Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Io Mihitsy no Ilain’ny Tanora

Io Mihitsy no Ilain’ny Tanora

Io Mihitsy no Ilain’ny Tanora

Izay ilain’ny tanora mihitsy no hita ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, araka ny hevitr’ireo efa namaky azy io an-taonany maro, na antitra na tanora. Nanafatra folo tamin’io boky io ny tovovavy iray avy any Sinaloa, any Meksika, mba homeny ny namany. Nolazainy fa tena tiany ilay boky, na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza izy. Hoy izy: “Tena manaja anareo aho.”

Nanamarika koa izy hoe: “Be dia be ny namako no manana fanontaniana, momba ny zavatra iainany ankehitriny. Nasehoko azy ireo ilay boky, ary tiany be. Tsara be ilay izy, ary misy ny zavatra rehetra tian’ny tanora ho fantatra.” Nangataka ilay tovovavy mba halefa alohan’ny vakansy ireo boky.

Misy toko 39 ny boky Manontany ny Tanora. Anisan’izany ny hoe “Inona no Azoko Atao mba Hanomezan’ny Ray Aman-dreniko Ahy Fahalalahana Bebe Kokoa?” “Ahoana no Hahazoako Tena Namana?” “Ahoana ny Amin’ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?” ary “Ahoana no Ahafantarako Raha Tena Fitiavana Izao?” Raha te hanafatra io boky 320 pejy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eo ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.