Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanao Tokantranomaso ve vao Hivady?

Hanao Tokantranomaso ve vao Hivady?

Hanao Tokantranomaso ve vao Hivady?

“FAHITA any amin’ny tany mandroso”, ny lehilahy sy vehivavy tsy vita soratra ara-dalàna nefa miara-mipetraka, hoy ny Gazety Momba ny Fanambadiana sy Fianakaviana (anglisy). Hoy koa izy io: ‘Efa ho ny antsasak’ireo manao tokantranomaso, no mihevitra izany ho fomba amantarana raha mifanara-toetra tsara izy ireo na tsia.’ Raha marina izany hoy ilay Gazety dia “tsy tokony hisy tsy fifanarahana sy hateza kokoa ny fanambadiany any aoriana.”

“Mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy”, hoy ihany ilay Gazety. “Hita fa tsy sambatra loatra ireo nanao tokantranomaso vao nivady. Tsy miara-manao zavatra firy izy ireo, mifamaly matetika, tsy dia mifanohana, tsy mahavaha olana loatra, [ary] be zava-manahirana ... Ankoatra izany, dia ahina kokoa hisara-panambadiana ireo nanao tokantranomaso raha ampitahaina amin’ireo tonga dia nivady ara-dalàna.”

Mampiseho izany fa tena tsy fahendrena mihitsy ny mitoky amin’izay heverin’ny olona fa mety. Manamafy izay voalaza ao amin’ny Jeremia 10:23 izany, manao hoe: “Tsy an’ny olombelona ... ny hahalavorary ny diany.” Fahendrena kokoa àry ny miantehitra amin’ny Tenin’Andriamanitra, satria misy torohevitra tena tsara momba ny fanambadiana ao! (2 Timoty 3:16) Ilazan’ny Baiboly toy izao ohatra ny mpivady: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.”—Genesisy 2:24; Matio 19:5.

Antenaina ho sambatra sy haharitra kokoa àry ny fanambadian’ireo mankatò ny tari-dalan’Andriamanitra, fa tsy toy ny an’ireo manaraka ny hevi-dison’olombelona, izay miovaova matetika.—Ohabolana 3:5, 6.