Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kolokoloy Tsara ny Zanakao

Kolokoloy Tsara ny Zanakao

Kolokoloy Tsara ny Zanakao

MIANKINA amin’ny zavatra ianaran’ny olona mandritra ny fahazazany, ny fahaizany rehefa lehibe. Inona àry no ilain’ny ankizy avy amin’ny ray aman-dreniny, mba hahatongavany ho olom-banona sy mahay mandanjalanja? Diniho ny hevitry ny olona sasany nanao fikarohana efa hatramin’ny ela.

Ny fitohizan-tselam-pitatitra ao amin’ny atidoha

Mandroso be ny teknolojia, ka afaka mandinika ny tsipirian’ny fiasan’ny atidoha ny mpahay siansa. Hitan’izy ireo fa misy selam-pitatitra maro manjary mifampitohy ao amin’ny atidoha. Hitan’izy ireo koa fa hatreo amin’ny fahadimy taonan’ny zaza no fotoana mety indrindra hampitomboana ny fahaizan’ny atidohany mandray hevitra, maneho fihetseham-po ary mianatra fiteny. Resahin’ny gazety Firenena (anglisy) fa haingana be ny fitohizan-tselam-pitatitra vaovao ao amin’ny atidohan’ny zaza hatreo amin’ny fahadimy taonany, satria mampivelatra tsy an-kijanona ny sainy ny toetra efa nolovany sy ny zavatra vaovao ianarany.

Mino ny mpahay siansa fa mandritra ny fiandohan’ny fahazazana no tena betsaka ny fitohizan-tselam-pitatitra. Milaza ny Dr. Berry Brazelton, manam-pahaizana momba ny fivelaran’ny sain’ny zaza, fa amin’io fotoana io no ‘manomboka misy ny fitohizan-tselam-pitatitra mahatonga ny zaza hahira-tsaina, hanana ny maha izy azy sy hatoky tena, ary haniry hianatra.’

Mihalehibe koa ny atidoha amin’io fotoana io, ary mihabetsaka ny fitohizan-tselam-pitatitra, ka mitombo ny asa ataony. Raha mianatra sy miasa matetika ny atidoha, dia vao mainka hihabetsaka ny fitohizan-tselam-pitatitra. Hiasa tsara kokoa izy io amin’izay, ka ho mora kokoa amin’ilay zaza ny hieritreritra sy hianatra ary hisaintsaina.

Arakaraka ny ampiasana ny atidoha no mampitombo ny isan’ny selam-pitatitra manomboka miasa. Vao mainka hihabetsaka ihany amin’izay ny fitohizan-tselam-pitatitra. Tsara homarihina anefa, fa tsy ampy fotsiny ny mampianatra ny zaza hampiasa ny sainy na hiteny na hanao zavatra hafa. Hitan’ny mpahay siansa fa kely kokoa ny fitohizan-tselam-pitatitra ao amin’ny atidohan’ny zaza tsy nofihinina, tsy nosafosafoina, na tsy niarahana nilalao.

Zaza voakolokolo, zaza mahay

Izao no mitranga ao amin’ny atidoha, rehefa mihalehibe ny ankizy: Esoriny izay fitohizan-tselam-pitatitra heveriny fa tsy ilaina. Mety hisy fiantraikany be eo amin’ny fahaizan’ilay ankizy izany. Milaza i Max Cynader, mpikaroka momba ny atidoha, fa tsy hiasa ara-dalàna ireo fitohizan-tselam-pitatitra, raha tsy mahazo fanampiana mety amin’ny fotoana mety ny zaza, dia fanampiana hampivelatra ny sainy. Inona no mety ho vokatr’izany? Milaza ny Pr. Fraser Mustard fa mety tsy dia hahira-tsaina loatra izy, tsy dia hahay hiresaka tsara sy hanao kajy, ho farofy rehefa lehibe, na hanao fihetsika tsy ara-dalàna mihitsy aza.

Hita àry fa mety tena hisy vokany eo amin’ny fiainany atỳ aoriana, ny zavatra niainan’ny olona iray tamin’ny fahazazany. Mety hahay handresy zava-tsarotra izy na ho mora kivy, hahatakatra hevitra na tsia, hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa na tsia. Manana andraikitra lehibe àry ny ray aman-dreny. Hoy ny dokoteran-jaza iray: “Olona mahatsapa tsara ny fihetseham-pony no tena ilain’ny ankizikely.”

Kolokoloy tsara ny zanakao, dia ho lasa olom-banona izy. Toa mora erỳ izany! Fantatry ny ray aman-dreny fa tsy mora foana ny mahalala ny fomba tena mety hitaizana ny ankizy. Tsy misy ray aman-dreny mahay mitaiza ho azy ny zanany.

Ny ampahefatry ny ray aman-dreny nanontaniana no tsy nahalala hoe mety hisy vokany eo amin’ny zanany, ny fomba itaizan’izy ireo azy: Mety hahatonga azy hahira-tsaina izany na tsia, hatoky tena na tsia, ary ho tia mianatra na tsia. Inona àry no fomba tsara indrindra hampitomboanao ny fahaizan’ny zanakao? Ary inona no tokony hataonao mba hampahazoto azy hianatra? Andeha hojerentsika.

[Sary, pejy 6]

Mety tsy dia hivelatra ny sain’ny zaza tsy raharahaina