Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Fahalemena ve ny Fahalemem-panahy?

“Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa.”—2 TIMOTY 2:24.

EFA mahatsapa zavatra ny hoditsika, ela be alohan’ny hahaterahantsika. Maniry mafy ny safosafo feno fitiavana avy amin’ny renintsika isika, raha vao teraka. Raha naneho fitiavana be dia be tamintsika ny ray aman-drenintsika, dia ho tia mitsiky isika, hitombo tsara ara-pihetseham-po, ary ho tia mifandray amin’ny hafa.

Efa voalazan’ny Baiboly anefa, fa ny olona amin’ny andro farany dia “tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny.” Tsy ho fahita firy koa ny hatsaram-panahy sy ny fangoraham-po, izay toetra isehoan’ny fahalemem-panahy. “Ho tia tena” mantsy ny olona, sady ‘ho masiaka be sy tsy ho tia ny tsara.’—2 Timoty 3:1-3.

Olona maro no masiaka sy mafy fo ankehitriny. Milaza izy ireo fa fahalemena ny fahalemem-panahy. Izany tokoa ve?

Malemy fanahy nefa mahery

“Mpiady mahery” i Jehovah Andriamanitra. (Eksodosy 15:3) Izy no Loharano ipoiran’ny hery rehetra. (Salamo 62:11; Romanina 1:20) Tsy nanakana azy tsy ho ‘be fitiavana sy hamindra fo’ anefa ny heriny, rehefa namaly soa an’i Joba, lehilahy nahatoky izy. (Jakoba 5:11) Nasehon’i Jehovah fa tena nalemy fanahy izy, rehefa nifandray tamin’ny Israely. Nampitahainy tamin’ny fihetseham-pon’ny reny mamindra fo amin’ny “zanaka naloaky ny kibony”, ny fihetseham-pony.—Isaia 49:15.

Nahery nefa nalemy fanahy toy izany koa i Jesosy. Nomelohiny mafy ireo mpitondra fivavahana nihatsaravelatsihy tamin’ny androny. (Matio 23:1-33) Noroahiny tamin-kerim-po koa ireo mpanakalo vola matimatin-karena tao amin’ny tempoly. (Matio 21:12, 13) Lasa mafy fo ve anefa izy, satria nankahala ny tsolotra sy ny fitiavan-karena? Tsy izany mihitsy! Nalemy fanahy tamin’ny olona i Jesosy. Nampitaha ny tenany tamin’ny reniakoho ‘manangona ny zanany ao ambany elany’ mihitsy izy.—Lioka 13:34.

Tanjaka anaty ve?

Ampirisihina hanahaka an’i Kristy ny tena Kristianina, ka hitafy “ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra.” (Efesianina 4:20-24) Asaina isika hanaisotra ‘ny toetra taloha mbamin’ireo fanao miaraka aminy’, toy ny foza manaisotra ny akorany mba hitomboany. (Kolosianina 3:9) Vetivety dia mihamafy indray ny vatan’ilay foza, fa isika kosa didiana mba halemy fanahy, hanana “fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy ... ary fahari-po.” (Kolosianina 3:12) Tokony ho toetra mampiavaka antsika àry ny fahalemem-panahy.

Tsy hoe malemy akory isika raha malemy fanahy. Mifanohitra amin’izany, fa tokony ‘hatanjaka [isika] raha ny amin’ny toetra ao anaty, amin’ny alalan’ny hery avy amin’ny fanahin’i [Jehovah].’ (Efesianina 3:16) Nilaza toy izao, ohatra, i Lee: “Lehilahy nahery setra sy ratsy fanahy aho taloha. Vao nijery ahy fotsiny ny olona dia natahotra, satria notevehiko sy nasiako firavaka ny vatako. Tapa-kevitra ny hanan-karena aho, ka tsy nisalasala nanompa sy nampiasa herisetra mba hahazoako izay nilaiko. Tsy niantra mihitsy aho.” Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny mpiara-miasa taminy anefa i Lee, ka lasa nahafantatra sy tia an’i Jehovah Andriamanitra. Nialany ny toetrany taloha ary nianatra nifehy tena izy. Maneho fitiavana izy izao, ka mahafoy fotoana hanampiana olona hianatra Baiboly.

“Mpanambany olona” koa ny apostoly Paoly taloha, ary nampiasa herisetra mba hanatratrarany ny tanjony. (1 Timoty 1:13; Asan’ny Apostoly 9:1, 2) Nankasitrahany anefa ny famindram-po sy fitiavana nasehon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy taminy, ka niezaka izy nanahaka ireo toetra ireo. (1 Korintianina 11:1) Hentitra i Paoly raha ny amin’ireo toro lalana kristianina, nefa nalemy fanahy rehefa nifandray tamin’ny olona. Tena tsy nisalasala mihitsy izy naneho fitiavana lalina an’ireo rahalahiny.—Asan’ny Apostoly 20:31, 36-38; Filemona 12.

Ahoana no hananana fahalemem-panahy?

Asehon’ny zavatra niainan’i Lee sy ny apostoly Paoly, fa tsy hoe malemy ny olona mianatra mifandray amin’ny hafa amim-pahalemem-panahy. Ny mifanohitra amin’izany kosa no marina. Mila hery mantsy isika mba hanovana ny fomba fisainantsika sy ny zavatra ataontsika, ary mba hiadiana amin’ny faniriana ‘hamaly ratsy ny ratsy.’—Romanina 12:2, 17.

Afaka mianatra maneho fangoraham-po koa isika, rehefa mamaky tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra. Ilaintsika koa ny misaintsaina ny fitiavana sy ny famindram-po nasehon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany, tamintsika. Hisy heriny eo amin’ny fontsika ny Tenin’Andriamanitra amin’izay, ka hahatonga antsika halemy fanahy. (2 Tantara 34:26, 27; Hebreo 4:12) Afaka mianatra ny “halemy fanahy amin’ny rehetra” isika, na nanao ahoana na nanao ahoana ny fianakaviana nisy antsika, ary na mafy toy inona aza ny fiainana.—2 Timoty 2:24.

[Sary, pejy 18]

Malemy fanahy amin’ny zanany ny ray mahafatra-po