Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nairobi—“Tanànan’ny Rano Mangatsiatsiaka”

Nairobi—“Tanànan’ny Rano Mangatsiatsiaka”

Nairobi—“Tanànan’ny Rano Mangatsiatsiaka”

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY KENYA

“Mangadihady, be fotaka, mandrivotra, tsy misy trano mihitsy, fonenan’ny bibidia an’arivony. Ny dian-tsarety efa ela be, tany amin’ny sisin’ilay tany lemaka mando lava, no hany nahalalana fa nisy olona nandalo tsindraindray tany.”—NY FIANDOHAN’NY FANJANAHANA AN’I KENYA (ANGLISY).

TOY izany i Nairobi, zato taona mahery lasa izay. Nonina tao ny liona, tokantandroka, leoparda, zirafy, bibilava misy poizina, ary ny karazam-bibidia tsy tambo isaina. Nitondra ny biby fiompiny tao amin’ny renirano iray tao ireo Masai be herim-po. Toerana tian’ireo mpifindrafindra monina izy io. Nantsoin’ireo Masai hoe Uaso Nairobi na “Rano Mangatsiatsiaka” ilay renirano, ary hoe Enkarre Nairobi na “Tanànan’ny Rano Mangatsiatsiaka” ilay faritra nisy azy. Izany no nahatonga ny anaran’ilay tanàna hoe Nairobi, ilay toerana nanova tanteraka ny tantaran’i Kenya.

Nampandroso be ny tanànan’i Nairobi, ny fanamboarana ilay lalamby nantsoina hoe L’express de la démence * teto Kenya. Tany antenatenan’ny 1899, dia vita ny lalamby mirefy 530 kilaometatra nampitohy an’i Nairobi sy Mombasa, tanàna amoron-dranomasina. Nifanehatra tamin’ireo liona roa “mpihinan’olona tao Tsavo” ny mpiasa nanamboatra ilay lalamby, ary maro no matin’ireo liona ireo. Tsy maintsy niasa teo amin’ny Rift Valley, izay nisy hantsana nampahatahotra, koa izy ireo. Rehefa nihaniditra tany afovoan-tany ilay lalamby, dia hita fa tsy nety intsony raha tao Mombasa no natoby ny entana nilaina tamin’ilay asa. Koa i Nairobi àry no noheverina fa toerana nety tamin’izany, sy nahafahan’ny mpiasa niala sasatra, na dia tsy nanintona firy aza. Anisan’ny nahatonga azy ho lasa renivohitr’i Kenya izany.

Tao Nairobi no napetraka ny foiben’ny fitondrana an’i Kenya, tany am-piandohan’ireo taona 1900. Tokony ho nivoatra ilay tanàna vao niforona raha nisy tetikasa fampandrosoana. Nanjary feno trano ratsy endrika sy nikorontana anefa nanodidina ny gara. Vita tamin’ny hazo, fanitso, ary fitaovana hafa teo an-toerana izy ireny. Tsy noeritreretina ho lasa tanàn-dehibe iraisam-pirenena mihitsy i Nairobi, rehefa jerena ireny trano tsizarizary ireny. Tsy nisy nanampo izany mihitsy koa ny olona nanorina ireo trano lehibe vitsivitsy tany am-piandohan’ireo taona 1900. Nanambana foana koa ny loza, noho ireo bibidia nihaodihaody.

Tsy ela dia namely mafy ilay tanàna vaovao ny aretina. Nirongatra ny areti-mifindra mahafaty, ka izany no olana lehibe voalohany natrehin’ireo mpitondra fanjakana tamin’izany. Inona no vahaolana haingana indrindra hitan’izy ireo? Nodorana ny faritra nisy an’ilay aretina tao an-tanàna mba tsy hampihanaka azy! Afaka tsikelikely ireo zava-dratsy nitranga tao Nairobi, rehefa afaka 50 taona, ka nanjary foibe ara-barotra sy fihaonan’ny olona atỳ Afrika Atsinanana izy.

Ny nivoaran’ilay tanàna

Eo amin’ny 1 680 metatra eo ho eo ny haavon’ny toerana misy an’i Nairobi, ka mahafinaritra sy mahavariana ny mitazana ny manodidina. Mora tazana, ohatra, ireo toerana roa miavaka atỳ Afrika, rehefa tsara ny andro. Eny avaratra ny Tendrombohitra Kenya, 5 199 metatra ny haavony. Izy io no avo indrindra eto Kenya, ary ny faharoa amin’ny tendrombohitra avo indrindra atỳ Afrika. Tazana lavidavitra eny atsimo kosa, eo amin’ny sisin-tanin’i Kenya sy Tanzania, ny Tendrombohitra Kilimandjaro. Izy io no avo indrindra atỳ Afrika satria mahatratra 5 895 metatra. Eo akaikin’ny ekoatera izy io, nefa misy lanezy mandavantaona. Nahaliana ny manam-pahaizana momba ny jeografia sy ireo mpikaroka tany vaovao izany, 150 taona lasa izay.

Niova tanteraka i Nairobi tao anatin’ny 50 taona. Hita ny fandrosoan’ilay tanàna, satria mihamaro foana ireo trano tazana eny amin’ny faravodilanitra. Mahafinaritra erỳ ny mijery ireo tranobe fitaratra sy vy, izay mamirapiratra tarafin’ny masoandro mody. Mety tsy hino ny olona mitsidika ilay toerana natao foibem-barotra, raha ilazana fa toerana nampidi-doza famitsahan’ny bibidia izy io, zato taona lasa izay.

Niova izany rehefa nandeha ny fotoana, ary hazo isan-karazany izao no maniry eo amin’ilay toerana. Anisan’izany ny laingomena tsara tarehy, ny zakaranda mamelana, ny kininina maniry be, ary ny akasia. Lasa arabe ireo lalana be vovoka fahiny, ary misy hazo maniry amin’ny sisiny, ka manome alokaloka ho an’ny mpandalo rehefa mafana ny andro. Misy toerana fambolen-kazo tsy lavitra ny tanàna, ary ahitana karazan-kazo 270 ao, fara fahakeliny. Izany angamba no antony nilazan’ny mpanoratra hafa iray fa “toy ny hoe naorina tao afovoan’ny ala voajanahary” i Nairobi. Misy akony lehibe eo amin’ny toetrandro any ireo zavamaniry maro be, ka mafana tsara amin’ny antoandro ary mangatsiatsiaka amin’ny alina.

Fihaonan’ny kolontsaina maro

Toy ny andriamby i Nairobi, ka mahasarika karazan’olona maro. Mihoatra ny roa tapitrisa izao ny mponina, ary ny fahavitan’ny lalamby no nahatonga azy ireo hipetraka ao. Nijanona mba hanao raharaham-barotra lehibe, izay nitatra nanerana an’i Kenya, ireo Indianina nanampy tamin’ny fanamboarana ilay lalamby. Nisy mpandraharaha hafa koa tonga avy any Aostralia, Kanada, ary avy any amin’ny tany sasany atỳ Afrika.

Fihaonan’ny kolontsaina maro i Nairobi. Mety hifanena amin’ny vehivavy indianina manao fitafy karàna handeha hiantsena ianao, na injeniera pakistaney maika ho any amin’ny toeram-panorenana, na mpandraharaha japoney maika hamonjy tsenam-bola. Mety hifanena aminao koa ny Holandey mihaingo be, izay mpiasan’ny fiaramanidina, hiditra ao amin’ny hotely. Mety ho hitanao koa ny tompon-tany miandry bisy, na ireo mivarotra anaty trano heva na eny an-tsena na anaty magazay. Misy amin’izy ireo koa mpiasa birao na mpiasan’ny indostria maro ao Nairobi.

Vitsy amin’ny mponina ao Nairobi anefa no tena avy ao. “Mpila ravin’ahitra” avy any amin’ny tanàna hafa ny ankamaroany. Sariaka sy tia mandray vahiny ny ankabeazan’ny olona. Izany angamba no mahatonga ilay tanàna hisy biraom-paritra na foibe iraisam-pirenen’ny fikambanana sasany. Ao Nairobi, ohatra, no misy ny foiben’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Tontolo Iainana.

Inona no mahasarika ny mpitsidika?

Maro sady isan-karazany ny bibidia eto Kenya. An’arivony isan-taona ny olona mitsidika ireo valan-javaboary, ka ao Nairobi no andaminana ny ankamaroan’ireo fitsangantsanganana sy fitsidihana toerana. Tian’ny mpizaha tany koa anefa ny mitsidika an’i Nairobi. Tena vitsy eran-tany ny tanàna akaikin’ny fonenan’ny bibidia. Tsy ampy folo kilaometatra miala ny tanàn-dehibe ny Valan-javaboarin’i Nairobi, ary tsy misy atahorana ny fitsidihana azy. * Hitanao ao ireo biby mponina voalohany tao Nairobi. Fefy tariby fotsiny no manasaraka ny fonenan’ny olona sy ny bibidia. Vao tamin’ny Septambra 2002 àry, dia nisy leoparda lahy lehibe nosamborina tao amin’ny trano iray, satria tafavoaka avy tao amin’ilay ala teo akaiky teo.

Mandeha an-tongotra minitra vitsy miala ny tanàn-dehibe ianao, dia tonga ao amin’ny Tranombakok’i Nairobi. Manan-tantara i Kenya, ka mpitsidika an-jatony no tonga eto isan’andro. Misy toerana ahitana bibilava sy biby mandady isan-karazany koa anefa ao amin’io tranombakoka io. Ao ny voay, izay tsy taitra akory rehefa jeren’ny mpitsidika. Eo akaiky eo koa ny sokatra, izay zara raha mihetsika na dia eo aza ireo olona mivezivezy. Ny karazam-bibilava anefa no tena betsaka ao, anisan’izany ny kôbrà, ny pitona, ary ny vipera. Mariho tsara àry ilay soratra hoe: ‘Tandremo! Bibilava Misy Poizina.’

Rano hafakely

Mbola mikoriana ao Nairobi ihany ilay renirano nahatonga ny anarany. Mandoto azy io anefa ankehitriny ny rano arian’ny indostria sy ny olona, toy izay mitranga any amin’ny tanàna maro an-dalam-pandrosoana. Mahazo “rano” avy amin’ny loharano tsara kokoa ny mponin’i Nairobi, efa taona maro izao. Izany dia ny hafatra ara-baiboly manome fiainana, torin’ny Vavolombelon’i Jehovah.—Jaona 4:14.

Tamin’ny 1931, dia nitsidika an’i Kenya i Gray sy Frank Smith mirahalahy avy any Afrika Atsimo, mba hitory ny fahamarinana ara-baiboly. Mbola tsy tanàna lehibe toy ny amin’izao fotoana izao i Nairobi tamin’izany. Niainga tao Mombasa izy ireo ary nanaraka ny lalamby. Nampidi-doza ny diany satria natory tsy lavitra ny bibidia izy ireo indraindray. Nizara bokikely 600 sy boky ara-baiboly hafa koa izy ireo. Misy Vavolombelona 5 000 eo ho eo sy fiangonana 61 izao ao Nairobi sy ny manodidina azy. Mahafantatra tsara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mponin’i Nairobi, noho ireo fivoriana sy fivoriambe isan-karazany, ary fivoriambe iraisam-pirenena ataon’izy ireo. Maro no nandray tsara ny hafatra ara-baiboly manome fanantenana, izay nentin’izy ireo.

Hoavy tsara kokoa

Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Matetika no tsy ampy ireo trano any amin’ireo tanàn-dehibe ... Mandoto rivotra sy rano ireo orinasa.” Izany koa no hita ao Nairobi. Mety hitombo aza izany olana izany satria mihabetsaka ny olona miala any ambanivohitra ka mifindra mankao. Mety ho simba indray ny hatsaran-tarehin’i Nairobi raha mitohy izany.

Soa ihany anefa fa ho avy ny fotoana hitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hifaly tanteraka amin’ny fiainana ny olona. Tsy hisy intsony ny olana, izay mahatonga ny fiainana an-tanàn-dehibe ho sarotra.—2 Petera 3:13.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Mba hahazoana fanazavana feno momba ny nanamboarana an’ilay lalamby, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Afrique orientale: ‘L’express de la démence’ ”, ao amin’ny Réveillez-vous! 22 Septambra 1998, pejy 21-24.

[Sarintany, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

Nairobi

[Sary, pejy 18]

Tendrombohitra Kilimandjaro

[Sary, pejy 18]

Tendrombohitra Kenya

[Sary nahazoan-dalana]

Duncan Willetts, Camerapix

[Sary, pejy 18]

Tsena

[Sary, pejy 19]

Frank sy Gray Smith, tamin’ny 1931

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

© Crispin Hughes/Panos Pictures