Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Miasa Loatra ve ny Atidoha?

Lazain’ny mpikaroka sasany, araka ny gazety kanadianina Toronto Star, fa “sarotra ho an’ny atidoha ny manao zavatra be loatra indray miaraka.” Hita tamin’ny fikarohana fa raha manao zavatra be loatra indray miaraka ny olona, dia tsy hahavita izany tsara, hanao fahadisoana, ary harary mihitsy aza. Ohatra, mety ho ‘verivery tadidy izy, harary lamosina, ho mora voan’ny sery na tsy hahalevon-kanina, ary harary nify sy hihy mihitsy aza.’ Asehon’ny fikarohana nataon’ny Ivon-toeram-pirenena Amerikanina Misahana ny Fahasalamana, fa misy faritra maromaro miara-miasa ao amin’ny atidoha, rehefa manao zavatra iray ny olona. ‘Manomboka tsy miasa tsara intsony anefa ny atidoha’, raha manandrana manao zavatra roa na maromaro indray miaraka izy, toy ny hoe sady mitelefaonina no mitondra fiara. Izany no nolazain’ny Dr. John Sladky, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra, ao amin’ny Oniversiten’i Emory. “Tsy vitan’ny hoe tsy afaka manao izany ny atidoha, fa mandà tsy hanao izany mihitsy koa.” Milaza ny mpikaroka hoe tokony ho fantatry ny olona fa tsy afaka manao izay rehetra ampanaovina azy ny atidohany. Tokony hiezaka àry izy ireo tsy hanao zavatra be loatra indray miaraka.

Karazan-trondro Vaovao

Tsy ela izay, dia nilaza ny manam-pahaizana mandinika ny faritra misy ny Reniranon’i Caura any Venezoelà, fa “nisy karazan-trondro vaovao folo hita” tany. Anisan’izany ny trondro kely iray “manana rambo mena be”, “poisson-chat misy sanga mirantsandrantsana”, ary “piranha mihinana voankazo sy hena”, araka ny gazety El Universal, any Venezoelà. Voalaza fa iray amin’ireo toerana be zavamananaina isan-karazany indrindra eto an-tany io faritra io. Tsy mbola simba loatra ny ala sy ny rano any. Niangavian’ny mpahay siansa àry ny fitondram-panjakana mba hiaro ilay faritra. Misy mamboly, manjono, manao trano, ary mitrandraka harena an-kibon’ny tany mantsy eo amin’ilay faritra, ka mety hanimba azy io izany. Kasaina hampiasaina hahazoana herinaratra koa ny rano ao amin’izy io.

Sorena Noho ny Fiandrasana

“Voatery miandry 48 minitra eo ho eo ao amin’ny efitra fiandrasana ny marary alemà, vao afaka mandray azy ny dokotera. Mbola miandry ela be noho izany aza ny sasany”, hoy ny gazety Psychologie Heute. Tsy ela izay dia nanao fandinihana tany amin’ny toeram-piasan’ny dokotera 610 ny fikambanana mandinika momba ny fitantanana fandraharahana sy manome torohevitra mba hanatsarana izany. Hitan’izy ireo tamin’izany fa “tena tsy faly ny marary noho io toe-javatra io.” Hoy koa ilay gazety: “Nihena 19 isan-jato ny marary tonga tsy tapaka, tao anatin’ny herintaona”, rehefa tsy nanao na inona na inona ny dokotera, mba tsy hampiandrasana ela loatra ny marary. Sorena be ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy any amin’ireo toeram-pitsaboana be olona loatra raha oharina amin’ireo any an-kafa, ary tsy dia tsara ny asan’izy ireo. Manao fahadisoana avo roa heny koa ireo mpitsabo mpanampy.

Tsy Mahalala Izay Tsara sy Ratsy

Hoy ny The Sun-Herald, any Sydney: “Efa ho ny ampahefatry ny Aostralianina no niaiky fa nangalatra fitaovana fanoratana, tany am-piasany.” Fanaon’ny mpiasa koa ny mitsikilo fanazavana momba ny mpiara-miasa aminy, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny mpiasa birao 2 000 mahery. Mampiasa Internet ho azy manokana koa izy ireo mandritra ny ora fiasana, mampiditra programa ao amin’ny ordinatera iasany nefa tsy nahazo alalana, ary mampiasa ny programan’ordinateran’ny fiasany any an-tranony. Hoy i Garie Dooley, niandraikitra ilay fanadihadiana: “Betsaka ny olona hita fa tsy mahalala intsony izay tsara sy ratsy.”

Tokony Hitakiana Hetra ve ny Fandevenana Biby?

Resahin’ny gazety japoney IHT Asahi Shimbun, fa tsy ela izay dia notorin’ny fiangonana bodista iray any Japon ny manam-pahefana mpitaky hetra. Tsy tokony hitakiana hetra mantsy, hono, ny vola azony amin’ny fandevenana biby namana an-trano, na ny fandoroana ny fatin’izy ireny, na ny fitehirizana ny lavenony. Nilaza ny manam-pahefana mpitaky hetra fa manao “fifanarahana ahazoam-bola” ilay fiangonana rehefa mandoro fatim-biby sy manao fotoam-pivavahana ho azy ireny. Mitovy amin’ny olona ‘mitahiry entana, ka mahazo vola avy amin’izany’ koa izy rehefa mitahiry lavenona. Araka ny hevitr’ilay fiangonana kosa anefa, dia ‘natao hampitonena ny fanahin’ilay biby sy hanamaivanana ny alahelon’ny tompony, ireny fotoam-pivavahana ireny’, fa tsy natao hahazoam-bola.

Nihena ny Lozam-piaramanidina

Milaza ny gazety Flight International, fa olona 702 no matin’ny lozam-piaramanidina tamin’ny 2003, naneran-tany. Izany no vitsy indrindra nanomboka tamin’ireo taona 1950, fotoana niraketana an-tsoratra voalohany momba ny lozam-piaramanidina. Ny olona maty tamin’ny 2003 no vitsy indrindra, na dia nitombo 40 isan-jato aza ny zotram-piaramanidina nanomboka tamin’ny 1990. Nilaza ny antony iray mahatonga ny “loza tsy hisy firy intsony” ny gazety Daily Telegraph any Londres. Hoy izy: “Nihena ny fahadisoana ara-teknika, ka mihavitsy ny fiaramanidina midona amin’ny toerana avo. Misy fitaovana vaovao natao hampitandremana ny fisian’izy ireny mantsy ankehitriny. Voalaza anefa fa ‘tsy tonga lafatra’ io fitaovana io.” Maro amin’ireo fiaramanidina tranainy koa no tsy manana azy io.

Mamonjy ny Bevohoka ny Sira Epsom

Milaza ny gazety The Times any Londres, fa tsy dia atahorana ho saro-piterahana ka ho faty ny vehivavy bevohoka manaraka fitsaboana tsotra sy tsy lafo, ampiasana sira Epsom. Vehivavy bevohoka 50 000 mahery no maty isan-taona noho ny éclampsie, na tosidra ambony mampifanintona. Efa nampiasaina nandritra ny taona maro tany Etazonia ny ranom-panafody na tsindrona misy sira Epsom, mba hitsaboana ny olona mitady ho voan’io aretina io. Mbola tsy tena mampiasa azy io kosa ny ankamaroan’ny firenen-kafa. Noho izany, dia nisy ekipana dokotera iraisam-pirenena, tao amin’ny Fikambanana Misahana ny Fahasalamana any Oxford, Angletera, “nanapa-kevitra hijery ny soa azo avy amin’ilay sira. Nanandrana nampiasa azy io tamin’ny vehivavy 10 000 avy tamin’ny firenena 33 izy ireo”, hoy ny The Times. ‘Najanona ilay fanandramana telo taona tatỳ aoriana, satria hita fa nahomby ilay fitsaboana. Tsy dia natahorana hifanintona intsony ny vehivavy saika voan’ny éclampsie rehefa nampiasa sira Epsom. Tsy natahorana firy ny ho faty koa izy ireo. Vola £3 [na 4,50 dolara] isan’olona fotsiny no saran’ilay fitsaboana, ka afaka manao azy io koa ny vehivavy any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.’

Fomba Fisakafoan’ny Zatovo

Hoy ny Daily Telegraph any Londres: “Tena maro be ireo ankizivavy mpianatra tsy misakafo, satria matahotra sao ho ratsy bika, no sady te hitovy amin’ny mpampiranty lamaody sy ny mpihira malaza.” Nanadihady ny fomba fisakafoan’ny mpianatra 300 000, ny Fikambanana Manome Fanabeazana Ara-pahasalamana ho An’ny Sekoly any Grande-Bretagne. Hitany tamin’izany fa efa ho ny antsasaky ny ankizivavy 14 sy 15 taona no “tsy misakafo maraina alohan’ny handehanany hianatra. Raha ampitahaina amin’ny antontan’isa tamin’ny 1984 izany, dia hita fa efa ho avo roa heny ankehitriny ny ankizy tsy misakafo, rehefa miala ao an-trano.” Nitombo koa ny isan’ireo tsy misakafo antoandro. Lasa 18 isan-jato izy ireo tamin’ny 2001, raha 2 isan-jato tamin’ny 1984. Tena mety ho lasa tsy hazoto homana mihitsy na ho tenda an-kanina loatra ireo mpianatra ireo noho izany. Nasaina nanara-maso ny lanjan’ny mpianatra ao aminy àry ireo talen’ny sekolin-jazavavy. Manomboka mihatia mifady sakafo koa ny ankizilahy. Te hampihena tena ny 31 isan-jaton’ny ankizilahy 12 sy 13 taona, sy ny 25 isan-jaton’ny ankizilahy 14 sy 15 taona, raha 26 isan-jato sy 21 isan-jato izany teo aloha.