Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara Tarehy Sady Matsiro!

Tsara Tarehy Sady Matsiro!

Tsara Tarehy Sady Matsiro!

MITSIDIHA zaridaina iray feno voninkazo, fa ho finaritra avy hatrany ianao. Hahafinaritra anao ny lokon’ ireo voninkazo, ny endriny, ary ny fomba hafakely nanamboarana azy. Ho renao ny fofony mamerovero ary ho hitanao ny toetoetra mampiavaka ireo felam-boninkazo. Ary ahoana kosa ny amin’ny tsirony? Afaka mankafy ny tsiron’ny voninkazo koa ve ianao? Nisy firenena nanao sakafo an’ireo voninkazo fihinana ka nankafy ny tsirony, nandritra ireo taonjato. Raha maniry eo amin’ny zaridaina na tanimbolinao ny sasany amin’ireto voninkazo manaraka ireto, dia angamba afaka manandrana ny tsiron’izy ireo koa ianao. *

Ny raozy fanehoam-pitiavana

Azo antoka fa ny raozy no voninkazo malaza sy tian’ny olona indrindra maneran-tany. Ankoatra ireo karazana raozy voalohany, dia misy an’arivony koa avy amin’ny grefy nataon’olombelona. Manova ny tsirony ny zavatra sasany toy ny tany aniriany sy ny mari-pana. Noho izany dia tsara raha handramana kely aloha ny tsiron’ny felan’ny raozy na ny voninkazo hafa vao hohanina. Mety ho voamarikao fa somary mangidy ny eo ambanin’ilay felam-boninkazo. Esory ilay tapany mangidy, ary raha ilay voninkazo manontolo no atao sakafo, dia ny tapany ambony ihany hohanina.

Betsaka ny karazan-tsakafo azo asiana raozy mba hampahatsiro kokoa azy. Ataovy amin’ny salady, angamba miaraka amin’ny fromazy malefaka sy voanjo voapotipotika. Azo afangaro amin’ny saosy tianao indrindra ny felan’ny raozy mena voatoto, mba hampahatsiro sy hahatsara ny lokony. Ary maninona raha asiana felana raozy mena notetehina lavalava ny spaghetti mba hahatsara azy? Hanatsara ny tsiron’ny gilasy sy ny zava-pisotro ankafizinao koa ny raozy.

Ny felam-boatavo

Efa tamin’ny taonjato faha-16 ny Indianina tany Amerika no nihinana felam-boatavo (Cucurbita pepo), araka ny firaketana an-tsoratra momba azy io. Toa ny lahim-boninkazo (lava manify ny tahony) ihany no nohanin’izy ireo, fa ny vavim-boninkazo (misy voatavo kely ao ambaniny) kosa navelany hamoa. Esory ilay ivelany matsilotsilo amin’ny raviny, alohan’ny handrahoana ilay voninkazo. Azo esorina na ampiarahina aminy ny vavimbony. Azo atao sakafo fanokafam-bavony sy lasopy ny felam-boatavo, ary mety tsara amin’ny tsirony malefaka ny menaka oliva, ny katsaka tanora sy ilay voatavo mihitsy. Endaso miaraka amin’ny tongolobe, tongolo gasy, anana, ary izay zava-manitra tianao ny felam-boatavo, mba hampahatsiro azy kokoa. Azonao ampifangaroina koa ny fromazy, tongolobe, sy ny zava-manitra, ary asisika ao amin’ilay felam-boatavo. Kapohy tsara ny tapotsin’atody ary afangaroy amin’ny tamenany, avy eo dia atsobohy ao ilay felam-boatavo voasesika. Asio potipoti-mofo maina ilay izy amin’ny farany, ary endaso ao anaty menaka mandifotra azy. Ankafizo amin’izay ny tsirony hafa kely!

Karazana violety maro loko nambolena

Misy lokony roa na telo ny felan’ny karazana violety nambolena antsoina hoe pensée (Viola wittrockiana). Mampiavaka azy io ireo pentina matroka eo amin’ny felany izay manome azy endrika hafakely. Milaza ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa ilay karazany telo soratra (Viola tricolor), miloko volomparasy sy fotsy ary mavo, izay maniriniry ho azy matetika no lasa ambolen’ny olona. Azo atao sakafo koa io voninkazo io, nefa “mety ho lasa poizina raha be loatra”, araka ny boky iray momba ny voninkazo fihinana. Tena mampahatsiro sy manatsara ny endriky ny legioma sy ny voankazo atao salady izy io. Asio saosy vinaingitra ilay voninkazo manontolo ary afangaroy amin’ilay salady alohan’ny handrosoana azy. Azonao atao amin’ny lasopy koa io voninkazo io.

Misy karazany fahatelo (Viola odorata) koa azo atao sakafo. Azo ampiarahina tsara amin’ny tsindrin-tsakafo sy ny zava-pisotro izy io. (Jereo ilay efajoro hoe: “Voninkazo Mamy ho An’ny Zava-pisotro.”) Tsy misy karazana Viola hafa ankoatra ireo azo atao sakafo.

Ny lisy mareva-doko

Mampiavaka an’io zavamaniry (Hemerocallis) io ireo raviny lava manify maro be eo amin’ny fotony. Tsy tokony hafangaro amin’ireo lisy iray karazana aminy atao hoe Liliaceae, io voninkazo mora malazo io. Efa ela no nihinana io voninkazo miloko mavo na mena io ny olona. Azo andrahoina vetivety ary hanina toy ny legioma izy io. Azo asiana fangarony hafa araka izay tianao koa ilay felany, mba hanaovana paty manify azo endasina. Makà voninkazo iray manontolo mba hampihaingoana azy avy eo.

Voninkazo Hafa Fihinana

Be vitaminina sy kalsioma ny felana hasina, ary any amin’ny tany karakaina na tsy dia misy orana izy no tena maniry. Ny felany ihany hanina. Azonao ampangotrahina kely ilay izy mba hialan’ny tsirony somary mangidy. Azo atao amin’ny zava-pisotro, sy ny salady, ary ny tsindrin-tsakafo koa ny felam-boasarimakirana (Citrus limon), ny felam-boasary (Citrus sinensis), ary ny felan-tsolila. *

Tena hahitantsika fifaliana ny voninkazo, satria sady tsara tarehy sy mani-pofona izy ireny no mampahatsiro sakafo. Antony fanampiny tokoa izany mba hisaorantsika ilay Mpamorona be fitiavana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Nampiarahina amin’ireo voninkazo ny anarany siantifika, mba hanavahana tsara azy ireo.

^ feh. 14 Tsy ireo ihany akory no voninkazo fihinana. Ataovy azo antoka tsara anefa aloha raha azo hanina ilay izy, vao mihinana.

[Efajoro/Sary, pejy 26]

VONINKAZO MAMY HO AN’NY ZAVA-PISOTRO

Asio felam-boninkazo na voninkazo kely ao amin’ny boaty fanamboaranao gilasy, alohan’ny hamenoanao rano azy. Avelao hivaingana toy ny mahazatra. Ataovy amin’ny zava-pisotro ireo gilasy avy eo.

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ilay boky hoe El Cultivo de Hierbas (Fambolena Zava-manitra).

[Efajoro/Sary, pejy 26]

FANAMAMIANA VONINKAZO

Kapohy tsara ny tapotsin’atody, ary hosory amin’io ny voninkazo tsirairay izay efa nodiovina sy nohamainina. Mampiasà borosy kely, ka ataovy azo antoka fa feno tsara daholo ny felam-boninkazo tsirairay. Mampiasà sivana ary afafazo moramora eo amin’ireo felany ny vovo-tsiramamy. Ahintsano ny siramamy mihoatra, ary avelao ho maina mandritra ny ora maromaro.

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny diksionera momba ny fandrahoan-tsakafo.

[Efajoro, pejy 26]

TANDREMO!

Misy poizina ny voninkazo sasany. Fantaro tsara izay fihinana ary aza hanina izay mampisalasala.

Aza mihinana voninkazo nasiana fanafody famonoana bibikely na zavatra simika hafa. (Toy ny hita matetika any amin’ny mpivaro-boninkazo, na toeram-pambolen-jana-kazo.) Voninkazo tsy nasiana zezika simika sy nambolena lavitra ny arabe ihany hanina.

Tsy tokony hihinana voninkazo ny olona voan’ny asma na tsy mahazaka zavamaniry.

Toy ny voankazo sy ny legioma, dia tsy maintsy sasana ny voninkazo ary esorina ny mikraoba aminy, indrindra raha hohanina tsy handrahoina.

[Sary, pejy 25]

Raozy

[Sary, pejy 25]

Felam-boatavo

[Sary, pejy 25]

“Pensée”

[Sary, pejy 25]

Lisy mareva-doko

[Sary, pejy 26]

Felam-boasarimakirana