Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Azo Atao ho An’ny Marary efa ho Faty?

Inona no Azo Atao ho An’ny Marary efa ho Faty?

Inona no Azo Atao ho An’ny Marary efa ho Faty?

NIOVA tato ho ato ny fahitan’ny olona any amin’ny tany maro, ny fahafatesana sy ny fialana aina.

Fahiny, dia mora tamin’ny dokotera ny nanaiky fa tsy maintsy ho faty ny marary sasany notsaboiny. Nataony àry izay tsy hampijaly be azy mandra-pahafatiny. Matetika ilay marary no tany an-tranony ihany.

Nanjary tena zava-dehibe anefa tato ho ato ny teknolojia sy ny fitsaboana, ka lasa nihevitra ny dokotera fa tsy fahombiazana na faharesena ny fahafatesana. Izay tsy hahafaty ny marary àry no lasa tanjon’izy ireo lehibe indrindra. Vokatr’izany, dia nitady teknolojia vaovao tanteraka izy ireo mba hahela velona kokoa ny olona.

Nandroso be tokoa ny fitsaboana tany amin’ny tany maro. Misy zavatra tena mampanahy ny olona sasany anefa. Hoy ny dokotera iray: ‘Tsy tena zava-dehibe amin’ny ankamaroan’ny dokotera, toy ny taloha intsony, ny fiahiana ny marary. Izay hampandeha tsara ny fitaovany, sy izay hampety sy hahamarina tsara ny fitsaboany no zava-dehibe kokoa aminy, fa tsy ny hatsaram-panahy amin’ny marary, ny fangorahana azy, ny fiaraha-miory aminy, ary ny fiahiana azy. Misy mpitsabo tsy mangoraka toy ny taloha intsony. Tsy hahazo fampiononana firy ny marary efa ho faty, raha dokotera mafy fo no mitsabo azy.’

Hevitr’olon-tokana izany, ary tsy natao hanamelohana ny dokotera rehetra mihitsy. Asa anefa raha efa renao, fa olona maro no matahotra an’izany hoe hampiasana fitaovana manokana mba hitazonana ny ainy izany.

Nanomboka nipoitra àry ity hevi-baovao ity: Amin’ny toe-javatra sasany, dia tokony hoentina amim-pahamendrehana ny olona, ka havela ho faty amin’izao, fa tsy hoterena hanaraka fitsaboana maoderina, izay tsy misy fiahiana azy. Tsy ela izay, dia nisy fanadihadiana nataon’ny gazety Fotoana (anglisy). Maherin’ny telo ampahefatry ny olona nadinadinina no nilaza, fa tokony homena alalana ny dokotera hanajanona ny fitsaboana natao hitanana ny ain’ny marary efa ho faty. Izao no fanatsoahan-kevitr’ilay gazety: “Rehefa fantatry ny [olona] fa tsy maintsy ho faty izy, dia aleony entina amim-pahamendrehana, ka avela ho faty amin’izao, fa tsy ametahana fitaovana be dia be ao amin’ny toerana itsaboana ny marary mafy.” Miombon-kevitra amin’izany ve ianao?

Soso-kevitra

Samy hafa ny fahitan’ny olona ny fahafatesana sy ny fialana aina, arakaraka ny kolontsainy sy ny fiaraha-monina misy azy. Lasa manisy fiheverana bebe kokoa ny fijalian’ny marary tsy ho sitrana intsony anefa ny olona any amin’ny tany maro. Tato ho ato, dia nanao izay hanatsarana ny fikarakarana azy ireny ny dokotera sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny ary ny mpikaroka momba izay tsara sy ratsy.

Nisy fomba maro hita, fa izao no tena fanao any amin’ny hopitaly sasany: Tsy velomina intsony ilay marary, raha sanatria tsy mahatsiaro tena. Misy zavatra tsy maintsy atao anefa alohan’izay. Misy dinidinika maharitra ifanaovana amin’ny fianakavian’ilay marary, sy ilay marary mihitsy raha azo atao. Ifanarahana tsara hoe rahoviana no mbola hovelomina na tsy hovelomina intsony izy. Soratana ao amin’ny antontan-taratasiny izany.

Eken’ny ankamaroantsika fa ny hevitr’ilay marary no tokony ho fantatra voalohany indrindra, eo anoloan’ny fanapahan-kevitra lehibe toy izany. Sarotra anefa izany, satria mazàna izy no tsy mahatsiaro tena na tsy afaka manapa-kevitra tsara. Izany no antony nanaovana taratasy iray ahafahany milaza mialoha ny heviny. Soratany mazava tsara ao izay fitsaboana tiany hatao aminy rehefa akaiky ho faty izy. Mety ho toy izao no ao anatin’izany taratasy izany:

“Raha voan’ny aretina tsy azo sitranina intsony aho, ka ho faty afaka fotoana fohy, dia tiako ny tsy hampiasana fitsaboana hanalavana ny fiainako. Raha tsy afaka milaza izay fitsaboana tiako harahina aho, dia angatahiko ny dokoterako mba hanajanona na tsy hanomboka karazana fitsaboana, izay vao mainka hahela ny fotoana hahafatesako sady tsy hanala ny fijaliako.” Mety holazain’ilay olona ao mihitsy aza hoe inona no karazana fitsaboana tiany na tsy tiany hatao aminy.

Ekena ho ara-dalàna ny taratasy toy izany any amin’ny tany maro, na dia tsy ekena ihany aza indraindray. Olona dimy tapitrisa teo ho eo no efa nanao azy io tany Etazonia. Hitan’ny manam-pahefana maro any, fa io no fomba tsara indrindra azon’ny marary ampiasaina, raha tiany hohajaina sy hotanterahina ny faniriany.

Ny fikarakarana an’ilay marary

Ahoana kosa no fikarakarana ilay marary? Betsaka ny fandaharana natao, fa misy anankiray tena miavaka, sady manomboka ho be mpitia maneran-tany. Inona izany?

Hospice no anarany amin’ny teny anglisy. Avy tamin’ny teny frantsay tranainy niantsoana ny trano fampiantranoana ny mpanao fivahiniana masina izy io. Tsy toerana na trano anefa izy io, fa fandaharana natao hikarakarana ny marary efa ho faty. Misy ekipa manokana mikarakara an’ilay marary. Dokotera sy mpitsabo mpanampy ary mpiasa an-tsitrapo no ao anatin’izy io. Ataon’izy ireo izay hampetipety ny fiainan’ilay marary sy tsy hampanaintaina firy azy. Tsara kokoa raha ao an-tranony izy.

Avy amina hopitaly ny ekipa sasany, fa miasa tena kosa ny maro. Mampiasa mpitsabo mpanampy, manam-pahaizana momba ny sakafo, mpitondra fivavahana, ary mpanotra, ny ankamaroan’izy ireny. Tsy manaraka fitsaboana tsy mahazatra izy ireo, fa miezaka mafy mangoraka an’ilay olona. Tsy miady amin’ilay aretina izy ireo, fa miady amin’ny fijalian’ilay marary. Hoy ny dokotera iray momba izany: ‘Fikarakarana hafa tanteraka ilay izy, fa tsy hoe zara raha mitsabo, na tsy mitsabo mihitsy, na fitsaboana tsy andaniam-bola be.’

Ahoana no fahitanao an’io fandaharana io? Raha manana havana marary efa ho faty ianao, sao dia azonao iaraha-midinika aminy na angamba amin’ny dokoterany izy io?

Mbola tsy misy ao amin’ny taninao angamba io fandaharana io izao. Mety hisy ihany anefa any aoriana any, satria mihamaro ny olona tia azy io maneran-tany. Noheverina taloha, fa mifanohitra amin’ny fomba fiasan’ny dokotera izy io. Nanjary nekena tsikelikely anefa ilay izy, ary lasa anisan’ny fomba azo ikarakarana ny marary efa ho faty. Tena nanampy tamin’ny fandrosoan’ny fitsaboana izy io noho ny teknika ampiasaina aminy, indrindra fa ny fampiasana araka ny antonony ny fanafody mampitony fanaintainana.

Nanoratra ho an’ny Gazetini Nouvelle-Angleterre Momba ny Fitsaboana (anglisy) ny Dr. Gloria Werth. Notantarainy toy izao ny nahafatesan’ny rahavaviny, izay nanaraka an’io fandaharana io. Hoy izy: ‘Tsy noterena hihinam-panafody, na hisakafo, na hisotro rano mihitsy ny rahavaviko, fa nahazo nanao izany, araka izay tiany. Izao anefa no tena itiavako an’io fandaharana io: Zavatra tsara foana no miverina ao an-tsainay, isaky ny mahatsiaro ny nahafatesan’i Virginia izahay. Matetika no tsy mahatsapa toy izany ny olona nanana havana maty tany amin’ny toerana itsaboana ny marary mafy.’

[Teny notsongaina, pejy 5]

‘Misy mpitsabo tsy mangoraka toy ny taloha intsony. Tsy hahazo fampiononana firy ny marary efa ho faty, raha dokotera mafy fo no mitsabo azy’

[Teny notsongaina, pejy 6]

Tsy miady amin’ilay aretina ilay ekipa, fa miady amin’ny fijalian’ilay marary