Ahoana no Hanatonana Kokoa An’Andriamanitra?
Ahoana no Hanatonana Kokoa An’Andriamanitra?
Maro ny olona mampirisika ny hamakiana ny boky Manatòna An’i Jehovah. Hoy ny nosoratan’ny mpamaky iray: “Vao avy namaky azy io aho, ary mbola tsy nihetsi-po toy izao mihitsy. Misaotra anareo mampahatsiahy fa Ray be fitiavana sy fiahiana ary tsara fanahy i Jehovah.”
Hoy ny olona iray hafa nanazava ny fihetseham-pony: “Ahafahako mamantatra tsara kokoa an’ilay Raiko ilay boky. Hitako tao ny fomba fiheviny sy ny fitiavany lalina antsika rehetra. Toy ny hoe mandinika ny lafiny tsirairay amin’ny diamondra mamirapiratra aho, rehefa mamaky ny toko tsirairay amin’ilay boky. Mbola ankafiziko kokoa noho ilay teo alohany anefa ny toko vaovao ianarako.”
Hoy koa ny vehivavy iray: “Vao avy namaky ny boky Manatòna An’i Jehovah aho. Niato matetika aho ary nivavaka, rehefa tonga teo amin’ireo fehintsoratra roa farany, satria tena feno fanajana sy fitiavana an’i Jehovah ny foko. Tsy hay lazaina ny fankasitrahako azy!”
Inoanay fa hahatsapa toy izany koa ianao rehefa hamaky an’io boky misy pejy 320 io. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.