Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tezao Araka ny Fananaran’andriamanitra ny Ankizy

Tezao Araka ny Fananaran’andriamanitra ny Ankizy

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tezao Araka ny Fananaran’andriamanitra ny Ankizy

“Ahoana no Hametrahanao Fitsipika Tsy Hodikain’ny Zanakao?”

“Toetra Dimy Tokony Hampianarinao ny Zanakao Alohan’ny Fahadimy Taonany”

“Fihetseham-po Dimy Tokony Hananan’ny Ankizy Rehetra”

“Famantarana Dimy Mampiseho fa Mampihanta Loatra Ianao”

“Fananarana Iray Minitra Mahavita Fahagagana”

TSY hahaliana firy ny lohatenin-gazety toy ireo, raha mora ny fitaizan-janaka. Tsy ho be dia be intsony koa ny boky hosoratana momba izany. Tena tsy mora anefa io raharaha io. Efa voalaza, an’arivony taona lasa izay, fa “ny zanaka adala mampalahelo ny rainy sady fahoriana mangidy amin’ny reniny niteraka azy.”—Ohabolana 17:25.

Betsaka ankehitriny ny torohevitra momba ny fitaizan-janaka. Mbola maro ihany anefa ny ray aman-dreny tsy mahafantatra tsara ny fomba tokony hanaovana izany. Inona kosa no fanampiana omen’ny Baiboly?

Inona no tena atao hoe fananarana?

Lazain’ny Baiboly mazava tsara ny anjara asan’ny ray aman-dreny mahakasika ny fananarana. Izao, ohatra, no ambaran’ny Efesianina 6:4: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.” Ny ray no tena tononin’io andininy io fa tokony ho loha laharana amin’ny fikarakarana ny zanany. Mazava ho azy, fa hiara-miasa aminy ny reny.

Hoy Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny (anglisy), momba io foto-kevitra io: “Ao amin’ny Baiboly, ny fananarana dia ampifandraisina akaiky amin’ny fampiofanana sy ny fampianarana, ary ny fahalalana. Ampifandraisina akaiky amin’izy io koa anefa ny fibedesana sy ny fanitsiana ary ny famaizana. Rehefa mampiofana ny ankizy no tena ilaina ny fananarana.” Tsy fibedesana ihany àry no tafiditra amin’ny hoe fananarana, fa anisany koa ny fampiofanana ilain’izy ireo mba hitomboany tsara amin’ny lafiny rehetra. Inona anefa no azon’ny ray aman-dreny atao mba tsy hampahatezitra an-janany? 

Mahaiza mahatakatra ny fihetseham-pony

Inona no mampahatezitra ny ankizy? Eritrereto izao: Misy mpiara-miasa aminao mora tezitra sy kizitina. Sosotra aminao foana izy. Toa mahita hokianina foana izy amin’izay lazainao sy ataonao. Matetika no tsy asiany vidiny ny asanao, ary ataony koa izay hahatsapanao ho tsy misy vidiny. Tsy hampahatezitra sy hahakivy anao ve izany?

Toy izany ny mety hanjo ny ankizy, raha manorisory azy foana ny ray aman-dreniny, na manafay azy amin-katezerana. Marina fa mila faizina ny ankizy indraindray, ary mamela ny ray aman-dreny hanao izany ny Baiboly. Mety hampahatezitra ny ankizy anefa ny famaizana amin-kasiahana sy tsy misy fitiavana, ka mety hampalahelo azy sy hanimba ny fifandraisany amin’Andriamanitra ary mety hankarary azy mihitsy aza.

Mendrika ny hanehoanao fiheverana ny zanakao

Tsy maintsy manokana fotoana hiarahana amin-janany ny ray aman-dreny. Izao no fitsipika nomen’Andriamanitra ny raim-pianakaviana, araka ny Deoteronomia 6:7: “Ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” Raha vao teraka ny ankizy dia efa mila mahatsapa fa tena mikarakara azy ny ray aman-dreniny. Hanjary ho takatrao ny fihetseham-pon’ny zanakao, raha mifampiresaka tsara ianareo isan’andro. Ho mora kokoa amin’izay ny handatsaka ao am-pon’izy ireo ny toro lalan’ny Baiboly, izay hahatonga azy ‘hatahotra an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny.’ (Mpitoriteny 12:13) Anisan’ny lalàm-pifehezan’Andriamanitra izany.

Raha azo lazaina hoe mitovy amin’ny manorina trano ny mitaiza zanaka, dia anisan’ny fitaovam-panorenana ny fananarana. Raha mampiasa tsara an’io fitaovana io ny ray aman-dreny, dia hanampy ny zanany hanana toetra tsara sy hahay hiatrika fitsapana. Izao no ho vokany, araka ny Ohabolana 23:24, 25: “Hifaly dia hifaly ny rain’ny marina, ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy. Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.”

[Efajoro/Sary, pejy 27]

NY “FOMBA FISAINAN’I JEHOVAH”

Miresaka ny amin’ny “fomba fisainan’i Jehovah” ny Efesianina 6:4. Ilay teny grika tany am-boalohany nadika hoe ‘fomba fisainana’, dia nadikan’ny Baiboly sasany koa hoe “fieritreretana”, “torohevitra”, ary “fananarana.” Asehon’ireo teny rehetra ireo fa misy zavatra hafa tsy maintsy ataon’ny fianakaviana, ankoatra ny famakiana Baiboly fotsiny na ny fianarana boky ara-baiboly amim-pahazarana fotsiny. Tokony hataon’ny ray aman-dreny izay hahatakaran’ny zanany tsara ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra, ny maha zava-dehibe ny fankatoavana, ary ny fitiavan’i Jehovah sy ny fiarovany azy ireo.

Ahoana no hanaovan’izy ireo an’izany? Nilaza i Judy, manan-janaka telo, fa tsy ampy ny mampahatsiahy foana an’ireo zanany ny toro lalan’Andriamanitra. Hoy koa izy: “Hitako fa tsy tian’izy ireo raha zavatra mitovy foana no averimberiko aminy. Nitady fomba hafa hampianarana azy ireo àry aho. Nojereko, ohatra, izay lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! nampiseho tamin’ny fomba hafa ireo fampahatsiahivana nilain’ny zanako. Toy izany no nianarako nanome fampahatsiahivana ny ankizy, nefa tsy nampahatezitra azy.”

Nandia fotoan-tsarotra ny fianakavian’i Angelo. Notantarainy toy izao ny fomba nampianarany an’ireo zanany vavy hisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra: “Niara-namaky andinin-teny izahay. Nosinganiko avy eo ny hevitra sasany, ary nohazavaiko ny fomba azo nampiharana izany tamin’ny fiainan’izy ireo. Hitako, tatỳ aoriana, fa nifantoka tsara izy ireo rehefa namaky samirery ny Baiboly, ary nisaintsaina izay tian’ny Tenin’Andriamanitra hampitaina taminy.”