Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana Raha Mandà Izy?

Ahoana Raha Mandà Izy?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana Raha Mandà Izy?

NAMANA no niheveranao azy tamin’ny voalohany. Nanjary raiki-pitia taminy anefa ianao avy eo. Angamba nanintona anao ny fahalalam-pombany, na ny fitsikiny rehefa niresaka taminao izy. Nandeha teny ihany ny fotoana, nefa tsy namboraka fitia taminao mihitsy izy. Nanapa-kevitra ny hanontany azy àry ianao, raha niriny ny hiaraka aminao. Nanda tamin-katsaram-panahy sady hentitra anefa izy, ka diso fanantenana tanteraka ianao. *

Ara-dalàna raha malahelo ianao. Aza mitanondrika tanteraka anefa, fa jereo araka ny tena izy ny zava-misy. Marina aloha fa nilaza ilay ankizilahy fa tsy te hiaraka aminao. Tsy midika anefa izany fa tsy misy vidiny ianao, na hoe tsy tia anao sy tsy manaja anao intsony ny olon-kafa. Mety ho tsy noho ianao loatra no nahatonga azy handa, fa hafa noho ny anao fotsiny angamba ny tanjony sy ny zavatra ataony loha laharana eo amin’ny fiainany.

Mety hotadidinao koa, raha Kristianina ianao, fa ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonao, sy ny fitiavana nasehonao ho an’ny anarany.’ (Hebreo 6:10) Hoy i Sonya *: “Mbola misy vidiny ianao. Sarobidy amin’i Jehovah ianao amin’ny maha mpitovo anao.” Koa satria tia anao ny Avo Indrindra sy ny hafa, nahoana ianao no hahatsiaro tena ho tsinontsinona?

Mety hieritreritra ianao fa tsy hahita vady mihitsy na tsy ho vady tsara. Raha hitan’ilay ankizilahy fa tsy mifanentana aminy ianao, tsy midika akory izany fa tsy hifanentana tsara amin’olona iray hafa ianao. (Mpitsara 14:3) Aza mieritreritra hoe tsy hahomby mihitsy ianao amin’ny fitadiavana vady sahaza. Ekeo kosa fa nisy vokany tsara ny zavatra nataonao, satria fantatrao izao fa tsy mifanentana aminao ilay ankizilahy. Nahoana isika no milaza izany?

Mifanentana aminao ve izy?

Mandidy ny lehilahy mba ‘ho tia ny vadiny tahaka ny tenany’ ny Baiboly. (Efesianina 5:28) Mandidy azy ireo koa izy io mba “hanome voninahitra” ny vadiny. (1 Petera 3:7) Tena mahafinaritra an’ilay ankizilahy angamba ianao satria namany. Tsy vonona ny ho tia anao sy hanaja anao toy ny vadiny anefa izy matoa nanda anao, ary zony izany. Eritrereto izao: Tena ho vady tsara ho anao ve izy raha izany no fihetseham-pony? Tsy hijaly ve ianao raha manambady olona tsy tia anao sy tsy mihevitra anao ho sarobidy, araka ny atoron’ny Soratra Masina?

Tsy tanteraka izao ny fanirianao, ka mety hanampy anao koa ny fijerena indray ny toetran’ilay ankizilahy. Toy ny jamba ny olona matimatim-pitia indraindray, ka tsy mahita ireo kileman-toetra. Tsy voamariny koa hoe tsy marisika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ilay olona, na dia efa miharihary aza izany. Tsy fantatr’ilay ankizilahy fotsiny ve, ohatra, ny fitiavanao azy, sa minia mifanerasera aminao foana izy mba hampitomboana izany? Azo antenaina ho vady be fiheverana sy mahay mangoraka ve izy, raha manao fanahy iniana toy izany? Tsara àry raha fantatrao ny marina, na dia mety hampalahelo aza izany.

Niahy manokana an’i Marcia ny ankizilahy iray, ka lasa tiany. Rehefa nanontanian’i Marcia anefa ny fikasany dia nilaza izy fa tsy naniry ny hiaraka taminy. Inona no nanampy azy hiatrika ilay fahadisoam-panantenana? Hoy izy: “Nampiasa ny saiko aho, fa tsy nanaiky hobaikoin’ny foko fotsiny. Nanampy ahy hifehy ny fihetseham-poko izany.” Notadidiny ny zavatra takin’ny Baiboly amin’ny lehilahy manambady, ka hitany fa tsy nahafeno izany fepetra izany ilay ankizilahy. Nanampy azy handresy ny alahelony izany.

Toy izany koa no nitranga tamin’i Andrea. Rehefa nandeha ny fotoana, dia hitany teo amin’ny fihetsik’ilay ankizilahy taminy, fa tsy matotra izy. Hitany fa tsy vonona hanambady ilay ankizilahy, ary velom-pankasitrahana an’i Jehovah izy noho ny nampahafantarany azy izany. Hoy izy: “Mino aho fa afaka miaro anao amin’ny toe-javatra mety hanimba anao i Jehovah, fa mila mitoky aminy ianao.” Tsy voatery ho ratsy toetra anefa ny ankizilahy, ary mety hanana antony tsara izy matoa mandà tsy hiaraka amin’ny ankizivavy iray. Na ahoana na ahoana, inona no azonao atao?

Inona no azonao atao?

Mety ho elaela ianao vao hino fa nanda anao tokoa izy. Nitombo tsikelikely tao am-ponao ny fitiavana azy, ary nila fotoana izany. Toy izany koa fa mila fotoana vao hisinda ilay izy. Tsy mora vonoina toy ny hoe mamono jiro ny fitiavana. Mety ho mafy be ilay izy amin’ny fotoana sasany! Mahareta anefa. Hisinda ihany ny fihetseham-ponao rehefa mandeha ny fotoana. Aza manao izay mety hampitombo azy anefa, raha tianao hisinda haingana kokoa ilay izy.

Aza eritreretina intsony, ohatra, ny teny sy ny fihetsika rehetra nataonao, rehefa nilaza ny fihetseham-ponao tamin’ilay ankizilahy ianao. Raha manao izany mantsy ianao, dia mety hanatsoaka hevitra fa tsy tena nanda izy, ary mety hanaiky raha mampiasa fomba hafa ianao. Ekeo fa tsy afaka hanova ny fihetseham-pony ianao. Azo inoana fa ho nanda foana izy, na ahoana na ahoana fomba niresahanao taminy.

Mety ho fandrika koa ny nofinofy. Alainao sary an-tsaina ianareo roa miara-miaina sy sambatra erỳ. Mety ho toa mampitony izany, nefa tsy tena misy akory. Rehefa tapitra ilay izy, dia tsapanao indray ilay fahabangana ary marary indray ny fonao. Mety hiverimberina sy hitohy foana izany nofinofy sy alahelo tsy hay zakaina izany, raha tsy miezaka mafy hampijanona azy ianao.

Miezaha mba tsy hanonofinofy. Mandehana mitsangantsangana, raha vao manomboka ilay izy. Manaova asa ara-batana mba hieritreretanao zavatra hafa. Zavatra mampahery eritreretina fa tsy zavatra mahakivy. (Filipianina 4:8) Mety ho sarotra izany amin’ny voalohany, nefa handresy ianao rehefa mandeha ny fotoana, ary hiadan-tsaina.

Afaka mampahery ny namana akaiky. (Ohabolana 17:17) Nampitandrina anefa i Sonya hoe: “Tsy tsara raha mpitovo mitovy taona aminao daholo sady maniry hanambady, no ataonao namana. Mila namana be taona kokoa ianao, mba hanampy anao hijery ny zava-misy araka ny tena izy.” Ary tadidio fa misy namana iray afaka hitondra fanampiana tsara kokoa ho anao, mba handresenao ny alahelonao.

Namana mampahery i Jehovah

Nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazo fanampiana ny lehilahy iray nahatoky fahiny, rehefa diso fanantenana. Inona no vokany? Hoy izy: “Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.” (Salamo 94:19) Hampionona sy hampahery anao koa i Jehovah, raha mivavaka aminy sy mino azy ianao. Izany no nataon’i Andrea. Hoy izy: “Tena manampy anao handresy ny alahelonao ny vavaka, sady mahatonga anao hifantoka amin-javatra hafa, fa tsy hieritreritra ny lasa.” Nilaza koa i Sonya fa ny vavaka dia “manampy anao hahatsiaro tena ho misy vidiny. Ary izany dia tsy miankina amin’ny hoe tia anao ny hafa na tsia.”

Tsy misy afaka mahatsapa ny tena mahazo anao, afa-tsy i Jehovah ihany. Nataony tao anatin’ny olona ny faniriana ho tia sy ho tiana ao anatin’ny fanambadiana. Fantany ny herin’ny fitiavana, ary fantany ny fomba hifehezana izany. Afaka manampy anao hanasitrana ny ratram-ponao izy, satria hoy ny 1 Jaona 3:20: “Lehibe noho ny fontsika ... Andriamanitra, sady mahalala ny zava-drehetra.”

Mahaiza mandanjalanja

Afaka mitondra fahasambarana lehibe ny fanambadiana, nefa tsy izy io irery ihany no mahasambatra. Mahita fifaliana daholo ny mpanompon’i Jehovah, ary tsy ny mpivady ihany no mahatsapa izany. Manana tombony aza ny mpitovo, amin’ny lafiny sasany. Tsy mijaly noho ny ‘fahoriana amin’ny nofo’, resahin’ny 1 Korintianina 7:28 izy ireo. Ny adin-tsaina sy ny fanahiana atrehin’ny mpivady no fahoriana resahiny eo. Malalaka kokoa ny mpitovo, ary mora kokoa aminy ny mandamina ny fiainany mba hanompoana an’i Jehovah misimisy kokoa. Izany no antony ilazan’ny Baiboly hoe: “Izay tsy mitoetra ho virjiny fa manambady dia manao tsara, fa izay mitoetra ho virjiny kosa ka tsy manambady dia manao tsara kokoa.” (1 Korintianina 7:38) Raha misaintsaina izany ianao, dia hahay handanjalanja sy hanararaotra ny fotoana maha mpitovo anao, na dia te hanambady mafy aza.

Hilaza aminao angamba ny namanao sasany hoe: “Aza matahotra fa mbola hahita olona mahafinaritra be ianao, indray andro any.” Raha tsy nanaiky hiaraka taminao tokoa ny olona iray, dia tsy midika akory izany fa ho irery foana ianao. Na izany aza, dia hoy i Candace, tovovavy kristianina: “Matoky tanteraka an’i Jehovah aho. Tsy manantena aho hoe tsy maintsy hanome vady ahy izy mba hahasambatra ahy. Fantatro kosa anefa fa hanome izay ilaiko izy, mba hamenoana izany banga izany.” Nanampy azy handresy ny fahadisoam-panantenany izany fijereny lafy tsaran-javatra izany.

Tsy mahomby ny ezaka ataon’ny sasany mba hiarahana amin’ny olona tiany, nefa maro koa ny fanambadiana tsy mahomby. Raha matoky an’i Jehovah sy manaraka ny toroheviny ianao, dia afaka hanampy anao mba ho faly izy fa tsy ho diso fanantenana intsony. Afaka ny hahatsapa izay tsapan’i Davida Mpanjaka ianao amin’izay. Hoy izy: “Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra; ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao. Fa Hianao no antenaiko, Jehovah ô; Hianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitro ô.”—Salamo 38:9, 15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tsy fomba any amin’ny tany maro ny hoe ny vehivavy no mitory fitiavana. Izany no nohazavain’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Tokony Holazaiko Aminy ve fa Tiako Izy?” (8 Novambra 2004) Tsy milaza ny Baiboly fa ratsy izany, nefa ampitandremany koa ny Kristianina mba tsy hanafintohina olona. Mila mieritreritra io torohevitra io àry ny olona te hotahin’Andriamanitra, rehefa hanapa-kevitra ny amin’izay tokony hatao.—Matio 18:6; Romanina 14:13; 1 Korintianina 8:13.

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 22]

Ekeo ny fanampiana omen’Andriamanitra