Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fanampiana Tsara Indrindra!

Ny Fanampiana Tsara Indrindra!

Ny Fanampiana Tsara Indrindra!

METY hisy fanontaniana lehibe hapetraky ny Kristianina, rehefa mifidy ny fitsaboana hatao amin’ny marary efa ho faty izy. Ohatra:

Misy fitsipiky ny Soratra Masina voadika ve, raha tsy mitady ny fomba rehetra hitanana ny ain’ilay marary? Ary raha mety ny mamela azy ho faty amin’izao, fa tsy ampiasana fitsaboana tsy mahazatra mba hanalavana ny fiainany, ahoana ny amin’ny euthanasie, na zavatra iniana atao hanafohezana na hanaperana ny ain’ny marary, mba tsy hijaliany intsony?

Fanontaniana lehibe ireo, nefa azontsika atao ny mahita ny valiny.

Hoy mantsy ny mpanoratra iray nahazo herin’ny fanahy masina: “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.” (Salamo 46:1) Mihatra amin’ity loha hevitra dinihintsika ity koa, io andinin-teny io. I Jehovah Andriamanitra no tena afaka manampy antsika, satria izy no hendry sy mahafanta-javatra indrindra. Nandinika ny fiainan’ny olona an’arivo tapitrisany izy. Mahafantatra izay mety indrindra amintsika izy, mihoatra noho ny dokotera sy ny mpikaroka momba izay tsara sy ratsy ary ny mpisolovava. Andeha àry hojerentsika ny fanampiana omeny.—Salamo 25:4, 5; Hebreo 4:16.

Fomba fijery mety momba ny fiainana

Tsara ho fantatsika fa tsy ny mpitsabo ihany no manana ilay fomba fijery hoe tsy maintsy atao izay fomba rehetra hitanana ny aina. Manana an’io fomba fijery io koa ny olon-tsotra. Nahoana? Satria mino izy ireo fa tsy misy afa-tsy izao fiainana izao ihany. Raha marina izany, dia toa tokony hatao izay fomba rehetra hitanana ny aintsika, na inona na inona mitranga. Miteraka toe-javatra tena mampalahelo anefa izany indraindray. Misy marary hita fa tsy hahatsiaro tena intsony, nefa tazonina ho “velona” an-taonany maro amin’ny alalan’ny fitaovana manokana.

Misy koa anefa mino fa tsy maty ny fanahy. Mihevitra izy ireo fa gara kely mankany amin’ny toerana tsara kokoa fotsiny izao fiainana izao. Hoy i Platon, iray amin’ireo namorona izany finoana izany:

‘Iray amin’ireto ny fahafatesana: Tsy fisiana sy tsy fahatsiarovan-tena tanteraka, na fiovan’ny fanahy sy fifindrany avy eto amin’ity tontolo ity mankany an-kafa. Raha fifindrana any an-kafa tokoa àry izy io, inona no zavatra tsara kokoa noho izany?’

Mety hihevitra ny fahafatesana ho namana ny olona mino izany, ka haniry ho faty, ary mety hanafaingana izany mihitsy aza. Ampianarin’ny Baiboly anefa fa masina amin’i Jehovah ny aina. Hoy ny mpanao salamo nahazo herin’ny fanahy masina: “Ao aminao no misy loharanon’aina.” (Salamo 36:9) Tokony hanaiky ny hanaperana ny ain’ny marary efa ho faty àry ve ny Kristianina?

Misy mihevitra fa miresaka izany ny Baiboly, ao amin’ilay tantaran’i Saoly Mpanjaka. Naratra mafy izy, ka niangavy ny mpitondra ny fiadiany mba hamono azy. Araka ny hevitr’izy ireo, izany dia mitovitovy amin’ny zavatra iniana atao mba hahafaty haingana ny olona efa miala aina. Nisy Amalekita nilaza fa nanaiky ny fiangavian’i Saoly. Noheverina fa nety ve anefa ny nataony, satria hoe nampitsahatra ny fijalian’i Saoly izy? Tsy izany mihitsy. Nasain’i Davida, voahosotr’i Jehovah, novonoina izy satria nanana trosan-dra. (1 Samoela 31:3, 4; 2 Samoela 1:2-16) Tsy manaporofo mihitsy àry io tantara io, fa mety amin’ny Kristianina ny manapitra ny ain’ny marary efa ho faty.

Midika ve anefa izany fa tsy maintsy manaraka ny fitsaboana maoderina rehetra misy ny Kristianina, mba hanalavana ny fiainan’ilay marary? Tokony hatao ve izay hahela velona azy? Ampianarin’ny Soratra Masina fa tsy naman’ny olona ny fahafatesana, fa fahavalony. (1 Korintianina 15:26) Tsy mijaly na sambatra koa anefa ny maty, fa toy ny olona matory. (Joba 3:11, 13; Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 11:11-14; Asan’ny Apostoly 7:60) Miankina tanteraka amin’Andriamanitra koa ny hoavin’ny olona maty, satria manan-kery hanangana azy ireny izy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (Jaona 6:39, 40) Hitantsika àry fa manome izao fahalalana tena ilaina izao Andriamanitra: Tsy mety ny maniry ho faty, nefa tsy midika izany fa tsy maintsy atao izay fomba rehetra hanalavana ny fiainan’ny olona efa ho faty.

Toro lalana kristianina

Inona avy no toro lalana azon’ny Kristianina ampiharina, raha manana havana marary efa ho faty izy?

Voalohany, tokony ho fantatsika fa tena tsy mitovy ny toe-javatra misy ny marary efa ho faty. Tsy misy lalàna koa momba ny toe-javatra tsirairay. Ambonin’izany, dia tokony hofantarin’ny Kristianina ny lalàna ao amin’ny taniny. (Matio 22:21) Tadidio koa fa tsy manao tsirambina ny marary, ny Kristianina be fitiavana.

Rehefa hita fa efa ho faty ilay marary (izany hoe voaporofo fa tsy ho sitrana intsony), vao tokony hotapahina ny hevitra fa hasaina hajanona ny fitsaboana mitana ny ainy. Tsy takin’ny Soratra Masina ny hanarahana fitsaboana hanalavana ny fiainan’ny marary efa ho faty, ka tsy misy afaka manizingizina ny amin’izany.

Tena sarotra io toe-javatra io, ary mety hisy fanapahan-kevitra mampalahelo tsy maintsy raisina. Ahoana, ohatra, no ahafantarana fa tsy ho sitrana intsony ny marary iray? Marina fa tsy misy mahazo antoka tanteraka ny amin’izany. Mila mahay mandanjalanja sy mihaino torohevitra anefa isika. Hoy ny gazety iray momba ny fitsaboana, natao hanoroana hevitra ny dokotera:

‘Raha tsy mitovy hevitra ny mpitsabo mahakasika ilay aretina sy ny ho fizotrany, na izy roa mitambatra, dia tokony hotohizina ny fitsaboana natao hitanana ny ain’ny marary, mandra-pisin’ny marimaritra iraisana. Raha manizingizina be loatra anefa isika fa mila atao azo antoka tsara hoe tsy misy fanantenana intsony, dia ho sahirana ny dokotera hifidy ny fitsaboana mety. Marina fa nisy marary efa tsy nantenaina intsony, nefa sitrana ihany. Maningana anefa izany, ka tsy antony lehibe tokony hanohizana fitsaboana mahery vaika. Tsy tokony hiankina amin’izany ny fanapahan-kevitra ny amin’ny fitsaboana harahina, fa miankina amin’izay mateti-pitranga.’

Amin’ny toe-javatra tena sarotra toa an’io, dia rariny raha manantena fanampiana avy amin’ny dokoterany ny Kristianina, na izy no marary na ny havany. Hoy ny teny famaranan’ilay gazety etsy aloha: “Na inona na inona mitranga, dia tsy rariny raha omena fanazavana sy safidy be dia be fotsiny ilay marary, ary avela hiady saina irery avy eo, fa tsy toroana hevitra ny amin’izay azo atao na tsy azo atao.”

Tena afaka manampy koa ny anti-panahy kristianina eo an-toerana, satria matotra izy ireny. Mazava ho azy anefa fa ilay marary sy ny havany akaiky no tsy maintsy manapa-kevitra, amin’io toe-javatra tena mampalahelo io.

Farany, saintsaino ireto hevitra ireto: Tena maniry ny ho velona foana ny Kristianina mba hahafahany hanompo an’Andriamanitra. Fantatr’izy ireo anefa fa tsy maintsy ho faty isika rehetra raha mbola eto amin’ity tontolo ity. Azo lazaina hoe marary efa ho faty isika rehetra. Ny vidim-panavotan’i Jesosy Kristy ihany no afaka manala antsika amin’izany.—Efesianina 1:7.

Tena mafy ny maty havana. Tsy malahelo “tahaka ny hafa izay tsy manana fanantenana” anefa isika. (1 Tesalonianina 4:13) Mampionona antsika ny mitadidy fa efa afa-nenina isika. Fanampiana mihelina ihany koa ny fitsaboana rehetra nataontsika. Mampanantena mantsy Andriamanitra fa hanafaka antsika amin’ireny olana rehetra ireny, rehefa ‘hofoanana ilay fahavalo farany, dia ny fahafatesana.’—1 Korintianina 15:26.

Hita àry fa avy amin’Andriamanitra ny fanampiana tsara indrindra. Izy mantsy no nanome aina ny olombelona voalohany, sady mampanantena ny hanangana an’ireo mino azy sy Jesosy Kristy Zanany.—Jaona 3:16; 5:28, 29.

[Teny notsongaina, pejy 7]

Mety ve ny manapitra ny ain’ny marary efa ho faty, raha jerena ny fomba nahafatesan’i Saoly?

[Sary, pejy 8]

Tena maniry ny ho velona foana ny Kristianina mba hahafahany hanompo an’Andriamanitra