Nandrefy ny Tany Tamin’ny Hazokely
Nandrefy ny Tany Tamin’ny Hazokely
EFA renao ve ny amin’i Ératosthène, ilay Grika mpahay matematika sady astronoma? Mety ho ireo astronoma no tena mahafantatra ny momba azy. Nahoana izy ireo no mihevitra azy ho olo-malaza?
Teraka tokony ho tamin’ny taona 276 T.K. i Ératosthène, ary efa nianatra tany Athènes, any Gresy, izy. Tany Aleksandria, any Ejipta, anefa no tena nipetrahany. Ny Grika no nitondra an’io tanàna io tamin’izany. Tapa-kevitra ny hamantatra ny refin’ny tany izy tamin’ny taona 200 T.K. tany ho any, ka hazokely fotsiny no hampiasainy. Mety hilaza ianao hoe: ‘Ahoana no hetezan’izany?’ Ahoana tokoa àry no nataony?
Voamarik’i Ératosthène fa ny andro voalohany tamin’ny vanin-taona mafana, dia teo amin’ny tampon’ny loha ny masoandro tamin’ny mitataovovonana, tao an-tanànan’i Syène (Aswân, ankehitriny). Fantany izany, satria tsy nisy aloka mihitsy rehefa nahatratra ny farany ambany tamin’ireo lavaka fantsakana ny tara-masoandro. Voamariny kosa fa nisy aloka tamin’io fotoana io ihany tany Aleksandria, izay any amin’ny 5 000 stadia * avaratr’i Syène. Izany no nahatonga an’i Ératosthène hahita hevitra.
Namorona famantaranandroaloka i Ératosthène, ka hazokely mijidina no nampiasainy. Norefesiny ny fitongilan’ny aloka navoakan’ilay hazokely, rehefa teo amin’ny tampon’ny lanitra ny masoandro tany Aleksandria. Hitany fa nitongilana 7,2 degre ilay aloka.
Nino àry i Ératosthène fa boribory ny tany, ary fantany fa 360 degre ny faribolan’izy io. Noho izany, dia nozarainy tamin’ny 7,2 ny 360 degre. Firy no hitany? Iray ampahadimampolon’ny faribolana no fitongilan’ilay aloka hitany. Izao àry no fanatsoahan-keviny: Mitovy amin’ny iray ampahadimampolon’ny refin’ny faribolan’ny tany, ny 5 000 stadia izay nampisaraka an’i Syène sy Aleksandria. Rehefa nampitomboiny 50 ny 5 000, dia nahita 250 000 stadia izy, ka io, araka ny heviny, no refin’ny faribolan’ny tany.
Mitovy amin’ny tarehimarika aroso amin’izao fotoana izao ve ilay hitan’i Ératosthène? Eo anelanelan’ny 40 000 sy 46 000 kilaometatra ny 250 000 stadia. Sambon-danitra nandalo tany amin’ny tendron-tany avaratra ka hatrany amin’ny tendron-tany atsimo no nampiasain’ny astronoma mba handrefesana ny faribolan’ny tany. Nahita 40 008 kilaometatra izy ireo. Mahagaga àry fa tsy mifanalavitra ny tarehimarika hitan’i Ératosthène efa 2000 taona mahery lasa izay, sy ny an’ireo astronoma ireo. Vao mainka aza mahatalanjona ny fahamarinan’ilay refy hitan’i Ératosthène, rehefa heverina fa hazokely sy fanjohian-kevitra niorina tamin’ny jeometria fotsiny no nampiasainy! Io fomba miorina amin’ny jeometria io ihany ankehitriny no iaingan’ny astronoma, mba handrefesana halaviran-toerana any ivelan’ny rafi-masoandro misy antsika.
Mety hisy hieritreritra fa tena mahagaga ny nahafantaran’i Ératosthène fa boribory ny tany. An-jatony taona vitsivitsy lasa tokoa mantsy izay, dia mbola nino, na ireo mpahay siansa sasantsasany aza, fa fisaka ny tany. Avy tamin’ny fandinihana ara-tsiansa nataon’ireo Grika fahiny no naminavinan’izy ireo ny endriky ny tany. Tokony ho 500 taona talohan’i Ératosthène anefa, dia nisy mpaminany hebreo nahazo herin’ny fanahy masina, ka nanoratra hoe: “Izy [Andriamanitra] no mipetraka [eo ambony faribolan’ny tany, TV ].” (Isaia 40:22) Tsy mpahay siansa i Isaia, nefa ahoana no nahafantarany fa boribory ny tany? Andriamanitra no nanambara io fahamarinana io taminy.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Refin-kalavana grika ny stadia. Niova arakaraka ny toerana ny halavan’ny stadium iray, nefa heverina fa eo anelanelan’ny 160 sy 185 metatra foana izany.
[Kisary, pejy 15]
(Jereo ny gazety)
Tara-masoandro
Syène
7,2 degre
Aleksandria
7,2 degre