Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Pygmées * Misaotra tamin’ilay lahatsoratra hoe “Nampianatra Zavatra Maro Anay ny Pygmées.” (8 Novambra 2003) Tsy afeniko fa nieritreritra aho teo aloha hoe mbola tsy nivoatra ireny olona ireny. Niova hevitra anefa aho. Ny fahaizan’izy ireo mitsabo aretina maro no tena nahagaga ahy. Faly aho mahafantatra fa efa tonga any amin’ny faritra misy ny Pygmées koa ny vaovao tsaran’ny Baiboly.

N. Y., Rosia

Nanatrika fianarana sosiolojia aho tamin’ny herinandro lasa, ary gaga aho nahita ny mpampianatra anay nampiseho ny lahatsoratra momba ny Pygmées, navoakan’ny Mifohaza! Nasainy nanoratra filazalazana momba ireo Pygmées ireo izahay. Nangataka kopian’ilay lahatsoratra ny mpianatra sasany. Nanaiky ilay mpampianatra ary nampidiriny tao koa aza ilay ampahany momba ny fampanantenan’Andriamanitra.

G. M., Etazonia

Ilay Tafavoaka Velona ny Fonja Maniry ny hisaotra anareo amin’ny foko rehetra aho noho ilay lahatsoratra hoe “Jehovah no Mpamonjy Anay.” (8 Jolay 1999) Nanganohano ny ranomasoko teo am-pamakiana ny fomba nahafantaran’i Francisco Coana ny fahamarinana, sy ny nanomezany ny laharam-pahamehana ho an’ny fanompoana an’i Jehovah teo amin’ny fiainany. Tena fanatanjahana ny finoana tokoa izay novakina momba ny fisedrana niaretan’ireo rahalahiko kristianina tany Mozambika.

J. H., Etazonia

Ray Aman-dreny Marary Nampihetsi-po ahy ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana i Neny no Marary Be toy Izao?” (8 Aogositra 1999) Tsy noeritreretiko fa misy tanora hafa maro be, toa ahy, manana tombontsoa mikarakara havan-tiana marary. Miara-mipetraka aminay ny renibeko, ary efa efa-bolana izy izay no narary teo am-pandriana. Nanomboka nahatsiaro tena ho nitondra enta-mavesatra sy reraka aho tamin’ny fikarakarana azy. Nahazo tanjaka tena nilaina aho tamin’ny famakiana ilay lahatsoratra. Nanampy ahy hatoky ny fanohanan’i Jehovah izy io.

J. P., Philippines

Fampiononana lehibe ho ahy ilay lahatsoratra, sady nanome ahy ny hery hoenti-mikarakara ny reniko, izay voan’ny fahaketrahana. Azoko nampiharina ny soso-kevitra nomen’ilay lahatsoratra, dia ny mba hijerena bebe kokoa an’ilay toe-javatra araka ny zava-misy, sy ny hanehoana bebe kokoa fahaiza-miombom-pihetseham-po, fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa, ary fahaiza-mandanjalanja.

G. L., Italia

Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy ilay lahatsoratra. Voan’ny kansera aho, ary miara-mipetraka amiko ny zanako lahy. Nijaly tokoa ilay zanako lahy, ka tsy fantatro intsony hoe ahoana no fomba hampiononana azy. Tena ny fihetseham-pony mihitsy no voalazalaza tao amin’ilay lahatsoratra. Tsy natao ho an’ny tanora ihany ireny lahatsoratra ireny. Ny fiainana mihitsy no resahin’izy ireny.

R. Z., Alemaina

Nanampy ahy io lahatsoratra io hahatakatra ny maha zava-dehibe ny hitoerana ho mavitrika eo amin’ny lafiny ara-panahy. Nanjary fantatro fa rehefa mampifantoka ny fiainany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ihany ny olona iray vao afaka manampy olona marary.

P. E., Aotrisy

Fianarana Fiteny Nanolo-kevitra ny hihainoana kasety mba hianarana fiteny eo am-pamiliana fiarakodia ianareo, ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Moa ve Ianao Te Hianatra Fiteny Vahiny?” (8 Janoary 2000) Heveriko fa tsy hevitra tsara ny hampirisihana ny hanaovan-javatra mitaky fifantohan-tsaina eo am-pamiliana. Mety hitera-doza izany.

K. S., Japon

Nanontany fikambanana maromaro momba ny aro lozan’ny fifamoivoizana izahay, ary tsy nisy afaka nanome vokatry ny fikarohana mampiseho fa mety hitera-doza kokoa noho ny fihainoana mozika na ny firesahana amin’ny mpandeha hafa, ny fihainoana kasety fianarana eo am-pamiliana. Na izany aza, dia tena ankasitrahana ilay fampahatsiahivana ny amin’ny tokony hanehoana fitandremana eo am-pamiliana fiarakodia.—MPAMPANONTA.

Navajo Te hisaotra anareo aho noho ilay lahatsoratra mampahery sady tena tsara hoe “Nanova ny Fiainako ny Anaran’Andriamanitra!” (8 Jolay 2001), notantarain’ilay vehivavy navajo antsoina hoe Sandy Yazzie Tsosie. Nanohina ahy lalina ny teniny ary nampitomany ahy. Nanome fanantenana ahy ny zavatra rehetra nodiaviny mba hitadiavana fitiavana sy fahasambarana ary mba handresena fahaketrahana. Tsapako ny halehiben’ny fitiavan’i Jehovah antsika rehetra!

A. S., Etazonia

 ^ feh. 2 [Loharanon-kevitra]

Tsy hita ao amin’ny anglisy