Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Internet—Ahoana no Iarovan-tena Amin’ny Loza Entiny?

Internet—Ahoana no Iarovan-tena Amin’ny Loza Entiny?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Internet—Ahoana no Iarovan-tena Amin’ny Loza Entiny?

MIJERY ny vidin’ny sozà any Chicago, any Etazonia, ny mpamboly iray any ambanivohitr’i Inde, mba hahafantarany ny fotoana tsara indrindra ivarotany vokatra. Mandritra izany fotoana izany koa dia mitsiky ny ramatoa be iray mamaky ny e-mail nalefan’ny zafikeliny, mijery ny toetr’andro any amin’ny toerana halehany ny rangahy iray, ary mahita fanazavana tsara momba ny entimodin’ny zanany ny reny iray. Amin’ny alalan’ny Internet daholo izany rehetra izany. Maherin’ny 600 tapitrisa ny olona mampiasa azy io eran-tany, ary tsy mitsaha-mitombo izany ka mampiova ny fomba fifaneraserana sy fanaovana raharaham-barotra.

Ny tanora no tena mazoto mampiasa Internet. Mihabetsaka ny mpianatra mijery vaovao sy mikaroka fanazavana ao amin’izy io, fa tsy any amin’ny tranomboky intsony. Nitarika fanadihadiana natao tamin’ny tanora manao fianarana ambony any Etazonia i Deanna Tillisch. Hoy izy: ‘Raha tsorina, dia saika mampiasa Internet foana ireo mpianatra ireo, amin’ny fianarana ataony.’ Fitaovana sarobidy tokoa ny Internet amin’izao andro izao.

Arakaraka ny mampahatanjaka ny fitaovana iray no mety hahatonga azy hampidi-doza. Mahavita zavatra betsaka noho ny tsofa tsotra, ohatra, ny tsofa elektrika, nefa tsy maintsy mitandrina tsara izay mampiasa azy. Toy izany koa fa tena ilaina sy ahavitan-javatra ny Internet, nefa tsy maintsy mitandrina isika rehefa mampiasa azy, satria mety hampidi-doza izy io. Nanahy ny amin’izany loza izany ny firenena 40 mahery ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina, ka namolavola fifanekena iraisam-pirenena, mba hiarovana ny olona amin’ny heloka bevava ampiasana Internet.

Nahoana no matahotra toy izany izy ireo? Inona no loza tokony hahamailo ny Kristianina? Tokony tsy hampiasa Internet mihitsy ve ianao noho izany loza izany? Inona no tari-dalana omen’ny Baiboly?

Mila mitandrina isika

Nampitandrina momba ny loza entin’ny “mpamoron-tsain-dratsy” sy “misaintsaina hanao ratsy” ny Baiboly, taonjato maro lasa izay. (Ohabolana 24:8) Nilaza i Jeremia mpaminany fa “ratsy fanahy” ireny olona ireny sady ‘feno fitaka’ ny tranony. “Mamela-pandrika” toy ny mpihaza vorona izy, mba ahazoana olona sy ‘harena.’ (Jeremia 5:26, 27) Noho ny teknolojia, dia mahavita manamboatra karazana fandrika vaovao ny “ratsy fanahy” ankehitriny. Andeha isika handinika fandrika sasany mety hampitondra faisana ny Kristianina.

Mampidi-bola 25 tapitrisa tapitrisa FMG eo ho eo isan-taona ny boky sy sary vetaveta ao amin’ny Internet. Nitombo tsy nisy toy izany ny toerana ahitana sary vetaveta ao amin’ny Internet, tato anatin’ny dimy taona farany. Heverina fa efa mihoatra ny 260 tapitrisa izao ny isan’ireny toerana ireny, izay mitombo be foana. Hoy ny Pr. Kimberly Young, talen’ny fikambanana iray mikarakara ireo olona andevozin’ny Internet: Mihanaka be ao amin’ny Internet ny sary vetaveta, ka mety hahita azy ireny tsy nahy ianao. Noho izany, dia atahorana kokoa ho andevozin’ny sary vetaveta ny olona.”

Milaza amintsika ny Baiboly fa “tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany ka voafandrik’izany.” (Jakoba 1:14) Mihevitra ireo mpivarotra sary vetaveta fa mety ho voany daholo izay manana ordinatera, ka mampiasa tetika samihafa izy hanairana ny ‘fanirian’ireny’ olona ireny, izany hoe “ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso.” (1 Jaona 2:16) Ny hisarika sy hamandrika ny olona mampiasa Internet tsy manampo na inona na inona no tanjony, ary ireo no andramany ‘taomina.’—Ohabolana 1:10.

Mazàna no mamitaka ireo mpivarotra boky sy sary vetaveta, toy ny ratsy fanahy fahiny ihany. Miezaka mafy hisarika mpividy izy ireo, ka mandefa e-mail roa arivo tapitrisa eo ho eo isan’andro, izay misy sary sy soratra vetaveta. Matetika no toa tsy mampiahiahy ilay e-mail rehefa jerena ny lohateniny. Sary mamoafady tsy toko tsy forohana anefa no miseho raha vao sokafanao ilay izy, ary sarotra ny manajanona azy. Raha mangataka ny tsy handefasana azy ireo intsony ianao, dia vao mainka handefasany be dia be.

Mametraka fotsimbary eo amin’ny lalana mankao amin’ny fandrika ny mpihaza vorona. Mitsaingoka tsirairay ireo voam-bary matsiro ilay vorona tsy manampo na inona na inona. Mikatona tampoka anefa ilay fandrika ka tratra ao izy! Toy izany koa ny olona sasany, izay liana te hahafanta-javatra, ka manandranandrana mijery sary manaitra ny filan’ny nofo. Mieritreritra izy ireo fa tsy misy mahita. Mahafinaritra ny sasany ilay izy, ka miverina mijery izy, ary mihamatetika kokoa. Mety ho menatra sy enjehin’ny eritreriny izy. Lasa mahazatra azy anefa ireo sary nahatsiravina azy taloha, rehefa mandeha ny fotoana. Rehefa lasa tia mijery sary vetaveta ilay olona, ny Internet dia toy ny zezika mampirongatra haingana ny faniriany ka mitarika azy hanota. (Jakoba 1:15) Hoy ny Pr. Victor Cline, psykology efa nitsabo olona an-jatony nandevozin’ny sary vetaveta: ‘Manjary manana toetra ratsy mampidi-doza izy ireo, satria tsy mitady afa-tsy ny fahafinaretan’ny nofony, sady tsy manaraka fitsipika intsony.’

Ny loza entin’ny resaka atao amin’ny Internet

Mety handany fotoana ny fandaharana ahafahana mifampiresaka ao amin’ny Internet, sady mihabetsaka ny tokantrano ravan’izy io. Sorena noho ny fotoana lanin’ny vadiny hijerena Internet ny lehilahy iray, ka nanoratra hoe: “Mandefa ordinatera izy raha vao tonga avy any am-piasana. Tsy miala eo izy raha tsy afaka adiny dimy na maherin’izany. Manimba ny tokantranonay ilay izy.” Maka ny fotoana tokony hiarahanao amin’ny vady aman-janakao tokoa, ny fotoana laninao amin’ny Internet.

Hoy i Angela Sibson, filohan’ny fikambanana iray mpanoro hevitra momba ny fanambadiana: “Ahafahana mifandray amin’olon-kafa”, ny Internet. “Mety hisy heriny lehibe ilay fifandraisana, ka handrava ny efa misy.” Resaky ny mpinamana fotsiny ilay izy amin’ny voalohany, nefa vetivety dia mety ho lasa lavitra kokoa. Maniry hanao firaisana maloto ireo olona “mifetsy am-po”, ka ‘mandrobo’ na manao teny mamy amin’ireo olona fitahiny. (Ohabolana 6:24; 7:10) Voafitaka i Nicola, vehivavy 26 taona, any Royaume-Uni. Hoy izy: “Nitory fitiavana tamiko foana izy. Niteny tamiko foana izy fa mahafinaritra be aho. Solafaka aho satria nino ny teniny.” Nilaza ny Pr. Al Cooper, mpanoratra ny boky Ny Firaisana sy ny Internet: Boky ho An’ny Mpitsabo (anglisy), fa tokony “hasaina mitandrina ny olona, satria matetika no miafara amin’ny fisaraham-panambadiana ny filalaovana fitia ao amin’ny Internet.”

Ny ankizy indrindra no mora voa sy hararaotin’ny mpametaveta mampiasa Internet. Tsy mahafanta-javatra loatra mantsy ny ankizy, ka ataon’izy ireny lasibatra sy ‘andaingany’ ary ‘fitahiny.’ (Ohabolana 4:24; 7:7) Miseho ho tena tia sy miahy ary tsara fanahy amin’ilay ankizy izy, mba hahatonga azy io hahatsiaro tena ho miavaka amin’ny ankizy rehetra. Miseho ho mahalala ny zavatra rehetra tian’ilay ankizy koa izy, anisan’izany ny mozika sy ny fialam-boly mahafinaritra azy. Asongadiny ireo olana madinika mitranga ao an-tranon’ilay ankizy, mba hampisarahana azy amin’ny fianakaviany. Mba hanatanterahana ny fanirian-dratsiny, dia mety haloany mihitsy ny saran-dalan’ilay ankizy mba hialany ao an-tranony sy hankanesany any an-toeran-kafa. Mahatsiravina ny vokany.

Miaro anao ny toro lalan’ny Baiboly

Misy mihevitra fa mety kokoa aminy ny tsy mampiasa Internet mihitsy noho ny loza entiny. Tsara marihina anefa fa vitsy ihany ny toerana mampidi-doza ao amin’ny Internet, ary tsy mbola nahita olana lehibe ny ankamaroan’ny mpampiasa azy.

Soa ihany fa manome tari-dalana antsika ny Soratra Masina mba hiarovana antsika amin’ny loza. Ampirisihina isika handray fahalalana sy fahendrena, ary hahay hisaina. “Hiaro” antsika ireo toetra ireo, ka ‘hamonjy antsika amin’ny lalan-dratsy.’ (Ohabolana 2:10-12) “Avy aiza ary ny fahendrena?” hoy i Joba, mpanompon’Andriamanitra fahiny. Ny valiny? “Ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena.”—Joba 28:20, 28.

“Ny fahatahorana an’i Jehovah”, izany hoe “ny fankahalana ny ratsy”, no mahatonga antsika hanana toetra tian’Andriamanitra. (Ohabolana 1:7; 8:13; 9:10) Mahatonga antsika hankahala sy tsy hanao ny zava-dratsy ankahalain’Andriamanitra, ny fitiavana sy ny fanajana lalina azy, ary ny fanajana ny heriny sy ny fahefany. Ny fahaiza-misaina tsara sy ny fahalalana ny fitsipik’Andriamanitra, dia manampy antsika hamantatra ny loza mety hanimba ny saintsika sy ny fontsika ary ny fifandraisantsika aminy. Manjary mankahala ny fitiavan-tena sy ny tsy fifehezan-tena isika, satria mety handrava ny tokantranontsika sy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah izany.

Aoka àry ianao ho mailo foana, rehefa mampiasa Internet. Aoka ianao ho tapa-kevitra hitandrina hatrany ny didin’Andriamanitra, ary aza misangy loza. (1 Tantara 28:7) Hanam-pahendrena ianao amin’izay, ka handositra izay loza mety ho hitanao ao amin’ny Internet.—1 Korintianina 6:18.

[Efajoro, pejy 13]

AZA MIJERY BOKY SY SARY VETAVETA MIHITSY!

“Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po, fa tsy mendrika ny olona masina izany.”—Efesianina 5:3.

“Koa vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny vatanareo etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.”—Kolosianina 3:5.

“Izao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny ... hahaizanareo tsirairay hifehy tena, ao anatin’ny fahamasinana sy ny haja, fa tsy amin’ny filan’ny nofo tsy mety afa-po, toy ny filana ananan’ny hafa firenena tsy mahalala an’Andriamanitra.”—1 Tesalonianina 4:3-5.

[Efajoro/Sary, pejy 14, 15]

TANDREMO NY FIFAMPIRESAHANA AO AMIN’NY INTERNET!

Nanasa ny mpanoratra ny Mifohaza! mba hiara-mijery aminy ny loza ateraky ny fandaharana ahafahana mifampiresaka ao amin’ny Internet, ny polisy vavy iray. Mpamotopototra ny heloka bevava atao amin’ny alalan’ny Internet izy. Niditra tao amin’ny fandaharana iray izy, ka mody nilaza ny tenany ho tovovavy 14 taona. Olona maro no nanoratra ho azy, segondra vitsy monja taorian’izay. Izao, ohatra, no nanontanian’ireo olona tsy fantany ireo: “Avy aiza ianao?” “Ankizilahy ianao sa ankizivavy?” “Afaka miresaka ve isika?” Olona ahina ho mpametaveta ny ankamaroan’izy ireo, ary karohin’ny polisy. Hita avy amin’izany fa mora foana ho an’ny mpametaveta ankizy ny hifandray amin’ny zanakao ao amin’ireny fandaharana fifampiresahana ao amin’ny Internet ireny!

Misy ray aman-dreny mieritreritra fa tsy maninona ny zanany raha mandray anjara amin’izany, satria hitan’ny olona rehetra mandray anjara amin’ilay izy ny resaka ataony. Mety hisy hanasa azy hiresaka mitokana aminy anefa. Nampitandrina toy izao ny fikambanana iray mpiaro ny ankizy, any Royaume-Uni: “Toy ny olona ao amin’ny lanonana iray izany, izay miala amin’ny besinimaro mba hiresaka amin’ny olon-tsy fantatra ao amin’ny efitra/no mitokana iray.”

Tsarovy koa ry ray aman-dreny fa tsy ny hiresaka fotsiny no tadiavin’ny mpametaveta ankizy. Izao no lazain’ny tatitra iray: “Mety hitohy amin’ny fomba hafa ilay resaka natomboka tao amin’ny Internet, toy ny amin’ny e-mail sy ny telefaonina entin-tanana.” Hoy koa ny Birao Federaly Amerikanina Momba ny Famotorana: “Tena mahafinaritra an’ireo mpametaveta ankizy ny miresaka amin’izy ireny ao amin’ny Internet, nefa tsy dia tiany loatra, satria sarotra. Noho izany, dia te hiresaka amin’ilay ankizy an-telefaonina ny ankamaroany. Resaka firaisana no ataony matetika, ary mitady fomba hihaonana sy hanaovana firaisana mihitsy aza izy.”

Mazàna no omen’ilay mpametaveta ny nomeraon’ny telefaoniny, mba hanatanterahana izany. Raha vao miantso azy ny zanakao, dia efa misoratra any aminy ilay nomerao. Ny hafa indray manana nomerao azo antsoina maimaim-poana, na milaza amin’ilay ankizy izy mba hiantso fa haloany ny vola. Nisy mihitsy aza nandefa telefaonina entin-tanana ho an’ilay ankizy. Mety handefa taratasy, sary, ary fanomezana koa ireo mpametaveta.

Tsy ny ankizy ihany no voafandriky ny fifampiresahana ao amin’ny Internet. Nanao teny mamy mba hanangolena vehivavy ny lehilahy iray, ka vao haingana dia vehivavy enina tany Royaume-Uni no indray raiki-pitia taminy. Iray tamin’izany i Cheryl, vehivavy tsara tarehy 27 taona, nahazo diplaoma teny amin’ny oniversite. Hoy izy: “Tsy haiko hazavaina ilay izy. Nanjary tiako be izy ka tsy nieritreritra afa-tsy izy aho.”

Hoy i Jenny Madden, nanorina fikambanana iray mahakasika ny fampiasan’ny vehivavy Internet: “Tian’ny vehivavy ny miresaka ao amin’ny Internet, satria tsy tsaraina araka ny paoziny izy. Mora hararaotina anefa izy, satria vetivety ny olona dia milaza zavatra betsaka mahakasika ny fiainany, indrindra fa ao amin’ireny fandaharana ireny.”

Tamin’ny fanadihadiana nataon’i Beatriz Mileham, avy ao amin’ny Oniversiten’i Floride, dia nilaza toy izao ny lehilahy iray: “Vao mamelona ny ordinaterako fotsiny aho, dia mahita vehivavy an’arivony azoko isafidianana.” Hoy i Mileham hoe: “Tsy ho ela dia hitranga amin’ny alalan’ny Internet ny karazana fanitsakitsaham-bady be indrindra, raha tsy efa izany mihitsy aza no misy.” Hoy ny Pr. Al Cooper, mpampanonta ny boky Ny Firaisana sy ny Internet: Boky ho an’ny Mpitsabo: “Renay tamin’ireo mpitsabo manerana ny faritra misy anay, fa ny firesahana firaisana ao amin’ny Internet no tena miteraka olana ara-panambadiana.”

Mampieritreritra izany rehetra izany, ka mila mitandrina isika rehefa mampiasa Internet. Resaho amin’ny zanakao ny loza mety hitranga, sy ny fomba hiarovan-tena amin’izany. Afaka manalavitra ny loza entin’ny Internet ianao, raha ampy fahalalana tsara.—Mpitoriteny 7:12.