izy. Tsy nampoizina mihitsy ny zava-nitranga taorian’izay. Tao anatin’ny antsasak’adiny fotsiny, dia efa nofenoin’i Liva loko ny rindrina, ary nanandrana nandrehitra ny garazy sy nananton-tena tao amin’ny efitra farany ambony izy.

Nentina tany amin’ny hopitaly i Liva taorian’izay, ary nanaraka azy Rasamy mivady, izay samy lasa saina hoe inona marina no nahazo an’i Liva. Nampalahelo anefa fa vao fiandohan’ilay zava-manahirana iny. Niverimberina nihetsika ny hadalan’i Liva, taorian’izay, ka fantatra tamin’izany fa narary saina izy. Nijaly mafy nandritra ny dimy taona izy, ka tao anatin’izany dia imbetsaka no saika hamono tena, indroa nosamborin’ny polisy, fito ny hopitaly fitsaboana aretin-tsaina efa nampidirana azy, ary tsy voaisa intsony ny fankanesany tany amin’ny mpitsabo aretin-tsaina. Matetika no tsy nahita izay holazaina na hatao ireo namana sy havana, satria very hevitra.

Tombanana fa olona 1 ao anatin’ny 4 no voan’ny aretin-tsaina, maneran-tany. Mety hanana ray aman-dreny na zanaka na havana na namana marary saina isika, rehefa jerena izany isa maro be izany. Inona no azonao atao raha toa misy havan-tianao marary toy izany?

Fantaro ireo soritr’aretina. Mety tsy ho hita avy hatrany hoe marary saina ny olona iray. Mety hoheverin’ny namany sy ny fianakaviany ho fiovaovan’ny hormonina, na aretina hafa, na kileman-toetra, na vokatry ny zava-manahirana, ilay izy. Efa hitan’ny reniny ihany hoe somary hafahafa i Liva, saingy noheveriny ho fiovaovam-pihetseham-po mandalo ihany, toy ny mpahazo ny zatovo rehetra no manjo azy. Mety ho olana lehibe kokoa anefa ilay izy, raha miova be ny torimason’ilay olona sy ny habetsaky ny sakafo laniny ary ny fihetsiny. Afaka mahazo fitsaboana mandaitra sy hanana fiainana tsara kokoa anefa ilay havan-tianao, raha manatona mpitsabo.

Fantaro ilay aretina. Matetika no tsy afaka manadihady momba ny mahazo azy ny olona marary saina. Mety hanampy anao hahafantatra izay manjo ilay havan-tianao àry, ny fikarohana an’ireo fanazavana nivoaka farany sy azo itokiana. Tsy hisalasala ny hiresaka momba ilay aretina ianao amin’izay, sady hahay hanazava ilay izy. Nomen’i Lalao bokikely momba ny fitsaboana, ohatra, ny bebe sy dadaben’i Liva mba hahafantaran’izy ireo tsara ilay aretina sy hahafahany hanampy.

Mitadiava fitsaboana. Maharitra ny aretin-tsaina sasany, nefa maro no afaka hanana fiainana milamina sy hahavita zavatra ihany rehefa manaraka fitsaboana. Mampalahelo fa betsaka no marary efa an-taonany maro, nefa tsy mahazo fanampiana. Mila manatona mpitsabo aretin-tsaina ny olona marary saina, toy ny olona marary fo izay mila manatona mpitsabo aretim-po. Afaka manome fanafody mantsy izy ireo. Raha hohanina tsy tapaka ireny dia mety hanampy amin’ny fifehezana ny fihetseham-po, fampihenana tebiteby, ary fanitsiana ny tsy mety amin’ny fisainana. *

Ampirisiho hitady fanampiana ilay marary. Mety tsy hahatsapa ireo marary saina hoe mila fanampiana izy. Mety hilaina ny manoro hevitra an’ilay marary mba hankany amin’ny dokotera, na hamaky boky mety hanampy azy, na hiresaka amin’ny olona iray efa naharesy ny aretina toy izany. Mety tsy hanaiky ny torohevitrao izy. Mandraisa anefa fepetra, raha mitady hampidi-doza ny tenany na ny hafa izy.

Aza manome tsiny. Mbola tsy fantatry ny mpahay siansa hoe nahoana ny manodidina sy ny fiaraha-monina ary ny zavatra hafa no manimba ny fiasan’ny atidoha. Antony maro mitambatra no mety hahatonga aretin-tsaina: ny ratra any amin’ny atidoha, ny zava-mahadomelina sy ny fibobohana toaka, ny toe-javatra mampikorontan-tsaina eo amin’ny manodidina, na ny aretina hafa. Mety hanaranaka koa ilay izy. Tsy hanampy ilay marary anefa ianao, raha toa ka manome tsiny azy hoe izy ihany no nahatonga ny aretiny. Aleo kosa aza miezaka manohana sy mampahery azy.

Mahaiza mandanjalanja. Hanakivy ilay marary ianao, raha toa ka mitaky zavatra tsy ho vitany. Hahatsiaro ho tsy afa-manoatra indray anefa izy, raha manantitrantitra ianao fa tsy misy zavatra ho vitany mihitsy. Mahaiza àry mandanjalanja. Mazava aloha fa tsy tokony holeferina ny ratsy ataony. Afaka mianatra avy amin’ny vokatry ny ataony, toy ny olon-drehetra ihany, ny tsy salama saina. Mety hilaina ny hiantso manam-pahefana na hampitoka-monina azy, raha mahery setra izy. Hiaro azy sy ny hafa izany.

Mifampiresaha foana. Iresaho foana izy, na dia mety hadikany vilana aza ny teninao indraindray. Tsy ampoizina ny fihetsiky ny olona marary saina, ary mety tsy hifanaraka amin’ny zava-misy ny fihetseham-pony. Hanjary hahatsiaro tena ho meloka indray anefa ilay marary efa ketraka, raha manakiana azy ianao. Mipetraha sy mihainoa fotsiny rehefa tsy hitanao izay holazaina. Hevero ny fihetseham-pony sy ny heviny, fa aza manameloka azy. Miezaha ho tony hatrany. Samy handray soa ianao sy ilay havan-tianao, raha asehonao foana fa miahy azy ianao. Izany no natao tamin’i Liva. Nankasitraka ireo nikarakara azy izy, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Hoy izy: “Nanampy ahy izy ireo na dia nanda izany aza aho.”

Aza hadinoina ny mpianakavy hafa. Mety tsy ho voakarakara tsara ny mpianakavy hafa, rehefa samy variana amin’ilay marary ny rehetra. Indraindray, ohatra, dia nahatsapa i Lanto anabavin’i Liva fa “natao an-tsirambina, satria ny aretin’i Liva foana no nifantohana.” Koa naleony mihitsy tsy nisarika ny saina ho amin’ny tenany. Tsy niezaka loatra intsony izy tamin’ny zavatra nataony, na dia nety ho nahavita zavatra tsara aza. Nanantena zavatra bebe kokoa taminy anefa ny ray aman-dreniny tamin’izay, toy ny hoe mba hanonerana ny fahalemen’ny anadahiny. Manao ditra mba hisarihana ny saina ny mpianakavy sasany atao an-tsirambina. Mila fanampiana ny fianakaviana sahirana toy izany, mba hikarakarana tsara ny mpianakavy rehetra. Rehefa revo tamin’ny fitsaboana an’i Liva, ohatra, ny fianakavian-dry Rasamy, dia nanampy sy nikarakara an’i Lanto ireo Vavolombelon’i Jehovah namany teo an-toerana.

Manaova hatrany zavatra mahasalama ny saina. Ilaina ny sakafo mahasalama, ny fanatanjahan-tena, ny torimaso ampy, ary ny fiarahana amin’ny olon-kafa, mba hahasalama kokoa ny saina. Tsy mahasadaikatra loatra matetika ny manao fialam-boly tsotra miaraka amin’ny namana vitsivitsy. Tadidio koa fa vao mainka mampihetsika ny aretin-tsaina ny zava-pisotro misy alkaola, ary manohitra ny asan’ny fanafody izany. Miezaka hanana fahazarana tsara izao ry Rasamy mianakavy, mba hitandrovana ny fahasalamany ara-tsaina. Nahasoa azy mianakavy izany, indrindra fa i Liva.

Karakarao ny tenanao. Mety hisy vokany ratsy eo aminao ny fahasahiranana entin’ny fikarakarana olona tsy salama saina. Tena zava-dehibe àry ny hikarakaranao ny zavatra ilainao ara-batana, sy ara-pihetseham-po, ary ara-panahy. Vavolombelon’i Jehovah ry Rasamy. Tsapan’i Lalao fa tena nanampy azy hiatrika ny olana nahazo ny fianakaviany ny finoany. Hoy izy: “Nanamaivana ny adin-tsaina ny fivoriana kristianina. Tsy mieritreritra ny zavatra mampanahy anao mantsy ianao any, fa mifantoka amin’ny zavatra lehibe kokoa sy ny fanantenana ny tontolo vaovao. Imbetsaka aho no nivavaka mafy mba hahazoako fanamaivanana, ary nisy fiovana sasantsasany foana nitranga, ka nihamaivana ny fahoriako. Niadan-tsaina aho noho ny fanampian’i Jehovah Andriamanitra, ary tsy nampoizina hitranga izany tamin’ny toe-javatra nisy anay.”

Lehilahy lehibe izao i Liva ary hafa mihitsy ny fijeriny ny fiainana. Hoy izy: “Olona tsara kokoa aho izao noho ny fiainana nodiaviko.” Nahatsapa koa i Lanto, anabavin’i Liva, fa nisy soa noraisiny tamin’ilay zava-nitranga. Hoy izy: “Tsy be fanakianana loatra intsony aho izao. Tsy fantatrao mihitsy mantsy ny tena mahazo ny olona iray. Jehovah Andriamanitra ihany no mahalala izany.”

Tadidio fa raha mahay mihaino sy vonona hanampy ary malala-tsaina ianao, dia hiaro ny ain’ilay havan-tianao marary saina izany, ary hahomby eo amin’ny fiainana mihitsy aza izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana.

^ feh. 7 Tokony hojerena ny lafy tsara sy ratsin’ireny fanafody ireny. Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ny Mifohaza! Tokony ho azon’ny Kristianina antoka fa tsy mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fitsaboana arahiny.

[Efajoro, pejy 13]

Ireo Famantarana ny Aretin-tsaina

Raha toa ka manjo ny havan-tianao ny sasany amin’ireto zavatra manaraka ireto, dia mila manatona dokotera na mpitsabo aretin-tsaina angamba izy:

• Malahelo na kizitina lava

• Mitokantoka-monina

• Mbetika faly be, mbetika kivy be

• Romotra

• Mahery setra

• Miboboka toaka, na mampiasa zava-mahadomelina

• Matahotra sy manahy ary mitebiteby tafahoatra

• Matahotra be ny hitombo lanja

• Miova be ny habetsaky ny sakafo laniny na ny halavan’ny torimasony

• Manonofy ratsy foana

• Misafotofoto ny fomba fisainany

• Mahita na mieritreritra zavatra tsy tena misy

• Mieritreritra fahafatesana na mitady hamono tena

• Tsy mahavita miatrika ny olana sy ny asa andavanandro

• Mandà ny olana efa miharihary

• Voan’ny aretina maro, nefa tsy hay ny antony

[Sary, pejy 14]

Mipetraha sy mihainoa fotsiny, rehefa tsy hitanao izay holazaina