Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fikarakarana ny Marary efa ho Faty

Fikarakarana ny Marary efa ho Faty

Fikarakarana ny Marary efa ho Faty

VAO avy nandia fahoriana mangidy ilay dokotera vavy. Hitany ny nahafatesan’ny renibeny 94 taona, tao amin’ny toerana itsaboana ny marary mafy. Voan’ny kansera izy, ary nodidiana na dia “tsy niriny” aza izany.

Hoy ilay dokotera: “Tsy ny nahafatesany no nampitomany ahy tany amin’ny fandevenana, satria ela velona izy sady be zavatra natao foana. Nitomany kosa aho, satria niaritra fanaintainana izy sady tsy notanterahina ny faniriany. Nampitomany ahy koa ny nahita ny reniko sy ny mpiray tam-po taminy. Nahatsiaro ho banga sy kivy mantsy izy ireo.”

Mety hanontany tena anefa ianao hoe: ‘Inona no azo atao mba hikarakarana ny marary mafy toy izany?’ Hoy ihany ilay dokotera:

“Izao anefa no tena nampitomany ahy: Tsy afaka nanala ny fanaintainany sy niaro ny fahamendrehany aho, ka nahatsiaro tena ho meloka tanteraka sy tsy mahay na inona na inona. Mba dokotera ihany aho, nefa tsy nahavita nanasitrana azy sy nanamaivana ny fijaliany. Tsy nampianarina hanaiky mihitsy koa aho, fa tsy maintsy maty sy miala aina ny olona. Fahavalo ny aretina, ka tsy maintsy resena amin’ny fomba rehetra foana. Midika ho faharesena sy tsy fahombiazana ny fahafatesana. Ny aretina mitaiza koa dia mampahatsiahy hatrany ny dokotera, fa voafetra ny azony atao. Tsy afaka ato an-tsaiko mihitsy ny mason’ny renibeko nipitrapitra nibanjina ahy, tamin’izy nasiana fitaovana manampy amin’ny fisefoana, tao amin’ny toerana itsaboana ny marary mafy.”

Mifandray amin’ny olana sarotra iray momba ny fitsaboana sy ny lalàna, ny zavatra nolazain’io zafikely be fitiavana io. Mbola iadian-kevitra any amin’ny fitsarana sy ny hopitaly maneran-tany izany. Izao ilay olana: Mandroso be izao ny teknolojia, ka inona no fomba tsara indrindra hikarakarana ny marary tsy ho sitrana intsony?

Misy mihevitra fa tokony hanao izay rehetra azony atao amin’ny marary tsirairay ny dokotera. Miombon-kevitra amin’izany ny Fikambanan’ny Dokotera sy Mpandidy Amerikanina, ka nanao hoe: ‘Adidin’ny dokotera ny manao foana izay hahasoa ny marary tsy mahatsiaro tena, na tsy mahatsapa na inona na inona, na kilemaina hatrany an-kibo, na dia fantany aza fa tsy ho sitrana intsony izy.’ Midika izany fa tsy maintsy manao izay rehetra azony atao ny dokotera, mba hitsaboana ny marary. Miombon-kevitra amin’izany ve ianao?

Fihetsika tena mendri-piderana izany, araka ny hevitry ny maro. Nandroso be anefa ny fitsaboana, ka lasa nisy fomba fijery vaovao tato anatin’ireo folo taona faramparany. Namoaka lahatsoratra niavaka hoe “Ny Adidin’ny Dokotera Amin’ny Marary Tsy ho Sitrana Intsony” ny dokotera za-draharaha folo, tamin’ny 1984. Izao no namaranan’izy ireo azy io: “Tsara raha ahena ny fitsaboana mahery vaika atao amin’ny marary tsy ho sitrana intsony, raha toa ka hampaharitra fotsiny ny fotoana hijaliany izany.” Nohavaozin’izy ireo ilay lahatsoratra, dimy taona tatỳ aoriana, ary nantsoiny hoe “Fomba Fijery Hafa.” Nivantana kokoa izy io. Izao no voalaza tao: “Maro àry ny dokotera sy mpikaroka momba izay tsara sy ratsy ... nanatsoaka hevitra, fa tsy mahadiso raha tsy omena sakafo sy rano intsony ny marary sasany efa ho faty, na tsy ho sitrana intsony, na tsy hahatsiaro tena intsony mihitsy.”

Tsy azontsika atao ny milaza avy hatrany hoe teoria fotsiny izany, na adihevitra tsy mahakasika antsika loatra. Kristianina maro no efa niatrika toe-javatra mampalahelo mifandray amin’ireo, ka nanontany hoe: Mbola tokony hotazonina amin’ny alalan’ny fitaovana manampy amin’ny fisefoana ve ny ain’ny marary iray tsy ho sitrana intsony? Mbola tokony homena sakafo amin’ny alalan’ny seraoma na zavatra hafa ve izy? Mbola tokony handany ny volany rehetra hitsaboana azy ve ny havany na ny fianakaviany, angamba handefasana azy any amin’ny hopitaly lavitra be, mba hahazoany ny fitsaboana maoderina indrindra?

Azo inoana fa hiaiky ianao hoe saro-baliana ireo fanontaniana ireo. Ahoana anefa raha mitranga aminao izany? Azo antoka fa hanontany tena ianao hoe: ‘Misy tari-dalana azon’ny Kristianina arahina ve? Iza na inona no afaka manampy azy? Ary ambonin’ny zava-drehetra, inona no lazain’ny Soratra Masina?’