Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitsidihana Tsy Hay Hadinoina ny Vava Volkano Ngorongoro

Fitsidihana Tsy Hay Hadinoina ny Vava Volkano Ngorongoro

Fitsidihana Tsy Hay Hadinoina ny Vava Volkano Ngorongoro

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Tanzania

“RAHA nisy anjely naka sary tao amin’ny Saha Edena, dia ho nitovitovy tamin’ny sarin’ny bibidia nalaina tao amin’ny Vava Volkano Ngorongoro ankehitriny, ny sarina bibidia nalain’izy ireo.” Izany no nosoratan’i Reinhard Künkel, tao amin’ny bokiny momba io toerana mahasarika olona eto Tanzania io. Kanto tokoa mantsy ny Vava Volkano Ngorongoro, sady ahitana bibidia an’arivony. Andao hiara-mankafy aminay ireo zavatra hita any!

Toerana mahavariana

Tonga teo amoron’ny Vava Volkano Ngorongoro ihany izahay tamin’ny farany, rehefa avy nandeha fiara adiny efatra tamin’ny lalana be vovoka. Avy teo amin’ny lavarangan’ny hotely nisy anay izahay no nijery ilay toerana mahafinaritra. Tena hafakely ilay izy. Nantsoin’ireo mpandinika ny zavaboary hoe “zava-mahatalanjona fahavalo eto an-tany” mihitsy izy io, ary ho hitantsika ny antony nilazan’izy ireo izany.

Inona no nahatonga ilay anarana hoe Ngorongoro? Tsy tena fantatra ilay izy. Misy milaza fa anaran’ny Masai iray mpanamboatra lakolosy ho an’ny biby fiompy, izay nipetraka teo amin’ilay vava volkano ny hoe Ngorongoro, araka ny Fikambanana Miaro ny Zavaboary any Afrika Atsinanana. Nisy ady koa teo amin’izy io, 150 taona lasa izay, ka misy mihevitra fa avy amin’ilay andiana mpiady mahery tany Datogo, izay resin’ny Masai teo, ilay anarana. Tsy nahaliana anay intsony indray izay niavian’ilay anarana, rehefa nahatazana zebra vitsivitsy niraoka ahitra teo akaikin’ny parking izahay. Nanatona azy ireo izahay rehefa niditra tao amin’ny fiaranay, nefa toa tsy taitra akory izy ireo. Nandeha fiara nidina tany amin’ny farany ambany amin’ilay vava volkano izahay, mba handinika akaiky kokoa ireo bibidia.

Eo amin’ny 2 236 metatra ambonin’ny ranomasina no misy ilay vava volkano, ary izy io no lehibe indrindra eran-tany. Mirefy 19,2 kilaometatra ny savaivony, ary 304 kilaometatra toradroa ny velarany. Mirefy 610 metatra ny halalin’ilay vava volkano. Nidina moramora hatrany ambany izahay, sady naka sary avy teo amin’ny varavarankelin’ny fiara. Nangatsiaka sy namanala ny rivotra vao maraina, tamin’izahay teo amin’ny sisin’ilay vava volkano. Tsy nampoizinay anefa fa nafana be tao anatiny.

Nandalo farihy kely iray masira nisy sama mavokely maro be izahay, rehefa nentin’ilay mpamily moramora nanodidina an’ilay toerana. Manga ny lanitra ka niavaka tsara terỳ ambony terỳ ny sisin’ilay vava volkano. Tena nihetsi-po izahay nandre ny feona zebra sy gnou ary feo hafa tsy nahazatra. Kanto ilay toerana!

Bibidia hita eto

Nirinay ny hahita ombidia, elefanta, zebra, gnou, gazela, tokantandroka mainty, ary karazana gidro. Tsy diso fanantenana izahay. Mirenireny eto koa ny biby mpiremby toy ny karazana kary be, hyène, karazana alikadia, ary liona mainty volon-katoka. Maka hatsiatsiaka eo amin’ny kamory kely iray ny hipopotama. Toa tsy mampaninona azy ireo ny alaina sary.

Nijanona tampoka ilay mpamily, ary nanondro tokantandroka mainty iray niampita teo aloha kelinay. Toa mahazo aina erỳ izy ao amin’ilay vava volkano. Mahalana izy ireny vao hita akaiky toy izany, ao amin’ny fonenany voajanahary. Efa ho lany tamingana io bibidia goavana sy mampahatahotra io, ary latsaka ny 20 sisa izy ireo eto amin’ilay vava volkano. Nisy mpihaza tsy ara-dalàna tratra namono tokantandroka teto. Alain’izy ireo ny tandrony ary amidiny, mba hanaovana tahon-tsabatra sy fanafody. Misafo matetika an’ilay vava volkano ny mpiambina, mba tsy hisian’ny mpihaza tsy ara-dalàna.

Ho faly koa ireo tia vorona, satria misy karazany maro eto. Anisan’izany ny aotirisy, outarde kori, vano misy sanga, vanofotsy, vano, vorona sekretera, voronomby kely mena vava, ary ny vorona mavokely hafa tsy hita isa, izay kely kokoa noho ny sama. Tsy misy ao amin’ny Valam-pirenen’i Serengeti eo akaiky eo, ny karazam-borona zato mahery ao amin’ilay vava volkano. Anisan’izany ny pika, imasomenakely, brubru afrikanina, ary ny mpisambo-dalitra. Hahita sentinelle à gorge rose ianao eny amin’ireo bozaka lava, ary mety hahatazana karazana goaika tsy fahita firy mihitsy aza.

Tsy maintsy nijanona tao anaty fiara izahay, na dia tsy nahamarika anay aza ny ankamaroan’ireo biby. Afaka mivezivezy ao miaraka amin’ny andiam-bibiny kosa anefa ireo Masai mipetraka any ivelan’ilay vava volkano. Trano bongo tany mitafo bozaka no ipetrahany, ary tsy maninona azy ireo ny bibidia.

Tena mahavariana ny hatsarany sy ny filaminan’ilay Vava Volkano Ngorongoro. Tsy hohadinoinay mihitsy iny fitsidihana iny.

[Sary, pejy 23]

Tokantandroka

[Sary, pejy 23]

Lehilahy masai miandry ny andiam-bibiny eny amoron’ilay vava volkano

[Sary, pejy 23]

Vehivavy masai

[Sary, pejy 24]

Karazana kary be

[Sary, pejy 24]

Vano misy sanga

[Sary, pejy 24]

Sama

[Sary, pejy 24]

Hipopotama

[Sary, pejy 24]

Vava Volkano Ngorongoro

[Sary, pejy 25]

Zebra

[Sary, pejy 25]

Ombidia

[Sary, pejy 25]

Elefanta

[Sary, pejy 25]

Karazana gidro