Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Holazaiko Aminy ve fa Tiako Izy?

Tokony Holazaiko Aminy ve fa Tiako Izy?

Manontany ny Tanora Hoe...

Tokony Holazaiko Aminy ve fa Tiako Izy?

“Mitady ny valin’ity fanontaniana ity aho: Iza no tokony hitory fitiavana, ny lehilahy sa ny vehivavy?”—Laura. *

VAO haingana ianao no nifankahita tamin’ilay ankizilahy, na efa elaela no nahafantaranao azy, ka te hiaraka aminy ianao. Tena mino ianao fa mahatsapa toy izany koa izy, saingy saro-kenatra loatra ka tsy sahy miteny. Mety hanontany tena àry ianao raha mety ny hanaovanao ny dingana voalohany. *

Hojerentsika aloha ny fomba fihevitry ny manodidina, izany hoe ny fianakavianao sy ny mpiara-monina aminao. Ny ray aman-dreninao ve, ohatra, no tokony hitady vady ho anao, raha araka ny fomba eo an-toerana? * Marina fa mety hihevitra ianao hoe safidinao manokana ny hampiaraka sy hanambady. Miezaka tsy hanafintohina olona anefa ny Kristianina, ary mitsinjo ny fihetseham-pon’ny fianakaviany.

Mahazatra any amin’ny tany maro anefa ankehitriny ny hoe izy roa ihany no misafidy hiaraka, alohan’ny hanapahany hevitra ny hivady na tsia. Diso àry ve ilay vehivavy raha izy no mitory fitiavana? Mbola tokony hoeritreretina koa eto ny fomba fihevitry ny fianakaviana sy ny mpiara-monina. Mety hanafintohina olona maro ve izany?

Inona koa no fanazavan’ny Baiboly momba ny hoe mety ve raha ny vehivavy no manao ny dingana voalohany? Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nisy vehivavy natahotra an’Andriamanitra nantsoina hoe Rota. Izy no nanatona an’i Boaza, ary niresaka taminy momba ny fanambadiana. Notahin’i Jehovah Andriamanitra ny ezaka nataony! (Rota 3:1-13) Tsy ankizikely intsony i Rota tamin’izay. Efa maty vady izy, ka mazava ho azy fa ampy taona tsara mba hanambady. Tsy nilalao fitia na niadaladala tamin’i Boaza izy. Narahiny tsara kosa ny lalàn’Andriamanitra momba ny fanambadiana.—Deoteronomia 25:5-10.

Efa ampy taona tsara koa angamba ianao, ary misy ankizilahy mba tianao. Na izany aza anefa, dia tena ilana fitandremana sady atahorana ihany ny mitory fitiavana amin’ny olona izay mety tsy ho tia anao akory. Toy ny hoe raisinao ny fonao amin’izay, ary omenao olona. Hokenakenainy ve izy io, sa halatsany amin’ny tany? Aleo manaraka ny toro lalan’ny Baiboly, sao ho afa-baraka na harary fo tsy amin’antony.

Manaova zavatra amim-pisainana

Mora erỳ ny manonofinofy hoe tia olona iray. Mety haka sary an-tsaina ny andron’ny mariazinao sy ny aorian’izany mihitsy aza ianao. Toa mahafinaritra erỳ izany, saingy indrisy fa nofinofy ihany. Mety hiteraka faniriana tafahoatra izany, nefa tsy azonao tanterahina akory. Milaza ny Baiboly fa “ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo.” (Ohabolana 13:12) Mety hanova ny fomba fisainanao koa ny nofinofy antoandro. Hoy anefa ny Ohabolana 14:15: “Ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Ny hoe mahira-tsaina dia midika hoe misaina tsara. Ahoana àry no hanehoanao fahiratan-tsaina eo amin’ny resaka fitiavana?

Miezaha aloha manao zavatra ‘amim-pahalalana.’ (Ohabolana 13:16) Hoy ny ankizivavy iray: “Tsy afaka ny ho tena tia olona iray ianao, raha tsy fantatrao tsara izy.” Diniho tsara aloha ny fihetsiny sy ny fomba fiteniny ary ny fomba itondrany ny olona, dieny mbola tsy miraiki-po be aminy ianao. Nanoro hevitra toy izao ny ankizilahy iray: “Anontanio ny momba azy ny namany sy ny olon-dehibe mahafantatra azy tsara.” “Tsara laza” ve izy eo anivon’ny fiangonany? (Asan’ny Apostoly 16:2) Hoy koa ny ankizivavy iray atao hoe Isabel: “Ilaina koa ny miaraka amin’ny olona maromaro sy mamantatra ny fianakaviany.” Ho mora aminao amin’izay ny handinika azy.

Mitaky fotoana sy faharetana ny famantarana olona amin’izany fomba izany. Hanampy anao anefa izany hahafantatra ny toe-tsainy sy ny maha izy azy ary ny toetrany, ka hampitombo na hampihena ny fitiavanao azy. Hoy ny Ohabolana 20:11: “Na dia ny zaza [na ankizilahy] aza dia mampiseho amin’ny fanaony na madio sy mahitsy ny fitondrantenany.” Araka izany, na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hiseho amin’ny fihetsiny ny maha izy azy.

Mitandrema àry mba tsy halaim-panahy hanao zavatra maimaika, ka hilaza aloha loatra ny fihetseham-ponao. Raha izany mantsy no ataonao, ka manaiky ilay ankizilahy, dia any aoriana ianao vao mety hahita fa tsy ho vady tsara izy. * Halahelo izy raha tapahinao ny fifandraisanareo amin’izay, ary mety haratra mafy mihitsy aza ny fony.

Ahoana no fahitany anao?

Mandinika anao koa angamba io ankizilahy io! Miharihary amin’ny fihetsikao ve fa manana toetra kristianina ianao? Hoy i Isabel: “Voamariko fa tsy maotina ny akanjon’ny ankamaroan’ny ankizivavy. Tokony ho maotina anefa ny akanjonao, raha tianao ny ho voamariky ny olona tia an’Andriamanitra.” Na inona na inona lamaody malaza eo amin’izao tontolo izao, dia ny fiakanjonao “milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena”, no hahatonga anao hanintona kokoa ny ankizilahy tia an’Andriamanitra.—1 Timoty 2:9.

Ampirisihin’ny Baiboly koa ny tanora kristianina mba ho ‘modely eo amin’ny teny.’ (1 Timoty 4:12) Milaza zavatra be dia be momba anao ny fomba fiteninao. Inona no tokony hataonao, raha afaka miresaka amin’ilay ankizilahy ianao? Mety ho sanganehana sy hendratrendratra izy raha saro-kenatra. Hoy ny ankizivavy iray antsoina hoe Abbie: “Mety ho voatery hitari-dresaka ianao, mba hahitana izay fihetsiny.”

Amin’ny fomba ahoana anefa? Raha miresaka momba ny tenanao foana ianao, dia mety hihevitra izy hoe tsy mahalala afa-tsy ny tenanao ianao, ary tsy mieritreritra lavitra. Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘hanisy fiheverana manokana izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenantsika ihany.’ (Filipianina 2:4) Mety hilaza ny ao am-pony izy, raha toa ianao ka manontany zavatra vitsivitsy momba azy na izay mahaliana azy.

Tsy mety ny mandoka azy amin’ny “lela mamitaka” na “molotra mandainga.” (Salamo 120:2) Tonga dia ho fantatry ny olona misaina fa tsy avy amin’ny fo izany. Aza izay mahafinaritra azy fotsiny koa no lazaina, indrindra fa raha zava-dehibe toy ny tanjona eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra no resahinareo. Asehoy foana ny maha izy anao, ka miresaha amim-pahatsorana ary aza mandainga na mihatsaravelatsihy. Izany no hany fomba hahafantaranao raha mitovy na tsia ny tanjonareo.

Ahoana raha tsy miraika izy?

Ahoana anefa raha tsy mitepo fitiavana kely akory izy, na dia efa niezaka toy izany aza ianao? Herinandro na volana maromaro angamba izay no lasa, nefa mbola tsy miraika aminao ihany izy. Tokony hihevitra ve ianao fa saro-kenatra fotsiny izy? Manontania tena toy izao: ‘Vonona ho amin’ny fanambadiana ve izy, raha saro-kenatra be toy izany? Raha manambady azy aho, hahavita handray andraikitra amin’ny maha loham-pianakaviana ve izy, sa izaho no antenainy hanao izany?’ (1 Korintianina 11:3) Tsara hoeritreretina koa hoe: ‘Saro-kenatra tokoa ve izy, sa tsy tiany fotsiny aho?’ Ho mafy aminao ny hanaiky izany. Raha ekenao anefa izany, dia tsy ho afa-baraka ianao hitory fitiavana amin’ny olona tsy tia anao akory.

Mety ho hitanao mihitsy anefa hoe tia anao izy, fa miandry fotoana fotsiny hilazana izany. Mila fampirisihana kely fotsiny koa angamba izy. Raha manapa-kevitra ny hanao ny dingana voalohany anefa ianao, dia tokony ho fantatrao tsara fa tsy voatery hahomby ianao. Tokony hoeritreretinao tsara koa izay holazainao sy ny fotoana mety tsara hilazana izany.

Mety hanapa-kevitra ianao, ohatra, fa tsara kokoa raha tsy milaza aminy mivantana hoe “tia” azy. Amin’ny fotoana mety, dia azonao lazaina aminy fotsiny fa te hahafantatra azy bebe kokoa ianao. Tsy maninona na dia somary mikaviavia aza ny fomba ilazanao azy, satria ny fahatsoranao no zava-dehibe. Tadidio koa fa milaza fotsiny ianao hoe maniry hiaraka aminy, fa tsy miresaka fanambadiana. Mety tsy hampoiziny ihany anefa izany. Omeo fotoana àry izy hisaintsainany tsara izay nolazainao.

Raha fantatrao tsara io ankizilahy io, ary hitanao mihitsy fa tsara fanahy sy manaja olona izy, dia tsy tokony hatahotra ianao hoe hasiaka izy na hanala baraka anao. Ahoana kosa no tokony ho fihetsikao, raha mandà amin-katsaram-panahy nefa hentitra izy? Ary ahoana no tokony ho fihetsiky ny ankizilahy amin’ny toe-javatra toy izany? Mbola hisy lahatsoratra hamaly ireo fanontaniana ireo amin’ny manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 4 Natao ho an’ny ankizivavy indrindra ity lahatsoratra ity. Hanampy ny ankizilahy sy ny olon-kafa mieritreritra ny hiaraka amin’ny ankizivavy koa anefa ny torohevitry ny Baiboly.

^ feh. 5 Tsy voatery hampijaly ny fanambadiana namboarina. Tamin’ny andron’ny Baiboly, ohatra, dia fanambadiana namboarina ny an-dry Isaka sy Rebeka, nefa “tia azy” i Isaka. (Genesisy 24:67) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Aza maika loatra hanilika ny fomba eo an-toerana, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany.—Asan’ny Apostoly 5:29.

^ feh. 13 Hanampy anao hahafantatra ny atao hoe vady tsara ny toko faha-28 ka hatramin’ny 31, ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 22]

Mety hanova ny fitiavanao azy ny fandinihana ny fihetsiny

[Sary, pejy 22]

Raha misy olona tianao, dia miresaha amin’ny olon-dehibe matotra mahafantatra azy