Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ray toy Inona no Ilain’ny Ankizy?

Ray toy Inona no Ilain’ny Ankizy?

Ray toy Inona no Ilain’ny Ankizy?

RAY tia azy sy manokana fotoana ho azy no ilain’ny ankizy. Tokony hanao izay rehetra vitany koa ny ray, mba hanampiana ny zanany ho lasa olon-dehibe mahay mandray andraikitra sy mendri-pitokisana. Tsy dia noheverina ho zava-dehibe anefa izany hatramin’izay.

Marina fa ny reny no miteraka ny ankizy, ary tena ilaina ny reny be fitiavana. Nilaza anefa ny gazety anglisy iray fa tena ilain’ny ankizy koa ny ray toy izany. Hoy io gazety io: “Mihabetsaka ny raim-pianakaviana tsy manao tsara ny andraikiny intsony, ka izany no anisan’ny tena mahatonga ny maro amin’ireo olana lehibe indrindra mampijaly ny Amerikanina.” Mety ho izany koa aza angamba no mahatonga an’ireo olana lehibe indrindra eran-tany.

Araka ny fandinihana hita tao amin’ny gazety brezilianina iray, dia matetika no tia miady, maditra, tsy dia mahay, ary tsy miraharaha, ny tanora “tsy manan-dray.” Nantitranterin’ilay boky italianina hoe Ireo Ray Aman-dreny Tsy Lavorary, nosoratan’i Marcello Bernardi koa, fa mila ny rainy sy ny reniny ny ankizy, mba hahatongavany ho tena olom-banona.

Azo hatsaraina ny fiainam-pianakaviana

Angamba nisy raim-pianakaviana nanao an-tsirambina ny andraikiny, ka nahatonga olana maro tao an-tokantranony. Azo ahitsy anefa izany, ary azo hatsaraina ny fiainam-pianakaviany. Amin’ny fomba ahoana? Inona no tokony hataon’ilay ray?

Tokony ho tsapan’ny ankizy fa misy olona miahy izay hahasoa azy. Misy vokany ratsy eo amin’ny fiainany ny tsy fananany olona toy izany. Mampalahelo fa izany matetika no mitranga ankehitriny. Tsy tokony hanary toky anefa izay ankizy ao anatin’ny toe-javatra toy izany, na manan-dray izy na tsia. Milaza mantsy ny Baiboly ao amin’ny Salamo 68:5 fa “Andriamanitra ao amin’ny fonenany masina” no “rain’ny kamboty.” *

Ahoana no ahazoana fanampiana?

Tena ilaina ny fanampian’Andriamanitra raha tiana ho vanona ny fiainam-pianakaviana. Azo atao ny mahazo io fanampiana io. Manaporofo izany ny zavatra notantarain’i Lidia, ilay ankizivavy avy any Polonina, noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Nanao ahoana ny fiainam-pianakaviany? Ahoana no nahazoan’ny fianakaviany ny fanampian’Andriamanitra?

Nanaiky i Franciszek, rain’i Lidia, fa marina ny voalazan-janany. Tsy niraharaha ny ankohonany tokoa izy, tamin’ny zanany mbola kely. Hoy izy: “Tsy niraharaha izay nataon’ny zanako aho. Tsy naneho fitiavana azy ireo aho, ka tsy nifandray am-po izahay.” Tsy fantany àry fa vao 14 taona monja i Lidia, dia efa nifoka sigara, nisotro toaka, niady, ary nandeha tamina lanonana feno filibana. Niaraka tamin’ny zandriny mianadahy i Lidia tamin’izany.

Tsapan’i Franciszek tamin’ny farany, fa tao anatin’ny zava-tsarotra ny zanany. Tena nalahelo izy, ka nanapa-kevitra fa hitady vahaolana. Hoy izy: “Nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hahazo fanampiana.” Nahavariana fa nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah tsy ela taorian’izay, ka nanaiky hianatra Baiboly izy mivady. Nanomboka nampihatra ny fampianaran’ny Baiboly teo amin’ny fiainany izy ireo. Inona no vokatr’izany teo amin’ny zanany?

Hoy i Franciszek: “Nanomboka voamarik’izy ireo fa tsy nisotro toaka intsony aho, sady niezaka kokoa nanao ny andraikitro. Te hahafantatra bebe kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nanomboka nianatra Baiboly izy ireo, ary tsy niaraka tamin’ny naman-dratsy intsony.” Hoy i Rafał, zanany lahy, momba an’i Franciszek rainy: “Lasa mpinamana be izahay. Tsy ela dia tsy noraharahaiko intsony ireo jiolahim-boto mpiaraka tamiko. Variana tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izahay mianakavy.”

Anti-panahy eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izao i Franciszek. Mbola manokana fotoana ho an’ny fianakaviany sy mikarakara ny fahasalaman’izy ireo ara-panahy foana izy. Mpisava lalana, na mpitory ny vaovao tsara manontolo andro, ny vadiny sy Lidia. Mazoto mianatra Baiboly sy manome valin-teny any amin’ny fivoriana kristianina ary mitory momba ny finoany izao i Rafał sy Sylwia zandriny vavy.

Nampihariny izay nampianariny

Diniho koa ny tantaran’i Luis, rain’i Macarena, ilay tovovavy 21 taona, avy any Espaina, noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Nanahaka ny fomba fiainan’ny rainy izay mpisotro toaka, i Luis. Nilaza i Macarena fa matetika no tsy nody an-trano nandritra ny andro vitsivitsy i Luis rainy, fa niaraka tamin’ny namany. Nataony toy ny mpiasa koa ny renin’i Macarena, fa tsy toy ny vady malalany. Efa saika hisaraka izy ireo, ka tena kivy i Macarena sy ny zandriny.

Nanaiky hianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa i Luis, taoriana kelin’izay. Hoy izy: “Nanomboka nanokana fotoana ho an’ny vady aman-janako aho. Nifampiresaka sy niara-nisakafo ary niara-nianatra Baiboly izahay. Niara-nanao raharaha sy niala voly koa izahay.” Hoy i Macarena: “Nanomboka tsapako fa nanana ray tsara fanahy sy tena miahy anay aho.”

Tsara homarihina fa tsy vitan’ny hoe nampirisika ny fianakaviany hanompo an’Andriamanitra fotsiny i Luis. Nampihariny koa izay nampianariny. Hoy i Macarena: “Nandeha be ny raharaham-barotra nataon’i Dada, nefa najanony izany. Nandany fotoana be mantsy izy io, nefa te hikarakara bebe kokoa ny ankohonany izy.” Nisy vokany niavaka izany. Hoy ihany i Macarena: “Nampianatra ahy hanana maso tsotra sy hanao ho loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah ny ohatra nomeny.” Mpisava lalana izao i Macarena, ary mpikambana be zotom-po eo anivon’ny fiangonana kristianina ny reniny sy ny zandriny.

Ny fanapahan-kevitr’ilay tompon’andraikitra tao amin’ny lalamby

Mazava àry fa ny raim-pianakaviana ilain’ny ankizy, dia izay mieritreritra ny hahasoa azy ireo rehefa manapa-kevitra. Nanjary niaraka tamin’ny naman-dratsy ny zanakalahin’i Takeshi Tamura, ilay tompon’andraikitra ambony japoney noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Toa efa saika nahita olana lehibe io zanany io. Tamin’ny taona 1986 izany no nitranga. Tapa-kevitra i Takeshi tamin’izay, fa hiala tamin’ny toerana ambony notanany tao amin’ny Lalambim-pirenena Japoney. Ahoana izao no fahitan’i Takeshi an’iny fanapahan-kevitra noraisiny iny, 18 taona mahery atỳ aoriana?

Hoy izy vao haingana: “Iny angamba no fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiko hatramin’izay. Nisy vokany niavaka ny fiarahako nandany fotoana bebe kokoa tamin’ny zanako sy ny fiarahako nanao zavatra taminy, anisan’izany ny fianarana Baiboly. Lasa mpinamana izahay, ka tsy niaraka tamin’ny naman-dratsy intsony izy, ary lasa hendry.”

Efa Vavolombelon’i Jehovah taona vitsivitsy talohan’io ny vadin’i Takeshi. Ny fitondran-tenany fakan-tahaka no nahatonga an’i Takeshi handinika ny Baiboly, sy hanokana fotoana bebe kokoa ho an’ny ankohonany. Lasa Vavolombelona daholo tamin’ny farany i Takeshi sy ilay zanany lahy ary ny zanany vavy. Samy anti-panahy eo anivon’ny fiangonana misy azy avy izao, izy mianaka, ary mpisava lalana ny vadiny sy ny zanany vavy.

Mila fanampiana ny ray

Maro ny raim-pianakaviana tsy mahafantatra izay tokony hataony, na dia tsapany aza fa manao an-tsirambina ny zanany izy. Izao no lohateny lehibe tao amin’ny gazety Loha Laharana (espaniola): “Ny 42 Isan-jaton’ny Ray Aman-dreny [Espaniola] no Miaiky fa Tsy Hainy ny Mitaiza ny Zanany Zatovo.” Azo lazaina fa toy izany koa ny amin’ireo manan-janaka mbola kely. Tsy araka ny fiheveran’ny olona maro, fa mila ray be fandavan-tena, izay manokana fotoana sy miahy azy koa ireny ankizy ireny.

Inona koa no andraikitry ny ray? Iza avy no modely tsara indrindra ho an’ny ray, ary inona no azo ianarana avy amin’izy ireny? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra farany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo ilay toko hoe “Afaka Mahomby Ireo Fianakaviana Tsy Misy Afa-tsy ny Ray na ny Reny!” ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 7]

Raim-pianakaviana nanome izay nilain’ny zanany

Franciszek sy ny fianakaviany

Luis sy ny fianakaviany

Takeshi sy ny fianakaviany