Fandrosoana eo Amin’ny Ady Atao Amin’ny SIDA
Fandrosoana eo Amin’ny Ady Atao Amin’ny SIDA
Milaza ny Pr. Gerald Stine ao amin’ilay bokiny hoe Vaovao Farany Momba ny SIDA 2003 (anglisy), fa anisan’ny zava-bita miavaka teo amin’ny siansa ny fikarohana momba ny VIH/SIDA. Be dia be no fantatra momba an’io aretina tena manahirana io tao anatin’ny fotoana fohy. Inona avy izany?
NITOMBO ny fahalalana sy ny traikefa teo amin’ny fitsaboana, ka vitan’ny mpikaroka ny nampiaraka fanafody maromaro hitsaboana ny olona mitondra ny otrikaretina VIH. Nahavelom-panantenana an’ireny olona ireny izany. Nisy vokany koa ny fampahafantarana momba ny SIDA, tany amin’ny firenena maromaro. Midika àry ve izany fa efa manomboka tsy hisy intsony io areti-mifindra mahafaty io? Mety hampijanona ny fiparitahan’ny SIDA ve ny ezaka ataon’ny manam-pahaizana sy ny mpanabe ankehitriny? Diniho izao manaraka izao.
Fampiasana fanafody
Izao no lohateny lehibe tao amin’ny gazety Fotoana (anglisy), tamin’ny 29 Septambra 1986: “Misy Fanantenana Kely eo Amin’ny Ady Atao Amin’ny SIDA.” Ny vokatry ny fanandramana iray no nahatonga izany “fanantenana kely” izany. Nandramana nampiasaina ny azidothymidine (AZT), izay fanafody (antirétroviral na ARV) natao hiadiana amin’ny VIH. Tsara homarihina fa ela velona kokoa ny marary nampiasa azy io. Olona ana hetsiny, nanomboka tamin’izay, no ela velona kokoa, rehefa nampiasa ARV. (Jereo ilay efajoro eo amin’ny pejy faha-7 hoe “Inona avy Ireo Fanafody ARV?”) Nandaitra tokoa ve ny ARV?
Tena faly ny olona, rehefa nivoaka ny AZT. Nino anefa ny mpikaroka, araka ny gazety Fotoana, fa “tsy mahasitrana tanteraka ny SIDA ny AZT.” Marina ny azy. Nisy marary tsy nahazaka AZT. Nanamboatra ARV hafa àry ny mpikaroka. Tatỳ aoriana, dia neken’ny Birao Amerikanina Miandraikitra ny Sakafo sy ny Fanafody, ny fampiarahana ARV maromaro, rehefa miharatsy ny fahasalaman’ilay olona. Telo na mihoatra ny ARV asaina indray hohaniny amin’izany. Tena nankasitrahan’ny mpitsabo miady amin’ny SIDA izany. Nisy mihitsy aza dokotera nilaza tamin’ny zaikabe iraisam-pirenena momba ny SIDA tamin’ny 1996, fa mety ho afak’izy io tanteraka ny VIH!
Mampalahelo fa tao anatin’ny herintaona, dia hita fa tsy afaka ny VIH na dia narahina tsara
aza ny fihinanana fanafody telo miaraka. Na izany aza, dia nanao tatitra ny ONUSIDA fa “ela velona kokoa sy salama kokoa ary manana fiainana mahafinaritra kokoa, ny marary nampiasa ARV maromaro miaraka.” Nihena 70 isan-jato mahery, ohatra, ny isan’ny olona matin’ny SIDA tany Etazonia sy Eoropa, noho ny fampiasana ARV. Hita tamin’ny fandinihana maromaro koa, fa mety tsy hamindra VIH amin’ny zaza ao an-kibony ny vehivavy bevohoka manaraka fitsaboana amin’ny ARV voafantina tsara.Olona an-tapitrisany mitondra ny otrikaretina VIH anefa no tsy mahazo ARV. Nahoana?
“Aretin’ny mahantra”
Ampiasaina betsaka any amin’ny tany manankarena ny ARV. Milaza kosa anefa ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), fa 5 isan-jato monja amin’ireo mila ARV no mahazo izany any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sasany. Nahateny mihitsy ny iraky ny Firenena Mikambana fa “tena tsy rariny” sy “haratsian-toetran’ny tany mandroso” izany tsy fitoviana izany.
Mety tsy hahazo fitsaboana mitovy koa, na dia ny olona iray firenena aza. Resahin’ny gazety Gilaoby sy Taratasy fa 1 isaky ny Kanadianina 3 matin’ny SIDA, no tsy notsaboina mihitsy tamin’ny ARV. Misy olona tsy omena an’io fanafody io any Kanada, na dia tsy vidina aza izy io any. Hoy ny Gilaoby: “Ireo tena mila fitsaboana no tsy mahazo izany, dia ireo tompon-tany nozanahina sy ny vehivavy ary ny mahantra.” Tantarain’ny gazety Ilay Mpiambina (anglisy), fa niteny toy izao ny renim-pianakaviana afrikanina iray mitondra ny otrikaretina VIH: “Tsy azoko hoe nahoana ireo lehilahy fotsy hoditra manao firaisana amin’ny lehilahy no afaka ny ho velona, fa izaho tsy maintsy ho faty?” Ny halafon’ny famokarana sy ny fizarana ireo fanafody ireo no mahatonga izany.
Eo anelanelan’ny 100 tapitrisa FMG sy 150 tapitrisa FMG isan-taona no saran’ny fitsaboana ampiasana fanafody ARV telo miaraka, any Etazonia sy Eoropa. Efa misy fanafody nalaina tahaka avy amin’izy ireo, amidy any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sasany, ka telo tapitrisa FMG na latsaka no sarany isan-taona. Mbola lafo be ihany anefa izany ho an’ny olona maro, any amin’ireo tany tena mila azy indrindra. Nofintinin’ny Pr. Stine toy izao izany: “Aretin’ny mahantra ny SIDA.”
Famokarana fanafody
Tsy mora ny maka tahaka ny fanafody ARV sy ny mivarotra izany amin’ny vidiny ambany. Misy lalàna hentitra any amin’ny tany maro, mandrara ny fakana tahaka fanafody, raha tsy nahazoana alalana izany. “Resaka vola no mampiady amin’ilay izy”, hoy ny talen’ny orinasa lehibe iray mpanamboatra fanafody. Milaza izy fa “tsy rariny ho an’ny olona namorona ireny fanafody ireny”, raha alaina tahaka ny fanafodiny, ka amidy any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana mba hahazoana tombony. Milaza koa ireo orinasa mpanamboatra fanafody, fa mety ho kely ny vola hanaovana fikarohana sy hanamboarana fanafody vaovao, raha ahena ny tombony azo. Ny hafa kosa matahotra sao ho lasa any amin’ny varo-maizina any amin’ny tany mandroso ny ARV mora vidy, natokana ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana.
Milaza anefa ireo olona mangataka ny hisian’ny ARV mora vidy, fa 5 na 10 isan-jato monja
amin’ny sarany alain’ny orinasa mpanamboatra fanafody, dia efa mahavita fanafody vaovao. Niresaka koa izy ireo fa matetika no tsy mikaroka sy manamboatra fanafody ho an’ny tany mahantra, ny orinasa tsy miankina mpanamboatra fanafody. Hoy àry i Daniel Berman, mpandrindra ilay tetikasa antsoina hoe Fahazoana Ireo Fanafody Tena Ilaina: “Tokony hisy fifanarahana iraisam-pirenena hatao hampidinana ny vidin’ny fanafody vaovao, mba ho zakan’ny olona any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.”Ilaina maneran-tany tokoa ny ARV. Mikasa hanome ARV ho an’ny olona telo tapitrisa mararin’ny VIH/SIDA àry ny OMS, amin’ny faran’ny taona 2005. Nampitandrina i Nathan Ford, avy amin’ny Médecins Sans Frontières, fa “tsy tokony ho lasa tanjona tsy tratran’ny ONU indray” io tetikasa io. Milaza mantsy izy fa “antsasany monja amin’ny olona heverina ho mila fitsaboana ireo telo tapitrisa ireo, ary hitombo be izy ireo [amin’ny taona 2005].”
Olana hafa
Tsy maintsy hisy olana hafa horesena anefa, na dia homena ARV ampy aza ny tany an-dalam-pandrosoana. Tsy maintsy hohanina miaraka amin’ny sakafo sy rano madio ny fanafody sasany, nefa olona ana hetsiny no tsy misakafo raha tsy isaky ny roa andro, any amin’ny tany sasany. Efa misy ora fihinanana azy koa isan’andro ny ARV (matetika no pilina 20 na mahery isan’andro), nefa marary maro no tsy manana famantaranandro. Tsy maintsy ovana arakaraka izay mitranga amin’ilay marary koa ny fanafody omena azy. Tena tsy ampy anefa ny dokotera any amin’ny tany maro. Mbola hanahirana ihany àry ny hanome ARV, ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana.
Mahita olana koa ny marary any amin’ny tany mandroso. Voamarika fa tena be dia be no tsy mihinana ny fanafody rehetra, amin’ny ora tokony hihinanana azy. Mety hiteraka VIH tsy handairam-panafody intsony izany. Mety hifindra amin’ny olon-kafa io karazana VIH io.
Miresaka olana hafa hitan’ny olona mitondra ny otrikaretina VIH koa ny Pr. Stine. Hoy izy: “Izao no mahavariana amin’ny fitsaboana ny VIH: Ratsy noho ilay aretina indraindray
ny vokatr’ilay fitsaboana, indrindra raha atomboka alohan’ny isehoan’ireo soritr’aretina ilay izy.” Misy voka-dratsiny matetika ny fampiasana ARV. Lasa voan’ny diabeta ny olona sasany, matavy loatra, be kolesterola, ary mihamalemy taolana. Mety hahafaty mihitsy aza ny vokany hafa.Fisorohana
Nisy ezaka natao mba hisorohana ny SIDA. Nihena ve ny fiparitahan’io aretina io? Nanova ny fitondran-tenany koa ve ny olona mba tsy ho voan’izy io? Nampahafantarina imbetsaka ny SIDA tany Ouganda, nandritra ireo taona 1990. Nihena ho 8 isan-jato teo ho eo àry ny fiparitahan’ny VIH tany amin’io tany io tamin’ny taona 2000, raha 14 isan-jato izany teo aloha. Niezaka koa i Sénégal nampahafantatra ny mponina tao aminy, ny fomba mety hampifindra ny otrikaretina VIH. Vokatr’izany, dia nijanona ho 1 isan-jato foana ny fiparitahan’ny SIDA teo amin’ny olon-dehibe tany amin’io tany io. Mahafaly izany vokatra izany.
Tsy tena mahomby toy izany anefa ny fampahafantarana momba ny SIDA any amin’ny tany hafa. Nisy tanora kanadianina 11 000 nadinadinina tamin’ny taona 2002. Nino ny antsasaky ny ankizy ao amin’ny taona voalohany any amin’ny lise fa azo sitranina ny SIDA. Nisy fanadihadiana natao koa tany Grande-Bretagne tamin’io taona io ihany. Fantatra fa mbola tsy nandre momba ny VIH na SIDA mihitsy, ny 42 isan-jaton’ny ankizilahy eo anelanelan’ny 10 sy 11 taona. Misy aza tanora mahalala fa misy ny VIH sy ny SIDA sady tsy azo sitranina, nefa nanjary tsy niraharaha izany. Hoy ny dokotera iray: “Ho an’ny tanora maro, ny VIH dia lasa anisan’ireo olana hafa rehetra eo amin’ny fiainany, toy ny hoe hisakafo tsara ve izy sa tsia, iza no hiara-mipetraka aminy, handeha hianatra ve izy sa tsia.”
Tsy mahagaga àry raha nilaza ny OMS hoe: “Ny fanampiana ny tanora angamba no fomba tsara indrindra iadiana amin’io areti-mifindra io, indrindra any amin’ireo tany tena betsaka azy io.” Ahoana no azo anampiana ny tanora hankatò ny fampitandremana azony momba ny SIDA? Azo atao ve ny manantena fa ho resy ny SIDA?
[Teny notsongaina, pejy 6]
Roa isan-jato monja tamin’ny Afrikanina nila ARV no nahazo izany tamin’ny herintaona, nefa 84 isan-jato ny Amerikanina
[Efajoro/Sary, pejy 7]
Inona avy Ireo Fanafody ARV? *
Rehefa salama ny olona, dia mandrisika ny hery fiarovana hiady amin’ny otrikaretina ny sela T mpanampy ao aminy. Ireo sela T ireo no tena kendren’ny VIH. Mampiasa ireo sela ny VIH mba hamokarana VIH hafa. Mihareraka sy potika àry ny sela T, ka voa mafy ny hery fiarovana amin’ny farany. Mampijanona izany famokarana VIH izany ireo fanafody ARV.
Misy efatra izao ny karazana ARV ampiasaina. Ny roa misakana ny VIH tsy hanova ny ADN ao amin’ny sela. Ny fahatelo misakana ny anzima protéase ao amin’ny sela efa voa, mba tsy hanamboatra ilay virosy, ka tsy hamokatra VIH hafa intsony. Ny fahefatra kosa misakana ny VIH tsy hiditra ao amin’ny sela. Ela kokoa ilay olona vao voan’ny SIDA, rehefa sakanan’ny ARV toy izany ny fitomboan’ny VIH. Ny SIDA no fara fihomboan’ilay aretina.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 28 Tsy izay rehetra mitondra ny otrikaretina VIH no azo tsaboina amin’ny ARV. Tokony hanatona dokotera aloha ny olona efa mitondra na atahorana hitondra otrikaretina VIH, izay vao manaraka fitsaboana iray. Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana iray manokana ny Mifohaza!
[Sary]
KENYA—Dokotera manazava amin’ny mararin’ny SIDA ny fitsaboana amin’ny ARV
[Sary nahazoan-dalana]
© Sven Torfinn/Panos Pictures
[Sary]
KENYA—Mararin’ny SIDA maka ARV any amin’ny hopitaly
[Sary nahazoan-dalana]
© Sven Torfinn/Panos Pictures
[Efajoro/Sary, pejy 8]
Ny Vehivavy sy ny SIDA
Vehivavy izao ny antsasaky ny olon-dehibe mararin’ny VIH/SIDA
Fantatra tamin’ny 1982, fa nisy vehivavy koa voan’ny SIDA. Noheverina tamin’izay, fa noho izy ireo nitsindrona zava-mahadomelina no nahatonga izany. Tsy ela anefa dia hita fa mety hahatonga azy ireo ho voa koa, na dia ny firaisana tsotra eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy aza. Izy ireo koa no tena mora ifindran’ny VIH indrindra. Vehivavy izao ny antsasaky ny olon-dehibe mararin’ny VIH/SIDA maneran-tany. Hoy ny ONUSIDA: “Ny betsaka voan’io areti-mifindra io dia ny vehivavy sy ny ankizivavy farofy, sahirana ara-bola, mijaly noho ny fiaraha-monina misy azy sy ny kolontsainy, ary mikarakara irery ny marary sy ny efa ho faty.”
Nahoana no mampanahy kokoa an’ireo mpitsabo miady amin’ny SIDA ny fitomboan’ny vehivavy voan’izy io? Matetika no avakavahana kokoa noho ny lehilahy ny vehivavy mitondra ny otrikaretina VIH, indrindra any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sasany. Raha bevohoka izy, dia atahorana ny fahasalaman’ny zanany. Raha efa manan-janaka izy, dia sarotra aminy ny mitaiza azy ireo, indrindra raha tsy manambady izy. Tsy dia fantatra koa ny zava-mitranga manokana amin’ny vehivavy mitondra ny otrikaretina VIH sy ny fitsaboana azy.
Vao maika mitera-doza ho an’ny vehivavy ny kolontsaina sasany. Tsy mahazo miresaka momba ny firaisana ny vehivavy any amin’ny tany maro. Mety hiharan’ny herisetra koa izy ireo, raha tsy manaiky hanao firaisana. Mazàna ny lehilahy no manao firaisana amin’ny vehivavy maro, ary tsy fantany akory fa mamindra VIH amin’izy ireo izy. Manao firaisana amin’ny ankizivavy ny lehilahy afrikanina sasany mba tsy ho voan’ny VIH, na noho ny finoanoam-poana fa mahasitrana SIDA ny firaisana amin’ny virjiny. Tsy mahagaga àry raha milaza ny OMS hoe: “Ny lehilahy (ary koa ny vehivavy) no tsy maintsy ampiana, raha tiana ho voaro ny vehivavy.”
[Sary]
PEROA—Reny mitondra ny otrikaretina VIH sy ny zanany vavy tsy namindrany
[Sary nahazoan-dalana]
© Annie Bungeroth/Panos Pictures
[Sary]
TAILANDY—Anisan’ny fampianarana ny ankizy ny fitsidihana ny mararin’ny SIDA
[Sary nahazoan-dalana]
© Ian Teh/Panos Pictures
[Sary]
KENYA—Fihaonana tamin’ireo anisan’ny fikambanan’ny Vehivavy Voan’ny SIDA
[Sary nahazoan-dalana]
© Sven Torfinn/Panos Pictures
[Efajoro/Sary, pejy 9]
Hevi-diso Momba ny SIDA
◼ Hatsatra ny olona mitondra ny otrikaretina VIH. Hoy ny Pr. Gerald Stine: “Matetika no afaka 10 na 12 taona eo ho eo vao voan’ny SIDA ny olona mitondra ny otrikaretina VIH. Zara raha ahitana na tsy ahitana soritr’aretina mihitsy eo amin’ilay olona mandritra io fotoana io. Afaka mamindra amin’ny olon-kafa anefa izy.”
◼ Aretin’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy ny SIDA. Noheverina fa aretin’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy ny SIDA, tany am-piandohan’ireo taona 1980. Saiky maneran-tany anefa ankehitriny, dia ny firaisan’ny lehilahy amin’ny vehivavy no tena mamindra VIH.
◼ Ny firaisana amin’ny vava no “firaisana tsy mampidi-doza indrindra.” Hoy ny Foibe Miady Amin’ny Aretina: “Hita tamin’ny fandinihana maro fa mety hamindra VIH, sy aretina hafa azo avy amin’ny firaisana ny fanaovana firaisana amin’ny vava.” Marina fa vitsy kokoa ireo mety hifindran’ny VIH avy amin’izy io noho ny avy amin’ny karazana firaisana hafa. Lasa be mpanao anefa izy io, ka misy dokotera mino fa io no ho lasa fomba lehibe iray hampifindra ny VIH.
◼ Azo sitranina ny SIDA. Marina fa mety ho ela kokoa vao lasa SIDA ny VIH ao amin’ny marary sasany, rehefa mampiasa ARV izy. Mbola tsy misy vaksiny na fanafody mahasitrana ny SIDA anefa.
[Sary]
REPOBLIKA TSEKY—Fakana ra ho fitiliana ny SIDA, aretina misy fanafody fa tsy azo sitranina
[Sary nahazoan-dalana]
© Liba Taylor/Panos Pictures
[Sary, pejy 6]
ZAMBIA—Ankizivavy roa mitondra ny otrikaretina VIH, miandry ny fanafodiny
[Sary nahazoan-dalana]
© Pep Bonet/Panos Pictures