Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ataoko Rehefa Tsy Mahomby Aho?

Ahoana no Ataoko Rehefa Tsy Mahomby Aho?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Ataoko Rehefa Tsy Mahomby Aho?

“Vao avy naka ‘bulletin’ aho izao. Mbola ratsy ihany ny naotiko tamin’ireo taranja efatra. Efa niezaka ihany aho fa tsy tafavoaka e!”—Lauren, 15 taona.

“Mafy be izany hoe tsy mahomby izany. Lasa ny lafy ratsin-javatra foana no hitako.”—Jessica, 19 taona.

TSY mahomby! Tsy te hieritreritra izany akory ianao. Tsy voatery hahomby foana anefa isika. Mahakivy ny hoe tsy afa-panadinana, na nanao zavatra mahamenatra, na nandiso fanantenana ireo olona tiana, na nanao fahotana lehibe.

Marina aloha fa tsy misy olona tsy manao diso. “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra”, hoy ny Baiboly. (Romanina 3:23) Sarotra ho an’ny sasany anefa ny hiarina rehefa lavo. Izao no lazain’ny tanora iray antsoina hoe Jason: “Izaho ihany no tena mpanome tsiny ny tenako. Tsy tadidin’ny olona akory matetika ny diso nataoko nety ho nampihomehy azy. Izaho anefa mahatsiaro ilay izy foana.”

Tsy voatery ho ratsy foana akory ny mieritreritra ny tsy nety natao, indrindra raha mampirisika anao hihatsara izany. Manimba sy tsy hahavitana na inona na inona anefa ny manamelo-tena tsy an-kijanona. Hoy ny Ohabolana 12:25: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy.”

Diniho ohatra i Epafrodito, voatantara ao amin’ny Baiboly. Nirahina hanampy an’i Paoly tany Roma izy, kanjo narary ka tsy nahavita izay nanirahana azy. I Paoly indray aza no lasa nikarakara azy! Nataon’i Paoly izay hodiany, ary nilazany ny fiangonana nisy an’i Epafrodito, fa nanjary kivy be io lehilahy mahatoky io. Nahoana? “Efa renareo hoe narary izy”, hoy i Paoly. (Filipianina 2:25, 26) Azo inoana fa nahatsiaro tena ho tsy nisy vidiny izy, rehefa fantany fa ren’ny olona hoe narary, ka tsy nahavita izay nanirahana azy. Tsy nahagaga àry raha kivy be izy!

Inona no azo atao mba tsy hiferinaina rehefa tsy mahomby?

Fantaro ny fetran’ny mety ho vitanao

Hahomby kokoa ianao raha zavatra ho vitanao no ataonao tanjona. “Ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 11:2; 16:18) Mahalala ny fetran’ny mety ho vitany ny olona manetry tena. Marina fa tsara indraindray ny mitsapa hoe hatraiza ny mety ho vitanao, mba hanatsarana ny fahaizanao. Jereo anefa ny zava-misy. Tsy hahay matematika be, na ho kinga fihetsika toy ny mpanao fanatanjahan-tena malaza mihitsy angamba ianao. Miaiky toy izao ny tovolahy iray antsoina hoe Michael: “Tsy manavanana ahy ny fanatanjahan-tena. Manao ihany anefa aho, saingy tsy any amin’izay tsy ho vitako.” Manazava izy hoe: “Izay mety ho vitanao no tsy maintsy ataonao tanjona.”

Diniho ny toe-tsain’i Yvonne, 14 taona, izay voan’ny aretin’ny hazondamosina sady malemy. “Tsy mba afaka mandeha, na mandihy, na mihazakazaka toy ny hafa aho”, hoy izy. “Tsy afaka manao ny fanaon’ny olona aho, ka sorena. Tsy takatry ny ankabeazan’ny olona izany, raha ny marina. Haiko ihany anefa ny miatrika ilay izy.” Inona no toroheviny? “Tohizo foana ny ezaka ataonao. Aza kivy raha sendra tsy mahomby, na tsy mahafa-po anao izay vitanao. Ataovy foana izay tsara indrindra azonao atao.”

Aza mampijaly tena mampitaha ny tenanao amin’ny hafa. Hoy i Andrew, 15 taona: “Miezaka tsy hampitaha ny tenako amin’ny hafa aho, satria tsy mitovy ny tanjaka sy ny fahaizana ananantsika rehetra.” Mifanaraka amin’izay voalazan’ny Baiboly izany teniny izany. Hoy ny Galatianina 6:4: ‘Aoka ny tsirairay samy handinika izay ataony avy, ary amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.’

Rehefa mitaky be loatra ny hafa

Be loatra anefa indraindray ny zavatra takin’ny ray aman-dreny, na ny mpampianatra, na ny hafa aminao. Takatrao fa mety tsy hahafa-po azy ireo mihitsy ny vitanao, na miezaka tahaka ny inona aza ianao. Vao mainka mety hahakivy anao ny teniny mandratra na manambany, noho izy ireo diso fanantenana taminao. (Joba 19:2) Fantatrao fa mety ho tsy fanahy iniany izany. Hoy i Jessica: “Matetika tsy fantany akory hoe nandratra anao izy ireo. Hevitra tsy mifankahazo fotsiny ilay izy indraindray.”

Ary sao misy zavatra hitan’izy ireo fa ho vitanao, nefa tsy fantatrao? Mihevi-tena ho tsy mahay sy manambany tena loatra angamba ianao. Aza odian-tsy fantatra ny soso-keviny fa “minoa anatra.” (Ohabolana 8:33) Hoy i Michael: “Hahasoa anao izany. Ampirisihiny ianao hanao zavatra tsara satria tiany hivoatra. Raiso ho zavatra mety ho vita sy mahaliana ilay izy.”

Ahoana anefa raha mitaky zavatra tafahoatra, izay fantatrao fa tsy ho vitanao mihitsy, ny ray aman-dreninao sy ny hafa? Lazao aminy amim-pahatsorana ilay izy, nefa ataovy amim-panajana. Afaka miara- midinika izay tanjona azonao tratrarina kokoa ianareo amin’izay.

“Tsy mahomby” amin’ny andraikitra kristianina

Sarotra amin’ny tanora Vavolombelon’i Jehovah sasany, ny manatontosa ny andraikiny amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. (2 Timoty 4:5) Mety hahatsiaro tena ho tsy mahay ianao indraindray, raha tanora kristianina. Mety hihevitra ianao fa tsy mahay mamaly tsara any am-pivoriana. Na angamba sarotra aminao ny manazava ny hafatry ny Baiboly. Nampianatra Baiboly ny tovovavy iray, ohatra, i Jessica. Nandroso tsara ilay tovovavy tamin’ny voalohany. Tampoka teo anefa dia nanapa-kevitra tsy hanompo an’Andriamanitra intsony izy. Hoy i Jessica: “Nahatsiaro tena ho tsy nahomby aoka izany aho.”

Inona no nanampy an’i Jessica? Tsy maintsy niaiky aloha izy, fa tsy izy no nolavin’ilay mpianatra fa Andriamanitra. Nanampy azy koa ny fisaintsainany ny ohatr’i Petera, lehilahy natahotra an’Andriamanitra, izay nanana fahalemena maro. Hoy i Jessica: “Asehon’ny Baiboly fa afaka nandresy kilema maro i Petera, ary nampiasa azy tamin’ny fomba maro i Jehovah, mba hampandroso ny asan’ilay Fanjakana.” (Lioka 22:31-34, 60-62) Mazava ho azy fa raha hitanao hoe mila hatsaraina ny fahaizanao mampianatra dia miezaha amin’io lafiny io. (1 Timoty 4:13) Ekeo ny fanampian’ireo olona matotra ao amin’ny fiangonana, izay afaka mampianatra sy mampiofana anao.

Ny mitory isan-trano angamba anefa no tena sarotra aminao. Miaiky toy izao i Jason: “Nahatsiaro tena ho tsy nahomby aho isaky ny tsy noraisina tsara teny am-baravarana.” Inona no nanampy azy? “Tsy maintsy notadidiako fa tsy hoe tsy nahomby aho akory.” Nahomby tokoa izy satria nanao izay nasain’Andriamanitra nataony, dia ny fitoriana. Mety tsy ho mora izany tsy raisina tsara izany, nefa tsy hoe handa daholo akory ny olona. Hoy i Jason: “Rehefa misy olona mihaino dia miaiky aho hoe tena mendrika ny atao ilay izy.”

Fahadisoana lehibe

Ahoana raha nanao fahadisoana na fahotana lehibe mihitsy ianao? Nanao toy izany i Ana, tovovavy 19 taona. * Miaiky toy izao izy: “Nandiso fanantenana ny fiangonana sy ny fianakaviako aho, ary indrindra fa i Jehovah Andriamanitra.” Ilainao ny mibebaka sy mitady ny fanampian’ny anti-panahin’ny fiangonana mba ho tafarina indray. (Jakoba 5:14-16) Tena nahasoa an’i Ana izay nolazain’ny anti-panahy iray. Hoy i Ana: ‘Nanampy ahy ny teniny hoe: Na dia maro aza ny fahotana vitan’i Davida Mpanjaka, dia mbola vonona hamela ny helony foana i Jehovah, ary tafarina indray izy.’ (2 Samoela 12:9, 13; Salamo 32:5) Manaova izay rehetra azonao atao mba hampatanjaka ny finoanao. Hoy i Ana: “Averimberiko vakina ny bokin’ny Salamo, ary soratako ao anaty diary izay andininy mampahery ahy.” Rehefa mandeha ny fotoana, dia tafarina ihany ireo nanao fahotana lehibe. Hoy ny Ohabolana 24:16: “Potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany.”

Mandroso hatrany na tsy nahomby aza

Na dia zavatra kely tsy mety fotsiny aza dia efa mety hahakivy anao. Inona no hanampy anao handroso hatrany? Fakafakao aloha ny zava-nitranga. Mampirisika i Michael hoe: “Toy izay hihevi-tena ho tsy mahomby mihitsy, dia fantaro aloha hoe inona ilay tsy nahombiazanao ary inona no antony. Amin’izay dia afaka hanao tsaratsara kokoa ianao amin’ny manaraka.”

Aza mifantoka loatra amin’ny fihetseham-ponao koa. Ao “ny andro ihomehezana”, ka mety mba hihomehy ny tenanao koa ianao! (Mpitoriteny 3:4) Manaova zavatra mahafinaritra, toy ny fialam-boly na fanatanjahan-tena, raha kivy ianao. Hatoky tena kokoa ianao raha ‘manankarena amin’ny asa tsara’, toy ny hoe miresaka ny finoanao amin’ny hafa.—1 Timoty 6:18.

Tadidio fa “mamindra fo sy miantra Jehovah. ... Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy.” (Salamo 103:8, 9) Hoy i Jessica: “Arakaraka ny ahatsapako ho akaikin’i Jehovah no ananako toky, fa hanampy sy hanohana ahy amin’izay mitranga eo amin’ny fiainako izy.” Mampahery ny mahafantatra fa sarobidy amin’ilay Rainao any an-danitra ianao, na dia tsy mahomby aza.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 23 Novana ny anarana.

[Sary, pejy 22]

Resaho amim-panajana raha tsapanao fa hitakiana be loatra ianao

[Sary, pejy 23]

Tsy hifantoka amin’ny tsy fahombiazana ianao raha manao zavatra mahafinaritra