Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Areti-maso Mahatonga Fahajambana

Ilay Areti-maso Mahatonga Fahajambana

Ilay Areti-maso Mahatonga Fahajambana

AFANTOHY vetivety amin’ny teny farany amin’ity fehezanteny ity ny masonao. Raha mbola mifantoka eo ihany ny masonao, hitanao koa ve ny ambony sy ambany ary ny sisiny havia sy havanana amin’ity gazety ity? Azo inoana fa hitanao izy ireo, noho ilay antsoina hoe fahitan’ny maso ny manodidina izay jereny. Mety ho hitanao àry izay olona mampiahiahy manatona anao. Afaka miala an’ireo zavatra manakana ny lalanao koa ianao, ary tsy hidona amin’ny rindrina. Raha mitondra fiara ianao, dia manampy anao hahita ireo olona tsy mandeha amin’ny sisin’ny arabe izy io.

Na izany aza, dia mety hihena tsikelikely ny fahitanao ny manodidina izay jerenao, nefa tsy ho tsapanao akory. Misy 66 tapitrisa eo ho eo eran-tany, ny olona voan’ilay karazana areti-maso antsoina hoe glaucome. Lasa jamba tanteraka ny dimy tapitrisa mahery amin’izy ireo. Io areti-maso io àry no fahatelo amin’ireo antony lehibe indrindra mahatonga fahajambana maharitra. Milaza ny gazety amerikanina iray momba ny fitsaboana, fa “any amin’ny tany mandroso dia misy fandaharam-pampianarana momba ny glaucome, natao ho an’ny besinimaro. Mbola ny antsasaky ny olona voan’izy io anefa no tsy manatona dokotera.”

Iza no mety ho voan’ny areti-maso glaucome? Ahoana no ahafantarana azy io sy ny fomba itsaboana azy?

Inona no atao hoe areti-maso glaucome?

Tokony hahafantatra zavatra sasany momba ny maso aloha isika. Manazava momba azy io ny bokikely navoakan’ny fikambanana aostralianina iray. Hoy izy io: “Mihenjana ny maso satria mibontsina toy ireny pne na balaonina ireny ilay hoditra manify eo amin’ny maso.” Ao anaty maso no misy ny corps ciliaire izay maka ny tsiranoka avy ao amin’ny lalan-dra, ka entiny mankao amin’ny maso. “Mikoriana ao anaty maso io tsiranoka io, ka mamelona azy. Manaraka hozatra madinika mifampidipiditra antsoina hoe trabéculum izy avy eo, ary miverina any amin’ny lalan-dra.”

Hihamahery ny tsindry ao anaty maso, raha tsentsina na tery io lalana falehany io. Vokatr’izany, dia ho simba tsikelikely ireo tsira-pitatitra marefo ao andamosin’ny voamaso. Izany no antsoina hoe areti-maso glaucome mihombo tsikelikely, ary io karazany io no mahavoa ny 90 isan-jaton’ny olona voan’io aretina io.

Misy zavatra vitsivitsy mety hampiovaova ny tsindry ao anaty masonao. Anisan’izany ny fitepon’ny fo, ny habetsahan’ny zavatra nosotroina, ary ny fipetraky ny vatana. Tsy manimba ny masonao izany fiovaovana izany. Tsy voatery hoe voan’ny glaucome ny olona iray, raha mahery ny tsindry ao anaty masony. Samy manana ny tsindry “antonony” aminy mantsy ny tsirairay, kanefa mety ho famantarana ilay aretina ihany izany.

Mety hiseho amin’ny endriny mahery vaika koa ny glaucome, na dia mahalana aza izany. Mihamahery tampoka ny tsindry ao anaty mason’ilay marary. Manaintaina mafy ny masony, tsy mahita tsara intsony izy ary mandoa. Matetika no mitarika fahajambana izany, raha tsy voatsabo ao anatin’ny ora vitsivitsy aorian’ny isehoan’ny soritr’aretina. Eo koa ny karazany hafa vokatry ny fivontosana, ny katarakta, na ny ratra nanjo ny maso. Misy koa voan’ny glaucome hatrany am-bohoka, nefa vitsy ihany izy ireo. Fantatra hoe voan’izy io ny zazakely raha vao teraka na fotoana fohy aorian’izay, satria lehibe ny voamasony ary tena tsy mahatanty hazavana izy.

Mahatonga fahajambana

Mety ho mbola tsy jamba tanteraka ny maso ilan’ny olona iray, ka tsy tsapany akory hoe voan’ny glaucome izy. Ahoana no mahatonga izany? Misy faritra kely tsy mahita na inona na inona ao andamosin’ny maso tsirairay. Mihaona eo amin’izy io ireo tsira-pitatitra. Tsy tsapantsika anefa ny fisian’io faritra kely tsy mahita io, satria hain’ny atidoha ny mameno ny banga amin’izay zavatra jerentsika. Io fahaizan’ny atidoha io mihitsy anefa no mahatonga ilay areti-maso glaucome hanimba tsikelikely.

Nilaza tamin’ny Mifohaza! ny Dr. Ivan Goldberg, Aostralianina manam-pahaizana malaza momba ny areti-maso, fa “toy ny mpangalatra raindahiny ny glaucome, satria tsy misy soritr’aretina. Misoko miadana nefa mitohy ilay karazana glaucome fahita indrindra, ary manimba ny rafi-kozatra mampifandray ny maso sy ny atidoha. Tsy midika akory hoe voan’izy io ianao, raha mitsiranoka ny masonao na maina, na koa mahita tsara ianao na tsia rehefa mamaky teny sy manoratra. Mety tsy harary mihitsy ny masonao, nefa efa voan’ny glaucome efa mihombo be ianao.”

Fomba amantarana azy

Mampalahelo anefa fa tsy ampy amantarana io areti-maso io, raha fomba iray ihany no ampiasaina. Misy fitaovana fandrefesana ny tsindry ao anaty maso. Tsindriana moramora amin’izy io ny tapotsimaso. Refesina ny hery ampiasaina anaovana izany, mba hahafantarana ny tsindry ao anaty maso. Misy fitaovana hafa koa azon’ny manam-pahaizana ampiasaina, mba hahitana raha misy simba ny rafi-kozatra mampifandray ny maso sy ny atidoha. Hoy ny Dr. Goldberg: ‘Ho hitanay avy amin’izany raha hafahafa ny bikan’ny tsira-pitatitra na ny lalan-dra ao andamosin’ny voamaso.’

Azo fantarina amin’ny alalan’ny fitsapana ny fahitan’ny maso ny manodidina izay jereny koa ny glaucome. Manazava toy izao ny Dr. Goldberg: “Asaina mijery hazavana fotsy ao anaty vilia baolina ilay olona. Asiana hazavana kely fa mahery kokoa ao anatin’io vilia io avy eo. Misy bokotra asaina tsindrian’ilay olona, isaky ny mahita io hazavana kely io izy.” Raha tsy hitany ilay hazavana rehefa eo amin’ny sisin’ilay vilia, dia mety hidika izany fa voan’ny glaucome izy. Misy fitaovana vaovao namboarina mba hanamorana an’io fitsapana io.

Iza no mety ho voa?

Lehilahy 40 taona eo ho eo i Paul, ary salama tsara. Hoy izy: “Nankany amin’ny dokotera maso aho, mba hanolo solomaso. Nanontany ahy izy raha efa nisy voan’ny glaucome ny havanay. Nanadihady ny amin’izany aho, ary fantatro fa efa nisy dadatoako sy nenitoako voan’izy io. Nasainy nanatona manam-pahaizana momba ny maso àry aho, ary hita fa voan’ny glaucome tokoa.” Hoy ny Dr. Goldberg: “Raha voan’ny glaucome ny rainao na ny reninao, dia mety hitombo avo telo na dimy heny ny mety hahavoa anao. Mety ho avo dimy na fito heny kosa izany, raha ny mpiray tam-po aminao no voa.”

Nilaza toy izao ny Dr. Kevin Greenidge, avy amin’ny fikambanana amerikanina iray: “Tokony hozahan’ny dokotera isan-taona ny masonao, raha toa ianao 45 taona mahery, manana razambe afrikanina, manana havana voan’ny glaucome, tsy mahita lavitra, voan’ny diabeta, mampiasa cortisone tsy tapaka, na efa naratra ny masonao.” Na tsy misy mahakasika anao aza ireo zavatra ireo, dia mampirisika anao ilay fikambanana, mba hanao fitsirihana ny areti-maso glaucome, indray mandeha isaky ny efa-taona. Tokony hanao izany isaky ny roa taona ianao, raha 45 taona mahery.

Tsaboy mba tsy hihombo

Ankoatra ny fitsaboana hafa, dia nasian’i Paul ranom-panafody, indray mandeha isan’andro, ny masony. Hoy izy: “Tsy mampitombo ny tsiranoka ao anaty maso ilay fanafody.” Tsy niasa intsony ireo lavaka voajanahary tokony hivezivezen’ny tsiranoka. Noho izany, dia “nasiana” lavaka bitika folo, tamin’ny alalan’ny lazera, teo akaiky teo. Hoy koa izy: “Natahotra be aho rehefa notsaboina tamin’io fomba io ny masoko ilany, ka vao mainka tsy azoko ny aiko. Efa fantatro anefa izay hitranga rehefa natao toy izany koa ilay ilany, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Tony kokoa àry aho, ka tsy hitahitako akory dia efa vitan’ilay dokotera ilay izy.” Nihatsara ny tsindry tao anaty masony, taorian’io fitsaboana io.

Velom-bolo erỳ i Paul. Hoy izy: “Soa ihany fa faritra kely tamin’ny temimasoko fotsiny no simba, ka mbola hitako tsara ny manodidina izay jereko. Mino aho fa tsy hihombo ny aretiko, raha mahavatra manisy fanafody isan’andro aho.”

Voan’ny glaucome ve ianao? Fahendrena ny manatona dokotera sy manao fitsirihana, raha mbola tsy nanao izany mihitsy ianao. Vao mainka aza tokony hanao izany ianao raha anisan’ireo olona mety ho voan’izy io. Hoy ihany ny Dr. Goldberg: “Tsy dia hanimba loatra ny glaucome, raha voatsabo tsara sy ara-potoana.” Tena azo sorohina tokoa io aretina mahatonga fahajambana io!

[Efajoro/Sary, pejy 26]

Tena mety ho voan’ny glaucome ianao raha

● Afrikanina ny razambenao

● Misy voan’io aretina io ny havanao

● Voan’ny diabeta

● Tsy mahita lavitra

● Misy cortisone ny fanafody ampiasainao tsy tapaka sy maharitra. Misy cortisone ny menaka fanosotra sy fanafody asma sasany

● Efa naratra ny masonao

● Efa 45 taona mahery

[Sary]

Mety ho voasoroka ny fahajambana raha zahana tsy tapaka ny maso

[Kisary/Sary, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

GLAUCOME MIHOMBO TSIKELIKELY

Tapotsimaso

Fanidy

Anakandriamaso

Temimaso

“Papille optique”: eo no mihaona ireo tsira-pitatitra izay lasa hozatra fitatijery

Hozatra fitatijery: mitondra ny zavatra hitan’ny maso mankany amin’ny atidoha

“Corps ciliaire” no maka ny tsiranoka

1 Tsiranoka: rano matsora mamelona ny anakandriamaso sy ny fanidy ary ny atin’ny tapotsimaso. Tsy mitovy amin’ny ranomaso izay mamonto ny ivelan’ny maso izy io

2 Hozatra madinika mifampidipiditra na “trabéculum” no manadio ny tsiranoka

3 Mihamahery ny tsindry ao anaty maso, raha tsentsina ny “trabéculum”

4 Simba ireo tsira-pitatitra marefo ao andamosin’ny maso, raha mihamahery ny tsindry ao anatiny, ka mahatonga “glaucome”, na mampihena ny fahitana

[Sary, pejy 25]

“Papille optique”

Izay ho hitanao

MAHITA TSARA

GLAUCOME VAO MANOMBOKA

GLAUCOME EFA MIHOMBO BE

[Sary nahazoan-dalana]

Sarin’ny papilles optiques: Courtesy Atlas of Ophthalmology