Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy Fahampian-torimaso Misaotra tamin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Ampy Torimaso ve Ianao?” (8 Martsa 2004) Tondraka foana ny fampianarana sy fanazavana ary fampiononana azon’ny mpamaky ny Mifohaza! Sempotra teo am-patoriana aho nandritra ny roa taona sy tapany teo ho eo. Tsapako fa nisy zavatra tsy nety nefa tsy fantatro hoe inona, tamin’ny voalohany. Rehefa fantatro izay nanjo ahy, dia hitako fa tena misy vokany ratsy ny tsy fahampian-torimaso! Hanampy ahy hanazava amin’ny namako ny zavatra mahazo ahy io gazety io.

W. M., Etazonia

Mampiasa ordinatera aho rehefa miasa. Lasa tsy matory ara-dalàna aho noho ny fandaharam-potoanako. Tsy ela izay dia zara raha natory aho nandritra ny alina maromaro, mba hamitana asa. Nanao ny fampandrenesana tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho, taoriana kelin’izay. Somary nikorontana anefa ny saiko, ka ny nifanohitra tamin’izay tokony hoteneniko no nolazaiko! Tena natahotra aho rehefa namaky io gazety io ka nahita ny voka-dratsin’ny tsy fahampian-torimaso. Mazava àry fa tonga izao ny fotoana tokony hiheverako indray ny fahazarako matory.

T. I., Japon

Voan’ny aretin’ny ranjo mihetsiketsika foana, toy ny voalazan’ilay andian-dahatsoratra aho. Marina fa efa mitsabo tena aho, kanefa ilay fampanantenan’ny Baiboly ao amin’ny Isaia 33:24 no atokisako. Milaza izy io fa tsy ho ela dia ‘tsy hisy mponina hilaza hoe: Marary aho.’

L.O.G., Espaina

Misy fanazavana tsy marina momba ilay aretin’ny ranjo mihetsiketsika foana, ao amin’ilay lahatsoratrareo. Voan’io aretina io aho, ary diso ny antony nolazainareo fa mahatonga azy io. Aretin’ny rafi-pitatitra any amin’ny hozatra izy io.

Y. J., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tsy nandalina ny anton’io aretina io ilay lahatsoratra, fa niresaka kosa zavatra sasany heverin’ny mpikaroka fa mety hifandray amin’izy io. Na izany aza, dia misy fanazavana bebe kokoa momba io aretina io ao amin’ny Mifohaza! 8 Desambra 2000. Izao no lazain’io gazety io: “Sarotra ny milaza marina izay mahatonga ny RLS, na dia hitan’ireo manam-pahaizana manokana ho aretina mifandray amin’ny rafi-pitatitra aza izy io.”

Miresaka Firaisana An-telefaonina Misaotra indrindra tamin’ilay lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana no Tena Ratsy ny Miresaka Firaisana An-telefaonina?” (8 Novambra 2004) Niharan’io zava-manahirana lehibe io aho. Nanimba ny fifandraisako tamin’i Jehovah izany, ary nitarika ahy hanao fahotana lehibe, ka namoizako ny andraikitro teo anivon’ny fiangonana. Enga anie hanana ny fahendrena avy amin’i Jehovah foana ianareo, rehefa mamoaka lahatsoratra manatanjaka ny finoanay.

J. H., Espaina

Saka Mpirenireny Telo ambin’ny folo taona aho, ary tena tiako ny mamaky Mifohaza! Nahafinaritra ahy ilay lahatsoratra hoe “Ireo Saka Lasa Mpirenireny.” (8 Febroary 2004) Tiako ny biby rehetra, indrindra fa ny saka. Tsy andriko mihitsy izay hahazoana ny nomerao manaraka!

Z. B., Rosia

Finoan’ny Mpahay Siansa Iray Tena nanohina ahy ilay lahatsoratra hoe “Nahoana Aho no Mino ny Baiboly?—Tantaran’ny Mpahay Siansa Iray.” (8 Febroary 2004) Nisy porofo tsy azo lavina nahatonga ahy ho resy lahatra tamin’ny fahamarinana ara-baiboly, enin-taona lasa izay. Lasa mankasitraka izay nianarako koa aho izao. Manatanjaka ny finoako ny tantaram-piainana toy ny an’i Alton Williams. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho noho izy manome porofo araka izay ilain’ny tsirairay, mba handresen-dahatra azy ireo.

E. L., Hongria