Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hitanao Ihany Aho, Jehovah!”

“Hitanao Ihany Aho, Jehovah!”

“Hitanao Ihany Aho, Jehovah!”

Notantarain’i Nelly Lenz

“Vavolombelon’i Jehovah ve ianareo?”, hoy aho nanontany ireo lehilahy roa tonga tao aminay. “Ie”, hoy izy ireo. “Izaho koa!”, hoy aho. Vao 13 taona aho tamin’izay, ary mbola tsy nivory tao amin’io tanàna io. Tsy Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniko, kanefa ahoana no nilazako fa izy aho?

SAIKA tsy nisy aho, raha tsy noho ny Vavolombelon’i Jehovah. Nipetraka tao Montréal, eto Kanada, i Neny tamin’izy bevohoka ahy. Vao 17 taona izy tamin’izay. Noteren’ny fianakaviany hanala zaza izy, ka nanaiky.

Nangataka andro iray tsy hiasana i Neny, mba hanalana zaza. Fantapantatr’ilay lehibeny ny antony, ka nohazavainy vetivety taminy fa fanomezana sarobidy ny aina. Vavolombelon’i Jehovah mantsy izy. (Salamo 139:13-16) Nisaintsaina izany i Neny, teny an-dalana ho any amin’ny hopitaly, ka tapa-kevitra ny tsy hanala zaza indray. Nalefany tany amin’ny trano fitaizana zaza kamboty aho rehefa teraka, tamin’ny 1964.

Ny nandrenesako voalohany ny fahamarinana

Rehefa nanambady i Neny, dia nalain’izy ireo tany amin’ilay fitaizana zaza kamboty aho. Roa taona teo ho eo aho tamin’izay. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy nanatrika ny fivorian’ny fiangonana izy ireo, rehefa nipetraka tany Sainte-Marguerite-du-Lac-Masson. Tsy nianatra intsony anefa izy ireo rehefa nifindra tany Boisbriand izahay, taoriana kelin’izay.

Niverina nianatra indray izy ireo, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Mba nihaino teo koa aho, ka reko ny amin’ny fampanantenan’ny Baiboly paradisa an-tany. (Lioka 23:43) Nanjary tena tia an’i Jehovah aho.

Nilaza anefa i Neny, indray andro, fa najanon’izy ireo ilay fianarana, ary tsy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana intsony koa izy ireo. Nahafaly ahy izany tamin’ny voalohany. Vao valo taona aho tamin’izay, ary tsapako hoe lava loatra ny fivoriana indraindray. Te hiresaka tamin’i Jehovah tamin’ny vavaka aho tamin’izay hariva izay. Nanahy anefa aho hoe tsy hihaino ahy izy.

Vavolombelon’i Jehovah ny mpifanila trano taminay. Hitako nandeha nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo, ny alahady tolakandro nanaraka. Koa nitomany aho sady nanontany an’Andriamanitra hoe: “Nahoana ny zanak’izy ireo no afaka nivory, nefa izaho tsy mba afaka?” Marina anefa ilay voalazan’ny Salamo 33:18, manao hoe: “Indro, ny mason’i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindrampony.”

Nankany amin’ny Efitrano Fanjakana indray

Nankany amin’i Lilianne, ilay ramatoa mpifanila trano taminay aho, roatokombolana tatỳ aoriana. Nolazaiko taminy fa te hanatrika fivoriana aho. Nilaza tamiko izy fa tsy afaka nitondra ahy, satria tsy te hifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy i Neny. Nitalaho ihany anefa aho. Nentiny tany an-trano àry aho, ary niera tamin’i Neny izy raha afaka niaraka tamin’izy ireo aho. Gaga aho fa nanaiky i Neny. Nolazainy fa hanatsara ny toetrako ny fivoriana. Nivory isaky ny alahady àry aho.

Afaka nivory aho, nandritra ny telo taona teo ho eo. Nisaraka anefa ny ray aman-dreniko tamin’izaho 11 taona, ka nifindra izahay sy Neny. Tapaka tanteraka indray ny fifandraisako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fihaonana tsy nampoizina

Indray andro, raha nipetrapetraka teo amin’ny tohatry ny tranonay aho, dia nanatona i Eddie Besson sy Don Fisher, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nanontany izy ireo raha tao an-trano ny ray aman-dreniko. Saika handeha izy mirahalahy rehefa nolazaiko fa tsy tao izy ireo. Nenjehiko anefa izy ireo, ary tamin’io izahay no nanao ilay resadresaka voalaza teo am-piandohana.

Tsy nahagaga raha talanjona izy mirahalahy rehefa nolazaiko fa Vavolombelon’i Jehovah aho. Nohazavaiko taminy ny toe-javatra nisy ahy, ary niangavy azy ireo aho mba hiverina ny hariva. Tezitra be i Neny rehefa nolazaiko taminy fa hiverina ireo Vavolombelona. Nolazainy fa tsy hampandroso azy ireo izy. Nihevitra ny handeha talohan’ny nahatongavan’izy ireo mihitsy aza izy. Nitomany aho sady niangavy azy hijanona. Efa handeha mihitsy anefa izy no naneno ny lakolosim-baravarana, ary i Eddie Besson no tao. Eritrereto ny hafaliako, rehefa nanaiky hianatra Baiboly indray i Neny!

Afaka nivory indray aho! Najanon’i Neny anefa ilay fianarana, tsy ampy herintaona tatỳ aoriana. Tsy navelany nifandray tamin’ny Vavolombelona mihitsy aho tamin’izay, ary nariany daholo ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah hitany. Nafeniko anefa ireto boky ireto: Baiboly, fihirana, Ny Tilikambo Fiambenana vita boky roa, Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah roa, ary ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. * Nanontany an’i Eddie Besson izay tokony hataoko aho, tamin’izahay nianatra farany. Tena tiako mantsy i Jehovah. Nampirisika ahy hianatra irery sy hivavaka matetika izy, ary nanome toky fa hikarakara ahy i Jehovah. Vao 14 taona aho tamin’izay.

“Nivory” irery

Nanomboka tamin’izay dia nankao amin’ny efitranoko toy ny hoe handeha hivory aho, isaky ny alahady. Nataoko ilay hira hoe “Banjino ny Lokanao!”, rehefa nanomboka sy namarana ilay fivoriana aho, satria io ihany no mba tadidiko tamin’ny hiran’ilay Fanjakana. Latsaka foana ny ranomasoko hatramin’izao, isaky ny mihira azy io. Nianatra lahatsoratra tao amin’ireo Tilikambo vita boky nananako koa aho, ary nofaranako tamin’ny vavaka ilay “fivoriana.” Tsapako àry fa akaiky ahy i Jehovah, na dia tsy nifanerasera tamin’ny Vavolombelona intsony aza aho.

Nifindra tao Montréal izahay sy Neny, tamin’izaho 17 taona. Tsy mba nanjakan’ny fitiavana ny fianakavianay tamin’izany, ka betsaka ny olana.

Hitany ihany aho!

Indray andro, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah nanome an’i Neny ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Hitako teo ambony latabatra izy io rehefa tonga tao an-trano aho, ka novakiko. Rehefa hitako fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ilay izy, dia nitomany aho sady nivavaka moramora hoe: “Hitanao ihany aho, Jehovah!”

Tokony hifandray tamin’ireo anadahiko sy rahavaviko kristianina aho. Tamin’ny fomba ahoana anefa? Nilaza i Neny fa Vavolombelon’i Jehovah angamba ilay mpifanila trano taminay. Nankany aminy àry aho talohan’ny nandehanako niasa, ary nampanenoiko ny lakolosim-baravarany. Lehilahy mbola rendremana no namoha varavarana. Gaga be izy rehefa nolazaiko fa Vavolombelon’i Jehovah aho, ary naniry ny hatao batisa! Nisy rahavavy kristianina atao hoe Josée Miron, nasainy nampianatra Baiboly ahy. Tsy navelan’i Neny indray anefa aho. Nilaza izy fa tsy maintsy niandry ho feno 18 taona aho, vao afaka ny ho tonga Vavolombelona.

Jehovah sa fianakaviana?

Tsikaritry ny mpampiasa ahy fa niharatsy ny toe-javatra niainako tany an-trano. Matetika aho no nasain’izy mivady niaraka taminy, rehefa faran’ny herinandro. Tia soavaly aho, ka matetika izahay no niara-nitaingin-tsoavaly. Toy ny ray aman-dreniko no niheverako azy ireo.

Nilaza tamiko ilay mpampiasa ahy, indray andro, fa tena tian’izy mivady aho, ka tiany hiara-mipetraka taminy. Ho tanteraka izany ilay faniriako hatramin’izay, dia ny hanana fianakaviana anjakan’ny fitiavana. Nisy fepetra anefa ilay izy: Tsy nahazo nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony aho. Nomeny herinandro nieritreretana aho. Tsy nila iray andro akory anefa aho, fa nomeko azy ireo avy hatrany ny valin-teniko. Mbola tsy nandao ahy mihitsy i Jehovah, ary tsy afaka ny handao azy aho.

Manompo an’Andriamanitra

Niara-nipetraka tamin’ny raikeliko aho, noho ny zava-nanahirana tao an-trano. Nampirisika ahy hanohy hianatra Baiboly izy, ka natao batisa aho tamin’ny 17 Desambra 1983, tamin’izaho 19 taona. Faly erỳ aho nahita an’i Eddie Besson tamin’io andro io. Tsy nisalasala intsony izy hoe Vavolombelon’i Jehovah tokoa aho!

Niova anefa ny fihetsiky ny raikeliko, rehefa vita batisa aho. Niteny mafy be izy, isaky ny hitany nivavaka aho, ary notorahany mihitsy aza aho! Notereny hanohy fianarana koa aho, mba tsy ho tanteraka ny tanjoko hanao mpisava lalana, izany hoe hanompo manontolo andro. Noroahiny àry aho, tamin’ny farany. Nomeny seky 100 dolara aho, ary nolazainy fa rehefa haka io vola io aho, dia ho fantatro fa tsy nikarakara ahy intsony i Jehovah.

Lasa mpisava lalana aho, tamin’ny 1 Septambra 1986, ary mbola atỳ amiko ilay seky hatramin’izao! Tsy nanana fiara aho, ka sahirana indraindray rehefa nitory tany ambanivohitra. Tena nanohana sy nanampy ahy anefa ny fiangonana teo an-toerana.

Nihaona tamin’i Ruben Lenz, anadahy tsara fanahy aho, tatỳ aoriana, ary nivady izahay tamin’ny 1989. Anti-panahy eo anivon’ny fiangonana iray eto Milton, Ontario, i Ruben izao. Eto Milton mantsy izahay no mipetraka nanomboka tamin’ny 2002. Iray amin’ny fitahiana lehibe nomen’i Jehovah ahy ny vadiko. Nanompo manontolo andro aho, ary tsy nijanona mihitsy, raha tsy rehefa teraka i Erika, zanakay voalohany, tamin’ny 1993. Teraka koa i Mika zanakay lahy, telo taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nanirery aho nandritra ny taona maro. Notahin’i Jehovah Andriamanitra anefa aho tatỳ aoriana, ka nomeny fianakaviana tia azy, tahaka ahy koa.

Nisy fotoana nahatafasaraka ahy tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, nandritra ny fahazazako. Nanantena azy foana anefa aho, ary mbola tsy maty ato am-poko ilay fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa. (Jaona 3:36) Tena velom-pankasitrahana aho, satria ‘nahita’ ahy i Jehovah!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 21]

Mitaingina ny soavalin’ny mpampiasa ahy

[Sary, pejy 21]

Nelly Lenz sy Ruben vadiny, ary Erika sy Mika zanany