Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Ahy Tsy Hanao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?

Inona no Hanampy Ahy Tsy Hanao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Hanampy Ahy Tsy Hanao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?

“Nanao firaisana tamin’ny ankizilahy mpiara-mianatra tamiko aho, tamin’izaho 19 taona. Tena menatra sy kivy aho. Nahatsiaro ho tsy nisy nilana azy aho avy eo.”—Lanto. *

“MANDOSIRA ny fijangajangana”, hoy ny Baiboly. (1 Korintianina 6:18) Toa vitsy anefa ny tanora no maniry hankatò izany didy voalazan’ny Baiboly izany, ka tsy hanao firaisana alohan’ny fanambadiana. Toa an’i Lanto, dia nampanaram-po ny faniriany ny sasany ka nijaly sy nenjehin’ny eritreriny.

Marina fa tsy mora ny mifehy ny faniriana hanao firaisana. Milaza ilay boky hoe Fitomboan’ny Zatovo (anglisy) fa mampitombo ny “faniriana hanao firaisana” ny fiovan’ny hormonina mandritra ny fe-potoana maha zatovo. Niaiky toy izao i Paul: “Tsy fantatro ny antony fa tonga ho azy ao an-tsaiko fotsiny indraindray ny eritreritra momba ny firaisana.”

Hoy anefa i Howard Kulin, profesora momba ny fitsaboana aretin-jaza: “Tsorintsika be loatra ilay zava-manahirana raha milaza isika fa ny hormonina fotsiny no mahatonga ny fitondran-tena ratsin’ny [tanora].” Hazavainy fa anisan’ny mahatonga izany koa ny fiaraha-monina, indrindra ny fitaoman’ny namana, izay tena mandresy lahatra tokoa.

Milaza ilay mpanoratra antsoina hoe Patricia Hersch, ao amin’ilay bokiny hoe Antokon’olona Mitokantokana (anglisy) fa “manana ny fiainany manokana ny tanora. ... Tsy tanora maromaro mitovy taona izay mihataka amin’ny [olon-dehibe] fotsiny izy ireo, fa tanora manana ny fitsipi-pitondran-tenany manokana.” Matetika anefa ny ‘fitsipi-pitondran-tena’ arahin’ny tanora maro, no mahatonga azy ireo hanaram-po amin’ny fanaovana firaisana fa tsy hifehy azy io. Maro amin’izy ireo àry no mety hahatsapa ho voatery hanao firaisana alohan’ny fanambadiana.

Tapa-kevitra ny hanalavitra izay rehetra mety ho fijangajangana anefa ny tanora kristianina, satria fantany fa anisan’ny “asan’ny nofo” izany ka melohin’Andriamanitra. * (Galatianina 5:19) Ahoana anefa no hanananao fitondran-tena madio foana, na dia misy fanerena mafy aza?

Mitadiava namana tsara

Mety hanery anao hanao ratsy ny manodidina anao. Afaka mampirisika anao hanao ny tsara koa anefa ny namana tsara, araka ny lazain’ny Baiboly hoe: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry.” (Ohabolana 13:20; 1 Korintianina 15:33) Nilaza toy izao ny tatitra iray avy amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS): ‘Mahalana ny zatovo vao manao firaisana, raha mifandray tsara amin’ny ray aman-dreniny, sy ny olon-dehibe hafa miahy azy, ary ny mitovy taona aminy. Toy izany koa no izy raha omena tari-dalana sy fitsipika mamaritra izay tsara sy ratsy izy.’

Mety hahasoa anao tokoa ny fifandraisana tsara amin’ny ray aman-dreninao. Hoy i Joseph: “Ny ray aman-dreniko no nanampy ahy hanohitra ny fitaomana hanao firaisana.” Eny, afaka manome anao tari-dalana sy fitsipika mamaritra izay tsara sy ratsy avy ao amin’ny Baiboly ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra. (Efesianina 6:2, 3) Afaka manampy anao hiezaka ny hadio fitondran-tena hatrany izy ireo.

Marina fa mety hahasadaikatra ny hiresaka momba ny firaisana amin’ny ray aman-dreny, amin’ny voalohany. Mety tsy hampoizinao anefa fa mahafantatra tsara izay tsapanao izy ireo. Tadidio fa efa mba tanora koa izy ireo. Nampirisika ireo tanora hafa toy izao i Sonja: “Manatòna ny ray aman-dreninao, ary aza sanganehana na menatra miresaka momba ny firaisana amin’izy ireo.”

Ahoana raha tsy manaraka ny fitsipiky ny Baiboly ny ray aman-dreninao? Mila manaja azy ireo ianao, kanefa mila tari-dalana sasany avy amin’ny olon-kafa ankoatra ny fianakavianao koa angamba. Hoy i Paul, efa voalaza etsy aloha: “Nanampy ahy be dia be tamin’io lafiny io ireo mpivady kristianina matotra.” Hoy koa i Kenji, tovovavy manana reny tsy Vavolombelona: “Any amin’ireo olona matotra sy mampahery aho no mitady torohevitra.” Nampitandrina koa anefa izy hoe: “Tsy manatona ireo tsy manaraka fitsipi-pitondran-tena ambony aho, na dia milaza aza izy ireo fa mitovy ihany ny finoanay.”

Mila mitandrina amin’izay ifaneraseranao eo anivon’ny fiangonana kristianina angamba ianao, indraindray. Mampahatsiahy antsika ny Baiboly fa matetika no hisy olona ratsy fitondran-tena, ao anatin’ny fitambaran’olona maromaro. (2 Timoty 2:20) Inona no tokony hataonao, raha fantatrao fa ‘fetsy’ na manafina ny maha izy azy ny tanora sasany eo anivon’ny fiangonanao? (Salamo 26:4) Aza mifandray akaiky amin’ny olona toy izany. Mitadiava namana hafa izay hanampy anao ho tapa-kevitra ny hadio fitondran-tena hatrany.

Tohero ny fampielezan-kevitra manimba

Tokony hiezaka ianao mba tsy ho liana amin’ireo sary manaitaitra ny filan’ny nofo sy ny hevitra an-kolaka momba ny firaisana izay mameno ny boky, gazetiboky, clip, lalao video, filma, ary ny Internet. Resahin’ny haino aman-jery ho toy ny hoe mahasodoka sy mahafinaritra ary tsy mampidi-doza, ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Inona no vokatr’izany? Hoy i Kenji, voalaza etsy aloha: “Naseho ho toy ny fanao mahazatra ny fanaovana firaisana tao amin’ny fandaharana maromaro nojereko. Nisy firesahana an-kolaka ny amin’ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy mihitsy aza tao amin’ilay izy. Vokatr’izany, dia nanjary hadinoko hoe zava-dehibe eo imason’i Jehovah ny firaisana.”

Matetika no afenina ny voka-dratsin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana, ao amin’ny fialam-boly tiam-bahoaka. Anisan’izany voka-dratsiny izany ny fananana anaka tsy nirina, ny fanambadiana aloha loatra, ary ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Noho izany, dia aza manaiky ho voafitak’ireo “milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy.”—Isaia 5:20.

Tadidio ny voalazan’ny Ohabolana 14:15 hoe: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Manaova zavatra avy hatrany àry, raha mahita sary manaitaitra ny filana ianao, rehefa mamaky boky na mikaroka ao amin’ny Internet na mijery tele! Akombony ilay boky, vonoy ny ordinatera, na ovay ny fandaharana! Mifantoha amin’ny zavatra hafa mahasoa avy eo. (Filipianina 4:8) Tsy ho lasa mahery be ny fanirian-dratsy ao aminao, raha manao zavatra avy hatrany ianao.—Jakoba 1:14, 15.

Mitandrema amin’ny fakam-panahy

Misy ankizilahy na ankizivavy iarahanao ve? Raha izany no izy, dia tokony ho mailo ianao. Mampitandrina antsika toy izao ny Baiboly: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina.” (Jeremia 17:9) Mora mivadika ho fahalotoam-pitondran-tena mantsy ny fanehoam-pitiavana. Tokony hitandrina tsara ny mpifankatia rehefa miaraka. Azon’izy ireo atao ny mitondra olona iray na miaraka amin’ny olona maromaro. Ataovy izay tsy hahatonga anareo ho irery, amin’ny toe-javatra mety hisian’ny fakam-panahy.

Angamba efa mpifamofo ianareo, ary mihevitra fa mety ny mifaneho fitiavana. Nampitandrina toy izao anefa ny OMS: “Rehefa manakaiky ny fotoanan’ny fampakaram-bady, dia toa manao firaisana alohan’ny fanambadiana ny ankamaroan’ny vehivavy, na dia any amin’ny toerana andraran’ny fiaraha-monina izany aza.” * Noho izany, dia fero ny fifanehoam-pitiavana, ary miarova tena amin’ny ratram-po tsy amin’antony.

Maro ny tanora no noterena hanao firaisana, indrindra fa ny tovovavy, na dia tena manafintohina aza izany. “Noterena hanao firaisana ny 60 isan-jaton’ireo ankizivavy amerikanina izay nanao izany talohan’ny faha-15 taonany”, araka ny fanadihadiana iray. Matetika no ampiasana hery ny tanora noterena hanao firaisana. (Mpitoriteny 4:1) Milaza amintsika, ohatra, ny Baiboly fa “tia” an’i Tamara anabaviny tsy iray reny taminy i Amnona, zanakalahin’i Davida Mpanjaka, ka namitaka sy nanery azy hanao firaisana taminy.—2 Samoela 13:1, 10-16.

Tsy midika izany fa tsy azo atao ny miaro tena amin’ny fametavetana na fanerena hanao firaisana. Afaka miaro tena bebe kokoa ianao, raha fantatrao mialoha fa misy loza mananontanona, sy manalavitra ny fakam-panahy, ary manao zavatra haingana rehefa misy loza. *

“Ampiraiso” ny fonao

Mino izahay fa hanampy anao ho tapa-kevitra ny hadio fitondran-tena hatrany ireo torohevitra noresahinay. Izay ao am-ponao anefa raha ny marina, no hamaritra ny fitondran-tena harahinao. Nilaza i Jesosy fa ‘avy ao am-po no ivoahan’ny fijangajangana.’ (Matio 15:19) Noho izany, dia tsy maintsy miezaka ny tsy ‘hiroa saina’ (hisalasala) na hanana “fo mamorom-pitaka” (hihatsaravelatsihy) ianao, raha ny amin’io raharaha lehibe io.—Salamo 12:2; 119:113.

Raha tsapanao fa mihena ny fahatapahan-kevitrao na somary mizarazara ny fonao, dia mivavaha toa an’i Davida. Hoy izy: “Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.” (Salamo 86:11) Avy eo, dia manaova zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataonao. Mianara Baiboly, boky sy gazety ara-baiboly, ary ampiharo izay ianaranao. (Jakoba 1:22) Hoy i Lydia: “Tapa-kevitra ny hiady amin’ny fakam-panahy hijangajanga aho. Iezahako hotadidina foana fa ‘tsy manana lova ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, na ny mpijangajanga na ny olona mpanaraka fanao maloto.’ ”—Efesianina 5:5.

Mety ho sarotra ny tsy manao firaisana alohan’ny fanambadiana. Noho ny fanampian’i Jehovah anefa, dia afaka ny hadio fitondran-tena hatrany ianao. Hisoroka fijaliana maro be koa ianao sy ny hafa amin’izay.—Ohabolana 5:8-12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana.

^ feh. 8 Jereo ilay lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe... Fa Inona moa no Maharatsy ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?” ao amin’ny Mifohaza! 8 Aogositra 2004.

^ feh. 21 Jereo ny toko faha-29 amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 23 Misy torohevitra momba izany ao amin’ireto lahatsoratry ny “Manontany ny Tanora” ireto: “Ny Fanadalana Vehivavy—Inona no Hataoko, Rehefa Iharan’izany Aho?”, ary “Inona no Hataoko mba Tsy Hampijaly Ahy Intsony Izy?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Septambra 2000, sy 8 Jolay 2004.

[Sary, pejy 17]

Hanampy anao hadio fitondran-tena hatrany ny firesahana amin’ny ray aman-dreninao ny amin’izay tsapanao

[Sary, pejy 18]

Miaro ny mpifankatia ny fiarahana amin’ny olona maromaro