Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Laza

Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Laza

Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Laza

NOTANTARAIN’I CHARLES SINUTKO

Nahazo fifanekena momba ny asa izay tokony haharitra 13 herinandro aho tamin’ny 1957. Araka izany, dia hihira tany Las Vegas, eto Etazonia aho, ary handray 100 dolara isan-kerinandro. Azo nampiana 50 herinandro ilay fifanekena, raha be mpitia ilay fampisehoana, ka amin’izay aho dia hahazo 50 000 dolara fanampiny, izay vola be tamin’izany fotoana izany. Hotantaraiko aminareo hoe nahoana aho no notolorana io asa ahazoam-bola be io, ary nahoana no sarotra tamiko ny nanapa-kevitra ny hanaiky azy io na tsia.

AVY any Ukraine i Dada, ary teraka tany Eoropa Atsinanana tamin’ny 1910. Nentin’ny reniny teto Etazonia izy, rehefa nanaraka ny vadiny teto io reniny io. Nanambady i Dada tamin’ny 1935, ary teraka tany Ambridge, Pennsylvanie, aho, herintaona tatỳ aoriana. Tamin’izany fotoana izany no lasa Vavolombelon’i Jehovah ny zokin’i Dada mirahalahy.

Nianatra Baiboly vetivety tamin’ny Vavolombelona i Neny, tamin’izaho sy izy telo mirahalahy zandriko mbola kely. Nipetraka tany akaikin’i New Castle, Pennsylvanie, ny fianakavianay tamin’izany, ary mbola tsy nisy lasa Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniko. Nihevitra anefa i Dada fa nanana zo hanaraka izay finoana tiany ny rahalahiny. Notezainy ho tia tanindrazana izahay, kanefa niaro foana ny zon’ny hafa hanaraka izay fivavahana tiany koa izy.

Lasa mpihira

Nihevitra ny ray aman-dreniko fa tsara feo aho, ka niezaka mafy izy ireo mba hahatonga ahy ho mpihira matihanina. Natsangan’i Dada teo ambony latabatra aho, tany amin’ny toeram-pandihizana, mba hihira sy hitendry gitara. Enina na fito taona aho tamin’izany. Ilay hira hoe: “Mother” (Neny) no nataoko tamin’izay. Niresaka momba ny toetran’ny reny be fitiavana ilay hira, ary nifarana tamin’ny feo avo nampihetsi-po. Nihorakoraka ary nandatsaka vola tao amin’ny satrok’i Dada ireo lehilahy efa mamo izay nanatrika teo.

Nandray anjara voalohany tamin’ny fandaharan’ny radio WKST tany New Castle aho tamin’ny 1945, ka mozika country no nohiraiko tamin’izay. Nampiako hira be mpitia avy tao amin’ny Hit Parade koa izany tatỳ aoriana. Fandaharana isan-kerinandro tamin’ny radio ny Hit Parade, ary nandefasana ny hira folo be mpitia indrindra. Tamin’ny 1950 aho no niseho voalohany tamin’ny televiziona, tamin’ny fandaharan’i Paul Whiteman. Mbola malaza foana ilay hira narindrany izay noforonin’i George Gershwin, mitondra ny lohateny hoe “Rhapsody in Blue.” Namidin’i Dada ilay tranonay tany Pennsylvanie, taoriana kelin’izay, ary nifindra teto Los Angeles, Kalifornia, izahay. Nanantena izy fa hanatsara ny asako izany.

Noho ny fikirizan’i Dada, dia nanana ny fandaharako manokana isan-kerinandro tamin’ny radio tany Pasadena aho, tatỳ aoriana kely, ary niseho tele antsasak’adiny isan-kerinandro tany Hollywood. Nanao diska niaraka tamin’ny orkesitr’i Ted Dale koa aho, tao amin’ny Capitol Records, ary lasa mpihira tao amin’ny radio CBS, izay iray tamin’ireo radio lehibe indrindra tao New York. Nanao fampisehoana tany amin’ny Lake Tahoe any avaratr’i Kalifornia aho tamin’ny 1955. Tany no nampiova be ny fiainako.

Zavatra hafa no lasa loha laharana

Tamin’izay fotoana izay no nanomezan’i Dadatoa John ahy ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina.” Zokin’i Dada i Dadatoa John, ary avy tany Pennsylvanie izy no nifindra teto Kalifornia koa. * * Nentiko tany Lake Tahoe ilay boky. Novakiko izy io talohan’ny hatoriana, rehefa nifarana ilay fampisehoana farany nataonay, taorian’ny misasakalina. Tena faly aho fa hitako tao amin’ny Baiboly ny valin’ny fanontaniana napetrako hatramin’ny ela.

Tsy ela taorian’io, dia nipetrapetraka tao amin’ilay toeram-pandihizana aho rehefa avy niasa, sady niresadresaka tamin’ireo mpampiala voly hafa. Matetika no naharitra mandra-maraina izany. Anisan’ny noresahinay ny momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana, ny antony amelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy, sy ny hoe handringana ny tenany sy ny tany ve ny olombelona sa tsia. Roa volana tatỳ aoriana, dia nisy fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah tany Wrigley Field, any Los Angeles. Natao batisa aho ny 9 Jolay 1955, tamin’io fivoriambe io, ho mariky ny fanoloran-tenako hanompo an’i Jehovah Andriamanitra.

Nasain’i Henry Russell niaraka taminy mba hitsidika an’i Jack McCoy aho, enim-bolana latsaka tatỳ aoriana, izany hoe ny marainan’ny Krismasy taona 1955. Vavolombelona sady mpitarika orkesitra tao amin’ny NBC i Henry, ary Jack kosa niasa tamin’ny indostrian’ny fialam-boly. Teo am-panokafana ireo fanomezana tamin’ny Krismasy niaraka tamin’ny zanany telo mianadahy sy ny vadiny i Jack, rehefa tonga tany izahay. Nasainy nipetraka nihaino anay anefa izy ireo. Tsy ela dia lasa Vavolombelona izy sy ny fianakaviany.

Nampianariko Baiboly i Neny teo am-piandohan’ny 1956, ary tena nanaiky ny fahamarinana izy. Lasa Vavolombelon’i Jehovah sy mpisava lalana na mpitory manontolo andro izy, tatỳ aoriana. Natao batisa sy lasa mpisava lalana nandritra fotoana kelikely koa izy telo mirahalahy zandriko, rehefa nandeha ny fotoana. Lasa mpisava lalana koa aho tamin’ny Septambra 1956, tamin’izaho 20 taona.

Fanapahan-kevitra momba ny asa

Nirin’i George Murphy, naman’ilay mpikarakara ny asako, halaza kokoa aho. Efa nanao filma maro be izy nandritra ireo taona 1930 sy 1940. Nifandray tamin’ny olona maro i Murphy, ka izany no nahatonga ahy handray anjara tamin’ny fampisehoana nataon’i Jackie Gleason tamin’ny televiziona CBS tany New York, ny Desambra 1956. Tena dingana lehibe teo amin’ny asako izany, satria noheverina ho 20 tapitrisa ny olona nijery an’io fampisehoana io. Sambany aho no nitsidika ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, tamin’izaho tany New York.

Rehefa vita ilay fampisehoana nataon’i Gleason, dia nisy fifanarahana nataoko tamin’ny orinasa mpamokatra filma anisan’ny lehibe indrindra eto Etazonia. Tokony haharitra fito taona izy io. Nahazo anjara tao amin’ny tantara mitohy amin’ny tele aho tamin’izany. Nanomboka nanenjika ahy anefa ny eritreritro, rehefa nandeha ny fotoana. Mpiloka sy mpitifitra matihanina maloto fitondran-tena sy manana toetra hafa tsy mendrika ny Kristianina mantsy aho tao amin’ilay tantara. Koa niala àry aho. Nihevitra ireo olona tao amin’ilay indostrian’ny fialam-boly fa lasa adala aho.

Izany no nahatonga ahy hotolorana ilay asa ahazoam-bola be tany Las Vegas, izay noresahina terỳ am-piandohana. Tokony hanomboka ilay asa aho tamin’ilay herinandro fandalovan’ny mpiandraikitra mpitety faritany, raha tsy izany dia hafoiko tanteraka ilay izy. Nisalasala be ihany aho, satria efa nanantena i Dada fa hahazo vola be aho! Mendrika ny hahazo valisoa mantsy izy, araka ny hevitro, noho ny ezaka rehetra nataony mba hampandeha tsara ny asako.

Nanatona an’i Carl Park, mpiandraikitra mpitantan-draharaha tao aminay àry aho. Mpitendry zavamaneno koa izy, ary efa mpitendry lokanga tao amin’ny radio WBBR tany New York, nandritra ireo taona 1920. Nohazavaiko taminy fa raha nanaiky hanao io asa io aho, dia ho afaka hanao ny asan’ny mpisava lalana mandritra ny androm-piainako, ary tsy hanahy ny amin’ny ara-bola intsony. Hoy izy: “Tsy afaka milaza izay tokony hataonao aho, fa afaka manampy anao hanatsoaka hevitra kosa.” Nanontany izy hoe: “Handeha ihany ve ianao, raha fantatrao fa hitsidika ny fiangonantsika ny apostoly Paoly, amin’ity herinandro ity?” Hoy koa izy: “Inona no tian’i Jesosy hataonao, araka ny hevitrao?”

Mazava ho azy ny valin’izany. Nilaza i Dada fa nopotehiko ny fiainany, rehefa nambarako taminy fa tsy ho any Las Vegas aho. Nalainy ny basiny, ary niandry ahy izy iny aliny iny. Saika novonoiny aho, saingy be loatra ny toaka nosotroiny ka resin-tory izy. Nanandrana namono tena tamin’ny etona mahafaty navoakan’ny fiara izy, avy eo. Niantso mpamonjy voina aho, ka voavonjin’izy ireo ihany i Dada.

Fantatry ny olona teo anivon’ny fiangonanay fa tena mora tezitra i Dada, ka maro no natahotra azy. Tsy mba toy izany anefa i Roy Dowell, ilay mpiandraikitra ny faritra nitsidika anay. Rehefa nitsidika azy i Roy, dia nolazain’i Dada taminy fa saika tsy velona aho tamin’ny vao teraka. Nampanantena an’Andriamanitra àry, hono, i Dada fa hatolony hanompo Azy aho, raha velona soa aman-tsara. Nanontany an’i Dada toy izao àry i Roy: “Efa mba noeritreretinao ve fa manantena ny hanatanterahanao ny teninao Andriamanitra?” Tsy nahateny i Dada. Hoy ihany i Roy avy eo: “Raha toa ka mendrika ny Zanak’Andriamanitra ny fanompoana manontolo andro, tsy tokony ho mendrika ny zanakao koa ve?” Toa nanaiky ny safidiko i Dada taorian’izay.

Tonga nitsidika ny namany vitsivitsy i Shirley Large avy any Kanada sy ilay mpisava lalana namany, tamin’ny Janoary 1957. Nifankahalala izahay sy Shirley rehefa nitory isan-trano niaraka tamin’izy ireo aho. Niaraka tany Hollywood Bowl izahay sy Shirley, taoriana kelin’izay, rehefa niara-nihira tamin’i Pearl Bailey aho.

Manatanteraka ny fanapahan-kevitra

Voatendry hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana tany Iowa aho, tamin’ny Septambra 1957. Nifokofoko nitomany fotsiny i Dada, rehefa nolazaiko taminy fa tapa-kevitra ny hanaiky io fanendrena io aho. Ahoana tokoa moa no hahatakarany ny fomba fijeriko vaovao ny amin’izay tena zava-dehibe? Nankany Hollywood aho ary nofoanako daholo ny fifanarahana rehetra nataoko tany. Anisan’ny nanaovako fanekena i Fred Waring, mpitarika orkesitra sy amboaran-kira malaza. Nolazainy tamiko fa tsy ho lasa mpihira matihanina intsony aho, raha tsy notanterahiko ilay fifanarahana. Nohazavaiko taminy àry fa tsy hihira intsony aho, fa hanitatra ny fanompoako an’i Jehovah Andriamanitra.

Nihaino ahy tamim-panajana Atoa Waring, rehefa nolazaiko taminy ny zava-drehetra. Tsy nampoiziko ny valin-teniny tamin-katsaram-panahy hoe: “Malahelo aho, anaka, satria hiala amin’ity asa tsara ity ianao. Mozika foana no nataoko teo amin’ny fiainako, nefa fantatro fa misy zava-dehibe kokoa noho izany eo amin’ny fiainana. Hitahy izay hataonao anie Andriamanitra.” Mbola tadidiko foana fa feno ranomasom-pifaliana ny masoko teny an-dalana hody. Afaka nandany ny fiainako tamin’ny fanompoana an’i Jehovah mantsy aho, nanomboka teo.

“Manam-pinoana ve ianao?”

Nanompo tany amin’ny tanànan’i Strawberry Point, Iowa, izay nisy mponina 1 200 izahay sy ilay namako antsoina hoe Joe Triff, tamin’ny Aogositra. Tonga nitsidika anay i Shirley, ary niresaka ny hivady izahay. Tsy nisy nanana tahirim-bola anefa na izaho na izy. Tany amin’i Dada daholo ny vola rehetra azoko hatramin’izay. Nohazavaiko taminy àry hoe: “Te hanambady anao aho, kanefa ahoana no hivelomantsika? Tsy manana afa-tsy ilay 40 dolara hanampiana ny mpisava lalana manokana isam-bolana aho.” Tony sy nivantana toy ny nahazatra izy, rehefa nilaza hoe: “Charles a! Manam-pinoana ve ianao? Nilaza ange i Jesosy fa raha mikatsaka aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany isika, dia homeny antsika izay hilaintsika e!” (Matio 6:33) Tapa-kevitra àry izahay ka nivady ny 16 Novambra 1957.

Nisy tantsaha nampianariko Baiboly tany ivelan’i Strawberry Point. Nanana tranokely hazo izy, izay tsy nisy jiro sy rano ary efitra fandroana. Afaka nipetraka tao maimaim-poana anefa izahay, raha tianay. Faran’izay tsotra ilay izy nefa toerana hatoriana fotsiny no nilainay, satria teny amin’ny fanompoana foana izahay.

Nantsaka tamin’ny loharano teo akaiky teo aho. Nandrehitra kitay izahay mba hamanana ilay trano, sy jiro solitany mba hamakian-teny, ary fatana solitany no nampiasain’i Shirley mba handrahoana sakafo. Koveta be efa tonta no nampiasainay mba handroana. Nihaino ny feon’ny amboadia izahay tamin’ny alina, ary finaritra erỳ satria tafaraka sy niara-nanompo an’i Jehovah tany amin’ny toerana nilana mpitory bebe kokoa. Mpisava lalana manokana tany Decorah, Iowa, tokony ho 100 kilaometatra avy teo amin’ny nisy anay i Bill Malenfant sy Sandra vadiny tamin’izany. Manompo ao amin’ny foibe maneran-tany ao Brooklyn izy ireo izao. Nitsidika anay izy mivady indraindray, ary niara-nanompo nandritra ny andro izahay. Nisy fiangonana kely nisy mpitory 25 teo ho eo tany Strawberry Point, tatỳ aoriana.

Asa fitetezam-paritany

Nasaina nanao ny asan’ny faritra izahay tamin’ny Mey 1960. I Caroline Avaratra no faritra notsidihinay voalohany, anisan’izany ny tanànan’i Raleigh, Greensboro, sy Durham, ary tanàna kely ambanivohitra maro hafa. Nihatsara ny fiainanay, satria niara-nipetraka tamin’ny fianakaviana maro nanana jiro sy kabine tao an-trano mihitsy aza, izahay. Tsy nampahery kosa ny fampitandreman’ireo nanana kabine tany ivelany. Nasain’izy ireo nitandrina izahay, noho ireo bibilava misy poizina sy bibilava mikorintsan-drambo nandehandeha teny an-tokotany!

Faritra tany Floride indray no nasaina notsidihinay, tamin’ny voalohandohan’ny 1963. Narary mafy saika maty aho tany, satria nisy virosy nitondra aretina tao amin’ny foko. Tena maty mihitsy aho, raha tsy nanampy anay i Bob sy Ginny Mackey, avy any Tampa. * Nentiny tany amin’ny dokoteran’izy ireo aho, ary ry zareo koa no nandoa ny saram-pitsaboana rehetra.

Nampiasaiko indray ny talentako

Nasaina nanao asa nifandray tamin’ny fivoriambe lehibe nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany New York aho, teo antenatenan’ny 1963. Niaraka izaho sy Milton Henschel, izay mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny fandaharana iray tamin’ny radio. I Larry King no niresadresaka taminy tamin’izay. Mbola mitana andraikitra lehibe eo amin’ny fandraisana olo-malaza amin’ny televiziona ihany Atoa King. Tena feno fanajana izy, ary taorian’ilay fandaharana, dia nametraka fanontaniana maro be momba ny asantsika nandritra ny adiny iray teo ho eo izy.

Nivahiny tao amin’ny foibe maneran-tany i Harold King tamin’izay fotoana izay. Misionera vao nafahana avy tany am-ponjan’i Chine kominista izy tamin’io. Indray hariva, dia nitantara ny zavatra niainany tamin’ny mpihaino 700 teo ho eo izy. Nohazavainy koa hoe nahoana no nihanatanjaka ny finoany rehefa natoka-monina tany am-ponja nandritra ny efa-taona mahery izy. Namoron-kira momba ny foto-kevitra ara-baiboly sy ny fanompoana kristianina izy tany.

Niaraka tamin’i Audrey Knorr, Karl Klein, ary Fred Franz, izay Vavolombelona hatramin’ny ela tena nahay feo fahatelo, aho tamin’iny takariva tsy hay hadinoina iny. Ilay hira hoe “Isan-trano” no nohirainay tamin’izay. Nampidirina tao amin’ny fihirana ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah io hira io tatỳ aoriana. Nasain’i Nathan Knorr nihira azy io koa aho tany amin’ilay fivoriambe hoe “Vaovao Tsara Mandrakizay”, izay natao tany amin’ny Yankee Stadium. Io rahalahy io no nitarika ny asan’ny Vavolombelona tamin’izany.

Zavatra niainana teo amin’ny asa fitetezam-paritany

Nisy zavatra roa tsy hay hadinoana nitranga, tamin’izahay nanompo tany Chicago, Illinois. Voalohany, dia ny fihaonan’i Shirley sy Vera Stewart, izay nitory voalohany tamin’izy sy ny reniny tany Kanada, tamin’ny 1940 tany ho any. Vao 11 taona i Shirley tamin’izany, ary nientam-po erỳ izy rehefa nandre momba ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Nanontany an’i Vera izy hoe: “Mba hahita izany tontolo vaovao izany ve aho, araka ny hevitrao?” Hoy i Vera namaly azy: “Fa nahoana moa ianao no tsy hahita izany, ry Shirley?” Tsy nisy nanadino io resaka nifanaovany io izy ireo. Fantatr’i Shirley tamin’io fihaonany voalohany io, fa ny hanompo an’i Jehovah no faniriany.

Faharoa, dia ny amin’ilay Vavolombelona izay nanontany raha tadidiko ilay kitapo nisy ovy 23 kilao hitako teo am-baravaranay tamin’ny ririnina 1958. Tadidiko tokoa ilay izy. Nirotsaka be ny oram-panala tamin’io takariva io, ka sahirana izahay vao tafody! Tsy fantatray hoe avy taiza ilay izy, kanefa nisaotra an’i Jehovah izahay noho io fanomezana io. Tsy afaka nivoaka ny trano izahay nandritra ny dimy andro noho ilay oram-panala. Faly anefa izahay satria afaka nihinana ovy natao kirepy, ovy nandrahoina tao anaty lafaoro, ovy nendasina, ovy nopotsehina, ary ovy natao lasopy! Tsy nanana sakafo hafa izahay. Tsy nahafantatra anay sy izay nisy anay ilay Vavolombelona, fa reny fotsiny hoe nisy mpisava lalana sahirana teo akaiky teo. Nilaza izy fa nisy zavatra nanosika azy hanontany ny trano nisy anay. Fantatr’ireo tantsaha daholo ny mpifanila trano taminy, ary tsy ela dia nentin’izy ireo tany aminay ilay Vavolombelona, nitondra ilay ovy tao anatin’ny oram-panala.

Nanao safidy tsara

Niharatsy ny fahasalamako tamin’ny 1993, rehefa avy nanao ny asa fitetezam-paritra nandritra ny 33 taona, ka voatery nijanona tamin’io asa io aho. Lasa mpisava lalana manokana efa osa izahay sy Shirley nanomboka tamin’izay. Malahelo aho fa tsy afaka manao ny asa fitetezam-paritra intsony. Faly koa anefa aho satria izany asa izany no nandaniako ny heriko.

Nanao safidy hafa ireo zandriko telo mirahalahy. Samy nikatsaka harena izy ireo tatỳ aoriana, ary tsy misy manompo an’i Jehovah intsony amin’izao fotoana izao. Natao batisa i Dada tamin’ny 1958. Olona am-polony no nampian’izy sy Neny hahafantatra an’i Jehovah, sy hanolo-tena, ary hatao batisa. Samy maty tamin’ny 1999 izy mivady. Koa nahasoa an’i Dada sy Neny ary ireo olona maro nampiany mba hahafantatra ny fahamarinana ny fandavako ny laza sy harena atolotr’ity tontolo ity. Afaka manantena fiainana mandrakizay izao izy ireo. Matetika aho no manontany tena hoe: ‘Ho nanohy nanompo an’i Jehovah ve aho, raha tsy io no safidy nataoko?’

Nihatsara ny fahasalamako, dimy taona taorian’ny nijanonako tamin’ny asan’ny faritra, ka afaka nanitatra ny fanompoako indray aho. Mpiandraikitra mpitantan-draharaha eo anivon’ny fiangonana iray eto Desert Hot Spring, Kalifornia, aho izao. Mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana koa aho, miara-miasa amin’ny komitim-pitsarana, ary indraindray mampianatra amin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana.

I Shirley foana no namana tsy foiko hatramin’izao. Tena tiako ny miaraka aminy. Manao resadresaka mampahery izahay matetika, ary faly erỳ miresaka ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mbola tadidiko foana ilay fanontaniana napetrany tamim-pahatoniana, 47 taona lasa izay, ary tena isaorako azy. Hoy izy tamin’izay: “Charles a! Manam-pinoana ve ianao?” Raha mifanontany toy izany ny mpivady tanora kristianina, dia mino aho fa ho maro amin’izy ireo koa no hahita fifaliana sy fitahiana toa anay, eo amin’ny fanompoana manontolo andro.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Vavolombelon’i Jehovah nahatoky i John Sinutko, hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1996, tamin’izy 92 taona.

^ feh. 11 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 32 Ao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 Jona 1975, pejy faha 12-16, ny tantaram-piainan’i Bob Mackey, izay lasa nalemy.

[Sary, pejy 20]

Dadatoa John tamin’ny 1935, taona nanaovana batisa azy

[Sary, pejy 22]

Ilay tranokely hazo nisy anay

[Sary, pejy 23]

Ny sarin’ny ray aman-dreniko tamin’ny 1975. Nahatoky mandra-pahafatiny izy ireo

[Sary, pejy 23]

Miaraka amin’i Shirley ankehitriny