Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanora Sahy Miresaka ny Finoany

Tanora Sahy Miresaka ny Finoany

Tanora Sahy Miresaka ny Finoany

MISY tanora maro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tia an’Andriamanitra izy ireo, sady miezaka miaina mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly. Mahafaly azy ny finoany, ka tsy misalasala izy ireo any am-pianarana miresaka momba an’izany. Ireto misy ohatra vitsivitsy.

◼Nasaina namorona lahatsoratra i Holly sy ny mpiara-mianatra aminy, tamin’izy tao amin’ny kilasy fahenina. Izao no nasaina novelabelariny: “Ahoana no hanafoanana ny fampihorohoroana, nefa tsy hampiasana herisetra?” Nohararaotin’i Holly izany mba hiresahana ny fanantenany miorina amin’ny Baiboly. Nohazavainy fa efa ela no ‘nanapahan’ny olona ny namany ka nampidirany loza taminy.’ (Mpitoriteny 8:9) Nolazainy avy eo fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany tena fanantenana ho an’ny olombelona. Hoy ny nosoratany: “Tsy hisy intsony ny zava-manahirana, anisan’izany ny fampihorohoroana, satria i Jesosy no voatendry ho Mpanjakan’io Fanjakana io.” Nohazavainy tsara ny fomba hanatanterahan’i Jesosy izay tsy vitan’ny mpitondra olombelona. Hoy izy: “Nasehon’i Jesosy tamin’izy teto an-tany hoe karazana mpanjaka manao ahoana izy. Be fitiavana sy niahy ny olona izy. Nasehony koa fa afaka nanasitrana ny olona sy nanangana azy tamin’ny maty izy. Tsy misy fanjakan’olombelona afaka nanangana ny maty toy izany. Hanao izany anefa ny Fanjakan’Andriamanitra.” Izao no namaranan’i Holly ilay lahatsoratra: “Andriamanitra irery ihany, fa tsy ny olombelona, no afaka manafoana ny fampihorohoroana.”

Nanoratra toy izao ny mpampianatra azy teo amin’ny faran’ny tatitra nataony: “Tsara be ilay izy ry Holly! Tena mahavariana sady voahevitra tsara.” Nampiaiky volana an’ilay mpampianatra koa ireo andinin-teny nomen’i Holly. Afaka niresaka tamin’ny mpampianatra azy àry i Holly, ka nanazava momba ny Sekolin’ny Fanompoana, izay fandaharana alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-kerinandro, mba hahaizana mandaha-teny sy mampianatra. Nanaiky handray ilay boky ampiasaina amin’io sekoly io ilay mpampianatra.

◼Niresaka ny finoany koa i Jessica rehefa namorona lahatsoratra tany am-pianarana. Hoy izy: “Afaka nanoratra lahatsoratra telo momba ny zavatra inoako aho. Momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fahalalahana ara-pivavahana ny iray tamin’izany. Napetraky ny mpampianatra azy teo amin’ny fitahirizam-boky ilay izy mba hovakin’izay te hamaky. Vao haingana izay dia nanoratra taratasy momba ny batisako, izay andro lehibe tamiko, aho. Nampifanakalozina ny taratasy nanomanana ilay lahatsoratra, ka afaka namaky ny ahy ireo mpiara-mianatra tamiko. Hoy ny ankizivavy iray: ‘Tena tsara. Faly aho nahafantatra izay takina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Arahabaina ianao fa vita batisa!’ Hoy ny ankizivavy hafa: ‘Mahavariana ny tantaranao! Faly aho fa tena matanjaka ny finoanao!’ Nanoratra koa ny ankizilahy iray hoe: ‘Misaina mihitsy ianao. Arahabaina ianao amin’izany.’ ” 

◼Hafakely ny fomba niresahan’i Melissa ny finoany, tamin’izy 11 taona. Hoy izy: “Tonga tao am-pianarana ny mpitsabo mpanampy ao amin’ny sekolinay, mba hiresaka momba ny rafi-kery fanefitra. Nipoitra teo ny resaka fampidiran-dra. Noresahiko tamin’ny mpampianatra anay ny video-ntsika momba ny ra, rehefa nirava izahay. Nentiko tany am-pianarana ilay izy ny ampitso, ary nojeren’ilay mpampianatra anay sy ny fianakaviany tany an-tranony. Nasehony tamin’ny kilasinay sy ny kilasy iray hafa izany ny ampitson’iny. Nidera antsika izy avy eo, ka nilaza tamin’ny iray kilasy fa raha tsy teo ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy ho nisy an’ireo fitsaboana hafa tsy ampiasana ra. Rehefa namerina ilay video izy, dia nanontany ahy hoe: ‘Inona no ataoko mba hahazoana sahala amin’ity ho an’ny fitahirizam-bokin’ny sekoly?’ Nomeko iray izy, ka tena faly be, ary izaho koa toy izany.”

Maro ny tanora Vavolombelon’i Jehovah no manaraka ny fampirisihan’ny Baiboly mba hahatsiaro ny Mpamorona azy. Anisan’ireny i Holly sy Jessica ary Melissa. (Mpitoriteny 12:1) Mahatsiaro ny Mpamorona anao koa ve ianao? Raha izany no izy, dia matokia fa mampifaly ny fon’i Jehovah izany.—Ohabolana 27:11; Hebreo 6:10.

Afaka mitory tsara momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany ianareo tanora, rehefa sahy miresaka amin’ny mpiara-mianatra sy mpampianatra momba ny finoanareo. Manatanjaka ny finoanareo izany, sady hahatonga anareo hihevitra fa voninahitra ny hoe anisan’ny mpanompon’Andriamanitra. (Jeremia 9:24) Miaro anareo koa ny mitory any am-pianarana. Nanamafy izany i Jessica, ka hoy izy: “Tsy manery ahy intsony handika izay lazain’ny Baiboly ny mpiara-mianatra amiko, rehefa miresaka momba ny zavatra inoako amin’izy ireo aho.”

[Sary, pejy 24]

Holly

[Sary, pejy 24, 25]

Jessica

[Sary, pejy 25]

Melissa