Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampahalaza ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra ny Vavolombelon’i Jehovah

Nampahalaza ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra ny Vavolombelon’i Jehovah

Nampahalaza ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra ny Vavolombelon’i Jehovah

MATETIKA no nataon’ny gazety matoan-dahatsoratra ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izy ireo tsy manaiky hampidiran-dra. Marina fa antony araka ny Soratra Masina no andavan’izy ireo ra. Hita koa anefa fa mampidi-doza izy io. (Genesisy 9:3, 4; Levitikosy 17:10-12; Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Nampifanolana azy ireo tamin’ny dokotera sy ny hopitaly ary ny fitsarana izany. Nisy dokotera tsy nety nandidy Vavolombelona, noho izy ireo tsy nanaiky hampidiran-dra. Nisy zanaka Vavolombelona koa noteren’ny fitsarana hampidiran-dra.

Niova anefa izao ny fiheveran’ny olona sasany ny fampidiran-dra. Matetika mantsy no maloto ny ra, ka mamindra aretina. Mahafaty ny sasany amin’izy ireny. Misy koa manao ny ra ho fitadiavan-karena, satria lasa ahazoam-bola be izy io, sady ampirisihana foana ny fampiasana azy. Vao mainka àry mitombo ny loza ateraky ny fandidiana. Noho ireo antony ireo sy ny hafa koa, dia olona maro tsy Vavolombelon’i Jehovah no mandinika tsara, alohan’ny hanekena fampidiran-dra.

Anisan’ny nahatonga izany ny Vavolombelon’i Jehovah. An’arivony tamin’izy ireo mantsy no efa nodidiana, nefa tsy nampidiran-dra. Sitrana haingana kokoa izy ireny matetika. Hita tamin’izany koa fa afaka manao izay tsy hahavery ra be ny marary ny mpandidy. Hita koa fa tsy atahorana loatra ny fatran’ny hemôglôbinina ao amin’ny ra, na dia latsaka be noho izay noheverina ho ara-dalàna aza. Maro koa ny fitsaboana azo asolo ny fampidiran-dra. Mampihena ny fandaniana izany, ary misoroka ireo loza ateraky ny fampidiran-dra. Ankoatra izany, dia lasa manana zo hanaiky na handa fitsaboana sasany indray ny marary, noho ny fandresen’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny fitsarana.

Nahavita izany izy ireo, satria niara-niasa tamin’ny dokotera sy ny hopitaly. Taona vitsivitsy lasa izay, dia nanangana sampan-draharaha atao hoe Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly (SFH) izy ireo, tany amin’ny foibeny. Nitety firenena maro ny solontenan’io sampan-draharaha io, ka nanao seminera tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana sasany. Nanangana Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly koa izy ireo. Io komity io no mankany amin’ny hopitaly sy ny dokotera, rehefa ilaina. Nanangana SFH hafa ho an’ny biraon’ny sampana lehibe kokoa ny solontenan’ny SFH, mba hanohy ilay asa rehefa lasa izy ireo.

Ampianarina an’ireo komity ireo mandritra ilay seminera, ny zavatra horesahina amin’ny dokotera sy ny mpiasan’ny hopitaly. Asaina resahiny ny momba ireo fitsaboana hafa azo asolo ny fampidiran-dra. Asaina hazavainy koa fa misy fomba fandidiana voatandrina tsara, ka mampihena be ny ra very. Ampanaovina fanazaran-tena izy ireo avy eo, ka entin’ny solontenan’ny SFH miresaka amin’ny dokotera sy ny tompon’andraikitry ny hopitaly mihitsy.

Seminera 18 no natao tany Etazonia, tamin’ny voalohany. Nisy efatra natao tany amin’ny faritr’i Pasifika taorian’izay, dia tany Aostralia, Japon, Philippines, ary Hawaii. Natao ho an’ny sampana valo any amin’ireo faritra ireo, izany seminera izany. Tamin’ny Novambra sy Desambra 1990, dia nanao seminera folo fanampiny tany Eoropa sy Amerika Latinina ary Karaiba, ny solontena telo avy amin’ny SFH. Voalaza manaraka eto ny vokatr’ireo seminera ireo.

Dimy no natao tany Eoropa, dia tany Angletera, Soeda, Frantsa, Alemaina, ary Espaina. Ho an’ny sampana 20 ireo seminera ireo. Nampiofana anti-panahy 1 700 mahery izy ireo, mba hanao ny asan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly.

Niaiky ny mpandidy frantsay iray, fa nanampy ny dokotera handroso eo amin’ny fandidiana tsy ampiasana ra ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izy ireo mijoro amin’ny heviny. Nilaza izy fa mbola tsy nisy fivavahana niezaka mafy toy izany, mba hanampiana ny mpivavaka ao aminy hiatrika toe-javatra sarotra.

Taloha dia tsy nanaiky mihitsy ny hevitra ijoroan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hopitaly maoderina indrindra any Madrid, Espaina. Tokony hodidiana ny hazondamosin’ny Vavolombelona iray, nefa tsy nanaiky hanao izany ilay hopitaly, satria tsy nety nampidiran-dra izy. Tsy nety niala tao amin’ilay hopitaly izy, ka tsy nomen-dry zareo sakafo sy rano, mba hanerena azy handeha. Afaka nifanao fotoana tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ilay hopitaly sy ny lehiben’ny mpandidy anefa ny SFH. Nifampidinika nandritra ny adiny roa izy ireo. Inona no vokany? Nanaiky hanao ilay fandidiana izy ireo, ka niantso an’ilay Vavolombelona mba hiverina.

Niatrika olana avy hatrany ny komity tany Italia, raha vao tafaverina avy tany amin’ilay seminera. Nisy zazakely tsy tonga volana saika noterena hampidiran-dra. Hoy ilay komity: “Nahavita nandamina ilay olana izahay, noho ny fampiofanana azonay tany amin’ilay seminera. Voatsabo tsara ilay zaza, ary tsy nampidiran-dra.”

Tany Amerika Latinina sy Karaiba

Natao tany Meksika, Arzantina, Brezila, Ekoatera, ary Porto Rico ny seminera dimy nanaraka. Natao ho an’ny sampana 32 ireo seminera ireo.

Nilaza ny talen’ny bankin-dra any Mexico, fa ny Vavolombelon’i Jehovah no tena nampahalaza ny fandidiana tsy ampiasana ra. Efa mahay tsara azy io izao ny mpandidy, ka mandray soa amin’ny ezaka nataon’ny Vavolombelona ny olon-kafa. Novakiny ilay lisitra nomen’ny SFH, momba ireo fitsaboana azo asolo ny fampidiran-dra rehefa misy olona very ra be. * Hoy izy avy eo: ‘Tiako hatao fotokopia izy ity, mba hapetaka eo amin’ny tabilaon’ny hopitaly rehetra eto Mexico. Hasaiko manao fotokopia an’ity koa ny dokotera mba hovakiny. Amin’izay rehefa miantso atỳ izy mba hangataka ra, dia hasainay jereny aloha ity lisitra ity, ary hanontanianay izy raha efa nanandrana ny fitsaboana voalaza ato. Raha mbola tsy nanandrana izy, dia hasainay manao izany aloha, izay vao homenay ra!’

Nanampy ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny talen’ny bankin-dra any avaratr’i Arzantina. Misy lalàna ao amin’io faritra io, fa tsy raisin’ny hopitalim-panjakana ny marary iray, raha tsy manome ra iray litatra, fara fahakeliny, ny havany na ny namany. Tsy nanao izany ny Vavolombelona, ka tsy nodidiana. Rehefa avy nohazavaina taminy ny hevitra ijoroantsika momba ny ra, dia nilaza ilay tale fa hasainy ovana io lalàna io, rehefa havaozina indray. Mandra-pahatongan’izany, dia tsy hasaina manome ra izay Vavolombelona mampiseho Karatra Fitakiana Ara-pitsaboana.

Efa nandidy Vavolombelona sy olon-kafa 2 500 mahery ny dokotera iray malaza sady tò teny any Ekoatera. Tsy nampiasa ra mihitsy izy tamin’izany. Nilaza izy fa mikasa ny hanao fampielezan-kevitra, ho fanohanana ny fandidiana tsy ampiasana ra. Mitondra loza be dia be ho an’ny marary mantsy ny ra.

Hoy ny mpandidy iray nihaona tamin’ny SFH taorian’ilay seminera tany Ekoatera: “Matoa ireo olona ireo mahavita manao fikarohana lalina momba ny fitsaboana, dia manaporofo izany fa avo lenta ny fianarany Baiboly. Lasa mieritreritra àry aho hoe mendrika hohalalinina ny fivavahan’izy ireo.”

Nisy fiovana tsara koa tany Porto Rico. Taloha dia nofatorana ny olon-dehibe Vavolombelona indraindray, ka nampidiran-dra an-keriny. Maty ny sasany tatỳ aoriana. Nihaona tamin’ny tale lefitra sy ny mpisolovavan’ny Fikambanan’ny Hopitalin’i Porto Rico, ny solontenan’ny SFH. Mpitantana hopitaly koa ilay mpisolovava. Mbola tsy nanomboka an’ilay dinidinika akory ireo solontena, fa vao nilaza ny momba azy ireo fotsiny, dia niteny avy hatrany ilay mpisolovava fa nanan-kolazaina. Gaga be ireo Vavolombelona, fa niresaka momba ny tetikasa natao hanatsarana ny zon’ny marary ao amin’ilay nosy izy. Voazava tao amin’ilay tetikasa ireo hevi-dehibe saika horesahin’ireo solontena! Nanontany koa izy raha azony atao fotokopia ny fanazavana sasany nomena azy. Tiany hampidirina ao amin’ny lahatsoratra iray, ao amin’ny gazetin’ny fikambanan’ny hopitaly izy io.

Tany Etazonia

Nilaza zavatra niavaka tamin’ny komity teo an-toerana ny Dr. James Riley, lehiben’ny mpandidy ao amin’ny hopitaly iray. Hoy izy: ‘Raha ny fahitako azy, dia ianareo no manana ny farany indrindra amin’ny fanazavana siantifika sy araka ny lalàna, momba ny fampiasana ny ra.’

Nihaona tamin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, ny mpiasa sy mpitantana vitsivitsy tao amin’ny hopitaly lehibe iray any Washington. Nanome toky izy ireo fa hanampy ny Vavolombelona. Tena noderain’izy ireo koa ny “fiezahan’ny Tilikambo Fiambenana manao fandaharana toy izao, mba hanampiana ny mpikambana ao aminy rehefa ilaina.”

Nilaza ny lehiben’ny sampan-draharaha mikarakara ny marary any amin’ny hopitaly iray any Wisconsin, fa tena diso ny zavatra reny momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampirisika ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly izy, mba “hampahafantatra io fanazavana io amin’ny dokotera rehetra, na inona na inona mitranga.”

Anisan’ny asan’ny SFH ny mandefa fanazavana siantifika sy araka ny lalàna, any amin’ny dokotera sy ny hopitaly ary ny fikambanana hafa mifandray amin’ireo. Rehefa naharay izany ny manam-pahaizana iray momba ny lalàna mifandray amin’ny fahasalamana, any amin’ny hopitaly iray any Baltimore, Maryland, dia niteny hoe: “Misaotra tamin’ireo fanazavana maro momba ny fampidiran-dra sy ny Vavolombelon’i Jehovah, nalefanareo ho ahy. Tena ilainay izy ireo, mba hanampiana ny hopitaly handinika indray ny fomba fitondranay ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Any Etazonia fotsiny, dia dokotera efa ho 10 000 no vonona tsy hampiasa ra rehefa mandidy ny Vavolombelon’i Jehovah.

Lasa misy komity mifandray amin’ny hopitaly izao any amin’ny biraon’ny sampana 62, noho ireo seminera 32 natao. Vonona hikarakara ireo Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maneran-tany izy ireny. Hita avy amin’ireo vokatra ireo fa tena mitahy ny ezaky ny SFH i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Afaka manatona ny SFH ianao, raha mila an’io lisitra io.

[Sary, pejy 29]

CDC/Anthony Sanchez