Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Azonao Atao mba Hitaizana Tsara ny Zanakao?

Inona no Azonao Atao mba Hitaizana Tsara ny Zanakao?

Inona no Azonao Atao mba Hitaizana Tsara ny Zanakao?

TSY maintsy mandray fanapahan-kevitra toy ny olon-dehibe ny ankizivavy bevohoka. Hoy ny iray amin’izy ireny: “Toy ny olona 40 taona no fiheverako ny tenako. Tsy mba afaka nankafy ny fahazazako hatramin’ny farany aho.” Mety hatahotra sy hanahy be mihitsy aza ny ankizivavy, rehefa fantany fa bevohoka izy.

Izany koa angamba no tsapanao, raha bevohoka tsy manambady ianao. Tsy hahavita na inona na inona anefa ianao raha mijanona amin’izao fotsiny, fa tsy miezaka mandresy ny tahotra sy ny fanahiana. Hoy ny Baiboly: “Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.” (Mpitoriteny 7:8; 11:4) Tsy hahavita ny asa tokony hataony ny mpamboly, raha tsy manao na inona na inona noho ny fanahiana. Aza manao toy izany. Tsy maintsy hiatrika ny fiainana sy hiantsoroka ny andraikitrao ianao, na ho ela na ho haingana.—Galatianina 6:5.

Inona avy àry no safidy eo anoloanao? Mety hisy hilaza aminao mba hanala ilay zaza. Tsy safidy tsara anefa izany ho an’izay maniry hampifaly an’Andriamanitra. Hazavain’ny Baiboly mantsy fa mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany. (Eksodosy 20:13; 21:22, 23; Salamo 139:14-16) Sarobidy amin’Andriamanitra ny ain’ny zaza ao am-bohoka, anisan’izany ny zaza vao miforona, na dia tsy mpivady aza ny ray aman-dreniny.

Hevitra tsara ve ny manambady ny rain-janakao, ka hiara-mitaiza ianareo? Mety hieritreritra ianao hoe tsy ho afa-baraka loatra raha manambady azy, na dia tsy hitondra soa firy aza izany. Tsy voatery ho hevitra tsara foana anefa ny manambady an’ilay rain-janakao, na dia mahatsapa aza izy fa manana andraikitra handray anjara amin’ny fitaizana ny zanany. * Tsy voatery ho vady sady raim-pianakaviana matotra sy hendry ny ankizilahy efa mahavita miteraka. Tsy voatery hahavita hamelom-bady aman-janaka koa izy. Ambonin’izany, raha tsy mitovy finoana aminao izy nefa manambady azy ianao, dia mandika ilay fananaran’ny Baiboly hoe tokony hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” ianao. (1 Korintianina 7:39) Hita tamin’ny fandinihana natao fa vao mainka mijaly fotsiny ny olona maika ny hanambady, nefa mbola kely loatra. Mety tsy haharitra koa ny fanambadiana toy izany.

Ary hevitra tsara ve ny manome ilay zaza mba hatsangan’olon-kafa? Marina fa tsara noho ny fanalana zaza izany. Tadidio anefa, fa mety ho vitanao ihany ny hitaiza ny zanakao, na dia tsy maintsy hahita zava-tsarotra aza ianao.

Ahoana no hitaizanao ny zanakao?

Ekena aloha fa sarotra ny mitaiza irery. Handresy zava-tsarotra maro anefa ianao, raha miezaka manaraka ny toro lalan’ny Baiboly araka izay vitanao, ary mangataka hery sy tari-dalana amin’Andriamanitra. Ireto àry misy dingana azonao atao.

Miezaha mifandray amin’Andriamanitra indray. Fantaro fa manota amin’Andriamanitra ny olona manao firaisana alohan’ny fanambadiana, sady mandika ny fitsipiny ambony momba ny fitondran-tena. (Galatianina 5:19-21; 1 Tesalonianina 4:3, 4) Ny dingana lehibe indrindra tsy maintsy hataonao àry, dia ny mibebaka sy mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra. (Salamo 32:5; 1 Jaona 2:1, 2) Marina fa mety hahatsapa ianao hoe tsy mendrika hahazo ny fanampiany. Mampanantena anefa i Jehovah fa hamela ny helotsika sy hanampy antsika, raha mibebaka isika. (Isaia 55:6, 7) Hoy izy ao amin’ny Isaia 1:18: “Na dia tahaka ny jaky [na lehibe] aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala [na ho voavela tanteraka].” Mampirisika an’izay nanao ratsy koa ny Baiboly, mba hanaiky an-tsitrapo ny fanampian’ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana.—Jakoba 5:14, 15.

Aza manao firaisana intsony alohan’ny fanambadiana. Mety hidika izany fa tsy maintsy misaraka amin’ilay rain-janakao ianao. Raha mbola miaraka aminy mantsy ianao, dia mety ho tratran’ny fakam-panahy hanana fitondran-tena tsy tian’Andriamanitra indray. Aza hadinoina mihitsy fa natao hiaro antsika ny lalàn’Andriamanitra, na dia hentitra aza. Hoy i Nicole, ilay noresahina tany aloha: “Hitako fa marina ny tenin’i Jehovah. Izay hahasoa antsika no tadiaviny.”—Isaia 48:17, 18.

Lazao amin’ny ray aman-dreninao fa bevohoka ianao. Ara-dalàna raha matahotra ianao hoe ho tezitra aminao ny ray aman-dreninao. Tsy maintsy ho tezitra sy ho diso fanantenana ary hitebiteby tokoa izy ireo, rehefa mandre fa bevohoka ianao. Mety hanome tsiny ny tenany mihitsy aza izy, ary mety hihevitra fa tsy nanao ny adidiny taminao. Azo antoka fa hisinda ihany ny fahatezerany sy ny alahelony, raha tena matahotra an’Andriamanitra izy. Ray aman-dreninao izy ireo, ka tiany ianao na dia eo aza ny fahadisoanao. Rehefa hitany fa tena mibebaka ianao, dia azo antoka fa hanahaka ny rain’ilay zanaka adala ao amin’ny fanoharan’i Jesosy izy ireo, ka hamela ny helokao amim-pitiavana.—Lioka 15:11-32.

Mahaiza misaotra. Matetika no tena manampy sy manohana, ny ray aman-dreny sy ny havana ary ny namana. Mety hikarakara ny fahasalamanao, ohatra, ny ray aman-dreninao. Rehefa teraka ny zanakao, dia mety hampianatra anao an’ireo zavatra tena tokony ho fantatra momba ny fikarakarana zaza izy ireo. Mety hanolo-tena hiambina ny zanakao koa izy ireo. Hoy i Nicole momba ny reniny: “Tena nanampy ahy tamin’ny fitaizana ny zanako izy.” Mety hanampy anao koa ny namanao, ka angamba hanome anao mangingina akanjon-jazakely na zavatra hafa mety hilainao. (Ohabolana 17:17) Rehefa anehoana hatsaram-panahy toy izany ianao, dia araho ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Asehoy fa mahay misaotra ianareo.” (Kolosianina 3:15) Isaory àry izy ireo, mba tsy hieritreretany fa tsy nisy dikany firy taminao ny zavatra nataony tamim-pitiavana.

Mianara mitaiza. Azo inoana fa tsy te hiankina amin’ny fianakavianao sy ny namanao foana ianao. Mianara àry mikarakara ny zanakao sy mitantana tokantrano. Tena sarotra ny mianatra mitaiza zazakely, satria mila fikarakarana sy fitandremana be izy ireny. Mila mianatra zavatra betsaka momba ny sakafo sy ny fahasalaman’ny zaza, ohatra, ianao. Tsara homarihina, fa manoro hevitra ny vehivavy kristianina zokiolona ny Baiboly, mba hampirisika ny vehivavy tanora hazoto “hikarakara tokantrano.” (Titosy 2:5) Azo inoana fa mety hampiofana tsara anao ny reninao, na ny vehivavy hafa be taona kokoa eo anivon’ny fiangonana kristianina.

Mahaiza mitantam-bola. Milaza ny Baiboly fa “fialokalofana ny vola.” (Mpitoriteny 7:12) Tsy maintsy ho be dia be ny vola lany rehefa miteraka.

Raiso izay fanampiana omen’ny fanjakana. Matetika anefa no mbola tsy maintsy miankina amin’ny ray aman-dreniny ilay ankizivavy. Angamba izany no toe-javatra misy anao. Hendry sy maneho fiheverana ny ray aman-dreninao àry ianao, raha miezaka mitsitsy vola araka izay azo atao. Marina fa mba tianao hanana zavatra vaovao ny zanakao. Hitsitsy vola kokoa anefa ianao, raha zavatra efa nampiasaina no vidinao.

Tohizo ny fianarana. Hoy ny Ohabolana 10:14: “Ny hendry mirakitra fahalalana.” Ny fahalalana ara-baiboly no tena tiana horesahina eo, nefa mihatra amin’ny fianarana tsy ara-pivavahana koa izy io. Mila miana-javatra àry ianao, mba hanampy anao hahita asa fivelomana.

Marina aloha fa sarotra ny hoe sady mianatra no mitaiza. Raha tsy ampy anefa ny fianarana nataonao, dia mety hahantra ianareo mianaka any aoriana any, ka voatery hiantehitra amin’ny fanampiana omen’ny fanjakana, ohatra, na ho sahirana ara-bola, hipetraka amin’ny trano tsizarizary, ary tsy ho ampy sakafo. Raha mbola azo atao àry, dia tohizo ny fianarana. Tsy navelan’ny reniny hijanona tsy nianatra i Nicole. Lasa mpisolovava mpanampy àry izy tatỳ aoriana, ka afaka namelon-tena.

Nahoana raha manadihady hoe inona no fianarana azonao atao? Raha tena sarotra aminao ny mankany am-pianarana, dia diniho sao mba afaka mianatra ao an-trano ianao. Mety ho tsara aminao, ohatra, ny mianatra amin’ny alalan’ny fifanoratana.

Afaka ny hahomby ianao

Tena sarotra ny mitaiza irery raha mbola ankizivavy ianao. Afaka ny hahomby anefa ianao! Ho lasa reny be fitiavana sy mahay ianao, raha manana faharetana sy fahavononana, ary mangataka ny fanampian’i Jehovah Andriamanitra. Mety ho lasa olon-dehibe matotra koa ny zanaky ny ankizivavy tsy nanambady. Mety ho faly be mihitsy aza ianao indray andro any, satria ho lasa olona tia an’Andriamanitra ny zanakao, noho ny fanabeazana sy fampiofanana nomenao azy.—Efesianina 6:4.

Toy izany ny zanak’i Nicole. Hoy izy: “Noho ny fanampian’Andriamanitra, dia faly aho nanampy ny zanako ho lasa tovovavy tsara fanahy sy manaja olona ary mahay mandray andraikitra. Tsy nampino ilay izy, nefa vitako. Sambatra erỳ aho rehefa mijery azy, na dia tadidiko aza ireo alina tsy nahitako tory noho ny tebiteby.”

Ahoana kosa no tokony hitondran’ny olon-dehibe an’ilay ankizivavy sy ny zanany? Misy fomba azo anampiana ny tanora ve mba tsy ho bevohoka tsy manambady izy ireo, ka hijaly?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Miresaka ny andraikitry ny ankizilahy manan-janaka nefa tsy manambady sy ny zava-tsarotra atrehin’izy ireo, ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora” ao amin’ny Mifohaza! 8 Mey sy 8 Jona 2000.

[Sary, pejy 8, 9]

Miatrika zava-tsarotra maro ny ankizivavy mitaiza irery

[Sary, pejy 10]

Tsy vahaolana ny fanambadiana haingana an’ilay ankizilahy

[Sary, pejy 10]

Azon’ny anti-panahy ampiana ireo tanora nania mba hifandray amin’Andriamanitra indray

[Sary, pejy 11]

Tsara raha mamita ny fianarany ny ankizivavy miteraka tsy manambady