Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manampy ny Fianakaviana Hamaha Olana

Manampy ny Fianakaviana Hamaha Olana

Manampy ny Fianakaviana Hamaha Olana

Nisy nanome gazety Mifohaza! ny vehivavy iray tany Veracruz, Meksika. Ny olana tao amin’ny fianakaviany indrindra no noresahin’izy io. Nanoratra toy izao ho an’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay vehivavy: ‘Tena tiako ilay izy satria ny zava-manahirana ny fianakavianay mihitsy no voaresaka tao.’ Hoy koa ilay taratasy: “Hanampy ahy sy ny vady aman-janako io fanazavana io.”

Nanao izao fangatahana izao koa ilay vehivavy: “Te hahafantatra bebe kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny toerana misy ny fiangonanareo akaiky indrindra aho. Te hivavaka any miaraka amin’ny fianakaviako aho. Heveriko mantsy fa tokony hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra izahay.” Ilay boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana teo amin’ny pejy farany amin’ilay Mifohaza! no tena nanohina ny fon’ilay vehivavy. Nanafatra iray tamin’izy io àry izy.

Natao ho an’ny mpianakavy rehetra io boky io, izany hoe ho an’ny lehilahy, vehivavy, ray aman-dreny, zanaka, raibe sy renibe. Anisan’ireo toko tena mahaliana ao aminy ny hoe: “Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao”, “Ampio ny Zanakao Zatovo mba Hiroborobo”, “Arovy Amin’ny Fitaomana Mandrava ny Fianakavianao”, ary “Tandrovy ny Fihavanana ao Amin’ny Ankohonanao.”

Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.