Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazavana Mamirapiratra any Anaty Ranomasina

Hazavana Mamirapiratra any Anaty Ranomasina

Hazavana Mamirapiratra any Anaty Ranomasina

Nilomano nanaraka haran-dranomasina ny mpanao antsitrika iray, ary nahita karazana horita nirefy 60 santimetatra nivezivezy teo akaikin’ny lavaka iray. Zara raha hita anefa ilay izy teo amin’ilay faritra manga mivolondavenona nanodidina azy. Niova loko izy rehefa nanatona ilay mpanao antsitrika, ka lasa mena antitra namirapiratra. Niverina tamin’ny lokony teo aloha indray anefa ilay horita rehefa nihataka ilay mpanao antsitrika. Efa mba nanontany tena ve ianao hoe ahoana no ahaizan’ireny karazana horita ireny manova ny lokony toy izany?

Noho ireo sela mitondra loko ao amin’ny hodiny no ahaizany izany. Mihakely na mihalehibe ireo selan-koditra ireo arakaraka ny fihenjanan’ny hozatra, ka izany no ahafahan’ny horita manova ny lokony.

Afaka mamoaka hazavana koa, toy ny ataon’ny angamenavava, ny karazana horita maro. Fiovana simika maromaro ao amin’ny sela na ao amin’ny taova no mahatonga io biby io hamoaka hazavana, toy ny zavaboary an-dranomasina maro, anisan’izany ny patsabe. Misy karazana bakteria tsy velona raha tsy mipetaka amin-javaboary hafa, ary afaka mamoaka hazavana koa izy io.

Izao no mahakasika ireo fiovana simika: Misy zavatra simika antsoina hoe luciférine ao amin’ireo sela sy taova mpamoaka hazavana. Mitambatra amin’ny oksizenina izy io rehefa misy anzyma iray miaraka aminy, ka izay no mamorona hazavana miloko manga somary maitso matetika. Milaza ny gazety Amerikanina Siantifika fa ny taova mamiratra sasany “dia fitaovana be kojakojany misy lopy bitika, manasivana loko, na azo andrehetana na amonoana hazavana. Mahay manovaova loko sy hazavana ireo karazana horita manana selan-koditra miloko sy taova mamokatra hazavana.”

Mamoaka hazavana ny biby sasany satria misy bakteria mamirapiratra ao anatiny. Apetrany ao amin’ny taova manokana misy ra be dia be, ireo bakteria bitika ireo. Noho io ra io no mahatonga ireo bakteria bitika hamokatra ilay hazavana, ka toy ny “mandoa vidin-jiro” ilay biby.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

Sary kely: Courtesy Jeffrey Jeffords/www.divegallery.com

© David Nicholson/Lepus/Photo Researchers, Inc.