Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Maha Ratsy ny Miboboka Toaka?

Inona no Maha Ratsy ny Miboboka Toaka?

Manontany ny Tanora Hoe...

Inona no Maha Ratsy ny Miboboka Toaka?

Nisotro toaka nandritra ny ora maro izaho sy ilay namako, tao amin’ilay fety. Mbola nitondra “whisky” iray tavoahangy avy anefa izahay, rehefa nody tamin’ny iray maraina. Nosotroinay teny an-dalana ilay izy. Ny masoandro niposaka no zavatra tadidiko nanaraka izay, ary hitako koa fa diso lalana izahay. Hay teny amin’ny arabe izahay no nandeha. Tena nahagaga ny tsy naha voadonan’ny fiara anay.”—Hery. *

MPIBOBOKA TOAKA. Misy mihevitra fa ny misotro mba ho mamo fotsiny izany. Ny hafa indray milaza fa rehefa ataonao indray migoka ny labiera telo tavoahangy, na toaka tapa-tavoahangy, na divay iray tavoahangy mahery, dia efa miboboka ianao.

Milaza ny mpiasan’ny fahasalamana any Etazonia fa “olana lehibe manimba ny fahasalamam-bahoaka” izy io. Nisy fanadihadiana natao tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa tany Angletera sy Ekosy ary Pays de Galles. Hita fa efa ho ny ampahefatry ny mpianatra 13 sy 14 taona no nilaza fa nigoka toaka tapa-tavoahangy teo ho eo, fara fahakeliny, rehefa nisotro. * Nilaza ho nanao izany koa ny antsasaky ny tanora 15 sy 16 taona nadinadinina.

Rehefa nadinadinina ny mpianatry ny oniversite tany Etazonia, dia efa ho ny antsasany no nilaza fa niboboka toaka indray mandeha, fara fahakeliny, nandritra ireo roa herinandro

talohan’ilay fanadihadiana. Nanao tatitra ny Ministeran’ny Fahasalamana Amerikanina fa “10,4 tapitrisa teo ho eo, tamin’ny tanora 12 ka hatramin’ny 20 taona, no nilaza fa nisotro toaka. Mpiboboka ny 5,1 tapitrisa tamin’ireo, ary manao izany indimy isam-bolana, fara fahakeliny, ny 2,3 tapitrisa.” Ny tovovavy no tena mpiboboka noho ny tovolahy any Aostralia, araka ny fanadihadiana iray. Mahalany toaka iray na roa tavoahangy mihitsy aza izy ireo rehefa misotro!

Ampirisihin’ny namany ny ankabeazan’ireny tanora ireny. Hoy i Carol Falkowski, mpikaroka: “Mihabetsaka ny lalao vaovao mampidi-doza, mifandray amin’ny fisotroan-toaka. Ny ho mamo no tanjona amin’izany. Amin’ny lalao sasany, ohatra, dia asaina miara-misotro toaka mahery eran’ny vera kely daholo ny mpandray anjara, mandritra ny fandaharana iray ao amin’ny tele, na rehefa miaraka izy ireo.”

Ny loza aterany

Tena mampidi-doza ny fibobohan-toaka, na dia heverin’ny sasany ho kilalao aza! Tsy mahazo oksizenina ny atidoha rehefa tafahoatra ny fatran’ny alkaola; mety tsy hiasa intsony koa ny taova sasany. Mety handoa, tsy hahatsiaro tena, ary tsy ho avy miaina ilay olona. Mety hahafaty mihitsy izany indraindray. Namonjy lanonana nahafahana “nisotro izay lany” i Kim, tovovavy 17 taona, iray volana taorian’ny nahavitany ny fianarany teny amin’ny lise. Toaka iray tavoahangy mahery kely no laniny, ary safotra izy ka nentin’ny zokiny vavy nody. Rehefa nijery azy ny reniny ny ampitso maraina, dia efa maty izy.

Mety tsy hahafaty avy hatrany ny fibobohana, nefa manimba ny fahasalamana izy io. Hoy i Jerome Levin, manam-pahaizana momba ny fahasalaman’ny saina: “Mety ho simban’ny toaka ny taovanao rehetra, indrindra fa ny rafi-pitatitra, ny aty, ary ny fo.” Hoy ny gazetiboky iray: “Asehon’ny fikarohana vao haingana, fa misangy loza ny zatovo mpisotro. Mbola mitombo be mantsy ny sain’izy ireo, na dia aorian’ny faha-20 taonany aza. Manimba be ny fivoaran’ny sainy àry ny zatovo misotro tafahoatra.” Ny fisotroana foana koa dia mahabe mony, mampiketrona ny hoditra alohan’ny fotoana, mampahatavy, manimba ny taova, ary mahatonga ny olona hiankin-doha amin’ny toaka sy ny zava-mahadomelina.

Mbola misy loza hafa koa anefa avy amin’ny fisotroana tafahoatra. Mety ho mora hampijalina ianao rehefa mamo. Mety hodarohan’ny olona ianao na hovetavetainy mihitsy aza. Mety hampidi-doza ny hafa koa ianao satria tsy hahafehy tena, ka hahavita zavatra izay tsy ho sahinao mihitsy raha tsy nisotro toaka. Mampitandrina àry ny Baiboly fa raha misotro tafahoatra ianao dia ‘hijery vehivavy jejo ny masonao, ary ny fonao hieritreri-dratsy.’ (Ohabolana 23:33) Anisan’ny vokany mampanaintaina ny famoizana namana, fanaovana tsirambina ny fianarana sy ny asa, fanaovana heloka bevava, ary ny fahantrana. *Ohabolana 23:21.

Fitaomana hisotro

Anaovana dokam-barotra be sy hita hatraiza hatraiza ny toaka any amin’ny tany maro, na dia eo aza ireny loza entiny ireny. Atao manintona erỳ ny fisotroan-toaka, amin’ny dokam-barotra ao amin’ny tele sy ny gazetiboky. Ny fampirisihan’ny namana anefa matetika no mahatonga ny tanora hiboboka toaka.

Nisy fanadihadiana momba ny fisotroan-toaka natao tany Aostralia. Ny 36 isan-jaton’ny tanora nanontaniana no nilaza fa “mba hitoviana tamin’ny namany” no antony nisotroan’izy ireo, rehefa nisy lanonana. Rehefa mitobaka ny labiera amin’ireny korana feno tabataba ireny, dia manjary mpanafana ny fety ny olona saro-kenatra, izay ampirisihin’ny namany hisotro an-kisesy. Nisotro be i Katie ka safotra ary nentina nody. Nanome toaka azy ilay tovolahy niseho ho namany sady niteny hoe: “Io moa ry Katie a! Efa lehibe ange ianao e! Tokony hianatra higoka amin’izay ianao.”

Tena mahery ny faniriana hampifalifaly tena sy hitovy amin’ny hafa. Koa na miharihary aza fa mampidi-doza ny fibobohan-toaka, dia mbola be mpitia ihany izy io.

Inona no ho safidinao?

Mipetraka àry ny fanontaniana hoe: Inona no ho safidinao? Hanara-drenirano ny namanao fotsiny ve ianao? Tadidio ny voalazan’ny Baiboly ao amin’ny Romanina 6:16 hoe: “Tsy fantatrareo ve fa na iza na iza anoloranareo ny tenanareo ho mpanompo mba hankatoavinareo, dia mpanompony ianareo satria mankatò azy?” Lasa mpanompon’ny namanao fotsiny ianao, raha mamela azy ireo hibaiko anao amin’izay ataonao rehetra. Mampirisika anao mba hanapa-kevitra samirery ny Baiboly. (Ohabolana 1:4) Mirakitra torohevitra hanampy anao tsy hanao fahadisoana lehibe izy io. Diniho izay lazainy momba ny zava-pisotro misy alkaola.

Tsy mandrara ny fisotroan-toaka ny Baiboly, na manakana ny tanora tsy hampifalifaly tena. Mampitandrina antsika mba tsy hisotro tafahoatra anefa izy io. Hoy ny Ohabolana 20:1: “Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry.” Tena mahatonga ny olona hitabataba sy hanao hadalana tokoa ny toaka! Marina aloha fa mety hitondra fahafinaretana mihelina izy io, kanefa “hanaikitra toy ny bibilava” raha tafahoatra, ka hitondra ratra ara-batana sy ara-pihetseham-po ho anao.—Ohabolana 23:32.

Tsara homarihina koa fa voafetra ny taonan’ny mahazo misotro toaka any amin’ny tany sasany, ary mankatò izany ny Kristianina. (Titosy 3:1) Natao hiaro anao ireny lalàna ireny.

Farany, dia izao no zava-dehibe indrindra: Tadidio fa manimba ny fifandraisanao amin’i Jehovah Andriamanitra ny fisotroana tafahoatra. Iriny ny hanompoanao azy amin’ny “sainao manontolo”, fa tsy amin’ny saina simban’ny fisotroana tafahoatra! (Matio 22:37) Tsy ny “fibobohana divay” ihany no melohin’ny Tenin’Andriamanitra, fa ny “fifaninanana misotro” koa. (1 Petera 4:3) Mifanohitra amin’ny sitrapon’ny Mpamorona antsika àry ny fibobohan-toaka. Tsy afaka hifandray akaiky amin’Andriamanitra ny olona manao izany.

Inona no tokony hataonao raha manana io fahazarana mampidi-doza io ianao? Mitadiava avy hatrany fanampiana, ka miresaha amin’ny ray aman-dreninao na Kristianina matotra hafa. * Mivavaha amin’i Jehovah Andriamanitra ary mangataha ny fanampiany. “Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.” (Salamo 46:1) Tena ilainao koa angamba ny miova namana sy fialam-boly, satria ny namana mazàna no mitaona ny tanora hiboboka toaka, na hisotro na dia mbola tsy ampy taona aza. Tsy ho mora ny hanao fiovana toy izany, kanefa hahomby ianao noho ny fanampian’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 5 Mitovy habe amin’ny tavoahangina labiera lehibe (65 santilitatra) ny tavoahangy resahina ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 12 Hita tamin’ny fanadihadiana iray tany Etazonia, fa raha oharina amin’ny olon-kafa ny mpiboboka toaka, dia matetika kokoa izy ireo no manapaka fianarana, tsy maharaka ny zavatra atao any, maratra, ary manimba fananan’olona.

^ feh. 22 Mety hilaina ny fanampian’ny dokotera mahay, amin’ny toe-javatra sasany.

[Efajoro/Sary, pejy 15]

Loza Ateraky ny Fibobohan-toaka

Asehon’ireto antontan’isa ireto ny voka-dratsin’ny fibobohan-toaka, teo amin’ny mpianatry ny oniversite tany Etazonia:

Fahafatesana: 1 400 isan-taona ny mpianatra 18 ka hatramin’ny 24 taona maty noho ny ratra tsy amin’antony vokatry ny fisotroana, anisan’izany ny lozam-piarakodia

Ratra: Mpianatra 500 000, 18 ka hatramin’ny 24 taona, no naratra tsy amin’antony rehefa nisotro

Daroka: Maherin’ny 600 000 ny mpianatra 18 ka hatramin’ny 24 taona nodarohan’ny mpianatra hafa nisotro

Fametavetana: Mihoatra ny 70 000 ny mpianatra 18 ka hatramin’ny 24 taona, novetavetaina satria mamo, na novetavetain’ny olom-pantany izay nisotro toaka

[Sary nahazoan-dalana]

Loharanon-kevitra: The U.S. National Institute on Alcohol Abuse and Alcoholism

[Sary, pejy 13]

Mety hampirisika anao hiboboka ny namanao