Ahoana no Tokony Hitondrantsika ny Zokiolona?
Ny Fiheveran’ny Baiboly
Ahoana no Tokony Hitondrantsika ny Zokiolona?
OLONA an’arivony no maty nanerana an’i Eoropa, nandritra ireo volana nafana indrindra tamin’ny 2003. Io no anisan’ny hafanana mafy indrindra namely an’io Kontinanta io tato anatin’ny 60 taona, ary zokiolona ny ankamaroan’ny maty. Nilaozana irery ny sasany tamin’izy ireo satria lasa nanao vakansy ny havany. Voalaza koa fa nisy tsy voakarakara na tsy noraharahaina, satria tototry ny asa loatra ireo mpiasan’ny hopitaly sy trano fitaizana be antitra. Nolazain’ny gazety frantsay Le Parisien fa 450 ny faty tsy nalain’ny havany, tao Paris fotsiny. Hoy koa io gazety io momba ireo maty irery sy tsy fantatra ny momba azy: “Fa inona loatra re no mahazo antsika, no dia manadino ny ray aman-dreniny sy ny raibe sy renibeny toy izao ny olona?”
Mahatratra 795 000 isam-bolana ny olona 65 taona na mihoatra maneran-tany. Lasa anisan’ny zavatra lehibe indrindra mampanahy, ny fikarakarana azy ireny. Hoy i Nancy Gordon, tale lefitra ao amin’ny Birao Amerikanina Momba ny Fanisam-bahoaka: “Mitombo haingana mbola tsy nisy toy izany ny antitra maneran-tany, ka tokony hojerena akaiky ny fomba iatrehan’ireo firenena ny olana aterak’izany.”
Miahy ny zokiolona koa ny Mpamorona antsika. Manome tari-dalana ny amin’ny fomba tokony hitondrantsika azy ireny ny Teniny.
Fanajana ny zokiolona
Tokony hohajaina ny zokiolona, araka ny Lalàn’Andriamanitra nomena an’i Mosesy. Hoy izy io: “Mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo hianao, ka manajà ny tavan’ny anti-panahy.” (Levitikosy 19:32) Tokony ‘hitsangana’ ny mpanompon’Andriamanitra mankatò rehefa eo anatrehan’ny zokiolona, mba 1) ho mariky ny fanajana azy, sy 2) ho porofon’ny tahotra sy ny fanajana an’Andriamanitra. Tokony homem-boninahitra sy hoheverina ho sarobidy àry ny zokiolona.—Ohabolana 16:31; 23:22.
Tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina, kanefa hita avy amin’ireo toro lalana raketiny ny hevitr’i Jehovah sy izay zava-dehibe aminy. Miharihary fa tena manaja sy miahy ny zokiolona izy. Nahafantatra tsara ireny toro lalana ireny ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Efa hatrany am-piandohan’ny Kristianisma no nahitana izany, araka ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Nisy vehivavy kristianina mpitondratena sahirana tany Jerosalema, ary azo antoka fa efa antitra ny maro taminy. Nanendry fito lahy “tsara laza” àry ny apostoly, mba ho azo antoka fa nahazo sakafo isan’andro ireo vehivavy ireo. Noheverin’izy ireo ho ‘raharaha tsy maintsy nataon’ny’ fiangonana, izany fikarakarana izany.—Asan’ny Apostoly 6:1-7.
Nasehon’ny apostoly Paoly, fa tokony hampiharina teo anivon’ny fiangonana kristianina koa ilay toro lalana hoe “mitsangàna raha eo anatrehan’ny fotsy volo.” Hoy izy tamin’i Timoty, mpiandraikitra tanora: “Aza dia kianina mafy loatra ny lehilahy zokiolona, fa iangavio toy ny ray kosa, ... ny vehivavy zokiolona toy ny reny.” (1 Timoty 5:1, 2) Tsy navela hanambany ny zokiolona àry i Timoty, na dia nanana fahefana sasany teo amin’izy ireo aza. Tokony hoentiny toy ny ray ka hohajainy kosa izy ireo. Tokony hohajainy toy izany koa ny vehivavy zokiolona teo anivon’ny fiangonana. Nampirisika an’i Timoty sy ny rehetra teo anivon’ny fiangonana àry i Paoly, mba ‘hitsangana eo anatrehan’ny fotsy volo.’
Mazava ho azy fa tsy mila lalàna ny vahoakan’Andriamanitra vao hanaja sy hitondra amim-pahamendrehana ny zokiolona. Diniho ny ohatr’i Josefa ao amin’ny Baiboly. Nanao izay azony natao izy ary tsy nitsitsy vola aman-karena, ka nanafatra an’i Jakoba rainy 130 taona, ho any Ejipta. Tamin’izany no namonjeny azy tamin’ilay mosary niely hatraiza hatraiza. Roapolo taona mahery izy tsy nahita an’io rainy io. Rehefa nihaona taminy indray izy, dia “namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin’ny vozony.” (Genesisy 46:29) Ela be talohan’ny nisian’ny lalàna teo amin’ny Israely izany no nitranga. Efa nanana ny fomba fihevitr’i Jehovah anefa i Josefa, ka nangoraka sy nanaja lalina ny zokiolona.
Niahy ny zokiolona koa i Jesosy nandritra ny fanompoany. Nomelohiny mafy ireo mpitondra fivavahana tsy niraharaha ny ray aman-dreniny zokiolona, noho ny fomban-drazana. (Matio 15:3-9) Nikarakara tamim-pitiavana ny reniny koa i Jesosy. Raha mbola nijaly mafy teo amin’ny hazo fijaliana izy, dia nataony azo antoka fa hikarakara an’io reniny be taona io i Jaona, ilay apostoly tiany.—Jaona 19:26, 27.
Tsy mahafoy ny mpanompony mahatoky Andriamanitra
Nivavaka toy izao ny mpanao salamo: “Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.” (Salamo 71:9) ‘Tsy manary’ ny mpanompony mahatoky Andriamanitra, na dia mety hihevitra aza izy ireo hoe tsy misy ilana azy intsony. Tsy nahatsiaro ho nafoin’i Jehovah ilay mpanao salamo. Tsapany kosa fa nila niantehitra bebe kokoa tamin’ilay Mpamorona azy izy, rehefa nihantitra. Manampy ny olony tsy mivadika toy izany i Jehovah. (Salamo 18:25) Matetika no avy amin’ny mpiara-manompo izany fanampiana izany.
Mazava tsara, araka izany, fa izay rehetra te hanome voninahitra an’Andriamanitra, dia tsy maintsy manome voninahitra ny zokiolona koa. Tena sarobidy eo imason’ilay Mpamorona antsika ny zokiolona. Noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika, koa enga anie hanana ny fomba fiheviny foana isika mahakasika ireo “fotsy volo.”—Salamo 71:18.
[Sary, pejy 23]
Manome voninahitra sy manaja ny zokiolona ny Kristianina