Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanatanterahan’ny Ray ny Andraikiny?

Ahoana no Hanatanterahan’ny Ray ny Andraikiny?

Ahoana no Hanatanterahan’ny Ray ny Andraikiny?

“MORA ny miteraka, fa tsy mora ho an’ny ray ny manatanteraka ny andraikiny.” Io fehezanteny manaitra io no fanombohan’ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin’ny gazety Toe-karena (anglisy). Niresaka momba ny fiharatsian’ny fiainam-pianakaviana ilay lahatsoratra.

Betsaka ny andraikitra sarotra tanterahina, fa ny anisan’ny sarotra indrindra sady zava-dehibe indrindra, dia ny andraikitry ny ray. Tokony hanatanteraka tsara ny andraikiny ny ray rehetra, satria miankina amin’izany ny hahasambatra ny fianakaviany na tsia.

Nahoana no sarotra ny andraikitry ny ray?

Raha tsorina, ny antony lehibe iray mahatonga izany, dia noho isika nandova tsy fahalavorariana. Samy tsy lavorary na ny ray aman-dreny na ny zanaka. Hoy ny Baiboly: “Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.” (Genesisy 8:21) Noho izany, dia niaiky ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly hoe: “Tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.” (Salamo 51:5; Romanina 5:12) Mora manao ratsy àry isika noho io fahotana nolovantsika io. Tsy izay ihany anefa no antony lehibe mahatonga ny andraikitry ny ray ho sarotra.

Eo koa ity tontolo ity. Milaza ny Baiboly fa ‘izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy’, izay “antsoina hoe Devoly sy Satana.” Antsoin’ny Baiboly hoe “ny andriamanitr’ity tontolo ity” koa i Satana. Tsy mahagaga àry raha nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy, fa tsy tokony ho “anisan’izao tontolo izao” toa azy, izy ireo!—1 Jaona 5:19; Apokalypsy 12:9; 2 Korintianina 4:4; Jaona 17:16.

Mba hahafahan’ny ray hanatanteraka tsara ny andraikiny àry, dia tokony hotadidiny foana fa manasarotra izany ny tsy fahalavorariantsika, i Satana Devoly, ary ity tontolo feheziny ity. Tena misy ireo rehetra ireo fa tsy noforomporonina fotsiny! Aiza anefa no ahitan’ny raim-pianakaviana fanampiana ahafahany manohitra azy ireo, sy manatanteraka tsara ny andraikiny?

Namela ohatra hotahafintsika Andriamanitra

Afaka mitady fanampiana ao amin’ny Baiboly ny raim-pianakaviana. Miresaka raim-pianakaviana maro, izay namela ohatra tena tsara, ny Baiboly. Natoron’i Jesosy ny mpanara-dia azy hoe iza no namela ohatra tsara indrindra, rehefa nampianatra azy ireo hivavaka izy hoe: “Rainay izay any an-danitra.” Hoy ny Baiboly momba io Raintsika any an-danitra io: “Andriamanitra dia fitiavana.” Inona no tokony hataon’ny raim-pianakaviana eo anatrehan’izany toetran’Andriamanitra izany? Hoy ny fampirisihan’ny apostoly Paoly: ‘Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, ka mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana.’—Matio 6:9, 10; 1 Jaona 4:8; Efesianina 5:1, 2.

Efa azonao raim-pianakaviana akana fianarana, ohatra, na dia ilay teny nolazain’Andriamanitra tamin’i Jesosy Zanany, ao amin’ny Matio 3:17 fotsiny aza. Resahin’io andininy io fa niteny toy izao Andriamanitra tamin’i Jesosy natao batisa: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako.” Inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

Voalohany, eritrereto ny vokany eo amin’ny zaza iray, rehefa mirehareha erỳ ny rainy miteny amin’ny olona hoe: ‘Ity no zanako lahy’ na ‘Ity no zanako vavy.’ Manao zavatra tsara ny ankizy, rehefa fantany fa voamariky ny ray aman-dreniny izay zavatra tsara efa vitany, indrindra raha nahafaly azy ireo izany. Vao mainka izy hiezaka kokoa, mba hampifaliana foana ny ray aman-dreniny.

Faharoa, nilaza Andriamanitra fa ‘malalany’ i Jesosy. Azo antoka fa tena nahafaly an’i Jesosy izany teny feno fitiavana avy tamin’ny Rainy izany. Ho faly koa ny zanakao raha asehonao amin’ny teninao fa tena tianao izy. Tena tia ny zanakao koa ianao, raha manokana fotoana sy maneho fiheverana azy.

Fahatelo, nilaza tamin’ny Zanany Andriamanitra hoe: “Ianao no sitrako.” (Marka 1:11) Tena mila manao izany koa ny ray. Mila miteny amin’ny zanany izy fa mankasitraka azy. Marina fa manao fahadisoana matetika ny ankizy. Toy izany koa isika rehetra. Kanefa, mba mijery izay zavatra tsara ataon’ny zanakao na lazainy ve ianao, ka milaza aminy fa mankasitraka izany?

Tena nanahaka ny Rainy any an-danitra i Jesosy tamin’izy teto an-tany. Nasehony tamin’ny teniny sy ny ohatra nomeny, ny tena fihetseham-pon’ny Rainy amin’ny olombelona. (Jaona 14:9) Nanokana fotoana niarahana nipetraka sy niresahana tamin’ny ankizy i Jesosy, na dia be atao sy reraka aza. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza tadiavinareo hosakanana.” (Marka 10:14) Afaka manahaka bebe kokoa ny ohatr’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany ve ianareo raim-pianakaviana?

Tena zava-dehibe ny ohatra tsara omenao

Tena mila manome ohatra tsara ho an’ny zanakao ianao. Mety tsy hisy vokany firy ny fiezahanao ‘hitaiza azy hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah’, raha ny tenanao aza tsy manaraka izany eo amin’ny fiainanao. (Efesianina 6:4) Noho ny fanampian’Andriamanitra anefa, dia ho resinao ireo zava-tsarotra izay manakana anao tsy hanatanteraka ilay didiny hitaiza ny zanakao.

Diniho ny tantaran’i Viktor Gutschmidt, Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Voasazy higadra folo taona izy tamin’ny Oktobra 1957, satria nanambara ny finoany. Tsy maintsy nilaozany ny zanany roa vavy kely sy Polina vadiny. Nahazo nanoratra ho azy ireo izy, fa tsy nahazo niresaka momba an’Andriamanitra na loha hevitra ara-pivavahana. Na teo aza anefa izany zava-tsarotra izany, dia tapa-kevitra i Viktor, fa hanatanteraka ny andraikiny tamin’ny naha raim-pianakaviana azy. Fantany koa fa tena nila nampianarina momba an’Andriamanitra ny zanany. Inona àry no nataony?

Hoy izy: “Nahita zavatra azo nampiasaina aho tao amin’ireto gazety sovietika ireto: Zavaboary sy Tanora Mpandinika ny Zavaboary. Nasiako sarin’olona sy biby teo amina cartes postales, ary nampiako tantara, na fanazavana momba ny zavaboary.”

Hoy i Polina: “Vao azonay ireny cartes postales ireny, dia nampifandraisinay tamin’ny foto-kevitra ara-baiboly ny zavatra tao anatiny. Raha sarina zavaboary kanto toy ny ala na renirano, ohatra, ilay izy, dia namaky ny Isaia toko faha-65 aho.” Miresaka momba ny fampanantenan’Andriamanitra hanao ny tany ho paradisa ny Isaia toko faha-65.

Hoy ny notantarain’i Yulia, zanak’i Viktor vavy: “Nivavaka i Mama rehefa avy nanao izany, ary niara-nitomany izahay. Tena nanampy tamin’ny fanabeazana anay ireny cartes postales ireny.” Inona no vokany? Hoy i Polina: “Mbola kely izy roa vavy dia efa tena tia an’Andriamanitra.” Manao ahoana izao io fianakaviana io?

Hoy i Viktor: “Samy nanambady anti-panahy ny zanako vavy. Matanjaka ara-panahy daholo izy mianakavy, ary manompo amim-pahatokiana an’i Jehovah ny zanany.”

Matetika no mila mahay mamoron-kevitra sy miezaka mafy ny ray, raha te hanome ohatra tsara. Azo antoka fa hanohina ny fon’ny ankizy ny fahitany fa miezaka mafy mba hanome ohatra tsara ny rainy. Nankasitraka izay nataon’ny rainy, ohatra, ny lehilahy iray efa nanompo manontolo andro an-taonany maro. Hoy izy: “Vizana be i Dada indraindray rehefa avy niasa, ka tena te hatory, nefa mbola nanao fianaram-pianakaviana ihany izahay. Nahatonga anay hahatsapa izany fa tena zava-dehibe ny fianaram-pianakaviana.”

Hita àry fa anisan’ny andraikitry ny ray ny fanomezana ohatra tsara. Tokony hasehony amin’ny teniny sy ny ataony izany. Mila manao izany ianao, raha te hahita ny fahamarinan’ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly hoe: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”—Ohabolana 22:6.

Tadidio àry fa tsy izay lazainao ihany no tena zava-dehibe, fa izay ataonao koa, izany hoe ny ohatra omenao. Hoy ny nosoratan’ny manam-pahaizana iray momba ny fampianarana ny ankizikely: “Raha misy toetra tena irintsika hananan’ny zanatsika, dia isika aloha no mila miezaka ny hanana ilay izy.” Raha irinao ho tian’ny zanakao àry ny fampianarana avy amin’Andriamanitra, dia ianao aloha no mila tia izany.

Manokàna fotoana ho azy ireo!

Mila mahita ny ohatra tsara omenao ny zanakao. Midika izany fa mila manokana fotoana iarahana amin’izy ireo ianao. Fotoana betsaka anefa, fa tsy tsindraindray fotsiny. Manoro hevitra ny Baiboly hoe: ‘Hararaoty ny fotoana.’ Araho tsara izany, ka avelao ny zavatra tsy dia lehibe sasany, mba hahafahanao hiaraka amin’ny zanakao. (Efesianina 5:15, 16) Inona tokoa moa no zava-dehibe kokoa noho ny zanakao? Fijerena tele ve, sa fialam-boly, sa trano tsara tarehy, sa ny asanao?

Misy ohabolana malaza manao hoe: ‘Ny nenina tsy mba aloha hananatra fa avy aoriana handatsa.’ Matetika no tena manenina ny raim-pianakaviana, rehefa lasa maloto fitondran-tena na tsy miraharaha an’Andriamanitra ny zanany. Mitaraina izy ireo hoe matetika no tsy teo, rehefa tena nila azy ny zanany.

Tadidio fa dieny mbola kely ny zanakao, dia efa tokony hoeritreretinao ny ho vokatry ny safidinao. Antsoin’ny Baiboly hoe “lova avy amin’i Jehovah” ny zanakao, izany hoe zavatra nankininy taminao. (Salamo 127:3) Aza hadinoina mihitsy àry fa mbola hohadinin’Andriamanitra aminao ny amin’izy ireo!

Misy ny fanampiana

Tena vonona handray izay fanampiana mety hahasoa ny zanany ny ray manatanteraka ny andraikiny. Nivavaka tamin’Andriamanitra toy izao i Manoa, rehefa avy nilazan’ny anjely iray ny vadiny fa hanan-janaka: ‘Aoka hankatỳ aminay izy, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.’ (Mpitsara 13:8, 9) Toy ny ray aman-dreny ankehitriny, dia inona no fanampiana nilain’i Manoa? Andeha hojerentsika.

Hoy i Brent Burgoyne, mpampianatra any amin’ny Oniversiten’i Le Cap, Afrika Atsimo: “Iray amin’ireo fanomezana tsara indrindra azon’ny olona omena ny zanany, ny fampianarana azy fitsipi-pitondran-tena.” Hita tokoa fa mila ampianarina an’izany ny ankizy, satria izao no voalaza tao amin’ny tatitra navoakan’ny gazety japoney iray: “Hita tamin’ny fanadihadiana natao, fa ny 71 isan-jaton’ny ankizy japoney no mbola tsy nampianarin’ny rainy mihitsy hoe ratsy ny mandainga.” Tena mampalahelo izany!

Iza no afaka manome fitsipi-pitondran-tena mandaitra? Tsy iza akory fa Andriamanitra, ilay nanome tari-dalana an’i Manoa! Nandefa an’i Jesosy, Zanany malalany izy, mba hampianatra antsika. Matetika i Jesosy no nantsoina hoe Mpampianatra. Misy boky iray ahitana lesona miorina amin’ny fampianaran’i Jesosy, mivoaka amin’ny fiteny maro, amin’izao fotoana izao. Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe no lohateniny, ary natao hampianaranao ny zanakao izy io.

Mampianatra fitsipi-pitondran-tena miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra io boky io. Ahitana sary 160 mahery izay natao hanazavana ireo fitsipika ireo koa ao anatiny. Misy fanontaniana mifanentana tsara aminy eo akaikin’ireo sary. Hita eo amin’ny toko faha-22, ohatra, ilay sary ao amin’ny pejy faha-32 amin’ity gazety ity. Ny lohatenin’ilay toko dia hoe “Nahoana no Ratsy ny Mandainga?” Misy an’izao fehezanteny izao eo amin’ny pejy misy an’io sary io: “Izao, ohatra, no lazain’ny ankizilahy iray: ‘Tsy nilalao baolina tato an-trano aho, ry Dada!’ Ahoana raha tena nanao izany izy, nefa lazainy fa tsy nanao?”

Misy lesona tena lehibe koa ao amin’ireto toko ireto: “Miaro Anao ny Fankatoavana”, “Tokony Hanohitra Fakam-panahy Isika”, “Ohatra Momba ny Hatsaram-panahy”, “Mitandrema Sao Lasa Mpangalatra!”, “Mampifaly An’Andriamanitra ve ny Fety Rehetra?”, “Ahoana no Hampifaliana An’Andriamanitra?”, “Nahoana Isika no Mila Miasa?” Santionany fotsiny amin’ireo toko 48 ao amin’io boky io ireo.

Izao no tapany farany amin’ny teny fampidirana ao amin’io boky io: “Any amin’ilay Loharanon’ny fahendrena rehetra, dia i Jehovah Andriamanitra, Raintsika any an-danitra, anefa no tena tokony hisarihana ny sain’ny ankizy. Nanao izany foana i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. Manantena izahay fa hanampy anao sy ny ankohonanao hamolavola ny fiainanareo ity boky ity. Amin’izay dia hampifaly an’i Jehovah ianareo, ka handray fitahiana mandrakizay.” *

Manatanteraka ny andraikitrao àry ianao, rehefa manome ohatra tsara ho an’ny zanakao, manokana fotoana betsaka ho azy, ary manampy azy mba hiaina mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra, voalaza ao amin’ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 35 Ireto koa misy boky hafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana ny fianakaviana: Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana.

[Sary, pejy 8]

Niezaka nanatanteraka ny andraikiny i Viktor Gutschmidt, na dia tany am-pigadrana aza

[Sary, pejy 8, 9]

Nanao ireto sary ireto mba hampianarana ny zanany i Viktor, tamin’izy nogadraina noho ny finoany

[Sary, pejy 9]

Ny zanak’i Viktor tamin’ny 1965

[Sary, pejy 10]

Tokony hazoto hampianatra ny zanany ny raim-pianakaviana