Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Hetra Nanao fikarohana momba ny hetra aho, nandritra ny herinandro vitsivitsy izay. Tonga tao an-tsaiko ny fanontaniana toy ity: Oviana no nanomboka ny hetra? Teo am-pikarohana ny valin’izany indrindra aho no nahazo ny Mifohaza! 8 Desambra 2003 ny vadiko. Ny lohatenin’ilay andian-dahatsoratra tao anatin’izy io dia hoe “Be Loatra ve ny Hetra Aloanao?” Gaga aho satria nohazavainy ny fanontaniana sasany izay nanaovako fikarohana.

S. Y., Tadjikistan

Fampidiran-dra Dokotera aho sady mpitory ny vaovao tsara manontolo andro. Tena nankasitrahako ny namoahanareo ny tantaran’i Yasushi Aizawa, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Nanaiky ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ra Aho.” (8 Desambra 2003) Nitovy be ny zavatra niainanay, satria samy voatery nampandefitra ny fianaranay ho dokotera izahay. Angamba hihaona izahay sy ny Rahalahy Aizawa ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Samy ho dokotera tsy an’asa izahay amin’izany, satria tsy hilaina intsony ny dokotera!

A. S., Ekoatera

Hitan’ny dokotera fa voan’ny kansera ny zanakay faravavy tamin’ny Oktobra 2002. Sarotra ny fitsaboana, satria nodidiana indroa izy, ary nampiasana fitsaboana simika sy fitsaboana tamin’ny alalan’ny taratra. Niezaka foana izahay mba hankatò ny didin’ny Baiboly hifady ny ra. Tsy mora ilay izy, satria ampidirana ra ny ankamaroan’ny ankizy ampiasana fitsaboana simika, teto Litoania. Nampahery anay mba hanohana ny fomba fihevitr’i Jehovah, ilay lahatsoratra hoe “Nanaiky ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ra Aho.” Efa tsaratsara izao ilay zanakay.

M. sy S. D., Litoania

Mpiray tam-po lasa mifandrafy Misaotra betsaka noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora hoe... Inona no Ataoko Raha Ampitahaina Amin’ny Zokiko Foana Aho?” (8 Desambra 2003) Enina ambin’ny folo taona aho, ary hitako fa toa ny zokiko vavy foana no anehoana fiheverana. Fantatro aloha fa mahita ahy i Jehovah, nefa mahatsiaro ho manirery ihany aho. Niresaka momba ny fihetseham-poko io lahatsoratra io. Mahafinaritra erỳ ny teny nampiasaina tao, ka nanganohano ny masoko teo am-pamakiana azy. Misaotra tamin’ireo torohevitra mahasoa. Nampitony ahy izany.

M. O., Japon

Efa nisy fotoana nahatsapako toa an’ireo ankizy voalazan’ny lahatsoratra ireo. Tadidiko fa noheverina ho modely foana ny zokiko vavy. Fantatro tsara àry izany hoe ampitahaina foana amin’ny mpiray tam-po izany. Toy ny “poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra”, ilay torohevitra hoe tsara ny mamantatra izay manavanana ny tena. Tonga tamin’ny fotoana nilako azy indrindra izany.—Ohabolana 25:11.

S. T., Etazonia

Manana zoky vavy iray sy zandry lahy iray aho. Mahay noho izaho izy mianadahy amin’ny zavatra maro. Narahiko àry ny torohevitrareo, ka sady mianatra teny espaniola aho izao, no mitory matetika kokoa. Faly be aho mianatra, ary voamariky ny olona koa aho.

H. B., Etazonia

Inona no Hiafaran’izao Rehetra Izao? Ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Nanokanako ny Fiainako ny Siansa” (8 Oktobra 2003), dia toa tsy fantatr’i Kenneth Tanaka fa hitatra tsy hisy farany izao rehetra izao, araka ny finoan’ny mpahay siansa.

R. G., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tsy mitovy hevitra ireo manam-pahaizana momba izao rehetra izao. Misy, ohatra, mbola milaza fa hihamiadana, hitsahatra ary hiverina hatramin’ny voalohany indray ny fitaran’izao rehetra izao, mandra-pirodany. Nisarika ny saina ho amin’ireo petra-kevitra roa ireo fotsiny i Kenneth Tanaka, fa tsy niandany tamin’izy ireo. Ny zava-nokendreny dia ny hanasongadina fa te hampisy heviny ny fiainany izy, satria tsy afaka manome ny vahaolana rehetra ny siansa.