Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Mahasoa ny Fihomehezana

Nahoana tokoa moa no tsara ny mihomehy? Nasehon’ny fikarohana fa tsy ny faritra ao amin’ny atidoha, izay mifandray amin’ny fahaizana misaina sy miteny ihany no miasa haingana kokoa rehefa mihomehy ny olona iray, fa ilay faritra mifandray amin’ny fifaliana koa, araka ny gazety The Vancouver Sun. Nilaza ny Dr. Allan Reiss avy any amin’ny Oniversiten’i Stanford fa “manana anjara asa lehibe io faritra ao amin’ny atidoha io.” Mino i Reiss fa afaka manampy ny dokotera hamantatra tsara kokoa ny fifandraisana eo amin’ny samy olombelona, ny fikarohana momba ny fihomehezana amin’ny vazivazy. “Miankina amin’ny fihomehezantsika rehefa misy mivazivazy no ahazoantsika namana. Miankina amin’izany koa no hampaharitra ny fifankatiavan’ny lehilahy sy vehivavy”, hoy ihany ny Dr. Reiss. “Fomba iray ahafahana miatrika ny fanahiana fahita ankehitriny koa izy io.”

‘Aretin’ny Taonjato Faha-21’

Izany no nilazalazan’ny mpitsabo aretin-tsaina sasany ny mahazo an’ireo olona ‘adalan’ny telefaonina entin-tanana’ amin’ny andro ankehitriny. “Ireo tovovavy saro-kenatra sy tsy matotra ary kizitina, eo anelanelan’ny 16 ka hatramin’ny 25 taona” no tena voan’izy io, araka ny fikarohana nataon’ny Foibe Mitsabo sy Manampy Olona Hiala Amin’ny Zava-mahadomelina, hoy ny El País, gazety espaniola. Rehefa ‘adalan’ny telefaonina entin-tanana’ ny olona iray, dia manjary ‘tsy mety afa-po fa te hiantso olona na handefa hafatra amin’izy io foana’, hoy i Blas Bombín, mpitsabo aretin-tsaina. “Mitebiteby sy kizitina” izy ireo, rehefa tsy afaka mampiasa ny telefaoniny. Miharatsy ny fifandraisan’ny olona iray amin’ny hafa, rehefa ‘adalan’ny telefaonina entin-tanana’ izy. Lany vola be koa anefa izy. Nilaza ilay foibe voalaza tetsy ambony, fa misy amin’ireo olona karakarainy no manana telefaonina entin-tanana valo, ary mila mandoa “800 euros [10 400 000 FMG eo ho eo], isam-bolana.”

Mitombo ny Tanàna Tsizarizary Eran-tany

Raha tsy mitsahatra io fitomboana io “ao anatin’ny 30 taona, dia olona iray ao anatin’ny telo no hipetraka amin’ny tanàna tsizarizary eran-tany”, hoy ny gazety The Guardian any Londres, rehefa niresaka momba ny tatitra avy amin’ny ONU. Mampalahelo fa “olona 940 tapitrisa, izany hoe ampahenin’ny mponina eran-tany, no efa mipetraka amin’ny toerana maloto sy tsy mahasalama, tsy misy trano fivoahana, jiro, na lalàna miaro ny zon’olombelona, ary zara raha misy rano.” Olona 600 000 no mipetraka amin’ny tanàna tsizarizary any Kibera, ao amin’ny faritanin’i Nairobi, Kenya. Hoy i Anna Tibaijuka, talen’ny Fandaharan’asan’ny ONU, izay misahana ny toeram-ponenana: “Lasa mpikomy ny olona rehefa tsy an’asa sy mahita ny tsy fitoviana be eo amin’ny manan-karena sy ny mahantra. Any amin’ireny tanàna tsizarizary ireny no ahitana ny ankamaroan’ny zava-dratsy mitranga. Tsy dia misy filaminana na fandriampahalemana any, ary tsy misy fomba azo iarovana ny tanora.”

Tsy Ampy ny Parking any Chine

Olona an-tapitrisa no nahazo fiara any Chine, satria nandroso be ny toe-karena. Ny toerana hametrahana azy anefa no olana. Maro amin’ireo toeram-ponenana naorina tao anatin’ny 25 taona farany no tsy misy parking, satria olona vitsy monja no nanana fiara tamin’ny fotoana nanorenana azy ireo. Tery sady miolakolaka koa ny lalana mankany amin’ireo toeram-ponenana tranainy kokoa, ka mila tsy ho azo atao mihitsy ny manajanona fiara amin’ireny lalana ireny. “Maherin’ny 2 tapitrisa koa izao ny isan’ny fiara any Beijing, kanefa parking ho an’ny fiara 600 000 fotsiny no misy any”, hoy ny China Today. Ny 20 isan-jaton’ny tompona fiara any Chine ihany no manana parking ara-dalàna. Mitombo koa ny solika ilaina, ka anisan’ny manaporofo ny fitomboan’ny fiara izany. “Tsy ho ela i Chine dia haka ny toeran’i Japon, ka izy indray no ho lasa ny firenena faharoa mpandany solika be indrindra eran-tany”, hoy ny China Today.

Tratran’ny Aretina Vokatry ny Fanaovan-javatra Miverimberina ny Tanora

Mihabetsaka ny tanora mitsabo tena, noho io aretina io, hoy ny gazety The Globe and Mail, any Kanada. Hoy ihany izy io: “Milaza ny dokotera sy ny mpanotra fa mihamitombo ny tanora manatona azy ireo. Tsy mampiasa vatana mantsy izao ny ankizy, fa mandany fotoana betsaka kokoa eo amin’ny ordinatera rehefa ao an-trano, na any am-pianarana.” Milaza ny Globe fa ny fampiasana ordinatera na fandefasana lalao video tsy tapaka, dia mety hiteraka fanaintainana sy fivontosana, toy ny mpahazo ny olona manao asa miverimberina. Ampirisihina ny ray aman-dreny mba hanara-maso ny fihetsiky ny zanany, ary ho mailaka hamantatra sao efa voan’io aretina io izy. Mety hopotsipotserin’ilay ankizy na holazainy hoe voly na donto, ohatra, ny kihony na ny hatotanany.

Mety Hahitana Olana ve ny Toeram-piasana?

“Mety hahita olana ara-panambadiana ny lehilahy sy vehivavy miray toeram-piasana”, araka ny fanadihadiana natao tany Soeda, hoy ny gazety The Wall Street Journal. Namerina nandinika ny antontan’isa momba ny fisaraham-panambadiana sy ny asa izay navoakan’ny fanjakana, i Yvonne Aberg, tompon’andraikitra amin’ilay fanadihadiana. Hitany fa “niakatra 70% be izao ny isan’ny fisaraham-panambadiana any amin’ny toeram-piasana ahitana lehilahy sy vehivavy, raha ampitahaina amin’ny toeram-piasana tsy misy afa-tsy lehilahy na vehivavy.” Voamarik’i Aberg koa fa mitranga foana izany na manambady ireo mpiara-miasa na tsia. Naharitra fito taona io fanadihadiana io, ary nandinihana mpiasa 37 000 tany amin’ny toeram-piasana 1 500. Niorina tamin’ny antontan’isa momba ny fisaraham-panambadiana sy ny asa izy io, fa tsy tamin’ny tatitra nataon’olona, izay mety tsy ho azo antoka loatra. Nolazain’ilay lahatsoratra fa mety ho azo ahena 50 isan-jato ny fisaraham-panambadiana, raha miray toeram-piasana ny mpivady.

Pasitera Tsy Manam-pinoana

Nanjary be mpahalala ny pasitera loteranina iray rehefa nanambara fa “tsy misy Andriamanitra any an-danitra, tsy misy ny fiainana mandrakizay, tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty.” Nilaza ny Vaovaon’ny BBC fa navela hitondra fiangonana indray i Thorkild Grosbøl, rehefa avy natsahatra nandritra ny fotoana kelikely. “Niala tsiny noho ny zavatra nolazainy” io pasitera ao amin’ny paroasin’i Taarbaek, akaikin’i Copenhague, io. Nanaiky hanatontosa ny adidiny amin’ny fiangonana koa izy, hoy ny Eveka Lise-Lotte Rebel, avy ao amin’ny diosezin’i Helsingor. Mbola nitory ireo zavatra nolazainy ihany anefa i Grosbøl. Nilaza ny eveka tamin’ny Jona 2004, fa raha tsy mety mametra-pialana izy, dia ny fitsarana no hanapa-kevitra raha ho afaka hijanona amin’ny asany izy na tsia.

Soratra Fahiny avy ao Amin’ny Filazantsara

Sambany ny manam-pahaizana no nahita andinin-teny avy ao amin’ny Soratra Grika teo amin’ny fasana tranainy iray tany amin’ny Lohasahan’i Kidrona, akaikin’i Jerosalema, hoy ny Frankfurter Allgemeine Zeitung, gazety alemà. Kisendrasendra no nahitana soratra teo amin’ny Fasan’i Absaloma, araka ny nahafantarana ny anaran’ilay fasana tatỳ aoriana. Naka sary an’io fasana io i Joe Zias, mpandinika ny olombelona, indray takariva, ary hitany teo amin’ilay sary manjavozavo fa misy soratra efa ratsiratsy teo amin’izy io. Nasiana fetan-taratasy teo amin’ilay faritra, ary fantatra tamin’izany fa hay andinin-teny ao amin’ny Baiboly ilay izy. Avy ao amin’ny Lioka 2:25 ilay soratra, ary mitovy amin’izay voalazan’ny Kodeksa Sinaiticus tamin’ny taonjato fahefatra izy io. Tena niavaka io zavatra hita io, satria tany amin’ny taona 1000 tany ho any vao nalaza ny fanoratana andinin-teny amin’ny tsangambatom-pasana.