Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fiheveran’ny Kristianina ny Dihy

Ny Fiheveran’ny Kristianina ny Dihy

Ny Fiheveran’ny Kristianina ny Dihy

MARO ny dihy vaovao niara-nivoaka tamin’ny mozika rock. Vetivety ihany matetika dia lefy izy ireny, ary dihy hafa indray no misolo azy. Tia dihy mihetsiketsika ny sasany, fa ny hafa kosa tia dihy milamindamina ataon’ny lehilahy sy vehivavy mifamihina. Nanjary tian’ny tanora maro any amin’ny tany sasany ny karazana dihy rock lazaina fa “tsy misy fifampikasohana.” Tsy mifampikasika ireo olon-droa miara-mandihy azy io, fa manao fihetsika samihafa fotsiny. Maro tokoa ankehitriny ny karazana dihy, ka manontany tena ny Kristianina hoe: Inona no lazain’ny Baiboly momba ny dihy?

Olona maromaro matetika no niara-nandihy teo amin’ny Israely fahiny, ary ny vehivavy no tena nandray anjara. Toa nitokana ny lehilahy rehefa nandihy. Tsy misy firesahana hoe niara-nandihy ny lehilahy sy ny vehivavy.

Tsy manameloka ny fandihizana akory ny Tenin’Andriamanitra. Marina fa tsy faly Andriamanitra rehefa nandihy teo anoloan’ilay ombilahikely volamena ireo Israelita. Ilay fanompoan-tsampy nataon’izy ireo anefa no tsy nahafaly azy. Mety ho tsy nifehy tena koa izy ireo rehefa nandihy. Nanala baraka an’i Jehovah ny fanompoan-tsampy sy ny dihy toy izany.—Eksodosy 32:1-35.

Nahazatra ny firenena mpanompo sampy fahiny ny nanao fihetsik’olona manao firaisana rehefa nandihy, mba hanairana ny filan’ny nofony sy ny mpijery. Nandihy nihodidina ny sampiny sy ny tsato-kazo masiny ireo Kananita ho fanomezam-boninahitra ny andriamanitry ny fiterahana. Narahina dihy nihetsiketsika be ny fivavahana tamin’i Bala, ary tsy nifehy tena mihitsy ny mpandihy.

Tsy milaza koa ny Soratra Grika Kristianina hoe ratsy ny mandihy. Nitantara fety nisy fandihizana mihitsy aza i Jesosy Kristy. Rehefa nody ilay zanaka adala, dia faly ny rainy ka nanomana fety, ary nisy dihy tamin’izany. (Lioka 15:25) Mazava àry fa tsy nanameloka ny fandihizana ny Zanak’Andriamanitra, matoa izy nilaza fa nisy dihy nandritra an’io fety mendri-kaja io.

Ahoana anefa no tokony hiheveran’ny Kristianina an’ireo dihy isan-karazany ankehitriny? Nanome toro lalana Andriamanitra ao amin’ny teniny, mba hitari-dalana ny Kristianina eo amin’izay rehetra ataony. Tokony hojerena raha mifanaraka amin’ireny toro lalana ireny ny tanjon’ilay dihy, sy ny fihetsiky ny vatana amin’ilay izy, ary ny vokatr’ilay fihetsika eo amin’ny mpandihy sy ny mpijery.

Dihy “tsy misy fifampikasohana”

Tsy mifampikasika ny mpandihy amin’ny dihy rock sasany ataon’ny tanora. Ny twist no lazain’ny maro fa voalohany tamin’io karazana dihy io. Izao no lazain’ny gazety Look efa elaela izay:

“Karazana twist daholo ny dihy hita amin’izao andron’ny fitiavana fety izao. ... Tsy mifampikasika ireo mpandihy sady tsy mifampiresaka. ... Mihetsika mifanaraka amin’ny anaran’ilay dihy ny tsirairay. ... Toy ny mijaly mihitsy no fahitana ny vatan’izy ireo.”

“Nanontaniana ny mpianatra iray hoe nahoana no tian’ny tanora ireny karazana dihy ireny. Hoy izy: ‘Toy ny fombafomba hanindrahindrana ny fanaovana firaisana ilay izy, natao hanadinoana ny fiainana dridralava ankehitriny. Tsy voatery hifampikasika anefa ny vatana, dia efa taitra ny filana.’ Hoy ny mpianatra iray hafa: ‘Manaitra ny faniriana hanao firaisana ny mahita ireo mpandihy ireo mampihetsiketsika ny valahany, nefa tsy mifampikasika.’ ”

Maro karazana ny dihy rock. * Toy ny manao firaisana anefa ny fihetsika, amin’ny dihy sasany. Rehefa manaitra ny faniriana hanao firaisana toy ny dihin’ny mpanompo sampy fahiny, ny dihy ankehitriny, dia tsy mety amin’ny Kristianina. Mampitandrina antsika tokoa mantsy ny Tenin’Andriamanitra mba tsy hanana “fitondran-tena mahamenatra” sy tsy hanao zavatra “tsy mety.” (Efesianina 5:4) Manoro hevitra ny vehivavy kristianina mba hanao akanjo maotina sy “hadio fitondran-tena” ny Tenin’Andriamanitra. Ary tokony ho tahaka izany koa ny lehilahy. (1 Petera 3:1, 2; Titosy 2:4, 5; 1 Timoty 2:9) Tena tsy maotina sy tsy madio anefa ny dihy rock maro na dia “tsy misy fifampikasohana” aza.

Tsarovy fa tsy voatery hifampikasika akory ny vatana, vao ho taitra ny faniriana hanao firaisana. Ny fijerena ny fihetsiky ny mpandihy fotsiny dia efa mety hahatonga izany. Ny lehilahy no tena mora taitran’ny zavatra jereny. Izany no antony ivarotana ny ankamaroan’ny boky sy sary vetaveta amin’izy ireo. Mety tsy ho tsapan’ny tovovavy fa mety hanaitaitra mafy an’ilay tovolahy miara-mandihy aminy ilay dihy, na dia tsy mifampikasika aza izy ireo. Izany mihitsy anefa no mitranga.

Mety hieritreritra ilay tovovavy fa tsy mampaninona ny mampandihy ny faritra misy ny taovam-pananahana, rehefa misy dihy mihetsiketsika be. Mety hahita zava-manahirana amin’izany anefa izy. Mety tsy ho tsapany mantsy fa mety hanaitra ny filan’ilay tovolahy izany, ka haniry hanao firaisana aminy izy.

Tokony hieritreritra àry ny tovovavy hoe inona no mety hanintona ny tovolahy aminy. Ny faniriana hanao firaisana aminy fotsiny ve? Ahafahany mahazo izany fahafinaretana izany koa mantsy ireo vehivavy maro miakanjo tery, sy manodinkodina ny valahany ary manao fihetsika manaitra ny filan’ny nofo. Noho izany, dia tokony hanontany tena ny tovovavy hoe: Izany fotsiny ve no iriko hanintona ny lehilahy amiko? Sa iriko izy ho voasariky ny maha izy ahy sy ny resaka ataoko ary izay zava-dehibe amiko eo amin’ny fiainana? Lehilahy tia manao zavatra ho ahy ve no tiako, sa lehilahy tia ahy noho izay mety ho azony avy amiko fotsiny?

Tia mandihy ny Kristianina sasany. Kanefa rehefa misy dihy tsy maotina sy manaitra ny filan’ny nofo (manetsika ny nono sy ny fitombenana), dia manalavitra izany izy ireo fa tsy manaraka izay ataon’ny besinimaro fotsiny. (Romanina 12:2) Mety hisy hihomehy ianao, satria tsy manao ny fanaon’ny olona. Izay hanananao feon’ny fieritreretana madio eo imason’Andriamanitra anefa no tena zava-dehibe.—1 Petera 4:3, 4.

Ny herin’ny mozika

Tokony hoeritreretina koa ny vokatry ny mozika rock sasany. Izao no lazain’ny gazety iray, momba ny mozika rock:

“Tsy mahagaga raha tena tsy tian’ny ray aman-dreny ny mozika rock. Ny firaisana mantsy no votoatiny, ary izay no mahabe mpitia azy. ... ‘Andeha isika hiaraka anio alina’, hoy ny tonon-kiran’ny Stones. Ary hoy ny mpikarakara an’io tarika io: ‘Ny firaisan’ny nofo no foto-kevitry ny mozika pop, ka tokony haseho mibaribary.’ Tsy vao mainka ve manaitra ny faniriana vao mitsiry ao amin’ny zatovo izany?”

Milaza ny olona mandihy amin’ireny hira ireny, fa tsy mihaino ny tonony izy ireo fa ‘mandihy fotsiny.’ Mbola tavela ao an-tsain’ilay tanora anefa ny hevi-dratsy, raha toa ka misy teny tsy mendrika, resaka mivantana na an-kolaka momba ny firaisana ny tonon’ilay hira. Mety hahay hamerina ilay tonony lazainy fa tsy henoiny mihitsy aza matetika ilay mandihy. Tsy ny tonon-kiran’ireny mozika rock ireny ihany anefa indraindray no tsy mendrika, fa ny vokatr’ilay mozika koa.

Nanadihady momba ny zavatra manaitaitra ny filan’ny nofo eo amin’ny tovovavy ny mpikaroka iray atao hoe Patricia Schiller. Hitany fa matetika no manaitra ny filan’izy ireo ny mozika rock sy pop, indrindra fa rehefa miaraka amin’ny tovolahy izy ireo. Hoy i Schiller: “Matetika no mampifoha ny fitiavan’ny tovovavy ny mozika, ka manaitra ny faniriany hanao firaisana. ... Mampipoitra izany fihetseham-po izany ny mozika.”—Denver Post, 23 Jolay 1971.

Tokony hifidy tsara ny mozika handihizany àry ny tanora kristianina. Ny vehivavy indrindra no mila mitandrina, satria manan-kery kokoa aminy ny zavatra reny. Tsy tokony hihaino mozika rock manaitaitra ny filan’ny nofo na mahatonga azy tsy hahafehy tena izy ireo, raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra.

Dihy hafa

Ahoana indray ny amin’ny dihy milamina kokoa, ataon’ny olon-droa mifamihina? Ny fihetsika mirindra mazàna no misongadina amin’izy ireny, ary ny mpivady matetika no tia azy. Raha efa zatra izy roa, ary mampiasa ny talentany amin’izany dihy izany, dia afa-boly tsara sy mahazo fahafinaretana erỳ, ary mankafy ny fiarahany.

Mety hanao io dihy io koa ny olona tsy manambady. Inona anefa no tokony hotandremany? Tena mety hitarika ho amin’ny fitondran-tena ratsy izy ireny, araka ny fanazavan’ny Pr. Fritz Wittels. Hoy izy ao amin’ilay boky nosoratany hoe Ny Fahazaran’ny Vehivavy Amerikanina Manao Firaisana (anglisy):

“Ny zava-kendren’ny dihin’olon-droa ... dia ny ahafahan’ny lehilahy sy vehivavy mifanakaiky ela kokoa noho ny mahazatra. ... Tsy nanampy ny ankizivavy hiaro ny maha virjiny azy ny fandihizana tamin’ny mozika malefaka.”

Mety hanontany tena ny sasany hoe: ‘Tsy tafahoatra loatra ve izany?’ Mahaliana anefa fa niresaka momba ny dihy slow atao amin’ny faran’ny taom-pianarana eny amin’ny lise, Ny Gazetin’i New York (anglisy). Lazainy fa manararaotra ilay dihy ny tovolahy mba “hisakambinana sy hamihinana tovovavy.” Ny fihetsika mirindran’ny tongotra sy ny fahaiza-mihetsika ve no mahafinaritra azy ireo amin’ilay dihy? Hoy ihany ilay lahatsoratra: “Mifamihina, manafosafo lamosina sy fitombenana mandritra ny dimy minitra ny olona, rehefa mandihy slow.”

Ahitana fahafinaretan’ny nofo tokoa matetika ny dihy maro. Inona no manaporofo izany? Tia mandihy erỳ ny tovolahy raha mbola mpitovo, nefa mihena izany mazàna aorian’ny fanambadiany. Mety hanambitamby mafy azy mihitsy aza ny vadiny vao manaiky hiara-mandihy aminy izy, ka hanao ilay dihy mahafinaritra an’io vadiny io.

Tia mandihy angamba ny tovolahy iray, nefa mety ho tsy tena fantany ny antony. Misy faniriana vaovao mantsy ao aminy, ary tsapany fa mitondra fahafinaretana izy io. Mbola tsy tsapany tanteraka anefa io fahafinaretana io satria mbola tsy manambady izy. Tsy voatery ho antony ratsy àry no mahatonga azy handihy. Hanaraka ity torohevitry ny Baiboly ity anefa izy, raha mazava tsara aminy ireo zavatra ireo, ary maniry hanaraka ny toro lalan’Andriamanitra izy: “Koa vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny vatanareo etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo.”—Kolosianina 3:5.

Tadidio àry fa mety hanaitra ny filan’ny nofon’ny olona iray miara-mandihy aminao ianao, na dia heverinao aza fa tsy mifanakaiky loatra ianareo ka tsy manaitra anao ilay izy. Mba hisorohana zava-manahirana, dia nanapa-kevitra ny sasany fa ny vadiny ihany no hiarahany mandihy.

Tokony handinika ny antony manosika azy handihy àry ny tsirairay. Mety ho tia mandihy fotsiny ny sasany, fa tsy voatery ho ratsy ny antony manosika azy. Tsy voatery hifamihina be sy hifanaiky be koa ny olon-droa amin’ny karazana dihy sasany. Azo atao amin’ny fomba mendrika na tsia ny dihy maro, arakaraka ny mpandihy.

Aza manao izay hampihemotra ny hafa

Mety hisy dihy sasany heverin’ny Kristianina fa azony atao. Tsy manenjika azy mantsy ny eritreriny, satria tsy ratsy ny antony manosika azy. Tokony hieritreritra ny ho vokatry ny dihy ataony eo amin’ny olona mijery azy anefa izy. Mety hihevitra azy ho tsy maotina ve ireo mpijery? Misy hevitra mandalo ao an-tsain’izy ireo mandritra ilay dihy manaitra filana, ka eritreretiny ho toy izany koa ny ao an-tsain’ilay mpandihy. Tsy ampy àry ny milaza hoe: “Madio ny saiko sy ny eritreritro”, satria antitranterin’ny Baiboly fa tsy tokony hanao izay “hampihemotra” ny hafa isika.—1 Korintianina 10:32.

Tsy maniry hampiala olona amin’ny fahamarinana noho ny fitondran-tenany ny Kristianina, na dia mety tsy ho ratsy aza ny ataony. Mety hoheverina ho ratsy anefa ny fitondran-tena iray arakaraka ny zava-misy. Izay heverina ho mety amin’ny toerana sasany angamba dia tsy mety any an-toeran-kafa. Raha heverin’ny olona fa porofon’ny tsy fifehezan-tena ny dihy iray, dia heveriny ho toy izany daholo ny mpandihy azy. Tokony hanaraka izao torohevitry ny apostoly Paoly izao àry ny Kristianina rehetra: “Tsy manao izay hampihemotra olona mihitsy izahay, mba tsy hanomezan-tsiny ny fanompoanay.”—2 Korintianina 6:3.

Tokony hanaraka ny toro lalan’ny Soratra Masina ny Kristianina matotra rehefa misy dihy vaovao. Mampirisika ny olona hanana fitondran-tena masina ve ilay izy? Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Aoka ho masina ... ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra.” Manameloka ny ‘faniriana fatratra fahafinaretan’ny nofo’ ny Baiboly. Ampirisihiny kosa ny Kristianina mba ho maotina, ary hanana eritreritra sy fitondran-tena “madio” foana.—1 Petera 1:15; Jakoba 4:1; Efesianina 5:4; Filipianina 4:8; 1 Timoty 2:9.

Tokony hanontany tena àry ny tanora sy ny Kristianina efa lehibe hoe: ‘Mifanaraka amin’ny zavatra takin’ny Soratra Masina ve ilay dihy tiako hatao?’ Mikororosy foana ny fitsipi-pitondran-tenan’ity tontolo ity, ka tsy mahagaga raha mahita dihy maro tsy mety amin’ny vahoaka masin’Andriamanitra isika ankehitriny. Koa tokony hitadidy ity torohevitry ny apostoly Paoly ity ny Kristianina rehetra, na firy taona izy na firy taona: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—1 Korintianina 10:31.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Mihatra amin’ny dihy rehetra ankehitriny ity lahatsoratra ity, na dia ny dihy sy ny mozika rock aza no tena resahina.