Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Zaza Raha vao voaraiko ilay andian-dahatsoratra hoe “Inona no Ilain’ny Zaza?”, dia may erỳ aho namaky azy. (8 Janoary 2004) Dimy ny zanako ka tena nanohina ny foko ireo lahatsoratra ireo. Tiako raha mba afaka mamaky azy ireo koa ny reny rehetra.

C. M., Frantsa

Toa tonga amin’ny fotoana tena ilako azy foana ny lahatsoratra avoakanareo. Namoaka fanazavana momba ny vehivavy bevohoka ianareo, tamin’ny fotoana nahafantaranay mivady fa hanan-janaka izahay. (8 Janoary 2003) Faly erỳ izao izahay manan-janaka lahy kely telo volana, ary io indray koa fa namoaka tolo-kevitra tsara momba ny fitaizana zaza ianareo. Tena ilain’ny reny tanora ireny lahatsoratra ireny.

D. K., Polonina

Fankasitrahana ny Mifohaza! Misaotra anareo noho ilay gazety 8 Oktobra 2003. Sambany aho no nahavaky gazety iray manontolo. Izao anefa vao tsapako fa tokony hianatra izay rehetra omen’i Jehovah isika. Hay tena mahaliana be ilay izy! Maty antoka mihitsy aho hatramin’izay, satria tsy namaky ny lahatsoratra rehetra tao anatin’ireny gazety tsara dia tsara ireny!

R. K., Japon

Tantaram-piainana Efa folo taona mahery izao no naha mpitory ny filazantsara manontolo andro ahy, ary matetika aho no nahatsapa faniriana mafy dia mafy hisaotra anareo noho ireo lahatsoratra tsara avoakanareo. Ny fitantarana mahatalanjona momba ny misionera no nisy heviny sarobidy indrindra tamiko. Naniry foana ny ho tonga misionera mantsy aho hatramin’izay. Manampy ahy haniry hatrany hanompo any an-tany hafa ny fitantarana toy ny an’i Willem sy Gré van Seijl (“Mihoatra Noho Izay Nantenaiko ny Zava-misy”, 8 Oktobra 1999).

P. K., Etazonia

Tena kivy be aho tamin’ny fotoana namakiako ilay lahatsoratra. Indraindray aho dia mihevitra fa tsy hahatratra ny tanjoko ara-panahy mihitsy aho. Nisy fotoana koa nahitako hoe sarotra tamiko ny nihazona fihetsika tsara teo anoloan’ny asako tamin’ny naha mpitory ny filazantsara manontolo andro ahy. Nanana fomba fijery tsara sy nifantoka tamin’ny lafy tsaran-javatra i Willem sy Gré teo anoloan’ny vato nisakana, ary nitahy ny ezaka nataon’izy ireo i Jehovah. Nanamafy ny fatokisako izany fa afaka manatratra ny tanjoko koa aho, raha mihazona finoana matanjaka.

K. C., Etazonia

Zatovo Ketraka Hitahiry foana maromaro amin’ilay gazety hoe “Ampio Ireo Zatovo Ketraka”, tao amin’ny Mifohaza! 8 Septambra 2001, aho. Tena ilain’ny tanora iny, ary mino aho fa hanampy ny ankamaroan’izy ireo sy ny ray aman-dreniny koa ho tafavoaka amin’ilay nohazavainareo tsara hoe aretina. Mety hamonjy aina iny gazety iny.

R. F., Etazonia

Nampahery ahy ny nahafantatra fa tsy hoe misy tsy mety akory eo amin’ny ara-panahy matoa tratran’io fahoriam-po io. Maivamaivana ny foko, ary nitomany aho rehefa namaky fa “akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah.”—Salamo 34:18.

A. I., Japon

Enina ambin’ny folo taona aho, ary ketraka foana efa taona vitsivitsy izao. Tena nilaiko mihitsy iny gazety iny! Nanome ahy ny torohevitra nilaiko ilay izy.

L. B., Aostralia

Ketraka aho taloha, ary tsy nilaza tamin’ny ray aman-dreniko na tamin’ny olon-kafa mihitsy hoe te hamono tena aho. Tena diso aho. Zava-dehibe ny mitady fanampiana rehefa ketraka ianao. Misaotra fa miahy ny tanora ianareo.

S.G.C., Etazonia