Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny SIDA?

Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny SIDA?

Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny SIDA?

Mbola kely ny ankizy, dia tototry ny resaka momba ny firaisana, izay mampirisika hijangajanga. Be koa ny mitsindrona zava-mahadomelina, izay tena mampifindra ny VIH. Maro be ankehitriny ireo tsy miraharaha ny vokatry ny ataony, ka mampanontany tena hoe ho resy ihany ve ny SIDA?

MILAZA ny mpitsabo, fa fomba iray tena lehibe iadiana amin’ny SIDA ny fanovana ny fitondran-tena. Hoy ny tatitra navoakan’ny Foibe Miady Amin’ny Aretina: “Mila fanazavana sy fanampiana ara-pahasalamana betsaka sy mitohy ny tanora amin’ny sokajin-taona rehetra. Hanampy azy ireo mandritra ny androm-piainany izany, mba tsy hananany fitondran-tena mety hahazoany otrikaretina VIH. Tokony handray anjara amin’io fampiofanana lehibe io avokoa na ny ray aman-dreny na ny mpanabe.”

Mazava ho azy, fa mila mampianatra ny zanany ireny loza ireny ny ray aman-dreny, dieny mbola tsy manoro vohony azy ny namany na ny olon-kafa. Tsy mora foana izany. Mety hamonjy ny ain’ny zanakao anefa izany. Tsy voatery handoto ny sain’ny ankizy ny firesahana aminy momba ny firaisana sy ny zava-mahadomelina. Tena hiaro ny fahadiovany tsy ho very kosa aza izany.

Tena ilaina ny fampianaran’ny ray aman-dreny

Nasaina nampianatra ny zanany momba ny firaisana sy ny fitandroana ny fahasalamana ny ray aman-dreny, teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny. Tsara homarihina fa nisy toro lalana mazava momba ny fitondran-tena, sy ny fomba iarovan-tena amin’ny aretina tao amin’ny lalàn’ny Israelita. (Levitikosy 18:22, 23; 19:29; Deoteronomia 23:13, 14) Ahoana no nampianarana ny vahoaka ireny lalàna ireny? Hoy i Jehovah Andriamanitra tamin’ny Israelita: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.” Mila fantarin’ny ray aman-dreny aloha ny soa azo rehefa arahina ireny lalàna ireny, sy ny vokany rehefa tsy arahina izy ireny. Izay vao nomena azy izao baiko izao: “Ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.”—Deoteronomia 6:6, 7.

Midika hoe “averimbereno” na “alenteho tsara”, ilay teny hebreo nadika hoe “ampianaro.” Mazava ho azy fa ilana fotoana izany. Azo inoana kokoa fa tsy hanana fitondran-tena mety hahazoany otrikaretina VIH sy aretina hafa ny ankizy, raha manokana fotoana hampianarana azy ny loza entin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny firaisana tsy ara-dalàna ny ray aman-dreny. *

Fampiononana ho an’ny mararin’ny VIH/SIDA

Mety tsy dia hampionona loatra an’ireo olona an-tapitrisany mararin’ny VIH/SIDA ny ezaka atao mba hisorohana azy io. Efa mijaly vokatr’ilay aretina izy ireo, nefa mbola avakavahana sy ailikilika koa matetika. Nahoana? Maro no mino fa mety hamindra VIH, na dia ny mifanerasera fotsiny amin’ny olona efa voa aza. Marina fa tsy azo omena tsiny ny olona, raha matahotra ho voan’ny SIDA, satria sady mifindra izy io no mahafaty. Tafahoatra loatra anefa ny tahotry ny sasany, satria ilay olona voa mihitsy no lasa atahorany. Nisy marary tsy notsaboina, noroahina hiala tamin’ny fivavahany, ary nampiharana herisetra mihitsy aza.

Misy milaza fa sazy avy amin’Andriamanitra ho an’ny ratsy fanahy ny SIDA. Marina aloha fa olona maro no tsy ho voan’io aretina io, raha nanaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena sy ny fampiasana zava-mahadomelina ary ny ra. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 2 Korintianina 7:1) Resahin’ny Soratra Masina anefa fa tsy sazy avy amin’Andriamanitra noho ny ota iray natao akory ny aretina. Hoy kosa aza izy: ‘Tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.’ (Jakoba 1:13; Jaona 9:1-3) Angamba misy olona mitondra ny otrikaretina VIH na voan’ny SIDA, satria tsy nankatò ny fitsipiky ny Soratra Masina. Raha efa nanova ny fitondran-tenany anefa izy, dia afaka matoky fa tsy hahafoy azy Andriamanitra.

Niharihary ny fangorahan’Andriamanitra sy ny fitiavany ny olona manana aretina mitaiza, rehefa tonga teto an-tany i Jesosy Zanany. Nahita boka i Jesosy nandritra ny dia nataony. “Nangoraka azy izy ka nanatsotra ny tanany sady nikasika azy.” Nampiasa ny heriny mahagaga i Jesosy, ka nanasitrana ilay boka. (Marka 1:40-42) Tsy nanambany ny olona marary i Jesosy. Mitovy tanteraka amin’ny fitiavan’ny Rainy any an-danitra, ny fitiavana nasehon’i Jesosy azy ireo.—Lioka 10:22.

Ho resy tsy ho ela ny SIDA!

Tsy manome toky antsika ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra fotsiny ny fanasitranana mahagaga nataon’i Jesosy. Milaza amintsika ny Baiboly fa Mpanjaka any an-danitra izao i Jesosy Kristy. (Apokalypsy 11:15) Hita tamin’ny fanompoany teto an-tany fa manan-kery hanasitranana ny aretina rehetra mahazo ny olombelona izy, sady vonona ny hanao izany. Ary izany indrindra no hataony.

Manome toky antsika ny faminanian’ny Baiboly fa tsy ho ela, dia ‘tsy hisy mponina hilaza hoe: Marary aho.’ (Isaia 33:24) Afaka matoky isika fa tsy hisy intsony ny SIDA, na dia tsy vitan’ny olombelona aza ny manakana ny fiparitahan’izy io sy manome fitsaboana mandaitra ho an’ny rehetra. Hoy i Davida Mpanjaka: “Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra.”Salamo 103:2, 3.

Rahoviana izany no hitranga? Inona avy no takin’Andriamanitra amin’ireo manantena ny hahazo izany fitahiana izany? Manasa anao izahay hanatona ny Vavolombelon’i Jehovah, raha te hianatra bebe kokoa momba ny fampanantenana tena tsara ao amin’ny Baiboly ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Ray aman-dreny maro no nahita fa nanampy azy ireo hampianatra tsikelikely ny zanany momba ny firaisana sy ireo toro lalana fototra momba ny fitondran-tena, ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Manome toky antsika ny faminanian’ny Baiboly fa tsy ho ela, dia ‘tsy hisy mponina hilaza hoe: Marary aho’

[Sary, pejy 10]

Hiaro ny zanakao ny fampianaranao azy momba ny firaisana sy ny fidorohana zava-mahadomelina

[Sary, pejy 10]

Sady vonona no nahay nanasitrana ny marary i Jesosy, ary hanao toy izany koa izy amin’ny hoavy