Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fisarahana ve no Vahaolana?

Ny Fisarahana ve no Vahaolana?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ny Fisarahana ve no Vahaolana?

NIARAHABA an’ireo olona tafavory ny pretra iray tany Grande-Bretagne. Nisy olon-droa nijoro teo anoloany, niaraka tamin’ny namana sy ankizy vitsivitsy. Mariazy ve ilay izy? Tsy izany velively! Fisaraham-panambadiana no nahatafavory azy ireo teo. Nanjary maro be tokoa ny fisaraham-panambadiana, hany ka manao fotoam-pivavahana manokana mihitsy ny fiangonana sasany hanamarihana izany!

Mieritreritra ny hisara-panambadiana ve ianao? Raha eny, ho sambatra kokoa ve ianao raha manao izany? Misy dingana azonao arahina ve hahasambatra anareo mivady?

“Ho nofo iray ihany ireo”

Rehefa nivady ny olombelona voalohany, dia nilaza Andriamanitra fa ‘hikambana amin’ny vadiny ny lehilahy; ary dia ho nofo iray ihany ireo.’ (Genesisy 2:24) Araka izany, dia natao haharitra ny fanambadiana. Izany no antony nilazan’i Jesosy, fa “ny fijangajangana” ihany no antony araka ny Soratra Masina ahazoana misaraka, ka ahafahana manambady indray.—Matio 19:3-9. *

Tena tokony ho tapa-kevitra ny hampaharitra ny fanambadiany àry ny mpivady. Ahoana anefa raha tena lehibe ilay olana mahazo anareo?

Fahendrena ve ny misaraka?

Nanome toro lalana ahafahantsika mandanjalanja ny ataontsika i Jesosy. Hoy izy: ‘Ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.’ (Matio 11:19) Inona àry no vokany rehefa nisy mpivady maro nisaraka, noho ny antony tsy dia manao ahoana?

Niara-nanao fanadihadiana momba ny fanambadiana tsy sambatra i Linda Waite, profesora ao amin’ny Oniversiten’i Chicago, sy ny manam-pahaizana hafa. Hoy izy: “Manitatra be izay olona milaza fa mitondra soa ny fisaraham-panambadiana.” Toy izany koa no nolazain’i Michael Argyle, profesora ao amin’ny Oniversiten’i Oxford. Nandritra ny 11 taona mantsy izy no nandinika ny valin-tenin’ny olona an’arivony nadinadininy. Hitany tamin’izany fa “ny olona nisaraka tamin’ny vadiny, no mijaly indrindra eo amin’ny fiaraha-monina.” Inona no mahatonga izany?

Mety handamina olana sasany ny fisaraham-panambadiana, nefa koa mety hiteraka olana lehibe hafa izay mety tsy ho voavahanao. Mampiseho mihitsy aza ny fikarohana fa mazàna no tsy mampihena ny fahaketrahana na mampitombo ny hajan’ny tena ny fisaraham-panambadiana.

Afaka ny handray soa ianao raha tsy misaraka amin’ny vadinao, eny fa na dia tsy “tonga lafatra aza ny fanambadianareo.” Maro no nahita fahasambarana, satria nanapa-kevitra ny tsy hisaraka. Hoy ny Profesora Waite: “Voalamina ireo olana rehefa mandeha ny fotoana, ary mihasambatra ny mpivady.” Manamarina izany ny fanadinadinana mpivady sasany, izay tsy nisaraka na dia “nijaly” am-panambadiana aza. Hita fa efa ho 8 tao anatin’ny 10 tamin’izy ireo no “sambatra” indray, dimy taona tatỳ aoriana. Toroana hevitra àry ny mpivady mba tsy ho maika ny hisaraka, na dia misy olana lehibe aza.

Dingana azo arahina

Tokony hanontany tena ireo mikasa ny hisaraka, raha araka ny tokony ho izy ny zavatra antenainy avy amin’ny fanambadiana. Asehon’ireo haino aman-jery mantsy, fa toa tsy mba mahita olana mihitsy ireo mpifankatia, fa sambatra tanteraka rehefa avy natao mariazy makotrokotroka. Rehefa vita anefa ny mariazy ka tsy tanteraka izany nofinofy izany, dia diso fanantenana izy ireo ka mety hiady. Manjary mifantoka amin’ny ratram-pony ny mpivady, rehefa mitombo ny tsy fifanarahana. Mihalefy ny fitiavana ary misolo fahatezerana sy fankahalana rehefa ela ny ela. Ny fisarahana àry sisa no hany vahaolana eritreretin’ny sasany, rehefa mitranga izany.—Ohabolana 13:12.

Aza avela hibahana ao an-tsainao ny fihetseham-po manimba. Aoka kosa ianao hifanerasera amin’ny mpivady tapa-kevitra ny hampaharitra ny fanambadiany. Ampirisihina mba ‘hifampionona sy hifampahery hatrany’ ny Kristianina. (1 Tesalonianina 5:11) Azo antoka fa mila fampaherezana avy amin’ny mpiray finoana aminy ireo olona manana olana ara-panambadiana.

Zava-dehibe ny toetra tsara

Nanoro hevitra ny apostoly Paoly hoe: “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.” (Kolosianina 3:12) Afaka miaro ny fatoram-panambadiana mandritra ny fotoan-tsarotra ny toetra tsara.

Nanoratra toy izao koa, ohatra, i Paoly: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.” (Kolosianina 3:13) Hoy i Christopher Peterson, manam-pahaizana momba ny saina ao amin’ny Oniversiten’i Michigan: “Ny famelan-keloka no toetra mifandray akaiky indrindra amin’ny fahasambarana.”

Ny hatsaram-panahy sy ny famelan-keloka, dia mampisy fitiavana, izay “fatorana mampiray tonga lafatra.” (Kolosianina 3:14) Azo antoka fa efa nisy fotoana nampifankatia be anareo roa. Afaka mamerina izany fitiavana izany indray ve ianareo? Mahereza àry na manao ahoana na manao ahoana ny hasarotry ny tarehin-javatra misy anareo. Misy ny fanantenana. Mety ho sambatra kokoa tsy araka ny nieritreretanareo azy ianareo, raha tsy misaraka fa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Azo antoka fa ho faly amin’ny ezaka ataonareo i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny fanambadiana.—Ohabolana 15:20.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Manana zo hifidy ny hisaraka na tsia ny vady tsy manan-tsiny, raha nanitsakitsaka azy ny vadiny. Manaja io zo io ny Vavolombelon’i Jehovah. Jereo ny Mifohaza! 8 Mey 1999, pejy 5-9.