Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandray Soa ny Ankizy Amakiana Teny

Mandray Soa ny Ankizy Amakiana Teny

Mandray Soa ny Ankizy Amakiana Teny

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY POLONINA

Atao isan-taona eto Polonina ilay fanentanana hoe “Mamaky Teny ho An’ny Zanany ny Poloney Rehetra.” Milaza ny mpikarakara azy io fa “tena ilaina ny famakian-teny mba hahazoana fahalalana sy hampivelatra ny saina. ... Ahafahana mamantatra ny eritreritry ny olona sy ny zavatra hainy izy io.” Raha marina izany, nahoana no mihevitra azy io ho adidy tsy maintsy efaina fotsiny, ny olon-dehibe sy ankizy maro?

Milaza toy izao ny tompon’andraikitra an’ilay fanentanana: “Tsy maintsy zarina mamaky teny sy tia boky ny ankizy, dieny mbola kely.” Hoy izy ireo amin’ny ray aman-dreny: “Amakio teny mandritra ny 20 minitra isan’andro ny zanakareo, raha tianareo ho hendry sy hahomby izy any am-pianarana sy eo amin’ny fiainany.”

Ampirisihina “hanomboka aloha be araka izay azo atao” koa ny ray aman-dreny, fa tsy hangataka andro. Rahoviana? Entanina izy ireo “hamaky teny amin’ny zazakely, hisakambina sy hijery azy amim-pitiavana, ary hanovaova feo mba hahaliana azy ilay vakiteny. Hahafinaritra ny ankizy ny hamaky teny amin’izay, ary hahatsiaro ho milamin-tsaina sy ho akaiky ny ray aman-dreniny izy, isaky ny manao izany. Mampivoatra ny sainy koa izany.”

Antitranterin’ny mpikarakara ilay fanentanana, fa “amin’izao andro izao indrindra no tokony hamakiana teny amin’ny ankizy.” Misarika ny saina ho amin’ny soa hafa koa izy ireo. Ny famakian-teny dia mampianatra ny ankizy hieritreritra, ‘hahatakatra ny fihevitry ny hafa, ary hahazo izay mitranga amin’ny tenany sy ny manodidina azy. Hanjary te hahafanta-javatra izy ireo, hahay haka sary an-tsaina kokoa, hahay hifehy ny fihetseham-pony sy hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa, hanana fitondran-tena tsara, ary hahatsiaro tena ho misy vidiny.’ Azo antoka fa “miaro ny sainy sy ny fony amin’ny fitaoman-dratsy maro” izany, hoy ny famaranan-tenin’ireo mpanentana.

Boky mampirisika ny ankizy hanatona ny Mpamorona azy any an-danitra no tokony hampiasaina, mba tena hahomby ny vakiteny. Ny Baiboly no boky tsara indrindra manampy antsika ho amin’izany. Milaza izy io fa “mbola zazakely” i Timoty dia efa nampianarina “ny Soratra Masina.” (2 Timoty 3:15) Rehefa mamaky teny ho an’ny zanany àry ny ray aman-dreny, dia azony ampiasaina ny boky ara-baiboly toy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly sy Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Natao indrindra ho an’ny ankizy ireo boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo.