Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Rahoviana Ianao no Hamaky Azy Rehetra Ireo?”

“Rahoviana Ianao no Hamaky Azy Rehetra Ireo?”

“Rahoviana Ianao no Hamaky Azy Rehetra Ireo?”

Nisy lehilahy tao Khabarovsk, any amin’ny Farany Atsinanan’i Rosia, nahita antontana gazety Mifohaza! 34 tao amin’ny tranombokin’ny tanàna iray, tamin’ny Jolay 2001. Nindraminy ireo gazety ireo, ary rehefa tonga ny fotoana tokony hamerenany azy, tamin’ny Aogositra, dia mbola tiany hotazonina ihany. Nohalavainy hatramin’ny Septambra àry ilay fe-potoana. Tiany be ireo gazety ka mbola notazoniny hatramin’ny Novambra indray, sady nampiany enina hafa.

Tsy mba namaky boky na gazety ara-pivavahana mihitsy io lehilahy io, teo aloha. Fa nahoana izy no nanomboka namaky ny Mifohaza!? Hoy izy: “Satria ny olana fahita sy mahakasika ny rehetra no tena resahin’io gazety io.”

Hoy koa izy: “Matetika ao anatin’izy ireny no misy ‘fitsidihana’ mahaliana atao any amin’ny tanàna sy firenena maoderina, ary resahina ao koa ny fombafomban’ny mponina.” Nankafiziny koa ireo lahatsoratra momba ny olona nahomby teo amin’ny fiainana, sy nifikitra tamin’ny finoany, ary nanampy olon-kafa hiaritra fahoriana sy fahavoazana. Inona no fanatsoahan-keviny momba ilay gazety? “Tena azo lazaina fa tsy misy toa azy ny gazety Mifohaza! noho izy miresaka ny zava-miseho ankehitriny, ny siansa sy ny jeografia, ary ny kolontsaina isan-karazany.”

Nangatahiny daholo ireo gazety Mifohaza! amin’ny fiteny rosianina nanomboka tamin’ny 1995. Mbola nangatahiny koa ireo boky sy bokikely hafa, ankoatra ny Mifohaza!, izay navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no nosoratany: “Mety hanontany ianareo hoe: ‘Rahoviana ianao no hamaky azy rehetra ireo?’ ” Izy ihany no namaly izany, rehefa nilaza fa manam-potoana hamakiana zavatra mahaliana izy, satria tsy dia mandany fotoana firy hijerena televiziona sy hikarokarohana ao amin’ny Internet izy.

Manazava be dia be momba ny zava-mitranga ny Mifohaza! sady mampahafantatra ny vahaolana ho an’ny zava-manahirana antsika amin’izao andro izao. Nahoana raha mangataka ny Vavolombelon’i Jehovah hitondra an’io gazety io isam-bolana ho anao?

[Sary, pejy 31]

Inona no Ilain’ny Zaza?

[Sary, pejy 31]

Fihetseham-po Miovaova—Nahoana?

[Sary, pejy 31]

Fantatrao ve ny Anaran’Andriamanitra?

[Sary, pejy 31]

Tena Misy ve ny Fandrahonana Niokleary?

[Sary, pejy 31]

Ahoana no Hananana Fanantenana?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

Fipoahana niokleary: U.S. Department of Energy photograph