Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana sy Fiarovana ny Tanora

Fanampiana sy Fiarovana ny Tanora

Fanampiana sy Fiarovana ny Tanora

TENA mampalahelo rehefa bevohoka ny ankizivavy iray, nefa mbola kely sady tsy manambady. Maro anefa no toy izany maneran-tany. Misy fiantraikany eo amin’ny olon-kafa koa io toe-javatra mampalahelo io. Porofo iray monja izy io, fa mahasoa ny manaraka ilay didin’Andriamanitra hoe: “Mandosira ny fijangajangana.”—1 Korintianina 6:18.

Mifidy ny tsy hiraharaha ny lalan’Andriamanitra anefa indraindray ny ankizivavy nampianarina an’izany. Manao firaisana alohan’ny fanambadiana izy, ka bevohoka. Ahoana no tokony ho fihetsiky ny Kristianina amin’izay? Raha hita fa tena mibebaka ny tanora nania toy izany, dia tokony hanampy sy hanohana azy amim-pitiavana ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa eo anivon’ny fiangonana kristianina.

Diniho indray ny amin’i Nicole. Nitaiza azy mba ho lasa Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniny. Tena nampalahelo àry rehefa bevohoka tsy nanambady izy. Izao anefa no nolazainy: “Tonga matetika tany an-tranonay ny Kristianina namanay, ka niezaka nampirisika ahy hianatra Baiboly sy hitoetra ho akaikin’i Jehovah.”

Tsy mankasitraka ny firaisana ivelan’ny fanambadiana ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantany anefa fa afaka ‘miova’ ny olona nanao ratsy, raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. (Romanina 12:2) Tena mino izy ireo fa mamela ny heloky ny olona mibebaka Andriamanitra. (Efesianina 1:7) Fantany koa fa na dia tsy mpivady ara-dalàna aza no niteraka ny zaza iray, dia tsy diso ilay zaza. Tsy manao izay hahasadaikatra azy àry izy ireo, fa maneho fitiavana lalina sy fangoraham-po ary hatsaram-panahy aminy. Ataony toy ny ankizy hafa rehetra eo anivony ihany ilay zaza.—Kolosianina 3:12.

Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vehivavy iray niteraka tsy nanambady. Tsy ela izy dia nanaiky ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly, ary nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany. Hoy izy momba ny Vavolombelona: “Tena nanampy anay izy rehetra. Nanome sakafo sy akanjo ary vola izy ireo, rehefa nila izany izahay. Nitaiza ny zanako izy ireo, rehefa nandeha nitory aho. Nanao izay vitany izy ireo, mba hanampiana ahy ho tena tia an’i Jehovah.”

Fiarovana

Tsara lavitra anefa raha hampiana ny tanora, mba tsy ho bevohoka tsy manambady. Miezaka maneho hatsaram-panahy sy fitiavana amin’ny zanany àry ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ampitahoriny fotsiny izy ireo hoe mety ho voan’ny SIDA na ho bevohoka, raha manao firaisana ivelan’ny fanambadiana. Ampianariny ho tena tia an’i Jehovah Andriamanitra sy ny lalàny kosa izy ireo. (Salamo 119:97) Miaiky ny Vavolombelona fa tokony homena fanazavana marina momba ny firaisana ny ankizy. Hitan’izy ireo mihitsy aza fa tokony hampianarina ny fitsipika momba ny fitondran-tena ao amin’ny Baiboly izy, dieny mbola kely. (2 Timoty 3:15) Ampianarina izany ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo. Ampirisihina koa anefa ny ray aman-dreny Vavolombelona, mba hiara-mianatra Baiboly tsy tapaka amin’ny zanany. Misy boky navoaka mba hanampiana ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany fitsipika momba ny fitondran-tena. Anisan’izany ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. *

Hentitra ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena, ka tsy arahin’ny ankamaroan’ny olona. Afaka niaro ankizivavy an-tapitrisany tsy ho bevohoka tsy manambady anefa ireo fitsipika ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 12]

Tsara fanahy sy manampy ny ankizivavy miteraka tsy manambady ny tena Kristianina