Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankizivavy Bevohoka—Olana Eran-tany

Ankizivavy Bevohoka—Olana Eran-tany

Ankizivavy Bevohoka—Olana Eran-tany

LASA olana lehibe eran-tany ny ankizivavy bevohoka. Tena marina izany, rehefa jerena ny vokany sy ny tahotra aterany eo amin’ilay ankizivavy. Hiova be ny fiainany, ka hisy fiantraikany lalina, tsy eo aminy ihany, fa eo amin’ny fianakaviany koa.

Ao anatin’ilay fotoana antsoin’ny Baiboly hoe “fotoana fivelaran’ny fahatanorana” ny zatovo. (1 Korintianina 7:36) Amin’io matetika no tena mafy ny faniriana hanao firaisana. Tsy ampy anefa ny filazana fotsiny fa noho izy tsy nampiasa fomba tsy mampiteraka no mahatonga ny ankizivavy ho bevohoka. Voaporofo fa misy antony hafa koa mahatonga izany, ka voakasika amin’izany ilay ankizivavy sy ny olon-kafa.

Ireo antony lehibe

Hita tamin’ny fikarohana fa nisaraka ny ray aman-drenin’ny ankizivavy bevohoka maro. Izao matetika no tenin’izy ireny: “Ny hanana ray aman-dreny mifankatia no tena niriko hatramin’izay.” Mety ho antony hitarika ny ankizivavy iray ho bevohoka tsy manambady àry ny fisarahan’ny ray aman-dreniny. Hitan’ny fikambanana manampy ny ankizivavy miteraka tsy manambady, fa matetika izy ireny no “tsy mifandray tsara amin’ny reniny, ary tsy mifandray mihitsy amin’ny rainy.” Tadidin’i Anita, ohatra, fa niasa mafy ny reniny mba hanomezana izay nilainy. Mbola nahatsapa ihany anefa izy fa nisy zavatra tsy ampy taminy. Tsy nanan-dray mantsy izy. Nanan-janaka i Anita tamin’izy 18 taona.

Misy koa ankizivavy niteraka tsy nanambady satria novetavetaina. Mijaly anaty ny sasany aminy noho izany fametavetana izany, ka mety hivarilavo any aoriana. Nisy nametaveta, ohatra, i Jasmine, tamin’izy 15 taona. Hoy izy: “Tsy noraharahaiko intsony taorian’izay, na inona na inona hanjo ahy. Bevohoka àry aho tamin’izaho 19 taona.” Mety hahatsiaro tena ho tsy misy dikany koa ny ankizy novetavetaina. Nitaraina i Jasmine hoe: “Tsy mba nahatsiaro tena ho nisy dikany mihitsy aho.” Toy izany koa no nanjo an’i Julia. Hoy izy: “Nisy ankizilahy nametaveta ahy, nanomboka tamin’izaho 7 taona ka hatramin’ny 11 taona. Nankahala sy nanome tsiny ny tenako aho.” Bevohoka i Julia tamin’izy 17 taona.

Ny tanora sasany kosa matoky tena loatra na entin’ny fitia te hahafantatra fotsiny. Niaiky i Nicole, ilay noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, hoe: “Nieritreritra aho fa nahay ny zava-drehetra, ka haiko ny hanao izay tsy hahabevohoka ahy. Kanjo bevohoka ihany aho.” Mbola zatovo koa i Carol dia niteraka tsy nanambady. Fitia te hahafanta-javatra fotsiny no nahatonga azy hanao firaisana. Hoy izy: “Nieritreritra aho fa nisy zavatra mbola tsy nandramako teo amin’ny fiainana.”

Misy koa zatovo tsy mahalala ny vokatry ny fanaovana firaisana. Milaza i Karen Rowlingson sy Stephen McKay, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, fa ‘tsy tena fantatry ny tanora [sasany] any Grande-Bretagne hoe inona no mety hitranga rehefa mampiaraka, ary ahoana izany bevohoka izany.’ Toa tsy tena fantatry ny tanora sasany fa mety hahabevohoka ny fanaovana firaisana. Hita tamin’ny fanadihadiana iray fa ‘matetika ny ankizivavy bevohoka no mbola gaga ihany hoe bevohoka, nefa izy tsy nampiasa fomba tsy mampiteraka.’

Ny tena antony mahabetsaka ny ankizivavy bevohoka anefa, dia satria niova ny fiheveran’ny olona ny fanaovana firaisana. ‘Tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra’ ny olona ankehitriny. (2 Timoty 3:1-4) Milaza i Ailsa Burns sy Cath Scott, mpikaroka aostralianina, fa ‘tsy dia mampihatra sazy na fameperana amin’ny olona manao firaisana ivelan’ny fanambadiana intsony ny fiaraha-monina sy ny fivavahana.’ Toa tsy mahamenatra toy ny taloha intsony ny miteraka tsy manambady. Heverin’ny zatovo ho lokam-pandresena na zavatra mampisy lanjany ny tenany mihitsy aza ny fananana anaka, any amin’ny faritra sasany!

Mijaly anaty

Tsy araka ny fiheveran’ny tanora azy mihitsy ny zavatra iainan’ny ankizivavy miteraka tsy manambady. Mikorontana be ny fihetseham-pony matetika, raha vao fantany fa bevohoka izy. Maro no miaiky fa taitra na gaga. Hoy ny Akademia Amerikanina Momba ny Fitsaboana Aretin-tsaina eo Amin’ny Ankizy sy ny Zatovo: “Fahita ny ankizivavy tezitra sy mahatsiaro tena ho meloka ary tsy mino.” Mety hitera-doza ho an’ilay ankizivavy anefa ny tsy finoany fa bevohoka izy. Mety tsy handeha hisafo izy, ohatra, na dia mila manao izany aza.

Nieritreritra i Elvenia fa hahafinaritra be ny manao firaisana, ka nanandrana nanao izany izy. Bevohoka anefa izy. “Natahotra be aho”, hoy izy. Ankizivavy bevohoka maro no tsy mahita olona hitantarana ny manjo azy, na menatra ny hitantara izany. Tsy mahagaga àry raha matahotra sy mahatsiaro tena ho meloka ny sasany. Maro koa no ketraka mafy. Hoy i Jasmine: “Tsy nampaninona ahy na maty aho na velona.” *

Na inona na inona anefa fihetseham-pon’ilay ankizivavy amin’ny voalohany, dia tsy maintsy handray fanapahan-kevitra lehibe maromaro ho an’ny tenany sy ny zanany izy, na ho ela na ho haingana. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba azony anaovana izany amim-pahendrena.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Raha tianao ho fantatra ny fomba iadiana amin’ny faniriana hamono tena, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Mamy ny Miaina”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Novambra 2001.

[Efajoro, pejy 7]

Zava-misy Mampalahelo Momba ny Ankizivavy Bevohoka

Ny zava-misy any Etazonia no resahina eto ambany, nefa hita taratra amin’ izy ireo koa ny zava-misy iainan’ny ankizivavy bevohoka maneran-tany.

● Ankizivavy 4 ao anatin’ny 10 no bevohoka alohan’ny faha-20 taonany, ary 900 000 mahery isan-taona izy ireo.

● Latsaka ny 18 taona ny 40 isan-jaton’ny ankizivavy miteraka tsy manambady.

● Ampijalina sy tsy raharahain’ny olona kokoa ny zanaky ny ankizivavy mbola kely, raha oharina amin’ny zanaky ny vehivavy lehibe kokoa.

● Efatra ao anatin’ny 10 monja ny ankizivavy latsaka ny 18 taona niteraka tsy nanambady, nahavita fianarana teny amin’ny lise.

● Efa ho 80 isan-jaton’ny ankizilahy nahabevohoka ankizivavy, no tsy manambady azy akory.

● Telopolo isan-jato monja amin’ireo ankizivavy nanambady rehefa avy niteraka, no tsy nisara-panambadiana avy eo. Mora misaraka kokoa ny ankizivavy manambady mbola kely, raha oharina amin’ny vehivavy 25 taona, fara fahakeliny, vao manambady.

● Atahorana kokoa ho teraka tsy tonga volana sy tsy ho ampy lanja ny zanaky ny ankizivavy mbola kely, ka mety ho jamba, ho marenina, ho faty mbola kely, hanana aretina mitaiza ao amin’ny taovam-pisefoana, ho votsa saina, harary saina, ho voan’ny aretin-kozatra vokatry ny fahavoazan’ny atidoha, hanana olana eo amin’ny famakian-teny, ary hipelipelika be.

[Sary nahazoan-dalana]

Nalaina tao amin’ny bokikely Tsy Olana Iray Monja: Mifandray Amin’ny Olana Hafa Mila Alamina ny Fiarovana ny Ankizivavy mba Tsy ho Bevohoka Tsy Manambady (anglisy), Febroary 2002.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Misy Eran-tany ny Ankizivavy Bevohoka

BREZILA: Voalaza fa “ankizivavy 698 439, latsaka ny 19 taona, no niteraka tany amin’ny Hopitalim-panjakana Brezilianina tamin’ny 1998 .⁠.⁠. Teo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 14 taona ny 31 857 tamin’izy ireo. Tena mbola tsy tokony hiteraka ny ankizy toy izany.”—Folha de S. Paulo, 25 Aogositra 1999.

ETAZONIA: “Na dia nihena aza tato ho ato ny isan’ny ankizivavy bevohoka, dia 4 ao anatin’ny 10 no bevohoka indray mandeha, fara fahakeliny, alohan’ny faha-20 taonany.”—Fa Nankaiza Loatra re ny Fahazazana e? Ny Ankizivavy Bevohoka eto Etazonia (anglisy), 1997.

GRANDE-BRETAGNE: “Any Grande-Bretagne no betsaka ankizivavy miteraka tsy manambady indrindra any Eoropa Andrefana .⁠.⁠. Efa ho 90 000 ny ankizivavy bevohoka tany Angletera, tamin’ny 1997. Niteraka ny antsasany mahery tamin’izy ireo (56 000). Tsy nanambady ny 90 isan-jaton’ireo ankizivavy niteraka tamin’ny 1997 (50 000 eo ho eo).”—Fianakaviana Tsy Misy Afa-tsy Ray na Reny (anglisy), 2002.

MALEZIA: “Nitombo ny isan’ny zaza sary teto Malezia, nanomboka tamin’ny 1998. Mbola latsaka kelin’ny 20 taona ny ankamaroan’ny renin’izy ireo.”—Gazety iray any Malezia, 1 Aprily 2002.

ROSIA: “Araka ny antontan’isan’ny fanjakana, dia vehivavy tsy manambady no niteraka ny efa ho ampahatelony tamin’ny zaza teto Rosia, taminny herintaona. Avo roa heny noho ny tamin’ny folo taona lasa izany. Mbola tsy nisy toy izany mihitsy taorian’ny Ady Lehibe II. Ankizivavy daholo no niteraka ny 40 isan-jato mahery tamin’ireo zaza ireo.”—Ny Gazetin’i Moscou (anglisy), 29 Novambra 2001.

[Sary, pejy 5]

Atahorana kokoa ho bevohoka tsy manambady ny ankizy, rehefa misaraka ny ray aman-dreny

[Sary, pejy 6]

Toa tsy fantatry ny tanora sasany fa mety hahabevohoka ny fanaovana firaisana

[Sary, pejy 6]

Misy fiantraikany lehibe eo amin’ilay ankizivavy sy ny fianakaviany ny fananany anaka